Andao isika hivavaka.
22. Fiffi
(
11/05/2006 15:18)
cutie:Tonga de fangatahana aloha no hataoko eny na dia ny hangataka an'Andriamanitra ny hanonona ny anarany aza dia hataoko fangatahana aloha.
tonga de fangatahana ve??
fa tsy misy fifonana na fisaorana ?
Raha za zao no manao an'io de zao:
1-fiderana
2-fifonana
3-fisaorana
4 fangatahana-
:P
-Mangataka aloha aho mba hanonona ny anarany
-Mifona
-Misaotra
-Midera
24. Zina
(
11/05/2006 17:18)
ny vavaka dia azo atao na aiza na aiza...ary ny internet ary no tena tsara mba ho itan'ireo izay mbola tsy mahalala
25. diamondra27
(
11/05/2006 18:26)
raha ny azoko izany dia tsy miteny na iza na iza i marozevo eto fa ny olona hafa sasany tsy maintsy hisy manova resaka de lazaina fa misehoseho refa aseho eto ny vavaka e!
dia ho azy ireo: aza mitsara mba tsy hortsaraina ary koa mivavaha ho anay raha manafitohina anareo izahay mivavaka eto
averiko ihany fa ny internet dia moyens ampiasaina ampielezana ny filazantsara tahaka ny moyen hafa
Tsy aleo ve mijery vavaka eto hampandroso ny fiainampanahy e!

26. Herimiafina
(
11/05/2006 19:15)
Tsy misy olana raha mivavaka aza i Fiffi kah! Misaotra betsaka!
ny intention ao ampo sy ao antsaina ihany no mitondra an'io.
Ny tsy mety dia ny mivavaka imasombahoaka entina hiheboheboana toy ny nataon,ny fariseo sy ny mpanoradalàna sasany.
Ny mety dia ny mivavaka ao ampo marina tsy manana alahelo amin-kafa, tsy maniry loza na maneso ny hafa toy ny hoe: "ataovy ilatsahan'ny varatra ry anona ao antsinanana na ry anona ao atsimo", na koa ny manao hoe: " arovy amin'i Rakoto fahavaloko aho".....
Misaotra betsaka.

27. texe
(
12/05/2006 03:35)
fiffi tena tsara li idée nao ity misy vavaka atolotra antsika rehetra.
mbola misaotra anaoizay tompo tamin'ny tombon'andro izay nomenao anay ka nahafahanay mifanatorohevitra ato indray,misaotra tamin'ireo rehetra izay nomenao anay sy izay mbola omenao any andriamanitra ny fiadanana anie itaha antsy mandrakariva.ary mbola ampetrakay eo ampelatananao ny fiainanay rehetra ianao anie itahy anay sy anome torolalana sy torohevitra mna afahanay manatanteraka ny adidy amanadraikitra tsirairay de anao anie ny dera sy laza ary ny voninahitra mandrakizay amen!

28. marozevo
(
12/05/2006 22:39)
kay i cutie tsy dia naninona loatra fa nisy fahadisoana kely ny voalazako ao ambony ao, Miala tsiny be dia be amin'i cutie.
Fa i Chipie kosa aloha tena nananihany eh... Aiza ve dia hoe "Toa tsy mikimpy akory i Fiffi..", ary dia voan'ny fandrika i Fiffi satria namaly ilay fananihaniana.

29. cutie
(
12/05/2006 22:52)
Mpandefa : marozevo [ Valio ] 13-05-2006 03:39:26
Lohateny : Re : Andao isika hivavaka.
kay i cutie tsy dia naninona loatra fa nisy fahadisoana kely ny voalazako ao ambony ao, Miala tsiny be dia be amin'i cutie
ok na de mbola tezitra aza za :twisted:
30. dadabe
(
13/05/2006 02:00)
ndao hivavaka e!!
Andriamanitra Ray o!isaorana ianao fa mbola afaka niditra t@ Sabatanao masina izahay , mamela ny helokay rehetra , ary aoka mba hodiovinao @ alalan'ilay ran'i Jesoa Kristy zanakao ny fahotanay,
mangataka aminao izahay mba hotahianao ny andronay sisa .
misaotra Tompo o!
Amena

31. LazaRandri
(
13/05/2006 02:32)
Ampahafantaro anay ry Ray ny lalana voasoritrao ho anay. Sokafy ny fo amam-panahinay, ary omeo fandavan-tena izahay eo anatrehanao, ahaizanay mihaino sy manatanteraka ny sitraponao.
Misaotra anao izahay ry Tompo noho ny zavatra rehetra.
Amena!
"God opposes the proud, but gives grace to the humble"
32. Achia
(
13/05/2006 04:49)
Ny voninahitra sy ny dera dia hatolotra an\'ilay Andriamanitra lehibe izay nahary ny lanitra sy ny tany dia ilay ATRA i Abraham sy Isaka ary Jakoba izany ary isaoranay ny famindramponao nanome anay tombonandro sy fotoana afaka manonona ny anaranao na dia tsy mendrika ary izahay
Diovy @ ilay rason\'i Zanankondry izahay Tompo o mba ho afaka ny fahotanay
Omeo anay ny Fanahinao masina hampianatra anay ny teninao marina sy ny sitraponao
Entinay ambavaka ihany koa ireo namanay mba homenao izany mba hanazava ny fanahiny ahalala ny sitraponao marina . Dia mbola eo ampelatananao hatrany no hanankinanay ny fiainanay sy ny ankohonanay
Angatahana @ anran\'i Jesosy Kristy maty t@ antsasaky ny herinandro nitoetra tankibon\'ny tany 3andro sy 3alina nitsangana t@ andro faha 3 niakatra ho any andanitra nipetraka eo ankavanan\'ilay ATRA Ray tsy toa izany vavaka izany amen

33. xxx
(
13/05/2006 09:55)
tsara ilay mivavaka, ary ny tenin'Andriamanitra mamporisika antsika hanao izany,
tandremo anefa fa (Matio 7:21+22) "tsy izay rehetra manao amiko hoe Tompoko, Tompoko no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko izay any an-danitra. Maro no hanao amiko amin'izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin'ny anaranao fa izahay? ary tsy efa namoaka demonia tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin'ny anaranao va izahay?" ary lasa aza ny heritreritro hoe "tsy efa nanao vavaka tao amin'ny serasera.org ve izahay?"
mila mandinitena tsara isika fa sao de sanatria ka anisan'ireo voalaza ireo

34. harilova
(
13/05/2006 14:33)
Raha mivavaka ianareo dia aza mba tia miseho na mijorojoro eny amin'ny sampanan-daklana....
Sampana'andalana lehibe tokoa ny Net.
Dia hoy aho hoe : aza manao toe-tsaina "sekta", izany hoe : maka am-pahany ny tenin'Andriamanitra...
Ny tenin'Andriamanitra milaza fa raha mivavaka dia harindrina ny trano... mankao amin'ny mangingina...
fa koa milaza fa "ny fahazavana tsy tokony harehitra any ambany farafara fa tokony ho hitan'ny olona hanilo azy ireo...
Raha raisintsika ampahany ny tenin'Andriamanitra dia tsy araka ny sitra-pony...

35. dadabe
(
14/05/2006 02:04)
Andriamanitra Ray o !! mamelah ny helokay fa mpanota izahay
amin'ny anaranao no angatahinay izany
Amena
amin'ny anaranao no angatahinay izany
Amena
36. LazaRandri
(
14/05/2006 04:51)
Ray malala o! Aoka ny sitraponao no ho tanteraka eo amin'ny fiainanay. Ary aoka tsy hisy hohenoinay afa-tsy ny feonao irery ihany.
Ho anao ny dera sy ny laza ary voninahitra.
Amena!
Ho anao ny dera sy ny laza ary voninahitra.
Amena!
37. Fiffi
(
14/05/2006 05:38)
« Voninahitra any amin'ny avo indrindra ho an'Andriamanitra! Ary fiadanana ety ambonin'ny tany amin'ny olona ankasitrahany. »
39. diamondra27
(
15/05/2006 04:43)
vavaka nataon'i Jesosy:
"Atra ô , mamelà ny helony fa tsy fantany izay ataony"
"Atra ô nahoana no dia mahafoy ahy ianao"
ny famelàna nataony:
voavela ny helokao ka aza manota intsony
mandehàna ka aza manota intsony

40. dadabe
(
15/05/2006 09:00)
matio 6 : 7-13
Ary raha mivavaka hianareo, dia aza mba manao teny maro foana tahaka ny jentilisa; fa ataony ho ny hamaroan'ny teniny no hihainoana azy.
8 Koa aza manahaka azy hianareo; fa fantatry ny Rainareo izay tokony ho anareo, raha tsy mbola mangataka aminy aza hianareo.
9 Koa amin'izany mivavaha toy izao hianareo: Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao.
10 Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.
11 Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay.
12 Ary mamelà ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay.
13 Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin'ny ratsy.