Halloween sy ny Kristiana

1. Fiffi ( 26/10/2006 16:32)

Ho avy indray ity zao ny 31 Octobra zay hanaovan'ny olona an'ity halloween ity !

Nijery ny fihandoahan'io halowwen io aho ary ny "signification"-ny de hitako ao hoe io fomba io dia natao mba handroahana ny fanahin'ny maty mba tsy hanembatsambana ny velona ?

Nefa hoy aho hoe raha Kristiana moa ve misy zavatra hatahorana @ zany raha misy zany ? Hasiana fivavahana fotsiny ohatra raha misy zavatra mampatahotra ka hinoana hoe tena misy marina ny fanahy ratsy hanelingelina !

Nahoana no nasiana daty manokana hanaovana an'io ?

-Aiza ho aiza ny toeran'ny Kristiana @ io ?
http://www.coindespetits.com/fetes/halloween/hallloweenp3/halloweenp3.html http://www.dinosoria.com/halloween.htm
répondu par prime le 04/12/2006 10:17
2. soanja ( 26/10/2006 16:45)
Raha ny finoana arahinay dia tena tsy mankasitraka an'io mihitsy saingy raha faly ny zanako mi -have fun hoy izahay aty dia izay no fahasambarako. Dia manao Halloween izahay noho izany.
3. Achia ( 26/10/2006 17:04)
fifi =D=D=D fa nga io ihany e ! ny ahy aloha tsy havelako e ! misy hevidalin'i satana ao
4. Fiffi ( 26/10/2006 17:14)
Achia: zah kosa aloha de tena "anti-alloween" mihintsy an! Ny mahagaga ahy manko de hoe tsy maninona fa tsy misy hidiran'ny finoana zany satria ankizy manao deguisement sy mangataka bonbon fotsiny io ! nefa raha naheno ny resakin'ny olona avy niangona aho t@ Alahady heriny dia toa lasa fimenomenonana ny momba an'io .
5. Zina ( 26/10/2006 17:19)
Ny kristiana dia tsy tokony hitsapatsapa tena @ ny asan'i devoly.. Ny Halloween dia 100% devoly, ka eviteo na dia maka bonbon fotsiny azy...na hoe hampifaly ny ankizy.. ny bonbon koa anie maha be cavité e
6. Fiffi ( 26/10/2006 17:36)
soanja:
Raha ny finoana arahinay dia tena tsy mankasitraka an'io mihitsy saingy raha faly ny zanako mi -have fun hoy izahay aty dia izay no fahasambarako. Dia manao Halloween izahay noho izany.
soanja: misy fahasambarana azo ve akia raha tsy misy ny finoana ? raha Kristiana no tiako lazaina an!


7. Zina ( 26/10/2006 17:49)
ity ilay mila manao safidy oe:
Andriamanitra sa i Devoly - fanjakana roa ireo...
8. Fiffi ( 26/10/2006 17:55)
marina izany an!
9. cutie ( 26/10/2006 19:19)
:-D:-D:-D:-D:-D
10. Fiffi ( 26/10/2006 20:55)
cutie: fa inona akia no mampi-:-D:-D an'zany ?
11. cutie ( 26/10/2006 21:26)
an3 :-D:-D:-D:-D
in aza ny costume-ko refa halloween ry fiifi raha hain-jy :wink::wink::wink:
12. dailynews ( 26/10/2006 22:06)
izaho dia tsy mi celebrer halloween, satria tsy resy lahatra mihitsy aho fa tokony ho an ny kristiana koa io.
ny antony? ny tantarany....ary tsy mahafinaritra ahy ihany koa ny mijery ireny akanjompamosavy sy ny taolampaty sy ny tsy haiko rehetratra ireny momba azy ireny atao fomba fiakanjo, tery saina aho?? tsy maninona, fa raha tsy resy lahatra ny fanahy ato anatiko hanao izany dia tsy manao aho.

13. dailynews ( 26/10/2006 22:23)
Raha resaka fanahy fiffi tsy misy hatahorana raha toa kristiana mandeha araka ny tenin'Atra fa tsy kristiana etiquette fotsiny ihany satria dia ilay Fanahy izay ao anatin'ny mpino dia lehibe noho ilay fanahy izay misy eo amin izao tontolo izao. ary ihany koa ny Tompo Jesosy dia efa nanome fahefana ho any mpino hoe marka 16: 17" ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino..( tsy niteny izy hoe ny pasitera ihany na ny mpiandry ihany) fa izay MINO..hamoaka demonia amin ny anarako izy..."
ny dikan izany dia tsy misy tokony hahatahorana na inona fanahy amin'io na inona saingy kosa aminy maha mpino dia tsy misy akory tokony hiarahako milalao izany zavatra mifanohitra amin ny teninAtra izany eo amin ny fiainako. tsy tradition ko ny halloween fa tradition ny olona izay tsy manaraka ny tenin Atra. ary tsy vonona akory aho hiaraka hilalao amin izany olona izany, na hanandratra izany fety izany aleoko mijanona ao antrano midera sy manandratra ilay mpamonjy ahyna manao zavatra hafa mahasoa. ary ny volako tsy holaniako amin'izany akory.
14. dailynews ( 26/10/2006 22:37)
sady na izany na tsy izany resaka fanahy io, rehefa tsy avy amin'ny Tompo aza miditra akory.
ho any ankizy dia betsaka ny fiangonana izay manana fotoana manokana mandritra io halloween io ary anarana hafa no hiantsoany izany, izany hoe tsy halloween mihitsy fa fotoana kosa nosoloina ho an ireo zaza krsitiana mba tsy hampirona azy ireo hiaraka amin ny ankizy manao io fety io. ka dia atokana toerana hafa izy ireo manao izay mahafinaritra azy mandritra io alina io amin ny anarana kilalao hafa mihitsy. ny ao ampiangonanay dia ny 31 octobra izao dia hanao ny zipzapalloopa ny ankizy, fotoana hiarahana amin ny fianakaviana hisakafoanana, hanoavana kilalao, hira sns.... tsy misy hidiran ny halloween mmihitsy fa kosa fanokanana azy ireo tsy hovoarebirebin izany.
15. cutie ( 26/10/2006 23:49)
Za ndray alou de tena mbola tsy nampitaha ny halloween sy ny kristiana e :roll::roll:
Fa za mankalaza halloween refa misy fotoana, fa @ty tsy afaka:cry::cry::cry:
16. dailynews ( 27/10/2006 01:02)
nefa aky tsy fety fe fety fotsiny ihany izy io ka azon ny olona rehetra ankalzaina tahaka ny hoe labor day, na mandeha fair sns..fa ny fototry ilay fety mihitsy tahkan an'io = >:twisted:
fa bon...choix hono ny fiainana.
17. cutie ( 27/10/2006 01:27)
dailynews, tsy nieritreritra ny foton'le fety mitsy za we :twisted:hatramizay ka :lol::lol::lol:
18. Fiffi ( 27/10/2006 05:35)
cutie: hitandry ? tsy aiko hoe @ fomba ahoana no tsy hiheritreretana ny foton'ny fety iray raha toa ka hi-participer an'io fety io ! Ohatra fotsiny zao hoe misy resaka carnaval , tondé mande ho azy hoe zao ny hanaovana akanjo ohatra an ! @ io ! halloween koh mitovy @ zany !
Zah indray aloha de manisy pankarta eo @ vavahady misy soratra hoe "tsy manao alloween ny ato" de tsy misy mi-sonner hangataka bonbon !
19. jentilisa ( 27/10/2006 06:03)
Ny Halloween dia fety efa talohan'ny finoana kristiana. Ny faritra Eoropa ary indrindra indrindra tany Eire no tena nanaovana izany halloween izany. Taty aoriandriana dia noezahin'ny fiangonana tany Eoropa ny hanafoana azy araka izay tratra...izay no nahatonga ny fankalazana ny fetin'ny olo-masina rehetra ho anisan'ny fety lehibe indrindra tamin'ny finoana katolika. Noho io fety malaza io no namoahan'ny Lotera fehin-kevitra hanoherana fomba sasantsasany tao amin'ny fiangonana tamin'ny taona 1517. Izay no nahatonga ny fetin'ny 31 oktobra ho fetin'ny filazantsara amin'ny fiangonana loterana.

Noho izay zavatra izay dia miova ho fetin'ny filazantsara ny Halloween amin'ny loterana. Eto Dago moa efa fantatsika fa tsy fanao loatra io fa ny sekoly vahiny sy ny vahiny avy any Eoropa no miezaka mampiditra io ao amin'ny fanaon'ny ankizy!
20. Fiffi ( 27/10/2006 06:53)
jentilisa:
Noho izay zavatra izay dia miova ho fetin'ny filazantsara ny Halloween amin'ny loterana.
jentilisa: fetin'ny filazantsara ozy enao ? nefa hiharaha-mahita fa tsy zany mihintsy no miseho ankehitriny !


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2611