IREO MPIANDRY !!!

81. marozevo ( 04/05/2006 15:15)
Mbola izaho indray no tafaverina alohan'i mandalo.

Tongava ry ilay "nandalo".
82. Fiffi ( 05/05/2006 12:13)
Mpivahiny sy mpandalo isika rehetra eto an-tany fa tsy misy honina mandrakizay eto;
manadalo: marina izany fa mba mandalova ary eh!
83. marozevo ( 05/05/2006 23:49)
Fiffi ah ! sao dia mba marina ary, sanatria, io lazaiko eo ambony io ! Ilay hoe sao dia hanafintohina an'i mandalo ary izao teniko izao. Loza fa angamba tafintohina ilay zanak'olona ! Mba ifony aho eh...
84. Fiffi ( 06/05/2006 09:51)
tsy tezitra izany i mandalo kah! fa fanakalozan-kevitra ny eto , sady koa anie mandalo Kristianina eh! mahay mamelà ny fahotan'ny hafa arakin'ny fivavahana hoe " mamelà ny helokay tahaka ny hamelanay izay meloka taminay" zah aloha de tena nanao an'io an!
85. marozevo ( 08/05/2006 15:25)
Mandram-piverin'i mandalo, inona no tokony hanohizantsika ity hevitr ity ?
86. Fiffi ( 09/05/2006 11:26)
tsy dia aiko loatra , tsy dia mahita ny hanohizana azy aloha zah an!
87. marozevo ( 10/05/2006 19:22)
Ndao hasiana conklizion kely aloha ary eh.

Raha araka ny hevitro dia tsy tokony harahina be fahatany izay lazain'ny mpiandry, fa ho lanjalanjaina tsara ihany. Tenin'Andriamanitra no toriana, ekena izany, nefa ny fiatraikany sy ny fifandraisany amin'ny fiainana an-davan'andro mila fandinihina lalina, fa tsy raisina am-bolony na ara-bakiteny.

Io no soso-konklizion-ko.
Mba arosoy ary hoe izay mba hevitrao.
88. prime ( 24/05/2006 13:35)
Tena lava dia lava tokoa ilay adihevitra teo an!
Tena tsara fa mampandroso amin\'ny finoana avokoa ireny.
Ny fahitako azy dia tsy mety tafahaona ny resak\'i mandalo sy marozevo.
Mba hilaza ny hevitro aho raha sitrakareo.
1. Ny tena Mpiandry aloha raha ny soratra masina dia efa voalazan\'i mandalo ihany : \"Izaho no Mpiandry tsara\" hoy Jesosy.
3. Ny Mpiandry dia ireo apostoly 12 nanana mission manokana hanambara an\'i Jesosy sy ny famonjena vitany teo amin\'ny azo fijaliana.
2. Ny Mpiandry dia ireo izay nahazo faminaniana ka nifoha tamin\'ny torimason\'ny finoana \"Mifohaza ianao izay matory dia hampahazava anao Kristy\", ary nahatsangana toby lehibe (efatra izy ireo : Soatanana, Ankaramalaza, Farihimena, Manolotrony) hiady amin\'ny karazana asa ataon\'ny devoly manimba ny olona, tsy hahita an\'Andriamanitra. (Vakio ny tantaran\'ny fifohazana)
3. Ny Mpiandry dia izay nahazo fanomezam-pahasoavana manokana (antso avy amin\'i Kristy) ka voahosotra rehefa nahavita ny fianarana sy ny fiofanana ary nandresy tamin\'ny fitsapàna sy ny fizahan-toetra rehetra, tany amin\'ireo toby lehibe efatra ireo na ireo zana-toby mifandrohy amin\'izy efatra ireo.
4. Ny Mpiandry dia azo avy amin\'ny hoe \"Mpiandry ondry\", izay nanoharan\'i Jesosy ny tenany. Ka manana andraikitra lehibe izany ny hiambina sy hiandry ny ondrin\'Andriamanitra tsy ho lavon\'ny devoly fa hamahana ihany koa. \"Hoy Jesosy tamin\'i Petera : moa tia Ahy va ianao? dia hoy Petera : eny tia Anao aho; dia hoy Jesosy : fahano ary ny ondriko\"
5. Ny Mpiandry dia olom-boahosotra toy ny pretra sy ny Mpitandrina ary ny Presbytera, fa nomena fanomezam-pahasoavana manokana hiady sy hanohitra ny devoly amin\'ny endriny rehetra.
Izay dia rehefa avy eo indray fa lava loatra...
89. Achia ( 24/05/2006 17:43)
sao de mba osy no andrasan'ny sasany @ ireo voalaza reo
90. marozevo ( 25/05/2006 07:31)
Io lazain'i prime io anie no lazaiko any ambony rehetra any eh... saingy iaraha-mahita fa misy "mpiandry" ankoatra ireo. Izay ilay ady hevitra.

Achia > Tsy maninona na ondry na osy no andrasana, fa rehefa amin'ny farany miavaka ihany ireo ka ! (Mt 25).

Fa nahoana kosa ho'aho ny ratsy no oharina amin'ny osy moa ny tsara oharina amin'ny ondry eh ? Mba vakio kely ange ilay ao amin'i Mt 25 io eh. Ny osy hono eo an-kavia...
91. prime ( 26/05/2006 12:28)
Tohizako ary e!
Noho,izany izay asa masina miady amin'ny devoly izay ka miaro ny zanak'Andriamanitra no tena fototry ny asan'ny mpiandry ary mamahana azy ireo (tenin'Andriamanitra sy fankaherezana) mba hitoetra tsara amin'ny finoana.
Mety hisy tokoa aloha ny "osy" araka ny voalazan'i achia fa akory atao, avahana araka ny lazain'i marozevo any am-parany.
Ny hoe misy mpiandry hafa, dia marina izany, satria na ny tenin'Andriamanitra aza dia manambara izany, fa misy ny jiolahy, ny sasany antsoin'ny Tompo hoe 'mpikarama', oharin'ny Tompo amin'ny amboadia miditra ao am-bala, Satana no maniraka an'ireo, misandoka, ka tsy manana eritreritra hafa afatsy ny hamiravira ny ondry... Izay indrindra no anambaran'i Jesosy hoe "Izaho no Mpiandry tsara...". Kanefa misy koa ao @ Ezekiela manambara ireo Mpiandry tsy mendrika, mamoky tena, manatavy tena, ka tena mahatezitra mafy an'Andriamanitra mihitsy ka anambarany fa mbola faiziny mafy mihoatra noho izay mpanota indrindra...
Tsy azo adino koa nefa fa olombelona ireo...
Hamaranako azy dia samy manana ny anton'asany avokoa ny Mpiandry fa tsy hoe io fotsiny no fivelomany, dokotera, mpampianatra, mpivaron-kena, mpamboly, mpiompy, mpandraharaha, olon-tsotra sns... fa misy koa ny Mpitandrina (Pasteur), Diakona, Pretra (ny Momperan'ny Katedraly Faravohitra no Pretra Mpiandry voalohany ankehitriny), Masera (efa mihamaro izy izao), Evanjelistra, Katekista...
Ka izay indrindra no tokony izahana toetra ny olona alohan'ny anekena azy f'andrao voafitaka.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1569