IREO MPIANDRY !!!

21. mandalo ( 04/04/2006 12:41)
ny mpiandry dia berger amin\'ny teny frantsay ary ny pasteur dia berger koa no heviny;
ny mpiandry tena tsara dia i Jesosy Kristy (Jaona 10)ary i Petera dia nasainy niandry ny ondriny raha tena tia AZY (Jaona 21:15-19)
Ary nasainy nanaraka Azy mba hanao izany asa izany.
isika koa raha mino an\'i Jesosy ho mpiandry tsara dia lasa ondriny isika ary Izy no mitondra sy miahy ny fiainantsika (Salamo 23)
ary Izy Jesosy no nanamafy talohan\'ny niakarany tany an-danitra fa mbola hiverina haka ireo izay mino Azy ary lasa nanomana toerana ho antsika Izy;
fa mandrapiverenany dia nisy iraka nomeny ireo izay nino AZy (Mat 28:18-20) dia ny hitoriana ny vaovao mahafaly ary mba ho mpianany ny firenen-drehetra ary atao batisa amin\'ny anaran\'ny Ray sy ny zanaka ary ny fanahy masina.
izany iraka izany dia ho an\'izay rehetra efa nandray an\'i Jesosy ho Mpamonjiny.
Tsy misy hiadian-kevitra ny teniny fa Azy ny asa fa tsy an\'izay nirahiny ;ary Izy efa nanamafy fa eo anilantsika mandrakariva Izy.
ireo izay resy lahatra amin\'izany antson\'i Tompo izany no mandeha manao izany; ary tsy ny herin-ny tenany no iankinany fa fitaovana fotsiny izy .
nozarazaraina samy hanana sy ho samihafa mantsy ny fanomezam-pahasoavana ka Izy Tompo no nizara; Izy koa izany no miantso sy manendry; tsy mba manery anefa Izy fa izay mahatsiaro ny fitiavany no manolotena hiasa ho Azy.(1kor 12:1-12)
Ary Andriamanitra tsy manaonao foana fa tafiany ny hery afaka ny hahavita ny asa izay manaiky ny antsony. (Marka 16:17-18;JAona 15:16)
noho izany tsy ny rehetra no lasa mpiandry fa izay voaantso amin\'izany ary tsy izy no miasa fa asan\'ny Tompo no ataony; tsy Izy no manasitrana fa Jesosy no manala ny aretina rehetra.
ny mpiandry dia rafitra (sampana) ao anaty fiangonana fa ny olona rehetra ao ampiangonana no takian\'i Jesosy hifoha; hiambina fa tsy hatory ao amin\'ny rendrarendran\'izao tontolo izao (jaona 21:34-36).
Ary ny Jean 14:12-14 dia manamarina ny asa ataon\'ny mpiandry fa iraka izy ireo ary amin\'ny anaran\'i Jesosy no handidiny ny devoly hiala ao aminy olona.
Tsy manao izany izy ireo raha tsy ny olona no mangataka izany hoe : tsy misy fanerena fa raha mahatsiaro fa misy fangejana mahazo anao dia vonona ireny mpanompon\'Andriamanitra ireny hanao ny asa sy fampaherzana ho anao.
Ary io tsy misy hoe katolika sy protestant fa ny devoly dia devoly foana, ary Jesosy tompon\'ny asa dia Jesosy Kristy fa tsy samihafa arakIn\'ny fanompoan\'ny olona Azy;
Izany no hamerimberenako hatrany hoe: tsy misy marina afa-tsy ny baiboly fa aza variana amin\'Ny maha-izao na izao; Jesosy henoina dia raiso ho Mpamonjy anao ;dia hohitanao sy tsapanao tokoa izany fiadanana omeny izay mino Azy izany(Jaona 14)
mahereza ary mikatsaka ny fanjakan\'Andriamanitra (mat 6 :33)
22. Fiffi ( 04/04/2006 12:46)
mandalo: ianao angaha pretre ? satria tena mahaliana mihintsy ny zavatra lazainao!
23. mandalo ( 04/04/2006 13:11)
tsy pretre aho fa olona tsotra resy lahatra ny famindrampon'i Tompo amiko ka manankina ny fiainako eo Aminy ary miezaka mizara izany fahatsarany izany amin'ny hafa.
tsy misy tsy nanota raha mbola olona fa izay tsy te-handray ny famonjena ihany no very.
sehatra natao hizarana ny faharesen-dahatra itony ka tsy misy mahamenatra mizara izay fantatra ary tsy avelan'Andriamanitra tsy voatory ny teniny fa tadidio fa rehafa mahare ny faran'ny tany dia ho avy ny farany
24. Fiffi ( 04/04/2006 13:36)
marina izany fa dia tohizo fa tsara eh! dia mba hampitapitaho :)
25. Achia ( 04/04/2006 13:39)
Ary ahoana ry Mandalo le nolazain'iJK hoe : tsy efa namoaka devoly t@ anarano ve izahay ary efa nanasitrana koa nefa hoy Jesosy hoe tsy fantatro ianareo atrizay2 de aona ndray zany nefa Kristiana koa ne zany e ahoana no tsy ahafantaran'ny Jesosy azy ?
26. jentilisa ( 04/04/2006 14:09)
Misy ny fianarana an'izay mety ho olana amin'ny olona tsirairay fa manahirana ny miresaka aminy rehefa saininy ho hevitry ny devoly avokoa ny tsy mifanaraka amin'ny fisainany rehetra!
27. mandalo ( 04/04/2006 14:58)
Misy ny fianarana an\\\'izay mety ho olana amin\\\'ny olona tsirairay fa manahirana ny miresaka aminy rehefa saininy ho hevitry ny devoly avokoa ny tsy mifanaraka amin\\\'ny fisainany rehetra! (jentilisa)
Tena hita amin\\\'ny teninao tokoa fa araka ny solon\\\'\\\'anaranao ny fijerinao: ny \\\"jentilisa\\\" dia tsy hoe tsy mpino akory fa ireo maetraka ny fandalinan\\\'ny saina ho ambony indrindra (miala tsiny manao fanamarihina)
samy manana ny degré-ny faharesen-dahatra tokoa ny tsirairay (toa anao koa izaho taloha) fa mino aho fa rehefa tena mandinika tsara ny tenin\\\'Andriamanitra ianao ka mangataka amin\\\'ny fanahy masina hampazava ny baiboly aminao dia miafara amin\\\'izao foto-kevitra izao:
1)Andriamanitra = createur =fitiavana = tsara = mazava = fahazavana = Jesosy =fiainana
2)devoly = ange déchu= creé par Dieu en tant que Ange= ratsy= haizina=fahafatesana= ady = fankahalana
3)olona =créture de Dieu = safidy entre fiainana sa fahafatesana

raha atao sary vetivety ny hery misy :

DIEU > ANGE dechu > olombelona
hain\\\'ny devoly ny mampiasa ny sain\\\'ny oombelona ka hanamboniny ny tenany ka mihevitra fa voavahan\\\'ny sainy zavtra rehetra eo amin\\\'ny fiainana. Izany anie no namitahany an\\\'i Eva hoe : \\\"lasa hitovy amin\\\'nAndriamanitra ianareo fa tsy ho faty izany fa nolaingan\\\' Andriamanitra ianareo\\\"
Tsy midika koa izany hoe tsy ilaina ny saina fa voafetra ny sain\\\'ny olona fa ny mpamorona azy irery no afaka mihambo mahvita ny asan\\\'ny tanany (efes 3:20)

Achia >Ary ahoana ry Mandalo le nolazain\\\'iJK hoe : tsy efa namoaka devoly t@ anarano ve izahay ary efa nanasitrana koa nefa hoy Jesosy hoe tsy fantatro ianareo atrizay2 de aona ndray zany nefa Kristiana koa ne zany e ahoana no tsy ahafantaran\\\'ny Jesosy azy ?
\\\"Aoka ho masina tahaka Ahy ianareo hoy ny Tompo\\\".
tsy ny isany na ny hahalehiben\\\'ny zava-bitantsika no hitsaran\\\'Andriamanitra antsika fa ny FONTSIKA manaiky Azy ka manoa ny teniny.
Tsy samy mpangalatra moa ilay jiolahy niaraka tamin\\\'i Jesosy tao kalvary; fa naninona ny iray nolazainy fa hihaona Aminy any an-danitra: satria nanaiky ilehio talohan\\\'ny nahafatesany fa Andriamnitra tokoa Jesosy ary tsy rariny raha hombohana tamin\\\'ny hazo fijaliana satria tsy nanao ny tsy marina toa azy.
raha tsy miaiky ny maha-ratsy antsika iska ary very tsy misy fanavotana raha tsy ao amin\\\'i Jesosy dia tsy hofantatrin\\\'i Tompo.
Mihevitra ianao fa tsy nanaja ny didy folo sy mino an\\\'Andriamanintra ny farisiana sy mpitantana ny tempoly tao israely fony Jesosy tponga tety; saingy izy ireo tsy nisy nanaiky an\\\'i Jesosy ho zanak\\\'Andriamnitra; ho ilay mesia izay mbola andrasan\\\'ny jiosy hatramin\\\'izao.
Mazava ny tenin\\\'Andriamanitra :jaona 3:16.
ny fonao no hitsaran\\\'Andriamanitra anao fa tsy izay vitanao.
ary tsy misy koa anefa ny finoana tsy arahina asa izany.
maro anie no kristiana anrana fotsinye; maro ny mpiandry anarana fotsiny, fa izay miambina sy mifikitra amin\\\'ilay Mpamonjy azy ihany no fantatr\\\'I Jesosy.
28. marozevo ( 04/04/2006 22:04)
Mpiandry ? Ataoko fa samy mahafantatra isika rehetra fa ny teny hoe "Mpiandry" any Madagasikara, dia tsy Pasitera na Maopera loatra no tiana hambara. Io lazain'i mandalo momba ny Pasteur (Berger sy ny sisa io) dia efa fantatra eh. Fa ny fanontaniana any amin'ny loha hevitra dia ilay mpiandry amin'ny endriny hafa mihitsy.
Manao akanjo fotsy na eny an-tsena na eny an-dalana, ary ao am-piangonana koa angamba.
Manao vavaka fandroahana demony, ohatran'ilay teny Anosy tamin'ny andro nandroahana an'i Herivelona RAM.
Ireny kosa angamba no tian'ny lohahevitra hodinihina eto eh... Iza no OLONA tompon'andraikitra amin'izy ireny ? Iza no nanairaka azy. Izay ilay olana ao ambony ao.
29. Fiffi ( 05/04/2006 05:12)
Nisy olona voan'ny épilepsie na andro be dia sendra hitan'ilay mpiandry dia niantso ny namany izy fa hoe azon'ny devoly io olona ioio aloha dia iray! iza ilay mpiandry voalaza eo ? mpiandry inona ?Dia ny mbà fanontaniako hoe mbà nianatra ary ve ireo mpiandry sa ahoana io mpiandry io ve zany mpitsabo sa inona ? dia lasa lavitra ny famakivakiana ilay MPIANDRY .(sa diso aho) ?
30. mandalo ( 05/04/2006 16:05)
Mpiandry vorona kosa angamba ny tianareo resahina fa tsy mpiandry ondrin'Andriamanitra; tsy izay manao akanjo fotsy akory dia antsoina amin'izany anarana izany ary tsy misy mpiandry handeha anao iny ankanjo masina iny raha handeha hiantsane fa miasa izy matoa mapiditra an'iny;
ny momba ireny mpiandry nandroaka devoly teny Anosy ireny dia fahareseny lahatra no nijoroaany teny ary izy teny no mahalala raha nisy devoly tokony nnoroahina teny; tsy haiko ny politika ary tsy idirako fa raha ny hampandrosoana ny finoana no hifampiresahan dia mazoto aho.
Ny momba ilayh lazainareo hoe mpiandry nahita olona voan'ny epilepsie, raha mpiandry tena mpiandry izy dia nangataka tamin'ny ray amandreny na havan'ilay olona voa vao nanao ny asa . tsy maintsy mahazo ny accord avy amin'ny tompon-kavana vao afaka miasa; izany tsy manakana an'azy hivavaka ho an'ilay olona ary sarotra be no hino hoe nampidiriny ny ankanjo masina vao nahita ilay marary izy dia niasa.
tsy haiko aloha fa ny fijery samy manana ary ny Tompo tsy manery anao hanaraka Azy, noho izany ny mpanompony koa tsy manan zo hano forçé olona hiasana na dia miharihary eo aza ny devoly.
raha ny momba ny aretina epilepsie indray no tianao ho fantatra dia mitadiava fanafody ka nahasitrana olona voan'izany eto amin'ity globe iainantsika ity; Toa fanafody mampihena ny crise no betsaka amin'izay indray tsy maintsy hohanina à vie.
aza dia faly manohitra ny hafa fotsiny fa analyser-o ara-tsiansa izay hireharehatsika olombelona ny zava-misy fa na ilay siansa aza mbola fanina amin'ny Epilepsie.
ka raha misy olona teren'ny fanahy ve mba mi-proposer anao ny fahasitranana dia holavinao? tsy ireny mpiandry ireny no mnanasitrana fa Jesosy naniraka azy.
safidy io fa anao ny meritreritra
31. Achia ( 05/04/2006 16:20)
=D=D=D
32. Fiffi ( 06/04/2006 07:39)
ka hatramin'ny voalohany anie dia efa lasa nitatra zavatra hafa ilay dinika eh! resaka mpiandry Dia ny mbà fanontaniako hoe mbà nianatra ary ve ireo mpiandry sa ahoana fa ny olona épileptiqueka inona no MPIANDRY voalaza eto ? mpitsabo ?
33. marozevo ( 06/04/2006 21:25)
Manomboka mahasosotra ahy ny miresaka amin'i mandalo satria teny iray lazainao no raisiny sy tsikerainy. "akanjo fotsy" ... marina fa voalaza ao ambony ao io, nefa ao anaty fehezan-teny fa tsy teny mitokana ho azy ery. Koa maninona raha mba vakiana daholo ilay fehezan-teny fa tsy mitsingoloka teny tokana toy izany. Hita hoe olona tsy mankaiza loatra i mandalo.
34. Fiffi ( 07/04/2006 06:30)
Ny tena resaka dia ity: Nisy olona voan'ny épilepsie na andro be dia sendra hitan'ilay mpiandry, Dia ny mbà fanontaniako hoe mbà nianatra ary ve ireo mpiandry dia lasa izao ny resaka: Na t@ crise 1991 sy ny 2002 koa ary dia tena mbà nahagaga sy nampalahelo ihany ny nahita ireo mpiandry nankeny Iavoloha t@ 10 août 91 (nisy maty moa),ny mpiandry aloha raha ny kely mba haiko di ireo izay resy lahatra tanteraka fa very izy ireo ary jesosy kristy Tompo no ilay Mpamonjy azy. Ny zavatra reko indray dia hoe niditra tan-tranon'olona hono ry zareo hamoaka devoly. ny mpiandry dia berger amin'ny teny frantsay ary ny pasteur dia berger koa no heviny;
, ny mpiandry tena tsara dia i Jesosy Kristy, Mpiandry vorona kosa angamba ny tianareo resahina fa tsy mpiandry ondrin'Andriamanitra; tsy izay manao akanjo fotsy akory , ny momba ireny mpiandry nandroaka devoly teny Anosy,
marina fa tsara ny fihadihadiana ny tena dikan'ny MPIANDRY , ny dinika ato @ fivavahana sy finoana , tsy laviko io , ka raha izany dia ilay "mpiandry" resahina @ lohateny ve "mpitsabo" sa" mpitondra fiangonana "?
35. marozevo ( 07/04/2006 21:57)
Izay no tena fipetraky ny sujet, marina ny anao. Ary izaho aza mbola nanampy kely hoe "Iza no maniraka ny mpiandry hanao ireo asa ireo ? sa tonga dia manira-tena izy" ?

Ny mahatonga ny fanontaniana dia tena tsy fahafantarana fa tsy sanatria fitsikerana befahatany.
36. Fiffi ( 08/04/2006 08:39)
ka mba ilaina angamba ny dikan'ilay mpiandry tian'i xxx lazaina fa izy koa moa tsy niseho intsony!
37. marozevo ( 10/04/2006 22:14)
Nankaiza i xxx - ko teto ?
Lanin'ny vitsika .
Vitsika inona ?
Vitsika "hambo"...
38. Fiffi ( 11/04/2006 05:59)
Hambo inona o! :)
fa domazy fa tsy nandalo intsony xxx mba hanohizana ny dinika :)
39. marozevo ( 11/04/2006 11:22)
"hambo"m-po angamba.
Fa tsy voatery ho eo anie izy vao ho tohizana ny dinika eh. Raha mbola misy tiana hambara alefaso fa tsy olana izany.
40. Fiffi ( 11/04/2006 14:09)
izao ary ny zavatra mba tiako ho fantarina misimisy kokoa: ireo izay azo hatao hoe " mpiandry " dia misaotra anao mialoha.:)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3648