Andao isika hivavaka.

1. Fiffi ( 10/05/2006 06:33)
Andriamanitra ô , Hianao no fototry ny fiadanana sady tia fiadanana , ny fahalalana Anao no fiainana mandrakizay , ny fanompoana Anao no fahafahana tanteraka ; Arovy amin'ny fahavalonay rehetra izahay mpanomponao , mba tsy hatahotra ny hery amelezany anay , fa hatoky mihitsy ny fiarovanao , noho ny herin'i Jesoa Kristy Tomponay . Amen
répondu par Fiffi le 30/05/2006 18:41
2. Fiffi ( 10/05/2006 06:40)
Andao isika hivavaka: somary lasa kely manko ny heritreritro hoe mazoto mivavaka tokoa ve isika ? Indraindray manko rehefa misy zavatra nanahirana ohatra , na adiady , na tsy nisy fotoana fa be ny asa hatao dia hadino ny mivavaka , maika loatra fa ho tara amin'ny asa ohatra dia misakafo ainga dia aingana dia hadino ny mivavaka , tsy ny rehetra anefa no manao an'izany fa mety efa nahavoa antsika tsirairay.
Mba efa voan'izany ve ianareo ?
3. cutie ( 10/05/2006 13:12)
Mpandefa : Fiffi [ Valio ] 10-05-2006 11:33:33
Lohateny : Andao isika hivavaka.
Andriamanitra ô , Hianao no fototry ny fiadanana sady tia fiadanana , ny fahalalana Anao no fiainana mandrakizay , ny fanompoana Anao no fahafahana tanteraka ; Arovy amin'ny fahavalonay rehetra izahay mpanomponao , mba tsy hatahotra ny hery amelezany anay , fa hatoky mihitsy ny fiarovanao , noho ny herin'i Jesoa Kristy Tomponay . Amen

tsy azoazoko le vavakin-jy:oops:
4. chipie1 ( 10/05/2006 14:21)
ary i fiffi tsy mikipy refa mivavaka an !:-D:-D
5. Fiffi ( 10/05/2006 14:47)
chipie1: de hanoratra an'io vavaka eto io ve aho ka raha hakipiko ny masoko , ho hafaka hanoratra ve zah ? Saingy nivavaka ary nakipiko aloha ny masoko , avy eo nosoratako eto io vavaka io , dia non'ny vita dia nakipiko indray ny masoko namerina io vavaka io kah!
cutie: tsy azoazondry ahoana akia ?
6. cutie ( 10/05/2006 14:58)
Andriamanitra ô , Hianao no fototry ny fiadanana sady tia fiadanana , ny fahalalana Anao no fiainana mandrakizay , ny fanompoana Anao no fahafahana tanteraka ;

io alou azoko
fa ty no tsy azoko:
Arovy amin'ny fahavalonay rehetra izahay mpanomponao , mba tsy hatahotra ny hery amelezany anay

tonga de fangatahana ve??
fa tsy misy fifonana na fisaorana ?
Raha za zao no manao an'io de zao:
1-fiderana
2-fifonana
3-fisaorana
4 fangatahana-
:P
7. diamondra27 ( 10/05/2006 16:16)
amin'ny anaran'i Ray sy ny zanaka ary ny Fanahy Masina Amen: Atra ô! misaotra anao aho fa mbola nomenao hery hahazoako manao ny adidiko @ mpiara-belona amiko, manome fankaherezana,midinika, mifanakalo hevitra eto.
Misaotra Anao raha mbola nomenao ratsatanana afaka mitapitapy ny claviers, sy maso hahafahana mijery ny vaovao erantany @ alalan'ny internet.
Misaotra Anao @ zay rehetra vitanao tamiko noho ny fahasoavanao.
......
Mbola hitohy

Midera Anao satria mbola nomenao andro tsara indray anio
Mifona raha nisy teny nanafitohina ny namana tamiko sy ny mpiara-miasa na mpiaramonina amiko

Misaotra ny namana nanokatra ity dinika ity mba hahazoana midera, mankasitraka Anao, misaotra Anao
Anao ny dera sy ny laza ary ny voninahitra mandrakizay mandrakizay Amen

Dia samy hotahian'i Tompo daholo ô

Mbola hitohy....

mivavaka ho an'ny marary sy izay tsy sedra ny épreuve
....
8. marozevo ( 10/05/2006 18:45)
Raha mivavaka ianareo dia aza mba tia miseho na mijorojoro eny amin'ny sampanan-daklana....
Sampana'andalana lehibe tokoa ny Net.

Fiffi ah... Za tsy mba d'accord amin'ilay tena manonona vavaka eto. Ny antony dia satria ny vavaka anie personnel eh... Ianao ihany no mahazo izay tena lazainao. Jereo fa azon'i cutie izay lazainao. Jereo fa anihanian'i Chipie1 fotsiny ianao, dia avy eo velarany fandrika dia azony. mampalahelo ry zareo...

raha ny fifanakalozan-kevitra dia ataoko tsara fa ilay tena manao tonom-bavaka eto.... an3...
9. diamondra27 ( 10/05/2006 18:57)
marozevo: 'zany vavaka tia sehoseho lazaina zany le tao @ baiboly dia le vavaky ny mpihatsaravelatsihy , sy ny vavaky ny fariseo ka tiana hodokafana fa tsy hoe: vavaka toy ny eto e!
samy manana ny safidiny moa ny tsirairay fa raha ny amiko dia tsy misy maharatsy ny vavaka asandratra @ Atra mihitsy na internet na tsia satria hoy ny Tompo oe: mazotoa ianareo mivavaka na @ fotoana na tsy @ fotoana; ary koa hoe:mety ho @ alalan'ny internet ihany koa no mety moyen iray mety hahavonjy ny fanahin'ny olona iray. Vavaka no atao fa an'Atra ny asa
Izay maniratsira de azy ihany ny azy fa refa madio ny sainao de entre toi et Dieu ihany io
Farany: mety misy olona tsy mahay mivavaka any satria mbola tsy mpino , ka raha mba mitsidika eto izy dia mba hitany 'ze eto de mety hiteny izy oe: hay ve 'zany no atao hoe: vavaka e!
Aoka fotsiny tsy atao kitoatoa le izy fa manjary manameloka ny tenanao
10. Fiffi ( 11/05/2006 05:29)
diamondra27:

Farany: mety misy olona tsy mahay mivavaka any satria mbola tsy mpino , ka raha mba mitsidika eto izy dia mba hitany 'ze eto de mety hiteny izy oe: hay ve 'zany no atao hoe: vavaka e!
diamondra: mihombon-k'hevitra @ ndry aho @ io an! satria tsy izany tokoa ve moa no niantsohan'ny Tompo ny olona hanarato ?


11. Fiffi ( 11/05/2006 05:38)
Fiffi:

Andao isika hivavaka: somary lasa kely manko ny heritreritro hoe mazoto mivavaka tokoa ve isika ? Indraindray manko rehefa misy zavatra nanahirana ohatra , na adiady , na tsy nisy fotoana fa be ny asa hatao dia hadino ny mivavaka , maika loatra fa ho tara amin'ny asa ohatra dia misakafo ainga dia aingana dia hadino ny mivavaka , tsy ny rehetra anefa no manao an'izany fa mety efa nahavoa antsika tsirairay.
Mba efa voan'izany ve ianareo ?
Raha nandefa ity dinika ity aho dia nivavaka ho antsika aloha . Misy mahadiso ahy ve izany ? Raha nivavaka aho , tsarovy tsara fa tena tao am'po no nanaovako io vavaka io ary tsy hoe nisehoseho akory fa ny zavatra mba nolazaiko manaraka no mba tokony jerena. Nefa koa dia nisy hiany ny nanaraka am-bavaka ho an'izay tiany hivavahana ka dia hisaorana izany.



12. Fiffi ( 11/05/2006 05:50)
Raha mivavaka ianareo dia aza mba tia miseho na mijorojoro eny amin'ny sampanan-daklana....
Sampana'andalana lehibe tokoa ny Net.
Asa re raha ohatra hoe nandefa io dinika io aho ka ny fisehosehoana no antony nanaovako azy , ary hangatahako famelana amin'ny Tompo raha sanatria ka io no antony nanaovako azy.
Fiffi ah... Za tsy mba d'accord amin'ilay tena manonona vavaka eto. Ny antony dia satria ny vavaka anie personnel eh...
marina io nolazainao io ry marozevo fa tena personnel tokoa ny vavaka fa kosa misy hadisohana ve raha toa ka mba te-hivavaka ho an'ny olona ? na dia natao eto aza ? Hangatahako amin'ny Tompo koa izany ary ny famelana satria nanao hadisoana aho. Inona anefa no tokony hahamenatra raha hivavaka ?
raha ny fifanakalozan-kevitra dia ataoko tsara fa ilay tena manao tonom-bavaka eto.... an3...
Dia mba jereo hiany ary aloha ireo zavatra nolazaiko teo ambony ireo satria nivavaka ho antsika rehetra aloha no nataoko alohan'ny nanomezako fanazavana hoe "mba voan'izany ve ianareo"
Ary mangataka ny Tompo famelana aho , eny na dia fantatro aza ny nataoko.
13. diamondra27 ( 11/05/2006 07:20)
ny vavaka personnel momba ny fiainana personnel dia iny angamba tsy atao eto kosa fa raha hoe: vavaka ho an'ny be sy ny maro dia tsy misy maharatsy azy amiko

Ny internet ange tsy rasty fa ny fampiasàna azy no mety ratsy.
Tahaka ny antsy io: tsy misy maharatsy ny antsy fa mi-servir anao aza ny fanananao azy fa raha ampiasainao hamonoan'olona ny antsy dia zavadoza izay
Azonareo ve ny tiako lazaina

mahereza mivavaka!
14. marozevo ( 11/05/2006 08:11)
Fiffi > tsy sanatria akory ianao no lazaiko hoe tia sehoseho. Ny olana fotsiny amiko dia misy foana ny mamadika ny resaka... Asa hitanao ve ireo anaovan'ny sasany anao eo ambony ireo : Cutie - Chipie ? Io resaka mivadika ho fananihaniana io no tsy dia itiavako loatra ilay mivavaka eto. Hafa manko ny miresaka momba ny fivavahana, ary hafa koa ny mivavaka. Amiko ilay mivavaka dia masina loatra, ka tokony ho arovana mafy tokoa, tsy tokony havela hoviravirain'ny tsy tia fivavahana.

Raha toa ka tsy izay no nandraisanao ny teniko, dia miala tsiny sy mangataka famelana aminao aho.
15. Fiffi ( 11/05/2006 10:48)

-Sambatra hianareo izay mametraka ny fitokisanareo rehetra amin'Andriamanitra, fa anareo ny fanjakan'ny lanitra.


-Sambatra hianareo izay manana ny fanetren-tena hiaiky izay zavatra ilainareo manokana, fa ho anareo ny tany rehetra.

-Sambatra hianareo izay mpamindrafo, fa hahazo famindrampo hianareo ho valin'izany.

-Sambatra hianareo izay mpampihavana, fa hantsoina hoe zanak'Andriamanitra hianareo. [/b


[b]Sambatra hianareo raha mijaly noho ny soketa sy ny fitenenan-dratsy ataon'ny olona anareo noho ny fanaovana ny sitrapoko. Mifalia, ary mibitaha amin'ny fifaliana, fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra. Fa tahaka izany koa no nanenjehany ireo mpilaza ny marina malaza tamin'ny andro taloha




16. cutie ( 11/05/2006 13:10)
Mpandefa : marozevo [ Valio ] 10-05-2006 23:45:40
Lohateny : Re : Andao isika hivavaka.
Raha mivavaka ianareo dia aza mba tia miseho na mijorojoro eny amin'ny sampanan-daklana....
Sampana'andalana lehibe tokoa ny Net.

Fiffi ah... Za tsy mba d'accord amin'ilay tena manonona vavaka eto. Ny antony dia satria ny vavaka anie personnel eh... Ianao ihany no mahazo izay tena lazainao. Jereo fa azon'i cutie izay lazainao. Jereo fa anihanian'i Chipie1 fotsiny ianao, dia avy eo velarany fandrika dia azony. mampalahelo ry zareo...

tsy azoko ze lazian'i marozevo
nga ny dinika eto tsy ifanakalozan-kevitra:roll:
17. cutie ( 11/05/2006 13:13)
Mpandefa : marozevo [ Valio ] 11-05-2006 13:11:11
Lohateny : Re : Andao isika hivavaka.
Fiffi > tsy sanatria akory ianao no lazaiko hoe tia sehoseho. Ny olana fotsiny amiko dia misy foana ny mamadika ny resaka... Asa hitanao ve ireo anaovan'ny sasany anao eo ambony ireo : Cutie - Chipie ? Io resaka mivadika ho fananihaniana io no tsy dia itiavako loatra ilay mivavaka eto. Hafa manko ny miresaka momba ny fivavahana, ary hafa koa ny mivavaka. Amiko ilay mivavaka dia masina loatra, ka tokony ho arovana mafy tokoa, tsy tokony havela hoviravirain'ny tsy tia fivavahana.

Raha toa ka tsy izay no nandraisanao ny teniko, dia miala tsiny sy mangataka famelana aminao aho.

aiza koa zao za mpamadika resaka eo sy mananihany eo
i Fiffi aza tsy niraika ka enao ndray no miakatra avy any :evil:
tsy hitanao nga io hevitra nampidiriko io :evil:
18. bichette ( 11/05/2006 14:10)
aoka isika hivavaka amin'ny andro rehetra
19. dadabe ( 11/05/2006 14:35)
humm !!!
ity misy vavaka tsara be

Filazantsara araka an'i Jaona toko faha-17 :1-farany
1 Rahefa nolazain'i Jesosy izany teny izany, dia nanandratra ny masony ho amin'ny lanitra Izy ka nanao hoe: Ray ô, tonga ny fotoana; mankalazà ny Zanakao, mba hankalazan'ny Zanaka Anao,

2 araka ny nanomezanao Azy fahefana amin'ny nofo rehetra mba hanome fiainana mandrakizay ho an'izay rehetra nomenao Azy.

3 Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.

4 Izaho efa nankalaza Anao tety ambonin'ny tany; vitako ny asa nomenao Ahy hataoko.

5 Ary ankehitriny, Ray ô, mankalazà Ahy amin'ny tenanao, dia amin'ny voninahitra hiarahako nanana taminao, fony tsy mbola ary izao tontolo izao.

6 Nasehoko tamin'ny olona izay nomenao Ahy avy tamin'izao tontolo izao ny anaranao; Anao ireny ka nomenao Ahy; ary notandremany ny teninao.

7 Fantany ankehitriny fa avy taminao izay rehetra efa nomenao Ahy.

8 Fa ny teny izay nomenao Ahy dia nomeko azy kosa, ary noraisiny, ka fantany marina tokoa fa avy taminao Aho; ary nino izy fa Hianao no naniraka Ahy.

9 Izaho mangataka ho azy; tsy mangataka ho an'izao tontolo izao Aho, fa ho an'izay nomenao Ahy, satria Anao izy.

10 Ary izay Ahy rehetra dia Anao; ary izay Anao dia Ahy; ary efa ankalazana eo aminy Aho.

11 Ary tsy ho eo amin'izao tontolo izao intsony Ahy, fa izy ireto no ho eto amin'izao tontolo izao, ary Izaho mankany aminao. Ray masina ô, tehirizo ireo amin'ny anaranao izay nomenao Ahy, mba ho iray ihany izy, tahaka ny mahiray Antsika.

12 Raha mbola teo aminy Aho, dia nitahiry azy tamin'ny anaranao izay nomenao Ahy; ary notandremako izy ka tsy misy very, afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana ihany; mba hahatanteraka ny Soratra Masina.

13 Fa ankehitriny mankany aminao Aho; ary izany teny izany no lazaiko eto amin'izao tontolo izao, mba hananany ny fifaliako tanteraka ao aminy.

14 Efa nomeko azy ny teninao; ary halan'izao tontolo izao izy, satria tsy naman'izao tontolo izao, tahaka Ahy tsy naman'izao tontolo izao.

15 Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin'izao tontolo izao, fa ny hiaro azy amin'ny ratsy. [amin'ilay ratsy].

16 Tsy naman'izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman'izao tontolo izao.

17 Manamasina azy amin'ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana.

18 Tahaka ny nanirahanao Ahy ho amin'izao tontolo izao no mba nanirahako azy kosa ho amin'izao tontolo izao.

19 Ary ho an'ireto no anamasinako ny tenako, mba hanamasinan'ny fahamarinanao azy.

20 Nefa tsy ho an'ireto ihany no angatahako, fa ho an'izay mino Ahy koa noho ny teniny;

21 mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao aminao, mba ho ao amintsika koa izy; mba hinoan'izao tontolo izao fa Hianao no naniraka Ahy.

22 Ary nomeko azy ny voninahitra izay nomenao Ahy, mba ho iray izy, tahaka ny mahiray Antsika:

23 Izaho ao aminy, ary Hianao ato amiko, mba ho tanteraka ho iray izy, mba ho fantatr'izao tontolo izao fa Hianao efa naniraka Ahy sady efa tia azy tahaka ny nitiavanao Ahy.

24 Ray ô, tiako mba ho any amiko amin'izay itoerako ireo izay nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitro nomenao Ahy izy; fa efa tia Ahy Hianao, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao.

25 Ray marina ô, tsy nahalala Anao izao tontolo izao; fa Izaho nahalala Anao, ary ireto efa mahalala fa Hianao no naniraka Ahy.

26 Ary efa nampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany, mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary Izaho koa ao aminy
20. dadabe ( 11/05/2006 14:42)
Daniela :toko faha 2 and 20-23

20 Eny, niteny izy ka nanao hoe: Isaorana anie ny anaran'Andriamanitra mandrakizay mandrakizay, fa Azy ny fahendrena sy ny hery.

21 Ary Izy no mandahatra* ny andro sy ny fotoana; Izy no manaisotra mpanjaka sy manangana mpanjaka; Izy no manome fahendrena ho an'ny hendry sy fahalalana ho an'izay mazava saina.[Ar. manova]

22 Izy no mampiseho ny zavatra lalina sy miafina; Izy no mahalala izay ao amin'ny maizina, ary ny mazava mitoetra ao aminy.

23 Hianao, ry Andriamanitry ny razako ô, no deraiko sy isaorako, satria nomenao fahendrena sy hery aho, ary ankehitriny efa nampahafantarinao ahy izay nangatahinay taminao; fa nampahafantarinao anay ilay nofin'3 ny mpanjaka[/b]

ny tiko ambara dia ity :"marina mihitsy ilay tenin'i cutie ery ambony manao hoe

1-fiderana
2-fifonana
3-fisaorana
4 fangatahana


satria na i Kristy na i Daniela dia samy nampiseho an'izany avokoa rehefa nivavaka :D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0668