IREO MPIANDRY !!!

1. xxx ( 31/03/2006 10:41)
Maha lasa saina ahy ry zareo miala tsiny aloha raha misy tafitohina fa zavatra hitako izy ity teto @ tanàna .Nisy olona voan'ny épilepsie na andro be dia sendra hitan'ilay mpiandry dia niantso ny namany izy fa hoe azon'ny devoly io olona io.Dia tonga tao ry zareo dia nitabata be tsy nisy ohatr'izany!!:twisted::twisted:

Dia ny mbà fanontaniako hoe mbà nianatra ary ve ireo mpiandry sa ahoana fa ny olona épileptique dia au contraire ny tabataba no tena tokony ho alavirina vao maika moa ilay narary nihetsika be nidona eran'ny rindrina ny lohany.Nony nahazo tsindrona tany @ dokotera anefa dia calme ny marary.

Ekéna fa tsy misy zavatra tsy vitan'ny finoana sy ny vavaka fa mbà tena mahalasa saina ny zava-nisy nahazo ny mpifanolo-bodirindrina iray andro vitsivitsy izay
répondu par prime le 26/05/2006 12:28
2. Fiffi ( 31/03/2006 11:08)
ny tahotra angamba aloha no nahatonga an'ireo nanao an'izany ary tsy fantany matoa izy ireo nihevitra fa asan'ny devoly ny nahazo an'ilay olona , fa kosa mampalahelo ny toe-javatra tahak'izao.
3. xxx ( 31/03/2006 11:18)
Be mihitsy no resa-ke ny amin'ireny ka!
Ny ahy indray no fantatro dia ny fanaon'ny fifohazana tarihin'i D.Razoky.Miala maina fotsiny ho aho.Lazaina fa possession diabolika foana izay mihatsika rehetra ,kanefa manifestation psychopathologique,tsy misy ifandraisany mihitsy amin'ny ara-panahy!
4. petakorona ( 31/03/2006 11:33)
ny mpiandry anie manatanteraka fotsiny ny asan'Andriamanitra e, aey ny hevitr'Andriamanitra tsy mitovy @ an'i olombelona ,ka na mitabataba io na manao ahoana , raha izay ni sitrapon'Andriamanitra dia manaraka fotsiny isika olombelona .
5. booboo ( 31/03/2006 12:30)
8O 8O 8O 8O :^):^):^)

6. rurik ( 31/03/2006 14:07)
8O8O8O8O8O tsy manaky an'izany aho ry petakorona.
7. 4mimananelatra ( 31/03/2006 14:11)
Na t@ crise 1991 sy ny 2002 koa ary dia tena mbà nahagaga sy nampalahelo ihany ny nahita ireo mpiandry nankeny Iavoloha t@ 10 août 91 (nisy maty moa)sy teny Mahazoarivo t@ 2002 hoe handroaka devoly hono ...no antondiandry zareo !!!:?::?:
8. andry44 ( 31/03/2006 14:53)
miankina@finonan'ny tsirairay io ry zareo raha ny fahitako azy.Mila mino aloha ilay mpiandry sy ilay olona hamohahany ny fnahy ratsy vao mety io.
Raha ny androbe indray de be anie ny gasy no tsy mahalala ny fiasan'ny ao anatin'ny vatan'olombelona e!Mety firy @ireo mpiandry no manana bacc fotsiny aloha?tsy hoe manambany azy ireo aho fa ny zav-misy no lazaina!ka omenao tsiny ary ve izy ireo?
9. marozevo ( 31/03/2006 23:48)
Tsy ny mpiandry kosa aloha no omena tsiny, fa angamba, angamba hoy aho, izay nanendry azy ho MPIANDRY no tokony ho namakafaka bebe kokoa... Asa anefa na izaho no tsy mahazo na tsia : "Tendrena ve sa manolo-tena ho mpiandry ny mpiandry".
10. Fiffi ( 01/04/2006 14:05)
mampiheritreritra lalina dia lalina tokoa izany , aleo aloha dinihina tsara.......
11. mandalo ( 03/04/2006 09:23)
aoka isika tsy hiala amin'ny tenin'Andriamanitra fa raha ny fijerintsika sy ny kely haintsika no entintsika hitsarana ny hafa dia miteraka fanafitohina ho an'ny hafa izany ary miteraka heloka ho antsika izany(matio 5:22)
izany akory tsy manakana ny fanambarana ny fomba fijerintsika fa aoka tsy hitsara ny hafa indrindra raha tsy azonao ny antony dia fanontaniana apetraka fa aza atao affirmation gratuite;
sehatra hahafahana mifampitaiza tokoa itony serasera itony ka anjaran'ny mahalala no mizara izay mba fantany amin'ny hafa fa tsy entina kosa hanalana baraka ny hafa sady tsy misy voninahitr'Andriamanitra izany.
ny mpiandry aloha raha ny kely mba haiko di ireo izay resy lahatra tanteraka fa very izy ireo ary jesosy kristy Tompo no ilay Mpamonjy azy.
natolony manontolo an'io Mpamonjy azy io ny tenany sy ny fiainany manontolo ka manatanteraka araka izay tratrany ny sitrapon'Andriamanitra.
tsy misy resaka niveau amin'ny fianarana ny critère maha-mpiandry fa ny fanoloran-tena ho an'Andriamanitra no fototra.
tsy izay te-hanao izany koa anefa dia tonga dia hatokana fa ireo izay mahare ny antso ka efa nandalo fiofanana sy fampianarana mba hahalala tsara ny antony sy ny anjara asan'ny mpiandry eo amin'ny sehatrin'ny fiangonana sy ny fiarahamonina; ka inoako fa tsy manaonao foana izy ireny araka ny fijerintsika ivelany.
Ary tsarovy fa Jesosy no niantso azy ireny, ary Izy Tompo no tompon'ny asa fa mpanatanterAka fotsiny ireny olona ireny (fitaovana ihany) ka raha mitsikera ireny mpiandry miasa ireny isika, iza marina no tiantsika horesahina: ilay nanatanteraka ny iraka sa ilay mpaniraka no tompon'ny asa?
Ny kely fantatro momba ny epilepsie aloha dia aretina voasokajy ao anantin'ny maaldia idopathique izany hoe tsy mbola voazavan'ny science ny fototr'aretina hany ka calmant à vie no traitement.
tsarovy anefa raha namorona ny olombelona Andriamanitra dia "Tsara "ny asan'ny tanany ka tsy misy zavatra hita fototra izany fa manaraka ny rindran-damin'ny famoronana.
ary raha izsy mpamorona ve no maniraka ny mpiasany (mpiandry) hametra-tanana ami'ireny marary ireny dia heverinao fa manaonao foana Izy fa tsy hofantany ny zavatra noforoniny?
tsy haiko aloha raha misy voiture Renault ka aterina any amin'ny constructeur Renault dia misy hiteny fa adala ny tompony nandefa
12. LazaRandri ( 03/04/2006 09:39)
Fa iza aloha no tena misy devoly e? Ny an-daniny sa ny an-kilany? hahaha

Ny zavatra reko indray dia hoe niditra tan-tranon'olona hono ry zareo hamoaka devoly.

+ Avy hatrany dia nivatravatra be hoe: "mivoaha! mivoaha! mivoaha!".
- Dia novalian'ilay tompon-trano tsotra fotsiny: "ianareo no mivoaha fa izaho tompon-trano" hahaha!
13. Fiffi ( 03/04/2006 10:31)
tsarovy anefa raha namorona ny olombelona Andriamanitra dia "Tsara "ny asan'ny tanany ka tsy misy zavatra hita fototra izany fa manaraka ny rindran-damin'ny famoronana.
ny finoanao hiany no mitondra an'io an!
14. mandalo ( 03/04/2006 10:42)
tsy misy olona handeha hiditra fotsiny any an-tranon'olona tsy miera amin'ny tompon-trano fa hanao hamboletra hiditra ka hanao izay tiany atao ao afa-tsy ny mpangalatra sy ny devoly.
Jesosy àry mbola mandondona ary miandry fampandrosoana fa mahasahy miditra ka mainka va fa ireo hirahiny dia sahy hanao izany?
Sao dia tsy Jesosy no naniraka izany lazainao fa "mpiandry" izany, mazava ho azy tsy mila fa resaka be fa mpisandoka ho mpiandry izany renao izany fa tsy mpanompon'Andriamanitra.
Fantaro tsara fa ny devoly anie ka tena mahay an'io tenin'andriamanitra io satria fantany fa Andrimanitra ireny ihany no "seul créateur" saingy tsy manaraka ny tenin'Andriamanitra izy ary tarihiny daholo ny olombelona hanaraka azy mba tsy izy irery ihany no hanana anjara any amin'ny fahaverezana.
halan'ny devoly ny mahita olona mitady hanaraka an'i jesosy ary manana ny fahaizana ampy tsara hamitahana ny olona izy;
Aza mihevitra ho mahay nohon'ny devoly isika fa tena hevitra diso izany, tsarovy fa "ange déchu" anie ireny ary mahay "au bout de doigt" ny tenin'Andriamanitra.
Saingy raha miaraka amin'i Jesosy isika dia efa nomena antsika ny anarany ho hery entintsika manohitra ny ratsy.
Tadidio fa tsy maintsy mandalo ady ny olona fa ny mahasamihafa ny tsirairay dia ny miaraka amin'Andriamanitra dia "manoatra nohon'ny mpandresy , ny hafa tsy fantako raha mety handresy.
Ka samy hifidy ihany ve lehiresty tsy aleo mivoaka mpandresy ?
15. Fiffi ( 03/04/2006 12:07)
marina ny anao!
16. felampaiso ( 03/04/2006 13:27)
xxx:

Maha lasa saina ahy ry zareo miala tsiny aloha raha misy tafitohina fa zavatra hitako izy ity teto @ tanàna .Nisy olona voan'ny épilepsie na andro be dia sendra hitan'ilay mpiandry dia niantso ny namany izy fa hoe azon'ny devoly io olona io.Dia tonga tao ry zareo dia nitabata be tsy nisy ohatr'izany!!:twisted::twisted:

Dia ny mbà fanontaniako hoe mbà nianatra ary ve ireo mpiandry sa ahoana fa ny olona épileptique dia au contraire ny tabataba no tena tokony ho alavirina vao maika moa ilay narary nihetsika be nidona eran'ny rindrina ny lohany.Nony nahazo tsindrona tany @ dokotera anefa dia calme ny marary.ehefa te
Ekéna fa tsy misy zavatra tsy vitan'ny finoana sy ny vavaka fa mbà tena mahalasa saina ny zava-nisy nahazo ny mpifanolo-bodirindrina iray andro vitsivitsy izay


Rehefa te-haneho hevitra na hanome lohahevitra dia tsara kokoa miseho amin'ny maha ianao anao fa tsy miafina FOANA amin'ilay " xxx ", te haneho hevitra nefa kanosa, isaorana ihany aloha ry hery nanome alalana ny kanosa mba hanome hevitra eto @ alalan'ny "xxx", izany ilay hoe " aoka ny matanjaka hizaka ny fahalemen'ny osa "
17. mandalo ( 03/04/2006 19:03)
mahafinaritra rehefa liana manontany sy mandinika ny zavamisy fa raha tsy mametraka tsikera tsy mahalala ny hevitrin'ny hafa fa atao fotsiny ampamaotinana satria tsara ilay Andriamanitra Raintsika ka ny zanany ve ho ratsy e!
18. Fiffi ( 03/04/2006 19:08)
Dia ny Tompo anie Homba sy Hitahy antsika lalandava.
19. marozevo ( 03/04/2006 22:18)
Misy tsy itovizako hevitra amin'i mandalo ao ambony ao. Izaho manko tao nilaza hoe :

"Tsy ny mpiandry kosa aloha no omena tsiny, fa angamba, angamba hoy aho, izay nanendry azy ho MPIANDRY no tokony ho namakafaka bebe kokoa... Asa anefa na izaho no tsy mahazo na tsia : "Tendrena ve sa manolo-tena ho mpiandry ny mpiandry".

Dia novalian'i mandalo io, ka araka ny fahazahoako ny hevitr'i mandalo dia i Jesoa no naniraka azy ireo, noho izany dia i Jesoa Kristy no lazaiko fa "tokony hamakafaka bebe kokoa". Izany hoe mitsikera an'i Jesoa aho, araka ny hevitr'i mandalo. Raha tsy io no heverin'i mandalo dia ajanony eto ny famakaiana ny teniko, fa raha io kosa dia izao no tohiny atolotro.

Tsia ! sanatria tsy i Jesoa Kristy miantso no tsikeraiko fa ny lamina ifanaovan'ny olombelona mpiara-mivavaka. Izaho aloha dia tsy mahay loatra ny rafitra ao amin'ny Fiangonana misy mpiandry (Asa na antokom-pivavahana inona no misy mpiandry ?), fa raha ohatran'ny Katolika, dia tsy misy afaka mitory teny na manao asa fitoriana na asam-piangonana raha tsy manaraka ny fenitra voasoritra sy ny lamina mipetraka, ka misy OLONA tompon'andraikitra amin'izany. Ireo OLONA ireo no maniraka hanao asa na fitoriana toy izao na toy izatsy, fa tsy misy ny manira-tena. Io no tiako hanontaniana tao ambony tao.
20. Fiffi ( 04/04/2006 04:58)
ny manira tena ahoana kay io ry marozevo ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6624