sectes

61. hokanchec ( 03/02/2006 06:17)
Ny secta araka ny fahaizako azy def nisy t@ androny JESUS C; , mihevitra za fa t@ andron'ny jesosy no nisiany voalohany , voalaza manko fa i lehio no mitondra fampianarana hafahafa ka nolazaina hoe ' secta nazareniana' izy
midika izany fa secta dolo izay nanaraka ani Kristy ka h@zao , misy kosa naefa secta ratsy dia iz&ay tsy manaraka ataony Kristy ,
:evil:
tandremo anefa ny lalany kristy no tsy maintsy aleha ra ho any andanitra , ho henjehina , ho ....
vitsy ny pahita e!!!
62. dadabe ( 03/02/2006 08:41)
ekena tanteraka =D=D
63. marozevo ( 04/02/2006 00:44)
dadabe:

ahan !! sao dia mba i veloo aloha no ranavalon'i toi ry zokibe a:°)



Ahhann ka ! Ilay Ranavalona anie ilay tena manjaka ao an-trano eh... Izany hoe mety mifandray amin'ilay hoe Ranavalo-manjaka ihany. Fa hafa mihitsy ny anaran'ireo any ivelany... mety hoe Vazo ohatra angamba, raha niandry vazo (miandrivazo) tao andrefan'Antsirabe i Radama tamin'izay fotoana izay.
64. dadabe ( 04/02/2006 05:30)
arako io tantara io fa aleo tantaraiko kely :

i radama rehefa niandry an'i RASALIMO , dia tsy tonga tany menabe fa taty @ sisiny , teo miandrivazo , i rasalimo zanaky ny mpanjakan'ny menabe, hehehe manja le tantara kely e:°)
65. marozevo ( 08/02/2006 00:44)
Dia aiza aho izany no hiandry ny vazoko ? Mba atero aty izy ry dadabe sao de tsy mahita làlana ah..
66. Achia ( 23/02/2006 16:27)
:-D:-D:-D Marozevo a nenareo ve tsy eo ambanin'i Mandraka notobuny e :°)efa maro be ao:-D:-D:-D
67. Veloo ( 23/02/2006 17:10)
:-w:-w:-w
68. marozevo ( 24/02/2006 00:31)
Achia:

:-D:-D:-D Marozevo a nenareo ve tsy eo ambanin'i Mandraka notobuny e :°)efa maro be ao:-D:-D:-D



Tandremo !!!... chasse privée iny.
69. Achia ( 24/02/2006 05:46)
ay maro ko iBedada efa manolotra vady masaka be anao :-D
70. marozevo ( 25/02/2006 00:29)
VaRy masaka no atolotra ao Marozevo atsinanan'i Mandraka fa tsy vaDy masaka izany eh... Ny laoka azo atao amalona sy henakisoa. Ao manko tsy misy sekta na Silamo ka azo hanina daholo izay zavatra mendrika hohanina. Izay zavatra MENDRIKA hohanina.
71. Achia ( 25/02/2006 06:03)
=))=))=)) hivadika nray ty size ty ina ko no idiran' ny sakafo @ zany nefa marina io voalazanao io satria iKristy ze arahantsika nge sekta e sekta nazaareana:°)
72. dadabe ( 25/02/2006 07:14)
yee !!de tsy nihinana kisoa ,fa ny Kristy an'i marozevo mihinana kisoa:{:{ sady mampihinana kisoa :°)
73. Achia ( 25/02/2006 20:36)
Fa razory Maro ve lo manaiky hoe sekte
74. marozevo ( 26/02/2006 00:19)
dadabe ah... mba tadiavo kely fa ny ahy ny baiboly tsy misy hoe i Kristy mandrara tsy hihinana kisoa. Novakiako hatrany amin'ny Matio 1, 1 ka hatrany amin'ny faran'ny Apokalipsy fa tsy nahita aho. Mba efa nanandrana nihinana ve anefa aloha i dadabe eh ? sa tena mbola tsy nikasika hatrizay naha-sekta anareo izay.
75. dadabe ( 26/02/2006 10:07)
ka ny Rainy anie no nandidy azy tsy ihinana e(levitikosy toko faha 11), dia namafisiny (KRISTY) tao @ matio toko faha 5 fa hoe tsy tonga handrava izy fa hanatanteraka , de mazava ho azy rah toka ka tsy ahita soratra ao ianao hoe aza mihinana , satria Izy manaraka ny didin'ny Rainy.na i petera aza nahita fahitana dia vao nahita zavatra nofadiana dia efa niala pah hoe "sanatria raha ihinana zavatra efa natao ho fady aho"nefa io fahitana io efa taty aorianan'ny hazo fijaliana .

humm aiza izy izany ramaro a, lalino tsara ny soratra masina diaaleo manaraka ny lalana efa masaka r'ise :°)
76. marozevo ( 28/02/2006 00:53)
Inona no làlana masaka... ny fiovaovan'ny vahoakan'ny TT nanomboka tamin'i Abrahama - Jakoba - Tany Egypte - avy indray tany babilona - Pacte tamin'ny firenena mpanompo sampy.. ireo ve, sa ilay lalan-tokana sady mahitsy voafehin'ny hoe "Didy vaovao no omeko anareo, mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo". Io ny ahy no hita ho làlana masaka ry dadabe ah... Vaovao fa masaka tsara.

Efa mandray sarin-teny momba ny làlana ihany ianao, mba jereo ange ireny làlana any ambanivohitra ireny eh (85% any M/kara). bataina tsy zaka, afindra mora foana, ary izay afindra no manjary làla-masaka. Tsotra loatra le sary, nefa mety hilaza zavatra ihany. Sa any Chine tsisy lalan-kely ohatran'ny any aminay.
77. diamondra27 ( 28/02/2006 19:46)
sao de sectes ...
78. Achia ( 02/03/2006 13:49)
Jereo nge ry namana e fa maifandray daholo ny dinika sabata ,sectes ,paska , manaraka sa mifanena e !
79. marozevo ( 02/03/2006 16:01)
Achia:

Jereo nge ry namana e fa maifandray daholo ny dinika sabata ,sectes ,paska , manaraka sa mifanena e !



Marina izany, saingy mety hamonamonaina raha toa ka hevitra tokana fotsiny hatrany am-boalohany koa.
80. Achia ( 03/03/2006 18:16)
Ka ra hevitra tokana hampitombo ny finoana ne mety tsy hampisy fatiantoka e !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0484