hetsika nataon'ny namana serasera eto Dany 19 novembre 2005

41. watafon ( 22/11/2005 10:17)
misaotra antsika nikarakara e! fa za moa zany d nalahelo tokoa satria tsy afaka nankany fa tavela taty amorontsiraka e! fa mino angamba fa mety ho eo amzay @ fihaonana manaraka e!
42. pinous ( 22/11/2005 10:33)
De miarahaba antsika namana zany no voalohan-teniko e!
Tena lafatra kosa aloha iny fety iny e! sarotra ny mahita ohatr'iny.Arak'izany enga anie tsy ho rava izany ny fiarahana sy firaisan-kina.Sady hitako efa tena mahafinaritra ny fiarahan-tsika,mitondra hery hiatrehana ny fiainana izany;miova rivotra @ity fiainana misavorovoro tsy hita hoe ahoana ity.Dia manampy ny tenin'ireo namana tetsy ambony koa aho @fahamatorana.Tsy tokony ho atao sangisangy le izy fa rehefa miteny hoe ho tonga dia tokony manaja izay,mba aleo @zavatra hafa le hanihany e!
De miandry ny manaraka indray moa izany no azoko lazaina mba tsy ho ela.De veloma daholo
43. naritsimba ( 22/11/2005 10:35)
hasiniony> marina letsy ny voalazan'là zandry

@ manaraka raha misy 50 ny misorara anarana de eritreretina fa 30 ihany zany no ho avy.
sa ahoana letsy?
44. naritsimba ( 22/11/2005 10:56)
hasiniony> marina letsy ny voalazan'là zandry

@ manaraka raha misy 50 ny misorara anarana de eritreretina fa 30 ihany zany no ho avy.
sa ahoana letsy?
45. sasa ( 22/11/2005 14:09)
hi hi hi maty antoka kosa aloha izay tsy tonga tany e, enga anie ka hitohy hatrany ny fiarahana, ary ny hirariana d mba ho maro noho ireny no hanohina ny antso e, za indray efa fanindroany tamin'iny no namonjy fihaonan'ny namana fa nahafinaritra be foana. Isaorana ny mpikarakara fa tena nahafa-po mintsy le izy.
46. fasaly ( 22/11/2005 15:34)
sasa: mampazoto be injy zany...de oviana njay zany ny manaraka misy hanaovana pro dieny zao e!
47. Chuan ( 22/11/2005 15:43)
Aoka ny fandavanareo ho Tsia , ny fanaikinareo ho \"eny\" hoy ny teny soratra masina ! hihihi ! Tena amin`ny maso tsy miangatra kosa aloha no hilazako eto fa misy tsy fahamatorana eo amin`ireo namana izay NISORATRA ANARANA kanefa TSY TONGA e . Ekena fa ny fotoam-bita hono tsy mahaleo ny sampona ary ny olona tsir11 samy mba manana ny olany madinidinika avy any an-tranony any kanefa ataoko fa fahalalam-pomba faran`izay bitika indrindra ny milaza mialoha raha misy tsy fahafahana ho tonga hahafahan`ireo namantsika Mpikarakara manitsy ny fandaniana samihafa izay tokony hatao mifanaraka amin`ny isan`ny ho avy (na sakafo izany , na transport ...sns) satria tsy tokony hadino fa saosy daholo ny zavatra rehetra vao miodina araka izay efa voalazan`i Hasiniony etsy ambony ary manginy fotsiny ny fandavan-tenan`ireo namantsika mpikarakara nahafoy hery , fotoana , vola ...sns mba hahafahantsika rehetra tsy ankanavaka milanonana . Ataoko fa olon-kendry daholo isika rehetra ka tsy handray an-tendrony na am-pahatezerana izany kozy izany fa izay ilay maha-mpinamana : tsy an-kijery arina an-tava fa mifanitsy rehefa misy diso fa tsy misy tonga lafatra akory sady mba mianatra mifanaja isika samy isika koa e ! ny fiainana rahateo fianarana tsy misy fiafarany . Misaotra anareo Tompoko naharitra namaky an`io fanehoan-kevitra lava be io ! :lol::lol::lol:
48. fijo ( 22/11/2005 21:03)
za koa tsy dia voako le mifampitsikera,nefa eto kosa dia sarotra ny tsy hiteny,satria misy fanalikana ny sasany izay manao zavatra le toetra ka tsy mety.
izy ireo efa mandany ny androny sy ny fotoanany,ary ny volany mba anaovana zavatra hoan'ny rehetra,nefa mampalahelo,fa tsy fanohanana no hita avy amin'ny sasany fa toa fanalikana indray.mampaninona anefa raha mba mampilaza raha toa ka misy tsy fahafahana tampoka e? zavatra mety hitranga anie izany e.fa tsy avela fotsiny any.sady efa tsy manao ninoninona nombola manamavo ny asan'nysasany ,ka izay no tsy voako amin'ilay toetsaina sasany.
ireny anefa no mpitaraina hoe "tsy mandroso mihintsy isika,tsy misy zavatra tsara eto".
aoka izay fa sao lasa loatra ny vavako.
49. sasa ( 23/11/2005 04:37)
Chuan sy fijo marina be le kozin'lisany, za izao tsy afaka nandeha tamin'ny excursion fa efa niteny mialoha kosa za hoe tsy afaka fa handeha kosa nefa am cabaret d izay, fa ny sasany tena tsy nanao an'izany mintsy, tsy haiko hoe inona no antony, tokony tsy misoratra anarana rehefa tsy handeha fa manjary manimba zavatra betsaka.
50. naritsimba ( 23/11/2005 09:34)
sasa> @ manaraka tsika sy elà tohizana e partenaire fixe an sa ahoana?
51. HeryLo ( 23/11/2005 09:53)
:°):°):°):°):°)
tsiky dia ampy é !!
:°):°):°):°):°)
52. HeryLo ( 23/11/2005 09:59)
Misy olona kely lé sary fa miandry fandaminana fa ho avy é !!
aza matahotra fa minoa fotsiny ihany.;-)
53. ravatorano ( 23/11/2005 10:37)
eny ary fa d misaotra atsika namana rehetra satria rehefa nojerevako dia ianareo izay tany ka nanatrimaso ny alina sy ny atondro ireo milaza hevitra ireo.
sakapiso
54. fasaly ( 23/11/2005 12:28)
herylo: misaotra mialoha am sary e!

ravatorano: ieny wa!! de oviana njay ny manaraka zany????

naritsimba: iza njay ny partenaire fixe njy tao e!
55. mamzelkely ( 23/11/2005 12:51)
:( aza de bedesina re le olona nisoratra nefa ts tonga ts fidiny ho azy anie :( zany mo zoky oo:(
56. hery ( 23/11/2005 13:00)
Ny eritreritro momba iny hetsika iny.

Mamerina hatrany ny fisaorana ho an'ny rehetra indrindra ireo tsy mety kivin'ny tsy fahamatoran'ny sasany fa dia mifofotra hatrany mikarakara.

Fa ny eritreritro kely momba an'iny hetsika iny angamba dia mitovitovy amin'izay efa voalaza teo ihany. Vao naseho ilay lisitry ny namana nisoratra anarana dia efa gagagaga ihany aho satria misy olona fantatra fa tsy any Madagasikara kanefa nisoratra anarana. Dia nieritreritra aho hoe angamba hitontona tampoka any. Tsy haiko aloha na tonga tokoa. Fa raha tsy tonga dia fantatra fotsiny izao fa migafy. Tsy haiko hoe inona no tanjona ankoatran'ny fanalikana olona. Marina fa virtoaly ny eto, dia izany ve no ieritreretanao fa virtoaly ny hetsika karakaraina sy andanian'ny sasany fotoana sy herim-po ary harena? Tsongoy fontena tsongoy fon'olona. Ny hevitro dia hoe alao baraka rehefa nanala baraka. Avoahy hoe iza avy no nisoratra anarana tsy tonga kanefa tsy mba nanana fanajana nampilaza akory. Ho hitanay izay hiheverana azy amin'ny hetsika manaraka.
57. fasaly ( 23/11/2005 13:36)
hoy aho hoe aleo tsy hitarina be ilay resaka fa mba hovaina sy asiana fe-petra amin'ny manaraka e!
tsy ahahasaka na'ireo izay te hi gafy higafy foana
ny fanehoana ny ananrany etoana fa maninona raha sady misoratra anarana no manao fandrotsaham-bola
tamin'ny fandraisana anjara ny fety de azy ny azy raha tsy ho tonga izy e!
58. hery ( 23/11/2005 13:43)
raha nisoratra anarana sy nandray anjara tamin'ily fandaniana tokoa aloha dia angamba tsy manin..
59. sonwin ( 23/11/2005 14:49)
Soso-kevitra ihany, misy fomba afahana misoroka ny sahala amin'ireny:
1- sady inscription no mandoha saosy..
2- na asiana dingana roa ny fisoratana anarana,misoratra aloha, dia avy eo asiana dingana faharoa: confirmation, dia izay tsy manao confirmation tsy ao anaty lisitra

Mankahery ny mpikarakara hatrany
60. fasaly ( 23/11/2005 14:59)
zay anie wa e! ny tiko lazaina etsy ambony
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0945