inona no tsara mitia sa tiavina?

1. pika ( 12/04/2005 08:12)
azo lazaina hoe vitsy hono ny mahita olona iray tinao nefa koa tia anao @ fo manontolo io a !matetika ny tinao tsy dia tena miraika aminao ary ny tsy tinao no toa tsapa fa tena tia anao.izany indrindra no anontaniako hoe: iza no mety kokoa mitia ve sa tiavina? misaotra anao mamaly.
répondu par IDEALY le 21/05/2005 14:00
2. ari.malala ( 12/04/2005 08:27)
Lohahevitra efa im-betsaka hitako teto io. Raha ny hevitro ahy manokana aloha dia ny mitia no mahasambatra kokoa.

3. zandrikely ( 12/04/2005 08:38)
samy tsara daholo , fa aleo hono mijaly mitia toy izay mijaly tsy mba nitia ,
4. milagroivo ( 12/04/2005 09:25)
marina aloha fa samy tsara daholo fa amiko, raha ny fiarahan'olondroa no resahana de aleoko tiavina
5. dadabe ( 12/04/2005 09:42)
pika a>misy ilay fomba fiteny manao hoe" aime celui qui t'aime ,avant d'aimer celui que tu aimes,car celui qui t'aime souffrir et celui que tu aimes te faire rire"hihihi zzay ihany klou e
6. majakely ( 12/04/2005 09:45)
ary efa mba nomarihinao koa ry pika fa rehefa mba nanao effort ianao hitiavanao ilay olona izay tena tia anao ,,, dia toa maka distance indray izy ka toa ny tsy de tia anao loatra intsony ....sa ahoana hoy ianao ?
7. dadabe ( 12/04/2005 09:50)
majakely>eo le ilana fandeferana
8. siso ( 12/04/2005 09:59)
ny mitia aloha no tsara e
fa maharary ihany le mitia nefa tsy tina

manjakely
raha manao effort araka ny teninao aza dia ilay oul maka distance tena hummmm asa na mahatsapa le fitiavanao no mahatonga izany ve ?
9. majakely ( 12/04/2005 10:52)
Ye fa ny zanak'olombelona mihitsy angamba no efa saro-tiavina toa rano mangatsiaka ....ka izy tiavina injay no mankarary kibo......araky ny hira vazaha iray izay hoe:< raha manantona anao aho ,dia hisintahanao kely foana ...>
10. rurik ( 12/04/2005 11:08)
raha izaho aloha dia aleoko tiavina satria raha ianao no tia kanefa ilay olona tsy tia dia hitako mafy ka.sady rehefa ela ela dia miditra moramora eo ihany e.sa ahoana hoy ianareo?
11. siso ( 12/04/2005 11:42)
rurik
mety marina ziay fa le olona tia koa mba jereo an hihihih

manjakely
mety tsy bola mahatoky ny tenany ilay olona angamba e e
12. ari.malala ( 12/04/2005 11:50)
rurik:

raha izaho aloha dia aleoko tiavina satria raha ianao no tia kanefa ilay olona tsy tia dia hitako mafy .sa ahoana hoy ianareo?



Mafy, kanefa tsy mba fiere ve enao hoe efa nitia aho? Afaka anie ny adidinao @ zay ê! Sady tsy haiko aloha fa raha ny fahitako azy, ilay olona tiavina manana tendance hampijaly rehefa hitany fa tena tia ilay iray.
13. pika ( 12/04/2005 14:25)
misaotra daholo ry reto a!
ny zavatra mitranga koa anie tsy mahatsiaro tia raha tsy mitomany, mijaly kely........tsy hay ihany ny hitondrana ny tena e!
14. maditra ( 12/04/2005 17:53)
manjakely:
...fa ny zanak'olombelona mihitsy angamba no efa saro-tiavina toa rano mangatsiaka ....ka izy tiavina injay no mankarary kibo.

hihiihi, sao dia ireny renirano mivalana ireny no sotroin'i manjakely! 8) mahita ohabolana anie ny Gasy izany e!
Raha ny hevitro aloha dia maniry ny ho tiavina foana zah satria tia foana. Aleoko itiavina noho izany! Sady mahatsapa tena ho bogosy izany ny bandy amin'iny no mba milalao play boy kely e! :-D
15. rurik ( 13/04/2005 08:43)
ari.malala:

rurik:

raha izaho aloha dia aleoko tiavina satria raha ianao no tia kanefa ilay olona tsy tia dia hitako mafy .sa ahoana hoy ianareo?



Mafy, kanefa tsy mba fiere ve enao hoe efa nitia aho? Afaka anie ny adidinao @ zay ê! Sady tsy haiko aloha fa raha ny fahitako azy, ilay olona tiavina manana tendance hampijaly rehefa hitany fa tena tia ilay iray.

raha ny fieritreretako azy dia tsy ny fiere no jereko fa ny fijaliko mitia azy kanefa izy sty tia ahy izay anie no tena mafy e.sady sty ny adidy afaka koa fa ny fijalianao.afa nahita mantsy aho e hi hi hi .indraindray izy tsy hoe tia mampijaly anao fa ianao no mijaly satria ianao no tia .

16. majakely ( 13/04/2005 09:22)
maditra fa ohabolany gasy io ko !tamin'izany anjo izany e!!!hihihi
17. majakely ( 13/04/2005 10:26)
fa ny tena tsara aloha dia ny mitia raha mivaly ilay fitia !fa raha amin'ilay lafiny iray dia aleo tiavina
18. dadabe ( 14/04/2005 10:15)
"aime celui qui t'aime,avant d'aimer celui que tu aimes ..."mitombona foana hoa io
zah zao raha manao hoe tiako i manjakely de tokony mba hitia ahy izy :wink: satria zah tia azy :wink:
19. poupounesana ( 14/04/2005 13:44)
fa zao aloha eh! f'angah ny mitia fanahy iniana eh?
20. Dezy ( 15/04/2005 07:25)
nena klou de aleoko tiavina klou de avy za mianatra mitia lay oul @ fomba fitiavany tsikelikely satria ny fitiavana tsy tonga de mifanojo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3898