sectes

1. diamondra27 ( 11/01/2006 16:13)
1° inona no atao hoe: sectes?

2° Iza avy ireo fiangonana lazaina fa sectes?

3°De ahoana no ahafantarana azy sy ny methode-ny?

4° Ahoana no atao mba hisorohana tsy hirona @io ny membre ny fianakams
répondu par Achia le 11/03/2006 05:20
2. lapino ( 11/01/2006 16:46)
Tonga dia subjectif be kosa i diamondra27 izany e!

:arrow: TSARA ny secte sa RATSY ? Nahoana?
3. marozevo ( 11/01/2006 23:27)
Ny dikan'ny teny aloha, araka ny fahazoako azy dia avy amin'ny hoe SECTION --- vaky, na tapaka na silaka.. Io kosa dia avy amin'ny latin hoe "secare" izay verba midika hoe manapaka - couper.
Amiko tsy dia asiako olana loatra ny secte, ahy irery izay toe-po sy toe-tsaina manoloana azy ireny. Rehefa manaja ny zo maha olona sy ny fahazoana mivavaka an-kalalahana izy dia aleo hiasa... raha izay koa no hahatsara ny fitondram-tenantsika.
Ny ahy aza ny tena atahorako dia ny Musulman... azafady raha misy musulman mamaky an'ity... Niarahana nahita ny reaction zareo tamin'ireny teny Iavoloha ireny tamin'ilay fivavahana notarihin'ny FFKM.
Toy izany ny any amin'ny firenen-kafa rehetra any.. tena mahery fihetsika ry zareo ary tena manaovilolence mihitsy. manana namana avy any Pakistan aho, katolika io namako io, tena mitaraina sy mijaly mihitsy zareo.
Fa araka ny fahafantarako azy anefa dia tsy sekta ny Musulmans... Tsy haiko hoe inona no teny na soratra hamaritana ny atao hoe sectes fa fantatro fotsiny hoe itsy sekta na itsy tsy sekta...
4. dadabe ( 12/01/2006 02:48)
marozevo > hummm izany a

diamondra > hamaly aho fa andraso kely fotsiny :-$
5. majesty ( 12/01/2006 03:28)
Misy famaritana maromaro ny antsoina hoe secte.
1)ny antsoina hoe secte de antokom-pivavahana iray izay tarihin'ny olona tokana na maromaro antsoina hoe"GOUROU"
2)ny secte de antokon'olona vitsivitsy nisintaka t@ fikambanana iray ohatra i Jesosy sy ny mpianany fahiny de natao hoe secte satria nisintaka t@ fivavahan'ny sadoseo sy ny fariseo ry zareo t@ izany andro izany ka anisan'ny nanenjehan'ny lohandohan'ny mpisorona azy ireo izany fisintahany izany,ohatra koa ny protestanta izay nisintaka t@ katolika de nantsoina ihany koa hoe secte"izany hoe refa mety ho fivavahana nisintaka t@ fivavahana iray lehibe izany dia tsy afaka miala @ io anarana hoe secte io ohatra ihany koa izao ny FPVM dia secte satria nisintaka t@ FJKM"
Izay raha tsoritsorina ny atao hoe secte ,fa ny tina ho marihina fotsiny dia ny hoe misy ny secte tsara ary misy ny secte ratsy(ohatra ny secte OTS izay henon-tsika tany France izay mampamono tena ny oul ao aminy dia anisan'lay secte ratsy)kanefa ihany kou i Lotera dia niteny fa ataoko ho secte ny olona raha izany no ahafahany mahita ny Mpamonjy!
6. diamondra27 ( 12/01/2006 05:54)
majesty: secte doly zany ny rehetra ze misintaka raha zany

dadabe: miandry anao zahay

marozevo: mety tsy hisy olana aminao fa ho an'ny hafa ka izay no ilaina fanampiana eto. Momba ny resaka musulman indray de tsy zareo rehetra akory no ratsy. Ny tena musulmanS de tsy mamono olona zany ary contre la violence, fa le musulmans iray hafa io mamono io.
7. pissoa ( 12/01/2006 06:05)
Io lazain'i majesty io koa no ahazahoako ny atao hoe sectes. Izany hoe ny maha-secte na tsia ny antoko iray dia relatif amin'ny antoko hafa.
8. olona ( 12/01/2006 09:54)
diamondra27:

1° inona no atao hoe: sectes?

2° Iza avy ireo fiangonana lazaina fa sectes?

3°De ahoana no ahafantarana azy sy ny methode-ny?

4° Ahoana no atao mba hisorohana tsy hirona @io ny membre ny fianakams


diamondra27:

1° inona no atao hoe: sectes?

Amiko raha bangoina tokana dia vondrona nisitaka avy amin'ny vondrona iray no atao hoe secte.
Ny secte voalohany zao dia ny kristianisme, nolazaina fa secte nazareanina ry zareo(ao anaty baiboly zany). Donc raha mbola kristianina efa secte daholo.

De avy eo ndray misy miforona(misitaka) de cree ny secte protestanta.
de avy ao amin'ny protestanta misy misitaka de otr'zay hatrany.

diamondra27:

2° Iza avy ireo fiangonana lazaina fa sectes?

izy rehetra secte avokoa araka ny definition etsy ambony.
Fa miova zay raha toa tsy ny fivavaha juive no atao depart.
Azo atao hoe ze tsy katolika dia secte raha katolika no atao depart.


diamondra27:

3°De ahoana no ahafantarana azy sy ny methode-ny?

Miresaka finoana mazava hoazy.
Ny methode-ny dia tsisy anaovana azy hoe secte.
Rehefa tsy azoazonao fotsiny ny zavatra ataony dia secta izy zay ho anao.

diamondra27:

4° Ahoana no atao mba hisorohana tsy hirona @io ny membre ny fianakams

Raha hitanao fa ratsy dia hazavao aminy ireo zay zavatra hitanao fa ratsy ao, de asaivo maneho ny fahitany izany izy ary asaivo manazava ny fotokevim-pisian'ilay antoko-pivavahana idirany. De henoy tsara zay voalazany de ampitahao amin'ny hainao sy ananao ary ekenao. Vita zay Omeo directement aminy ny avi-nao momba ilay fikambanana.

avy_amiko_manokana:

-ny secte tsy mifototra ao amin'ny baiboly dia ialao avy hatrany.
-ny secte tsy manaraka ny etique ara-baiboly dia ialao koa.
-ny secte tsy misy fahamarinana hafa noho izay efa misy anao dia halaviro.
-mividiana baiboly, na mangataha baiboly raha tsy manana.
-vakio ny baiboly hahitanao izay voalaza
-hamarino ao amin'ny baiboly izay lazaina aminao sao dia misy manohitra izany ao.
-Manalavira ny ratsy(toetra, saina, sns) fa Andriamanitra hanampy anao amin'ny fahitana izay sitraky ny fony kokoa ianao.

9. dadabe ( 12/01/2006 10:55)
diamondra a> efa voalazan'i majesty sy olona ataoko fa feno angmba izy io, fa manomboka mazava anie izany fa diso ny filazan'ny FFKM hoe secte ireo fengonana ivelan'ny FFKM e :roll:
10. moi ( 12/01/2006 11:40)
Ny FFKM ve niteny izany hoe secte ny tsy ao anatin\'ny FFKM, sa ny fihevitry ny olona no toy izay ?

Ilay fanontaniana farany no mba asiako valiny :
4° Ahoana no atao mba hisorohana tsy hirona @io ny membre ny fianakams


Tsy misy fanafodiny amiko hafa-tsy ny hoe \"Fantaro ny zavatra rehetra, dia hazony mafy izay tsara !\"
Izay efa nolalovako ihany no azoko lazaina.
Anisan\'ny mba nahita maro tamin\'ireny antsoina hoe secte ireny ny tenako (mba manatrika na dia fotoam-pivavahana tsotra indray mandeha monja aza), fa ny hitako dia misy ny secte tsara, misy ny secte ratsy. Rehefa mitory an\'i Jeso ho Andriamanitra Mpamonjy, manaiky fa maty Izy ary efa nitsangana tamin\'ny maty dia efa secte tsara izay !
Fa raha mandà an\'ireo (toy ny Temoin) dia efa ratsy ; ny manampy condition hafa kosa tsy asiako ady hevitra loatra, fa io amiko no condition nécessaire et suffisante.
Fikambanana tsy miankina amina fiangonana koa no nahitako équilibre kokoa, ireny Groupe Biblique ireny, ny Fikambanana Mampiely Baiboly (Société Biblique Malgache), ny Fikambanana Mpiara-mamaky ny Baiboly (Ligue pour la Lecture de la Bible).

Fa ny olana dia raha mangatsiaka ny ao am-piangonanao dia mora mahita tsirony ianao any amin\'ireny ka be dia be ny fakam-panahy te hifindra fiangonana !!!
11. pika ( 12/01/2006 12:01)
Tsy misy fanafodiny amiko hafa-tsy ny hoe "Fantaro ny zavatra rehetra, dia hazony mafy izay tsara !"

apiko hoe mijoroa ianao @ maha izy anao fa aza tia andrakandrana fa Atra iray ihany tsy misy hoe ny anay no marina fa tokana ihany no marina
valiny @ lay mba hisorohana io
ny fanontaniana hafa angamba efa betsaka ireo voalaza ireo
12. majesty ( 13/01/2006 04:22)
ataovy toy ny voan-kazo an'ala fotsiny re ry zareo a,ny mamy atelina fa ny mangidy ariana.Dia aza manara-drenirano fotsiny kou anefa fa "fantaro ny zavatra rehetra de azony mafy izay tsara"
13. dadabe ( 13/01/2006 07:18)
Fa ny olana dia raha mangatsiaka ny ao am-piangonanao dia mora mahita tsirony ianao any amin'ireny ka be dia be ny fakam-panahy te hifindra fiangonana !!!

n y mifindra ve dia hoe fakampanahy ?????

apiko hoe mijoroa ianao @ maha izy anao fa aza tia andrakandrana fa Atra iray ihany tsy misy hoe ny anay no marina fa tokana ihany no marina


dia na dia efa hita izao fa hoe fiangonana tsy mandeha @ ny tokony ho izy aza ve dia mbola tohanaan ihany hoe aleo mijoro hatramin'ny farany ?
14. majesty ( 13/01/2006 09:57)
dadabe::-w:-w:-w
15. Mifenty ( 13/01/2006 10:04)
ary za lty efa ni post tato fa tsy hita popoka le izy a.

le annn a. tssss
16. adam ( 13/01/2006 13:38)
dadabe:roll:
17. dadabe ( 13/01/2006 14:12)
adam > majesty > hihihihi ka marina anie fa Andriamanitra Iray ihany e, ilay tena Izy , ka moho ny fitadiavan'ny olona an 'Andriamnitra tena izy io no mahatonga azy hikaroka fahamarinana ary mahatonga azy hiala @ ilay teo aloha , fa tsy hoe tratran'ny fakampanahy

toa tokony hatao adihevitra vaovao ity fifindrana fiangonana ity ??:-w
18. xxx ( 13/01/2006 14:41)
Dadabe, raha amiko tsy hoe fanka-panahy ny mifindra fa hitako hoe tsy vahaolana fotsiny.

Raha somary itarina kely dia hoe rehefa misy tsy mety izany dia ny miova fiangonana no vahaolana hita voalahany. Dia rahoviana nefa ny olombelona vao ho afa-po amin\'ny zavatra iray? Rahoviana ny olona ao amin\'ny fiangonana iray no tsy hisy hanota intsony? Dia hiova fiangonana foana izany?

Fisainana mandeha ho azy matetika ny hoe What can the society do for me? (amiko dia io no manosika ny olona hifindra)... fa tsy mba mahazatra kosa ny hoe What can I do for the society? (izany hoe rehefa hitako fa tsy mety dia ezahiko ahitsy).
19. vetsoko ( 13/01/2006 14:46)
ny olana ry diamondra dia izao a,ny teny malagasy dia tsy ampy,ary ity mot hoe secte ity dia manana tantra efa hatramin'ny ela tany @ fiantombohan'ny christianisme mihintsy,mbola nanjaka ny fivavaham-panjakana t@ izany ary nomena sens péjoratif io mot secte o dia efa izay no lovaintsika ankehitriny.Rehefa tsy mitovy ny fomba fijery dia mifampiapanga ho secte ny antokom-pinoana roa samihafa,tadidioanefa fa mivoatra ny fomba fijery ary miha-mazava hatrany ny baiboly izay feno zava-miafina,hisy foana izany ny hanana hevitra vaovao,secte daholo ve izany izay hipoitra?????fomba iadin'ny fivavaham-panjakkana manerana izao tontolo izao koa io mi-qualifier izay atahorony dia lazainy hoe secte,misy antony politika io,ary efa nisy tany dago izany zavatra izany,na izany aza dia misy ny atao hoe secte dangereux izay manao suicide collectif sy mangalatra sy ny sisa,fa raha hoe branche samihafa ao @ protestant ohatra dia tsy izany velively akory no atao hoe secte
20. routa ( 13/01/2006 15:32)
raha ny fahalalako azy de efa t@ andron'ny ry Paoly no efa voateny ny secta de ahoana zany zay taty aorian' izy reo no tsy secta e?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4656