IREO MPIANDRY !!!

61. mamy23 ( 24/04/2006 11:13)
bichette> Tsy azoko izay tianao hotratrarina @ fanazavana. Tsy io ihany no ohatra fa maro ny fomba nataon\'i jesosy t@ fanasitranana.
Raha ny fahazoako azy dia tsy ny vavaka ihany no manasitrana fa misy asa atao. Marina izany. Ny finoana dia arahina asa, Ny vavaka dia atao ampinoana.
Ny zavatra rehetra atao dia miankina @ finoana. Izaho izao dia afaka mijoro vavolombelona fa na vavaka arahina finoana dia mahasitrana na tsy mandalo dokotera sy mpiandry aza.
62. marozevo ( 24/04/2006 23:47)
Ekena fa misy aretina sitran'ny vavaka sy ny finoana, mba tsy hilazana hoe ny aretina rehetra. Izaho izao, teo am-pivavahana indrindra tamin'izay, no nararay tampoka. Angamba efa vovoka aho tahaka izay raha nanohy ny fivavahana fa tsy nandeha haingana namonjy dokotera tany Antananarivo, nefa tany atsinanana lavitra an'Ambatolampy no niseho ny aretina.
Tonga tao amin'ny HOMI (Girard et Robic) aho dia hoy ny Dokotera hoe raha tara kely ianao dia .... azonareo ny tohiny.
63. marozevo ( 24/04/2006 23:52)
Ilay jamba ... ilay feta...
Voalohany aloha dia ilay jamba no niangavy famonjena. I Jesoa, na dia efa hitany eo aza fa mila famonjena, nefa tsy mangataka, izany hoe tsy mivavaka, dia angamba tsy vonjeny. Nanontany izy hoe "Inona no tadiavinao", dia hoy ilay olona hoe "mba hahiratra indray aho, Tompoko". Nefa efa hita fa jamba eo dia mbola anontaniana ihany ve ? Tsy mampifila akory i Jesoa, fa tiany mba hivoaka avy amin'ny vavantsika ny fangatahana = vavaka.

feta... Ny nanao feta tamin'io fotoana io, dia niasa... nefa ny andro sabata. Eto izany dia mitovy amin'ilay malemy nositranina ny "cas". Ilay nilanja ny fandriany.

Raha tsy nanaiky hasiana feta ve ny masony dia ho sitrana izy ? Deduction hative loatra izany ka sarotra be ny mamaly azy marina eh.. Nefa rehefa manatona dokotera ve ny marary iray ka hoy ny dokotera hoe "hodidiana ianao = hatao opération", ka raha tsy manaiky ilay olona dia ahoana... tsisy valaka.
64. marozevo ( 24/04/2006 23:56)
Mba tsy ho lava loatra, dia aleoko zarazaraina....
Farany : Angamba koa mety hisy zavatra toy izao io fanasitranana io eh... Amin'ny fotoana mbola tsy ahitan'ny olombelona fanafodin'ny aretina iray, dia manasitrana aloha Andriamanitra, fa avy eo tsiloviny (an-kolaka na mivantana) ny olona mba hikaroka, hanohy ny asany. Mba jereo ange eh... oviana moa no hita ireo karazam-panafody na karazam-bakisiny maro, moa tsy taorian'ny 17eme siecle daholo ve ? Ny ankamaroany aza tamin'ny XX°. Dia inona ary no nikarakarana ny marary talohan'izany ?
65. bichette ( 25/04/2006 08:20)
ny tiako hahatongavana amilay feta dia hoe ilay feta azo lazaina fa hoe fanafody. ka hoe na i Jesosy izay afaka manasitrana aminy teniny fotsiny aza nampiasa karazana fanafody "feta" nahosotra fa tsy nifaly niteny fotsiny nefa vitany tsara izany.; ka noho izany tsy diso raha mandeha dokotera na mitsabo tena
misy karazana fanasitranana izay, misy vavaka fotsiny dia izay, misy indray fanafody mandeha mpitsabo. izao ange e, na dia mankany amin dokotera aza ilaina ny mivavaka mangataka amin'Andriamanitra hitantana ilay dokotera sy mba handaitra ny fanafody.
ekeko tanteraka satria efa nihainako ihany koa ilay hoe nanary andoha, narary vavony de nivavaka de sitrana ekeko izany. fa ilay hoe tsy te hahalala mihitsy fa tonga de hoe mivavaka NA INONA NA INONA no tsy ekeko :-*

66. marozevo ( 25/04/2006 18:50)
bichette > D'accord !
67. Fiffi ( 26/04/2006 08:42)
ary raha hoe misy marary amin'ny tena , loha , vavony sns.... tsy maintsy manantona mpitsabo fa alohan'ny hijerana azy dia na inona hatao na inona dia mivavaka aloha ? izany hoe: tsy te-ahalala na inona na inona aloha fa dia mivavaka no hatao voalohany dia manaraka ny fijerena mpitsabo , sa hoe na inona na inona , tsy te-ahalala fa ny fivavahana hiany dia ampy ? tsy arako loatra manko.
68. bichette ( 26/04/2006 14:43)
na inona na inona aloha de ilaina foana ny vavaka, iny tsy misy adihevitra :)na mankany dokotera aza mba ilay Andriamanitra mahita ny miafina rehetra hiasa am lay dokotera ahitany ny aretina ary mba hanome fanafody tena sahaza ary mivavaka koa mba hitondra fanasitranana ilay fanafody.
.../...
69. Fiffi ( 26/04/2006 14:49)
bichette: marina ny anao.
70. mandalo ( 26/04/2006 15:36)
lava loatra angahmba ny fanazavako ka atelinareo ny atsasakin'ny zvt lazaiko; tsy misy miteny hoe: tsy ilaina ny dokotera; matoa misy ireny dia mbola famindram-pon'Andriamanitra.
Raha mararay ianao ka mankany amin'ny dokotera dia tsy heloka akory izany na ho tezitra amin'izany ny Tompontsika; fa raha miteny kosa isika hoe misy aretina tsy sitrany dia mampieritreritra ihany ny fahatokiantsika Azy.
ny zvt tsy tokony hiala ao an-dohan'n'iny kristiana dia tsy misy aretina tsy sitran'i Tompo; voafetra ny fahalalan'olombelona; anao ny mandajalanja ny finoanao ny fahaizan'Andriamanitra ; dia anjaranao ny manapa-kevitra ny tohiny. Fa raha mino ianao dia farafaharatsiny mivavaka ianao ho an'ny aretina manjo anao mba hositran'ny mpamonjy na dia mankany amin'ny dokotera.
Izy anie no mamoha antsika rehefa maraina ny andro ary tsy misy dokotera afaka miteny hoe: "tsy maintsy mifoha ianao rahampitso maraina e????"
koa ataovy Aminy ny tokintsika fa aza mitoky @'ny olona na ny fahalalany ( ohab 3:5-8)
71. Fiffi ( 26/04/2006 15:59)
koa ataovy Aminy ny tokintsika fa aza mitoky @'ny olona na ny fahalalany
ka raha ho didiana zany ve ny olona ka tsy ahatoky ny mpandidy inona no antony handidina azy ? mivavaka aloha , mangataka an'Andriamanitra fa ho vitan'ny mpandidy soamantsara ary mahatoky ny mpandidy koa fa ho vitany soamantsara io fandidina io.
72. marozevo ( 27/04/2006 21:32)
Misy fifanoherana anaty ny lazain'i mandalo, asa na tsikariny? "Ilaina ny dokotera", hoy izy (itovizana iny aloha), nefa koa hoy izy hoe "tsy misy aretina tsy sitran'Andriamanitra". Dia atao inona izany dokotera eh raha izany araka ny hevitr'i mandalo eh.

Mitovitovy (matavy tapaka) amin'ny hoe "tsy misy heloka tsy avelan'Andriamanitra, dia atao inona izany ny Mompera mapikonfesy ? = katolika ihany io, saingy tsy hisy katolika mihitsy hilaza hoe tsy mila mikonfesy.
73. Fiffi ( 01/05/2006 07:02)
koa ataovy Aminy ny tokintsika fa aza mitoky @'ny olona na ny fahalalany
de raha izany dia tsy hatoky an'iza na iza zany , ary tsy aiko izay hiafaran'izao tontonlo izao raha tsy misy intsony ny fahatokisana @ iza na iza.
74. marozevo ( 01/05/2006 23:08)
Kanefa aza i mandalo dia tena manampatra ny fahalalany mihitsy...
75. Fiffi ( 02/05/2006 14:07)
aleko aloha hiandry kely ny fandalovan'i mandalo .
76. marozevo ( 02/05/2006 22:58)
mandalo ny endrik'izao tontolo, fa hidina avy any an-danitra ilay jerosalema tanàna Masina.

mandalo toy ny zavona maraina, tsy hita akory hantenaina (Rebika).
77. Fiffi ( 03/05/2006 04:03)
fandalovana ny eto....
78. mandalo ( 03/05/2006 19:10)
Mpivahiny sy mpandalo isika rehetra eto an-tany fa tsy misy honina mandrakizay eto;
Averiko farany ny hevitro ary raha tsy mety aminareo dia ataovy ho toy ny tsy misy fa manjary miteraka fanafitohina ho anareo ny mieritreritra azy fa rehefa tonga ny fotoana mbola hoazonareo ihany ary mivavaka aho mba hitombo tsara ao amin'i Kristy irery ihany ny finoananreo ka ho vavolombelony isika .
matoa misy ny dokotera dia Andriamanitra no namela azy nisy;famindram-po izany.
ny fahaizana takatr'ireny dokotera ireny dia mitombo manaraka ny fikarohana ataony;
Andriamanitra namela ny fisiany dia nanolo-tsaina azy ireny mba hitsaboan'izy ireny ny olona indrindrindra ireo izay tsy mino an'andriamanitra satria tiany daholo ny olombelona rehetra.
izany tsy midika velively fa tsy mahazo mankany amin'ny dokotera koa ny mpino sy ny kristiana, fa tokony ho tsy afaka ao n-dohan'izy ireny fa Ilay Andriamanitra hivavahany no mamindra fo aminy ka manasitrana an'azy ireny.
Izy ilay mpamorona ka hainy koa ny manamboatra ny simba; ny zavatra hain'ny dokotera dia izay kely avelan'Andriamanitra hohainy sy fantany.
izany no hilazako fa ny mpiandry raha manasitrana marary , dia tsy izy ireny akory no tampi-pahaizana fa fitaovana fotsiny ary jesossy kristy no manasitrana.
Raha mbola tsy resy lahatra amin'izany ianao dia tsy tezitra aminao akory Andriamanitra fa Izy mamindra fo lalandava amin'ny tsy fahalalantsika; mandehana mankany amin'ny dokotera fa izany indrindra no antony namelany ny fisiany ireny.
Raha efa ao aminao ny finoana fa tena Andriamanitra mpamonjy tokoa jesosy dia aza misalasala mametraka ny fiainanao rehetra Aminy. Angataho ny fanahiny masina hitari-dalana anao mba hahaizanao manara-dia Azy fa izay no hafany; tsy ny mpiandry no arahina fa olona ihany ireny fa Jesosy kristy.
mazava ny teniny : ireto famantarana ireto no hanaraka izay mino fa tsy misy miteny eo hoe:" hanaraka ny mpiandry" (marc 16:17-18)
koa anjarantsika ny mandinika tsara ny tenin'Andriamanitra mba hampifototra tsara ny finoantsika fa mbola fotoanan'ny famindram-po izao fa rehefa tonga anie Izy ka tsy hamindra fo intsony fa hitsara ka mahereza fa tena tia antsika ny Tompo
79. marozevo ( 04/05/2006 00:01)
Averiko farany ny hevitro ary raha tsy mety aminareo dia ataovy ho toy ny tsy misy fa manjary miteraka fanafitohina ho anareo ny mieritreritra azy


O ry mandalo ah... fa nahoana no manao teny farany eh ?

Aza matahotra i mandalo fa tsy hisy ho tafintohina amin'ny fifanakalozan-kevitra akory eto. Ry tsimiandravola aza teto tena hmmm, fa niala maina koo... Ny ahy aza ny tena natahorako teto hatramin'izay nahatongavan'i mandalo izay dia ity : sao, hoy ny eritreritra adalako,... sao dia mba tafintohina amin'izany lazaiko izany ary i mandalo.

Tsy nataoko hanenjehana akory anefa ireny fa dinika io, tera-bary ka samy milaza izay mameno ny kibony. Io ilay hoe critique, ary tsoriko fa indraindray dia tena tsaroako fa ataoko mafy loatra ny tsikera.

Tsoahy haingana ilay teninao ao, aza asiana hoe "averiko farany" izany, fa lazain'i dadabe fa tezitra eo ianao.
80. Fiffi ( 04/05/2006 09:21)
mandalo: aingana ary ianao hanala an'io satria raha avelano eo io dia tsy hanazava intsony zany ianao raha toa ka mbola misy zavatra tsy azo ve ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3526