hetsika nataon'ny namana serasera eto Dany 19 novembre 2005

1. ravatorano ( 21/11/2005 04:50)
Tontosa antsakany sy andavany tokoa ny heytsika izay natao ny 19/11/2005 teo ary nizotra arak'ireny programa nalefa teto ireny ihany.
Fijeriko manokana izy ity fa tsy tatitra akory fa na izany aza dia azo itarafana ny fandehan'ny hetsika ihany.
Voaloha-teniko aloha dia tsy hay ny tsy hisaotra ireto namana ireto izay nitoto nahafotsy ary nahandro nahamasaka iny hetsika iny : poupounesana , voahirana, glou, notron, mcz, sourire05, avylavitra, froll, herylo, lo, hasiniony, nyeja, mimich, maithe, clerahari ary ialako tsinyizay tsy voatonoko eto.
Isaorana lehibe d lehibe ny namana nampiantrano nahafahana nanao ny cabaret.
Isaorana ihany koa ireo namana tonga nanohina ny antso nanotrona ny hetsika ,nahafoy andro sy alina niarahana ka nahafahana nitotorebika sy nikorana.
Nahafinaritra ny fiarahana na dia ssomary nandiso fanatenana ihany aza ny tsy fahatongavan 'nireo namana izay nisoratra anarana ary nanindry mihitsy fa tsy maintsy ho avy.Iny moa tsy hivalamparako eto fa samy manana ny sainy io ary misy aza sahy miteny fa toy ny virtuel ihany io hetsika io ka mety tsy hisy akory:evil::evil::evil::evil::evil:.
Ny maraian moa dia nifamotoana teny Mahamasina ireo izay afaka namonjy ny excursio izay natao teny ami'ny Lac Hotel Ambohibao.Efa niandry teo ny fiara nitondra ireo namana.Tany dia nisy ny lalao isankarazany ary dia nisy ihany koa ny loka nozaraina nentina mba hahatsiarovana ny hetsika.
Ny alina no natao ny cabaret dancing nefa talohan izay dia efa veklona ny vazo nataon 'ireo namana mana talenta amin' izany ka nahafinaritra mihitsy ny nahita sy nandre ny feoman dry tovolahy sy ry tovovavy.Teo ami'ny cabaret dia ny tarika Zay no nanomboka izany , avy eo i Rija Ramanatoanaina ,ary ry Hirah.I RaJim kosa dia nikalo hira iray , hiran i icky netin dry zareo nanaovana veloma ny namana.
Tokony tamin'ny roa ambifolo ora sy fahatelo alina teo dia nandamina ny pitsopitsony amin'ny fitaovany indray ny DJ Infinity Project hanohy ny fanafanana ny fotoana.
Ny namana maro moa dia nanararaotra niaraka naka sary tamin' ireo aritisita tonga teo.
Raikitra indray ny fandihizana ary nihtohy mandra marainan ny andro izany.
Mino tanteraka aho fa dia voa mafy ireo izay tsy tonga satria dia tena ao tsara ny "ambiance" ary tena nahafinaritra eh.
Ataoko fa tsy ampy izay voalazako eto fa maro ny namana hanohy na hanitsy izay voalazako eto ity.
Tamin'ny vaovao teny malagasy tao amin'ny MBS ny alahady alina amin'ny valo ora iny dia nalefa tao ny santionan 'io hetsika io ary dia tena feno tokoa ny fanazavan dry zareo mpanao gazety momba ny namana serasera org tao anatin'ny fotoana fohy.
Izay no azoko ambara aloha izao fa dia amin'ny manaraka indray eh !
tsiky iray dia ampy
:wink:
ravatorano



Nahitsin'i lanto
répondu par fijo le 07/12/2005 21:21
2. akamatiana ( 21/11/2005 05:02)
Mino tanteraka aho fa dia voa mafy ireo izay tsy tonga satria dia tena ao tsara ny "ambiance" ary tena nahafinaritra eh.
sou iany fa tany ny eritreritro hihih , d mbola voa mafy ve zah zoky ravatorano???
3. ravatorano ( 21/11/2005 05:08)
ialako tsiny amin' ny fahadisoan 'ny frapy fa namana Dago no izy fa tsy Dany.
adinoko ihany koa ny nisoatra ireo namana serasera avy any ampitandranomasina any,nanohana izao hetsika taty izao,mahafinaritra ny fiaraha miasa .
Ny hany teniko farany dia izao amin'ny fiahaoana na hetsika atao manaraka dia aoka re mba ho serieux mihitsy amin' ity fitenenana hoe ho avy ity nefa tsy tonga akory fa tena manahirana b eo amin'ny fikarakarana ny fandehany rehetra .Manimba ny vinavina izany.Aza hadino fa misy fandaniana atao foana amin 'ireny hetsika ireny.
Na izany na tsizany aza dia nahazo fahafinaretana daholo kosa aloha izay tonga tena ary nilanonana tokoa eh.
4. sasa ( 21/11/2005 05:29)
ravatorana=D=D=D=D hi hi hi za tena tsy mahay mitantara fa ny tadidko fotsiny d nisotro jus za d nitono maskita kou, d nandihy be izay tsy misy otran'izany, way d nahazo loka kou za, tee-shirt le izy tena milay an, sady tonga d taille-ko mintsy.

5. HeryLo ( 21/11/2005 05:29)
Misaotra razoky fa dia milay lé fety é !!
Dia za aloha dia mialatsiny @ zay tsy tonga fa ny tany dia tena milay bé kah na dia tsy nahita partenaire fixe aza hihihihihi!!!!!! :-P
Misaotra antsika rehetra ihany kou fa raha za rery no tany tsy nahavita fety zany mihintsy kah ! =))=))


6. ravatorano ( 21/11/2005 05:31)
akamatiana
7. ANARIM ( 21/11/2005 05:45)
felisitatiô mafana be ho an'ny mpikarakara de maromaroa ny toy izany hitazonana ny fifankatiavana sy ny fihavanana!:)
klap klap klap klap klap klap klap amantapitrisany be mitriny e!
8. Ralay ( 21/11/2005 06:51)
Dia misaotra ho an'ny mpanao tatitra izany fa dia miandry ny sary sy ny horonan-tsary sisa izahay aty alavitra e. Tohizo hatrany ny fiarahana toa izao fa mahafinaritra e:lol:
9. cutie ( 21/11/2005 06:53)
za koa miandry e :)
10. ericgael ( 21/11/2005 07:21)
Felicitation =D daholo ho an'ireo nikarakara é, zay mou zany tsy tany fa nanatitra t@ fiaingana fotsiny :snif: . @ manaraka tsy maintss atao milay noho zé vitanareo tany an.
11. majakely ( 21/11/2005 07:29)
Way sambatra be nareo!!araky ny filazan'i akamatiana hoe:Ny eritreritra tany foana tamin'io andro io e!!hihihi....
12. avylavitra ( 21/11/2005 07:31)
Nilay ny fety e! Ary eto dia isaorako manokana ianareo nanolotra ny loka maro nozaraiko tany fa raha tsy nisy ireny dia tsy nisy natolotra ho an'ireo namana mana-talenta maro tany.? Manantena fa dia tsy hijanona amin'ny fanaterana fotsiny ise ry ericqael amin'ny manaraka an!. Misaotra ireo sponsor nanolotra Tee-shirt e! Misaotra koa ny hafa rehetra nitondra ny voatsirambin'ny tanany. Ary indrindra misaotra ny rehetra nitondra ny tenabeny tany. hihihi
MILAY BE E! Rija Ramanantoanina avy no vaky vava!
13. fasaly ( 21/11/2005 08:01)
miandry ny sary izany fa tena nazhafinarittra izy zany an!
14. ravatorano ( 21/11/2005 08:57)
hgihihih
ho avy ilay sary eh
15. nevo ( 21/11/2005 09:19)
Za leitsss razoky saika tany ihany fa tsy tafaditra an a!!hihihiihi fa nahafinaritra zany e @ manaraka ndray zany anjaranay sa aona !!! milay zany e (nary ihany leitss a )
16. majesty ( 21/11/2005 09:20)
tsy nahita ny eritreritry akamatiana sy majakely tonga tany akoriny :lol::lol::lol:
17. sourire05 ( 21/11/2005 09:28)
tena tsara be ilay fety kah ! kanefa mety ilay izy somary vitsy olona iny koa ange no tena nahatsara ilay izy eh ! nisy complicité kokoa mantsy !
de rahoviana indray ny manaraka eh ?
18. naritsimba ( 21/11/2005 09:50)
Miarahaba ny namana rehetra e!
Tena nilay e, zay no azo ilazana azy, ny hanampiako azy dia aoka mba ho marim-potoana isika rehetra e, mba ialana @ izay ilay fotoan-gasy.
Maromaroa ny tahaka an'ireny.

Dia mbola mamerina ny fisaorana ireo namana izay avy any am-pita izay tonga tsy nahalavi-tany, fa dia tena manana namana tokoa manana anareo.

Tsiky dia ampy
19. fasaly ( 21/11/2005 09:53)
ka atao ahoana ra naritsimba fa misy foana lay fotoangasy a! sy ny tsy matotra fa ny zava dehibe de
ny ambiansy nareo e! de nanao ahoana ny masikita zany???
20. HeryLo ( 21/11/2005 10:11)
ravatorano > nisy olona kely t@ lé apareil fa nisy fasimbana injay fa mbola eo ampanaovana azy za zao.
Raha misy sary hafa ny any dia tonga dia avokako fa alefaso aty amiko.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1509