Akaiky tokoa ve ny farany???

1. yonikafopl ( 04/03/2006 16:25)
Asa ianareo raha mba mahatsapa toa ahy, fa efa mitranga daholo ireo loza voalaza ao am baiboly ho famantarana ny faran'izao tontolo izao. Be ny arenina mahafaty, na ho an'ny olombelona , na ny biby, be ny ady atsy sy aroa, ny tondradrano, ny horohorontany, sy ny sisa. Tena efa akaiky tokoa ve ilay farany voalaza???
répondu par marozevo le 10/04/2006 22:36
2. sonwin ( 04/03/2006 16:36)
dia tsy haiko mihitsy aloha e. Fa za mahita hoe efa hatrizay naha-tany ny tany no efa nisy daholo ireo zavatra rehetra ireo fa ny fisehony no mety tsy mitovy.
3. yonikafopl ( 04/03/2006 16:57)
asa, fa za tsy niaina taloha, de tsy haiko, fa amzao toa hitako ankisesisesy be le izy kou
4. Fiffi ( 04/03/2006 17:24)
na dia efa nisy aza ireo rehetra ireo taloha , mbola tsy nahitana hoe nisesy tahak'izao. , @ izao fotoan'izao dia ny eo tsy hita izay hanaovana azy , tsy ahitana valiny , tsy ahitana fanafodiny , mbola eo am-pitadiavana dia indro indray ny manaraka , dia ect..... sy hita intsony izay hanaovana ny saina , ny tanana sasany efa manomboka ritra ny rano , ny haretina tonga daholo , ny loza misy mitranga foana , raha tsy seïsme , dia orohorontany , ny valala mandripaka , ny ranomasina mivadika , ny inona koa ? tsy fantatra intsony ka tsy mahagaga raha lasa lavitra ny saina ary miratra be ny maso mahita an'izao zava-doza mitranga isaky ny mihetsika zao. Aiza ve any La Réunion firy ny % ny mponina voa ? :(
5. Fiffi ( 04/03/2006 17:28)
Dia izao koa an! voan'ny gripa aviaire ny akoho , misy koa ny olona maty voan'io , nanao izay hazony hatao daholo ny firenena rehetra nefa dia voa daholo hiany , eny na dia hoa efa nidina avokoa tsy mahita masoandro aza ireo akoho ireo nefa dia ripatra avokoa. Avy eo dia ny saka no voa , dia indro fa hoa tafaverina indray ny vache folle ? gripa aviaire hiany io sur zany fa tsy te hanao polemika ru zareo.
Tsy hay intsony eh!
6. vancleef ( 04/03/2006 17:58)
Ny farann'izao totolo izao dia mbola afaka 4 milliard d'années rehefa lasa géante rouge ny masoandro ka mibotsina dia Mercue, Venus, Terre lasa ao anatin'ny masoandro. Mandra mpahatongan'izany dia ny bombe atomique sy izay aretina rehetra dia ahoatran'ny tsipindy kely fotsiny amin'ny tany
7. vale ( 04/03/2006 19:09)
sonwin:

dia tsy haiko mihitsy aloha e. Fa za mahita hoe efa hatrizay naha-tany ny tany no efa nisy daholo ireo zavatra rehetra ireo fa ny fisehony no mety tsy mitovy.

sw: na nisy loza sy aretina aza h@ izay aloha tsy an-kijanona ohatry ny @ izao fotoana hiainantsika izao kosa e, sady tsy vitan'izay fa ny olona miharatsy, miha-tia vola....... za aloha tena mieritreritra an'izany tokoa hoe efa akaiky ny farany e:(

8. Fiffi ( 04/03/2006 19:46)
izaho aloha dia :(:(:( nohon'izao zava-mitranga izao eh!
9. sylvain ( 04/03/2006 20:52)
tena mety efa akaiky tokoa ny farany,fa mbola misy zavatra mbola tsy nitranga,nefa mitady efa hitranga dia ny hi-clonéna an'i jesoa,dia asa fa de i jesoa niaina t@ izany andro zany indray ve no hita.Volaza ao @ baiboly koa mantsy fa @ andro farany dia hisy olona hilaza fa izy no tompo,ka mahavita ireo zavatra nataony jesoa ,toy ny fahagagana rehetra ny fanasitranana sy ny sisa,ka na hatraminy mpitondra fivavahana aza ho voafitany,mety ho voafitaka hatramin'i PAPE.Fa raha izay no misy de efa tena akaiky ny farany.De asakasaka tokoa fa de mety misy ny hino ary misy ny tsy hino,fa de tandremo ihany fa eny @ rahon'ny lanitra no tena hitrangany TOMPO @ andro farany.:!::!:
10. marozevo ( 04/03/2006 23:44)
Ankoatra ny loza voa-janahary, izay efa nisy hatrizay tokoa, dia mahalasa saina ny mahita ny adalantsika olombelona : Ady, pacs, désequilibre economique, tontolo iainana, couche d'ozone etc.. Araka ny hevitro dia mety ho avy amintsika ihany no hahaingana ny fahatongavan'ny farandro. Marina tokoa fa mety ho tsipindy kely ny zava-mitranga, nefa raha miverina imbediabe ilay tsipindy mangoritsina ihany nony farany.
11. dadabe ( 04/03/2006 23:57)
yonikafopl:efa tena akaiky marina ny farany satria efa miseho ny famantarana rehetra .

Mbola misy zavatra tsy mbola niseho anefa , izany hoe tsy mbola niseho ofisialy dia izay voalaza ao @ II-Tesaloniana toko faha-2
1 Ary mangataka aminareo izahay ry rahalahy, ny amin'ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika sy ny hanangonana antsika ho eo aminy,

2 mba tsy halaky hohetsiketsehina amin'ny saina na hampitahorina hianareo, na amin'ny fanahy, na amin'ny teny, na amin'ny epistily izay toa avy aminay, milaza fa efa miandoha ny andron'ny Tompo.

3 Aza mety hofitahin'olona akory hianareo; fa tsy ho avy izany, raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana, ka hiseho ilay lehilahin'ota, dia ilay zanaky ny fahaverezana,

4 ilay manohitra ka manandra-tena ho ambony noho izay rehetra atao hoe Andriamanitra, na izay ivavahana, ka dia mipetraka eo amin'ny tempolin'Andriamanitra izy ka manao ny tenany ho Andriamanitra.

5 Tsy tsaroanareo va fa fony mbola teo aminareo ihany aho, dia efa nilaza izany zavatra izany taminareo?

6 Ary ankehitriny fantatrareo ny zavatra misakana, mba hampisehoana azy amin'ny fotoan'androny.

7 Fa miasa sahady ny zava-miafina, dia ny tsi-fankatoavan-dalàna, kanefa mandra-panaisotra ilay misakana ankehitriny ihany [kanefa ao ihany ilay misakana mandra-panaisotra azy.].

8 Ary dia haseho ilay tena mpandika lalàna, izay holevonin'i Jesosy Tompo amin'ny fofonain'ny vavany ary hofoanany amin'ny fisehoan'ny fihaviany;

9 ny fihavin'ilehiny dia araka ny fiàsan'i Satana amin'ny hery sy ny famantarana sy ny fahagagana mandainga rehetra

10 ary ny famitahana momba ny tsi-fahamarinana amin'izay ho very, satria tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy izy.


io no anaisan'ny famantarana ny andro farany dia ny fisehoan'ilay lehilahin'ota , ilay manandratena nohoizay rehetra atao hoe amdriamanitra ary manao ny tenany ho Andriamnitra .
dia fantaro fa efa mivoaka tsikelikely io e, efa manomboka fanattra fa izany hoe tsy sahy milaza ny olona satria tsy mampino:roll:
12. marozevo ( 05/03/2006 01:17)
Tsy hisy hinohino foana kosa aloha eo eh...
13. Veloo ( 05/03/2006 01:38)
yoni a ireo zavatra miseho ankehitriny dia mbola findohana fotsiny..
Izao aky no tokony ataon-tsika ao an-tsaina a na inn na inn hitranga isika izay manaraka an;i jesosy, manaiky ary ary mino azy dia tsy tokony HATAHOTRA mihtsy an;izay zavatra miseho satria IZY dia hanomba atsika FOANA.
14. dadabe ( 05/03/2006 06:14)
yeeuuuh zay mahitsiny:-*:-*
15. sipagasy ( 05/03/2006 06:15)
mmhhh cousine annn aza mora kivy izany akia annn positiveo ny fiainana e!!!
bizz injiko
16. Fiffi ( 05/03/2006 07:01)
mahaiza manararaotra mihaina @ fahamarinana sy ny finoana an'Andriamanitra fa izy hiany no mahafantatra ny marina rehetra
17. diamondra27 ( 05/03/2006 11:14)
ny farany ve?

Tsy misy mahalala an'io fa 'zao fotsiny no hay hoe: ho avy toy ny mpangalatra aho, hoy Jesosy.
Ka miambena ary mivavaha, de mazotoa manolotra ny tenanareo ho an'i Tompo
18. booboo ( 05/03/2006 11:21)
Tssssss...ny oul t@ guerres mondiales reny koa zao niteny oe akaiky ny farany ; ny oul t@ peste noire nandripaka teto Erôpa koa zao niteny an'izany ; ny oul t@ guerres de religions koa zao niteny an'izany ; sns.

Ny loza ( fambara ) nisy sy misy ary mbola hisy fôna fa ny oul miaina ilay izy fotsiny no samy hafa vanim-potoana iainana dé zay !

19. yonikafopl ( 05/03/2006 17:52)
Sotra anareo nampahery fa za tokou ry reto tena lasa mandroso mihemotra tsy hay zany tsony aaaaaa, le zava mitranga eo am fiainako mihintsy no njainjay tsy zakan'ny atidohako, de lasa manaonao fona sy miteniteny fona mihintsy indraindray. Toa jereko ny manodidina ahy, le mpanao ratsy miaina malalaka, miadana beuuhh, salama beuhh, fa le miaina am fahamarinana, toa sahiran-dava, itrangan'izao aretina retraretra zao. Marina fa izay manaraka ahy hoy ny Tompo aoka hilanja ny hazofijaliako, nefa toa hummmmmmmmmmmmmmm:roll:
20. caprio ( 05/03/2006 19:01)
booboo:aoka hazava kosa aloha ra-booboo fa ny guerres dia avy @asan-tanan,olombelona ,fa ny zava-mitsanga ankehitriny kosa dia voa-janahary an
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2963