Enao nampirafesina?... MORA NY MAMELA FA SAROTRA NY MANADINO

1. rtia ( 05/11/2005 20:02)
Olona nampirafesina nefa de tena nitia ary koa tsy nahalala n'inon'inona raha tsy taty aoriana.
Ahoana no nataonao? mba tiko ho fantatra.
Ny ahy? Efa hitanao fa MORA NY MAMELA FA SAROTRA NY MANADINO
répondu par hesham le 13/11/2005 01:34
2. sipagasy ( 05/11/2005 21:37)
eeeee mampalahelo ianao fa diso fanantenana raha izany kouuuu, mety ho sarotra aminao tokoa ny manadino aloha raha tena ao @ fitiavana ianao e! nefa kosa mba ahirato ihany ny maso indraindray ary aza mifehy hazo tokana e!fandalovana ny fiainana, izany akory tsy mamporisika anao ny hamaly ratsy ny ratsy fa izay mahafinaritra ny sainao & ny fonao no ataovy aloha e!
Aza mba mitana alahelo izany koa fa efa vita izay vitany aloha aza kouuu, rano raraka tsy azo raofina intsony izany e!!

Mahereza e!
3. fiaritiana ( 05/11/2005 22:41)
marina ny anao ry rtia a! mora ny mamela fa sarotra ny manadino!!tsy maintsy tsaroanao foana iny, ka rehefa nifona taminao aloha izy dia tena tsara ny nataonao namela ka ekeo aloha raha mbola tena tianao izy fa raha vao mamerina fanindroany kosa dia eee! tsy lasa fa efa trop zany e!
mahereza e!
4. Herimiafina ( 05/11/2005 23:26)
Mba tiako ho fantatra hoe inona hono no antony nanaovanay an'ilay zavatra e?
5. akamatiana ( 06/11/2005 00:20)
nefa mora ny manadino noho ny mamela kle
6. routa ( 06/11/2005 04:34)
rtia>mivavaha mba hofafana ny alahelo fa zavtra tsy hain'olona io ,fa kosa hain'Andriamanitra atao ahoana zavamisy eo @ fiainan izany ,de mahereza e!
7. rtia ( 06/11/2005 05:18)
herimiafina> ditre
routa>efa mivavaka
8. kent ( 06/11/2005 09:29)
io alou d sarotra ra ho an'ny fiainam-pitiavanao e!miankina @ fomba itondranao ny fiainanao ihany io sy ny fandraisanao ny zavatra nitranga.Raha toa ka tsapany fa tsy mety ny nataony ary nifona aminao izy,dia aza avela fa mbola tia anao izy fa raha tsy izany dia mamela azy ihany fa tsy fantany izay ataony.....tsarovy fa raha toa ka vitany ny nanao izany dia vitany ihany ny hiatrika ny nenina very anao,aza manahy ianao anie ka maro ny mitia anao fa tsy izy ihany ary ny fitiavana dia natao ho sedraina ka mahaiza-mandinika tsara mba tsy hanapa-kevitra hampanenina ary tsarovy ihany koa fa ny solafaka ihany no mahay mamindra......ok ary mitsikia de mahereza...
9. fasaly ( 06/11/2005 11:06)
rtia:

Olona nampirafesina nefa de tena nitia ary koa tsy nahalala n'inon'inona raha tsy taty aoriana.
Ahoana no nataonao? mba tiko ho fantatra.
Ny ahy? Efa hitanao fa MORA NY MAMELA FA SAROTRA NY MANADINO



ié tena marina mintsy zany, mora ny mamela fa sarotra ny manadino, zavatra tsy ho hadino mintsy zany de toute façon satria zavatra nakanrary ny fo!
efa tratran'izany aho fa na nifamerina niaraka aza tsy mitovy intsony noho ny teo alha ka ny niova filamatra ny nataoko (ni tourner la page) hoy ny finteny fa tsisy nenina e!
10. akamatiana ( 06/11/2005 11:31)
fasaly> ny manadino akia no mora an , d refa adinonjy tanteraka izy d lasa voavela wazy :-D :-D asa klou e, aleko nenah tonga de adinoina toy zay mamela zany
11. hesham ( 06/11/2005 13:24)
akamatiana , miombonkevitra aminjy za .Aleoko tonga de adinoina , ilay ampirafesina mintsy no tsy zakan`ny saiko e .Amiko manko raha tena tia olona 1 ianao dia tsy tokony hampirafy azy mintsy .:-D:-D:-D:-D
12. akamatiana ( 06/11/2005 14:08)
marina zany akia:-D:-D:-D
13. fasaly ( 06/11/2005 14:16)
akamatiana:

fasaly> ny manadino akia no mora an , d refa adinonjy tanteraka izy d lasa voavela wazy :-D :-D asa klou e, aleko nenah tonga de adinoina toy zay mamela zany



iény e!
fa zà anie mamela alou! e! fa avy eo zà mipitsika fa tsy adinoko lay izy:-D:
14. hesham ( 06/11/2005 14:39)
fasaly an , aza mankarary fo amin`izany fa 1 no nanao izay fa misy 100 any vonona ny hanao zay ahasamabatra anao ka hanadinonao ny lasa rehetra .:-D:-D:-D:-D:-D
15. akamatiana ( 06/11/2005 14:48)
hesham ka izy nge efa manana l mahasambatsa anazy e, fa talou nge hou e , sa tsy zany mou fasaly :-D:-D , fa tena milay waaa tonga d adinoina tsotsa zao izy fa ra ifamela ifamela eo , eo ny anjo :-D:-D
16. hesham ( 06/11/2005 15:51)
Adinoy ny lasa eee fa ataovy anatra na lesona amin`ny hoavy mba tsy hamparary fo anao tsony .:-D:-D:-D
17. fasaly ( 06/11/2005 17:02)
tena tsy mety hadino wa! fa na efa lasa aza e!
ny ahy raha zavatra tsara na ratsy nianjady tamiko zany de sarotra ny manadino azy! fa haiko kosa ny mi gérer ny sentimàka-ko tsy hoe malahelo be eo akory fa tsy mety adino sy voafafa e! fa zà klou mi venge ndraindray e!
18. akamatiana ( 06/11/2005 17:55)
ieny akia ! samy manana ny fony ny oul an :-D:-D
19. chipie1 ( 06/11/2005 18:10)
ny andro sy ny taona no mety hamafa anizany !!
ny fiainana mitohy foana fa tsy afaka ny hiemotra :wink:
20. hesham ( 06/11/2005 18:22)
fasaly an ,raha tsy mety adino ny lasa dia ataovy lesona na anatra amin`ny hoavy .:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0653