Akaiky tokoa ve ny farany???

41. marozevo ( 11/03/2006 00:17)
Rackmoounted ??????
42. dadabe ( 11/03/2006 03:34)
Mpandefa : marozevo [ Valio ] 11-03-2006 04:17:41
Lohateny : Re : Akaiky tokoa ve ny farany???
Rackmoounted ??????


yeee Rackmoounted ?????? :°)
43. marozevo ( 12/03/2006 00:13)
Ka inona ilay Rackmoounted eh ?
44. cazal ( 12/03/2006 18:44)
Tsy tokony nio fanotaniana io no hapetrakin'ny tsirairay fa tokony hoe Ahoana no hiatrehako ny fianinana mandrak'izay? Ny tenako no tokony hametrahak ony fanotaniana, ary mitady izay hihavanana @ Atra, ny hanao Soa sy hifady ny ratsy, Ary hanaiky ny famonjena izay omen'Atra, izao no fotoana mety. sady tsy mbola tara, Fa rehefa tonga ilay andro fitsarana dia tsy misy azo atao intsony Mpitoriteny 12:1,13,14

Ka dia mahereza daholo izay vonona fa dia any andanitra ny RV Matio 24.
45. marozevo ( 13/03/2006 00:42)
Ny farany akaiky foana, satria isika olombelona dia efa voalazan'ny salamo fa "fitopolo taona monja no anjara fiainana, na valopolo izay matanjaka", raha misy mihoatra ny valopolo dia "ce sont des exceptions qui confirment la règle". Io no farany ho an'ny tsirairay, fa ilay farany iombonana tsy haiko loatra... asa koa na vitan'ny farany ho an'ny stirairay na mbola misy faranyiombonana tokoa... amiko tsy dia ilaina ny hoe voriana daholo indray na ny velona na ny efa maty fa tonga ny farany iombonana.
Fa angaha tsy Matio 25 le izy ry Cazal ? Ilay hoe manavaka ny tssara sy ny ratsy ve sa hafa no lazainao?
46. Achia ( 14/03/2006 19:38)
marozevo
47. Veloo ( 15/03/2006 01:41)
48. marozevo ( 17/03/2006 00:37)
Inona kay no tian'i Achia hambara ? Toa soratanao fotsiny ny anarako dia izay. Ianao kosa akia ah..
49. Achia ( 17/03/2006 15:37)
ka enao nge mampalahelo be e! milaza enao hoe Kristiana nefa tsy mino ze lazain'ny baiboly .Misy ny farany ry zevo a tena misy :°)
50. marozevo ( 18/03/2006 00:36)
Tsy hoe tsy inoako izay lazain'ny Baiboly fa toa tsy hitako ao ilay hoe tena farany iombonana koa... sady izao koa eh.. Ilay Baiboly anie ngedabe ka tsy tadidy daholo izay lazainy ao eh... Mba omevo santionany kely aho hoe raha sitrakao !
51. cazal ( 18/03/2006 17:00)
Marina aloha fa ngedabe araka ny fiazanao azy ilay Baiboly, Nefa araka ny hamakianao azy no hahitanao ny tsirony sy ny ambarantelo rehetra voalaza ao.
Izaho koa anie mba nihevitra toy izany t@ fotoana tsy nahalalako, nefa kosa rehefa naonmboka namaky dia mahita zavatra maro be tokoa, Ka ity misy torohevitra homeko anao marozevo : Manampaha hevitra dia vakio manomboka @ voalohany ka hatramin'ny farny dia azonao aloha ny fandehan'ny atatra rehetra ao, avy eo dia manomboka maerina mamaky sy mandalina amin'izay, toy izany no nataoko, ka tena mamy tokoa sady betsaka ny torohevitra sy lesona azo tsoahina ao.
T@ voalohany dia 1taona latsaka kely dia vita vaky io, hahalalana ny fizotran ny tatara aloha, avy eo aho mandalina amin izay hatramin izao. Ary amin izao fandalinako izao dia efa han 7 izao no namakiako ny baiboly tena mahita zavabaovao foana ary raha vao misy miresaka aminao dia fatatrao na marina na tsy avy hatrany, mba hialana amin'ny fitaka sy ny sandoka isakarazany.
Mahereza e!:-*
52. marozevo ( 19/03/2006 00:21)
casal > Za koa efa namaky ny baiboly hatramin'ny voalohany ka hatrany amin'ny farany, efa nahavita in-4 aho izao ary eo am-panaovana ny fahadimy.
Mino ny fisian'ny farany aho hoy aho, fa ny raisonement-ko dia toy izao. Tsy hisy akory ny hoe fitsarana ny velona sy ny maty, na dia voalaza ao amin'ny Mt 25 aza io. Satria ahoana moa no inoako fa ry i Piera, ry Paoly, ry Masina Maria, ry Rasalama, ry Faralahy Andriamazoto, ry Victoire RASOAMANARIVO sns... dia hiverina hotsaraina indray, nefa efa inoana fa mandova ny fiainana mandrakizay sy ny hasambarana izy ireny? Izay no mahatonga ahy hilaza hoe ilay farany iombonanabe no tsy ekeko loatra, fa raha ny farany... misy io ka !...
53. cazal ( 19/03/2006 10:34)
Marozevo : Misy karazany roa aloha ny fitsarana.
1* dia fitsarana ireo maty rehetra sy ny velona izay nanolotena ho an'Krsity amin'izao fotoana izao, Mandrampahatapitry ny andrompahasoavana, izay tsy misy mahalala ny fiafaran io andro io. Vita io dia tonga JESOSY (farany)
2* Dia fitsarana ireo maty sy tsy nino ary ireo tsy niraharaha ny fahasoavana natolotra azy mandritra ny 1000 taona, ary isika izay miaraka @ Jesosy aorian'ny fiaviany dia hitsara ireo olona sy anjely ratsy tsy nety nino ireo mandritra io 1000taona io (Apokalipsy 20 sy 21 ary 1kor6.2 sns..)
Ka izay ny mahafinaritra ny mandinika sy mamaky ny baiboly, hahalalana ny marian rehetra sa tsy izany ry marozevo?:D
54. Achia ( 19/03/2006 19:37)
Fa reny Matio 24 reny ve ry zevo tsy efa milaza ny farany a
55. marozevo ( 20/03/2006 21:00)
Za ho'aho, lazaiko an'i Achia, tena mino fa TSY MAINTSY MISY NY FARANY. Ny tsy hinoako ange dia ilay hoe farany iombonana eh... Izany hoe angonina daholo ny rehetra, na ny velona na ny maty, dia tsaraina, dia ny sasany miakatra any an-danitra, ny sasany midina any amin'ny afobe. fa raha ny hoe farandro, mino ny fisian'io mihitsy aho ka..
O ry cazal ah... sao dia mba raisonement anao irery io, lazainao io eh. Fitsarana in-droa ahoana indray izany. Marina fa misy milaza momba izany na ny ao amin'ny Apokalipsa, na ny ao amin'i Daniela(TT), nefa tadidio fa ireo roa ireo anie ka "genre litteraire" miavaka, fa tsy mitovy amin'ny rehetra eh... Vakio tsara koa ny introduction isaky ny boky amin'ny baiboly, raha misy io introduction io ny baibolinao. Raha tsy misy dia manoro hevitra anao aho, aleo mitady baiboly misy notes na introduction, fa tena manampy be ilay izy.
Na izany na tsy izany, dia hafaliana foana no entin'ny fifampizarana ny Tenin'Andrioamanitra, ka misaotra anao, ry cazal.
56. mandalo ( 27/03/2006 13:17)
Tsy maintsy ho avy ny farany, rahoviana? tsy misy mahalala afa-tsy Izy Andriamanitra namorona izao tontolo izao ihany; arakin'ny baiboly izany fa tsy fijeriko akory. ny tiako hisarihana ny fomba fijerintsika dia ny intéret-ntsika mahalala ny date sy ny ora ve no tena goavana sa ny hotohin'ny tantara rehefa tonga izany fotoana izany.
misy mpianatra mahatsiaro fa tena nianatra tsara ka nahavita homana tsara ny fianarany ve mivaky loha ny date d'examen sa ny karazana questions mety hiseho sy ny fomba hamaliana izany?
matahotra ny farany isika satria tsy fantantsika ny hiseho sy ny tohin'ny tantarantsika; ny tena marina dia miafina ao ambadikin'ny tahotra isika fa tsy te-hieritreritra ny lalana mety hizorantsika aorian'ny farany; tsy maitriser-ntsika mantsy ny fandehan'ny fitsarana sy ny suite-ny.
tsy ampy fahalalana momba ny hoavin'ny zanak'olombelona isika satria tsy fantantsika ny momba antsika. AVY AIZA, DIA HANINONA ETO,ary HO AIZA NY FIAINAN'NY ZANAK'OLOMBELONA;inona no ANTOM-PISIANTSIKA (MOTIF D'EXISTENCE);Ireo fanontaniana ireo no tsy haintsika ka matahotra isika.
57. Achia ( 27/03/2006 19:53)
Ka ATRA kosa ne efa nanome signe de temps e ko anjaranze mahalala zany no mampaneno ny anjomara ho anze tara :°)
58. marozevo ( 27/03/2006 22:37)
Fitsarana ... Noho ny ohatra matavy tapaka, araka ny fitenenana, dia ekena ihany io fanoharana raisin'i mandalo io (examen).
Fa izaho kosa mino, fa rehefa tonga ny fitsaràna, dia ny fitiavan'Andriamanitra no efa mialoha làlana ny zavatra rehetra. Mba diniho tsara kely ange ilay Filazan-tsara Lk 15,11-32 eh !
59. Veloo ( 28/03/2006 02:19)
matahotra ny farany isika satria tsy fantantsika ny hiseho sy ny tohin'ny tantarantsika; ny tena marina dia miafina ao ambadikin'ny tahotra isika fa tsy te-hieritreritra ny lalana mety hizorantsika aorian'ny farany; tsy maitriser-ntsika mantsy ny fandehan'ny fitsarana sy ny suite-ny.

za tsy manaiky an'io
raha tena olona pivavaka ary mino isika fa zanak'Antra dia tsy tokony atahotra na oviana na oviana satria Jesosy dia hanampy antsika fona, tadidio ny zavatra niseho ny zanak'israel,, dia ho otran;ireny koa isika. Au contraire ary isika tokony ho faly satria jesosy efa ho tonga andray antsika:wink:
60. Fiffi ( 28/03/2006 06:04)
Veloo: marina ny andry an! fa dia inona moa no hiafarahantsika raha mihaina ao anatin'ny tahotra ? Minoa fotsiny eh! ampitombohy ny finoana , mazotoa mivavaka.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3194