Ahoana raha i Ny Hasina Andriamanjato?

81. vetsoko ( 02/11/2006 16:18)
atokisako leiry noho i ra8 ,c'est tout
82. fijo ( 02/11/2006 23:45)
izay angaha ka tsy itako izay lazaina.hi hi hi
83. tenagasy ( 03/11/2006 00:18)
Mankamamy sady efa te-hatory be! I fijo izao vao miditra ka dia tonga soa, ary azatsiny fa dia gazety be izy ato an!

Vetsoko! Tiako hoy aho ny nataon\'ny AVI (NYFORME IO FA TSY HIDITRA LALINA AHO ETO: tsy mahalala be izay fiarahandry zareo tao koa moa aho fa dia izay hita sy re no entina midinika: ary ny nisy dia niaraka izy ireo) Nanampy h@ farany ny fitondrana izy; avy eo nijoro ny hirotsaka koa. Izany amiko no anisan\'ny endriky ny demokrasia! (fa tsy manao fardeau na tsy mitovy hevitra aza: ny olona misitona handroso, ny sasany mitambesatra manao izay tsy hihetsehana)
Tsy nety anefa tato aoriana hoy aho satria raha nahatadidy isika dia niteny Ratsirahonana t@ izy nanambara ny firotsahany voalohany indrindra hoe: entanina ny mpomba azy tsy hanaratsy ny hafa mihitsy. Tsy voafehiny anefa io fa dia zary nomba sy nanampy trotraka ny fanaratsiana efa mankadilo ny sofin\'ny mpihaino ataon\'ireto vondromben\'ny mpanohitra izy ireo, izy Ratsirahonana koa aza dia rafitra mba namango ny farany.
Raha dinihintsika tsara io dia ampifandraisina @ resak\'i fijo atsy ambadika ka nilazany hoe gaga izy nahita ny firotsahan-dRatsirahonana .... dia hazava angamba ny tiako hambara.
Raha niteny izy ireo hoe: nisy ny vitan\'ny teo fa hanao tsaratsara kokoa noho izany izahay, hafa ny lalany, saingy izao dia nandrora mitsilany satria samy tao ihany, ary vao maika aza ratsy endrika satria nanjary toy ny mpamadika sy sakaiza tsy mahatoky.

Akama2006: sombiny kely @ tiana hambara @ ilay hoe PUISSANCE ihany no mifandray @ Ny Hasina.
Fa raha izany dia ho raisintsika: ohatra iray mivaingana kokoa dia i Zafy: tsy nisy puissance fa maivana loatra zakan\'ny rivotra ka nodakan\'ny olona amin\'ny fomba mihaja moramora fotsiny dia izay no vita, (hatreny analakely! NON fa nampihomehy ahy loatra ny fomba nitanteran\'ny gazety iny tantara iny. Na izany aza tsy maneso aho sanatria ary manaja tanteraka Azy satria zanaka malagasy)
Tadidio fa hatrany @ fitsikilovana anie singa mpanorina izany puissance izany daholo e! Aiza moa no firenena tsy manao izany? Ka izany no mbola anamafisako hoe ilaina olona manana PUISSANCE no mitondra dia ho azo antoka kokoa ny fananana fitondrana - fanjakana - firenena marim-pototra sy tsy mora hozongozonina.

Mirary soa! Dia mirary torimaso mamy ho an\'ny rehetra!
84. akama2006 ( 03/11/2006 08:48)
tenagasy>/MIARAHABA

mampiomehy ilay fitantarany gazety hoy ianao,ary maivana be i Zafy ka nodakany olona tetsy analakely satria tsy misy puissance:

valiny:izay ny mampalahelo ary toetsaina ohatra izany no heveriko efa ho voafafa satria efa mba niova sata sy niova mpitantana,hay kay mbola io ihany no mibahana ao aminareo!

mampalahelo hoy aho ary mirefarefa raha atao mahafaly izany satria sady tsy mahatkatra ny atao hoe demokrasia no tsy maivana loatra ara-pahendrena!

Zafy anie president e!ex president!misy lanjany izany ,fa tsy hoe rehefa tsy president intsony dia tsy izy,sauf USURPATION angaha!ka ny fomba ohatra izany dia mamoehatra ary henatra ho an'ireo nanao izany!ambonin'izany inona moa no hilana puissance aminy fanehoan-kevitra,ny firovana no hilana izany ary izay nolazainao farany ireo!
misaotra!

misaotra
85. tenagasy ( 03/11/2006 09:52)
Mankamamy!

K'aiza ny akama2006 ah! Salama tsara?
Ifonana raha manafintohina anao izaho tsy nahatana hehy! Sanatria tsy ny maha Zafy Filoha voadaka azy no nampihomehy ahy. Ary dia momba anao manameloka ireo nahavita izany aho! Tsy azo ekena velively ny fampiasan-kery na inona na inona fitrangan-javatra.
Ampiako aza ny anao satria izaho dia mpanameloka ireo olona sahisahy loatra ka h@ tsy afa-delo rehetra izao mahasahy mitsikera sy miteny ratsy olo-manankaja sy ambony toa ireny. N'inon'inona miseho: Filoham-pirenena anie izy eh! Ary ireo mpanaratsy ireo: mba inona ianareo miohatra aminy?
Mba efa nanao haiady kely aho, ka ny fomba fitantaran'ny mpanao gazety azy hoy aho no nampihomehy ahy. Ambarako anao fa na iza na iza teo amin'ny toerany ka toy ireny no fitantara azy (voadaka, il a vacillé un peu, et a perdu son chapeau) dia mihatsaravelatsihy aho raha mitana hehy. Moa mba hanisiana hatsikana kely ny tafatafa koa no anaovako toy ireny ombieny.

PUISSANCE: popularité, mpanohana, antoko, namana itokiana, solombavambahoaka mpomba, vola, harena, fananana, zava-bita, fahaizana sy fahalalana, fifandraisana (anatiny - ivelany - @ ankolafin-kery samihafa), organisation, fiarovana (ny tena sy ny manodidina), fitsikilovana, fahasalamana sy tanjaka, ary h@ bika sy hatsaran-tarehy aza, ...sns...sns...tsy voatanisa eh!
Ka tsy fanambaniana mihitsy no ilazako hoe maivana zakan'ny rivotra fa firy amin'ireo moa no nananan'i Zafy? De mora ho an'ireo liana, poritra sy mendy mafy ny nanala azy.

Mirary soa
86. akama2006 ( 03/11/2006 11:22)
tenagasy> :gaga aho mantsy hoe dia tena mahafaly any tenagasy ve izany zavtra izany!

faly aho aloha fa tsy mpomba ireny ianao!ary raha voahenjika ireo nanao ireny dia ho faly kokoa satria manasoketa ny repoblika izany!kanefa dia tsy agga ihany aho aminreaction sy ny tsy fisiana civisme satria oviana moa hoy ianao no mba nisy filoha mamimbahoaa izany aminy farany mandat any? jereo anie ilay tantara e!

tsiranana nololoavina taminy voalohany,avy eo naharatsiana ,avy eo natao fitaratra hoe taminy androny tpkl tsiranana tsar a etc...!
ratsiraka:nololoavina koa ,73 io,avy eo in2 natao haza lambo!
zafy: dia olontsotra e!nakamamiana ery,i satrobory sens positif,avy eo satrobory sens negatif miaraka aminy qualificatif etsy sy eroa!tsy norahirahina io tranga teny aminy 13 mia io!

i ravalo:?????? maindry ny ahazo azy koa izao hoe anao ahona!
mahakivy!

resaka puissance:eny tsy manan firy amin'ireo izy fa indrindra tsy nanana traik'efa hitantana!marina izany,fa raha averiko aminao hoe firy amin'ireo no hananay filoha teo aloha sy izao dia hiteny koa enoa hoe kely amin'ireo koa!fa ny mampiavaka any8 sy zafy na ny teo aloha dia ,i8 dia be vola teo amboalohany hoe fa sty tao anatiny! nefa io vola azony io tany amboalohany anie ka isy tantarany koa fa sty hoe miracle e!fa mbola ao antiny hoe loloavina izy aloha izao,ka dia positif no hita fa ho hitantsika anie indray andro any e!

misaotra!
87. fijo ( 10/11/2006 22:58)
ny zavatra resahako kely eto de le hoe "ex president"
io fanajana andrim panjakana io.mila ampianarina ny vahoaka io.
za dia olona tena tsy mba nitia an dratsiraka izany mihintsy.fa za raha vao atyivelany izy no aratsian'ny vahiny,dia arovako,satria lanin'ny gasy izy matoa nitondra,ka tsy anjaran'ny vahiny tsy mahay izay fomba sy fiainan'ny gasy no hitsara izany.
isika koa tokony ahay hianatra io fanajana andrim panjakana io,fa izay no manimba zavatra be any.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0206