Andao isika hivavaka.

41. Achia ( 15/05/2006 12:55)
Raha ny fahazahoako io vavaka nampianarin'i Tompo io de hatao ohatra io ny firafitry ny fivavahana sa ahoana hoy nareo
42. Fiffi ( 16/05/2006 16:25)

-Misy fahotana ve aloha raha mivavaka na aiza na aiza ?
-Moa ve tsy niantso antsika Jesoa ho mpanarato ?
-Inona no tena mavesa-danja : ny mivavaka na aiza na aiza , raha ao am-po ny hivavahana , inona no fahotana hatao amin'izany ?
-Tsy Ny Tompo hiany ve no hafaka hitsara na mety ny nataon'ny olona na tsy mety satria fivavahana amin'ny alalan'ny anarany no nivavahana ?
-Moa ve raha misahy mivavaka ampe-be maso dia ho raisina fa fisehosehoana ? (tsy milaza akory aho hoe nisy niteny an'izany)


-Ary mbola haveriko eto hiany fa nivavaka ho antsika aloha aho alohan'ny nandefasako ity: Andao isika hivavaka: somary lasa kely manko ny heritreritro hoe mazoto mivavaka tokoa ve isika ? Indraindray manko rehefa misy zavatra nanahirana ohatra , na adiady , na tsy nisy fotoana fa be ny asa hatao dia hadino ny mivavaka , maika loatra fa ho tara amin'ny asa ohatra dia misakafo ainga dia aingana dia hadino ny mivavaka , tsy ny rehetra anefa no manao an'izany fa mety efa nahavoa antsika tsirairay.
Mba efa voan'izany ve ianareo ?
Misaotra antsika rehetra.
43. marozevo ( 16/05/2006 20:58)
Fiffi > an3... Tsy misy fahotana mihitsy ny mivavaka na aiza na aiza ka... Izany aza no tokony ho tanjona anie eh...
Misy tokoa fotoana na vanim-potoana anaovako an-tsirambina ny fivavahana noho ny antony izay tsy lazaina. Matoa tsy lazaiko ilay antony dia satria sao manamarin-tena indray nefa hita fa diso eo.
saingy tsapako koa fa ny fiainam-panahy dia toy ny taona iray : Misy ny ririnina mamirifiry, ary misy ny mafana, misy ny manorana ary misy ny mamovoka na maina.
Raha misy 10% amintsika fotsiny no mivavaka ho antsika alohan'ny hanoratna toy io ataon'i Fiffi io, dia masina ho azy koa ity sehatra hihaonantsika ity.
Isaorana Andriamanitra fa lehibe ny fitiavany antsika.

"Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay".
44. Fiffi ( 17/05/2006 12:50)
marozevo: aza de deraina loatra aho fa zah koa anie mitovy aminao , mitovy @ rehetra hiany eh! saingy arak'io nolazainao io hoe misy ny ririnina sns... misy koa ny haingam-panahy mba te-hivavaka na @ fotoana inona na inona de mba lasa teto zany ilay mba faniriana hivavaka ho antsika rehetra eto.
45. dadabe ( 18/05/2006 00:43)
:roll::roll:tapaka le vavaka :roll:
46. Fiffi ( 18/05/2006 06:17)
dadabe: miala tsiny aminao raha toa ka nanapaka satria nilaina ny fanazavana sa ahoana hoy ianao ?


-Avia , aoka isika hihoby ho an'i Jesoa , aoka isika hanao feo fifaliana ho an'ny Vatolampy famonjena antsika.
-Aoka hankeo anatrehany amin'ny fiderana isika : aoka hanao feo fifaliana ho Azy amin'ny fihirana isika.
-Fa Izy no Andriamanintsika : ary olona fiandriny sy ondry tandremany isika.
47. dadabe ( 18/05/2006 08:11)
fa raha hangina ireo dia ny vato no hiantsoantso...
48. tisera ( 18/05/2006 18:10)
Mivavaha ka aza mitsahatra . Izany no baiko nomen'ny Tompo Jesoa antsika . Toe-panahy hananana ao anaty ny vavaka : hetaheta te-hiresaka @ Tompo mandrakariva n'aiza n'aiza ; Izy aza anie izao miaraka amintsika eto @ serasera. org eto é! Fa na dia samy afaka mivavaka aza ny tsirairay tena manana tombony ireo izay afaka mandre ny tenin'Atra any @ am-piangonana @ teny malagasy . Ny ahy dia ny faniloradio.com no entina hanovozana aim-panahy fa tsy mba misy fivoriam-bavaka @ teny gasy aty aminay. Dia samy ho feno ny fitahian'ny Tompo isika rehetra é! Izy izay miaro sy mampamirapiratra ny tavany amintsika ary manome antsika fiadanam-po. Ho Azy irery ihany ny voninahitra é!
49. Fiffi ( 18/05/2006 18:17)
Ary ny Tompo anie Homba sy Hitahy antsika rehetra lalandava.
50. marozevo ( 18/05/2006 21:46)
Ny tena tanjona dia izao :
Ny fiainana manontolo no tonga vavaka,
Ary ny vavaka dia ho lasa fiainana.

ka na ny manonona vavaka, na ny manazava hevitra momba ny vavaka, na ny mifamaly hevitra momba ny vavaka aza, ka tena atao ara-pinoana, dia heveriko fa vavaka izany.
Ka noho izany tsy nisy vavaka tapaka izany teo.
51. Fiffi ( 19/05/2006 04:34)
[quote=marozevo]ka na ny manonona vavaka, na ny manazava hevitra momba ny vavaka, na ny mifamaly hevitra momba ny vavaka aza, ka tena atao ara-pinoana, dia heveriko fa vavaka izany.
Ka noho izany tsy nisy vavaka tapaka izanyteo./quote]Marina ny anao ry marozevo .Tsy misy hanampiana azy fa de ny fahazotoana ny hivavahana am-po no hatao.


52. Achia ( 20/05/2006 06:51)
Midera mankalaza
Omeo azy ny voninahitra
fa ilay tompo Andriamanitra avo indrindra Izy
de ilay nitantana sy nandrindra
de tolory haja sy ny fisaorana
Samia mifaly fa notahiny isika e
Arabaina velonaina
hatrizay2 nitantanany antsika
Hikolona ny finoana
Miorena2 fa aza mova ô ô ô
53. dadabe ( 20/05/2006 09:06)
=D=D
Omeo an' iJesoa
ny entanao
fa Izy no hiahy anao
..ambony((5)no asandratro i Jesosy
..ambany (5)no hanoseko ilay satana o^o
54. diamondra27 ( 20/05/2006 21:29)
dadabe: lasa velonkira indray fa tsy nivavaka; haiko tsara io hira io manko
55. dadabe ( 21/05/2006 06:16)
hihih:-$
Fiffi a andao ovaina hira indray eo^o :wink:
56. marozevo ( 21/05/2006 08:42)
Aza ovana hira izany fa izahay tsy mahay mihira ka !! sa ataovy ary dia izaho hitendry eh.. o no mba haiko.
57. Fiffi ( 21/05/2006 12:27)
marozevo: na tsy mahay mihira aza ange enao ka rehefa mihaino sy concentré @ le hira de efa anisan'ny mivavaka an! satria raha hiram-pivavahana no hatao , vavaka hiany io kah! :)
dadabe: na dia vavaka hiany aza ny hira , misy kosa ny olona tsy mahay mihira eh! zah zao tena mpamalank'hira be hihihihhih
58. dadabe ( 21/05/2006 14:07)
ngah!! " liliah andohasah" :-$:-$ :*
59. marozevo ( 22/05/2006 20:29)
Mbola mihoatra noho izany aza ry Fiffi ah... Iza mihira mivavaka in-droa, hoy ny fampianaran'izay olo-malaza izay...tsy tadidiko hoe iza anefa no niteny izany, fa izy aloha olona malaza tany amin'ny 4 na 5 siekla voalohany tany eh.
Rehefa mamala-kira ohatra ahy dia avela hihira tsara ny hafa, fa marina io lazain'i dadabe io. Rehefa concentré tsara dia efa mivavaka izay...
60. bichette ( 23/05/2006 13:34)
amena !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0125