Maninona ny pape no lazaina fa hero?

1. Lotera ( 03/04/2005 23:51)
Satria izy nahavita be tamin'ny fampianaran-diso. Nataony izany mba hampifalifaly ny ankabeazan'ny olona sy mpanao politika gaigy lahy maneran-tany. Sitrapon'Andriamanitra ve izany araka ny hevitrao?

ohatra iray lehibe indrindra amin'ny fampianaran-diso sy fihatsaram-belatsihy, ideran'ny olona azy dia ny teny nataony tany amin'ny firenena arabo hoe:
"mino aho fa ny andriamanitra inoan'ny silamo sy ny Katolika dia iray ihany, fa ny fandraisana azy no tsy mitovy". (ampitovio amin'ny voalazan'i Arafat sy ny silamo).
Hoy anefa i Kristy: "Tsy fantany na ny Ray na izaho". Ary tena tsy fantany tokoa!!!!

mba nanao ahoana re ny kristianina nahafatesan'i Kristy? Ary tamin'ny nandreseny ny fahafatesana? NIHIDY AN-TRANO! Amin'ny kristianina dia an'Andriamanitra irery ihany ny Voninahitra.

tsarovy fa Arafat koa nolazain'ny filoham-pirenena maro fa hero noho ilay fihatsaram-belatsihy.
répondu par sonwin le 08/04/2005 16:58
2. felicia ( 04/04/2005 01:33)
ny olona no misy fiatsaram-belatsihy...fa izy kosa aloha dia ny unique papa nandeha niezaka nampifandray ny religion rehetra...niezaka nanantona ny vahoaka fatsy nijanona fotsiny tao vatican pour faire seulement la messe chaque dimanche ou pour faire le truc bureaucratique comme les autres papes ont fait...angamba izay no antony,dans mon point de vue...nitory ny fitiavana iza ary niezaka namivoatra ny jeune,tsy ny katolika irery ihany fa ny religion hafa koa. :idea:
3. xxx ( 04/04/2005 02:57)
Ny toritenin'ny papa tany Casablanca (Maroc) dia blaspheme, ary mbola naverimberiny!!!

"We believe in the same God"

Donc, selon Jean Paul II: Dieu amour et père de Jesus Christ n'est autre qu' allah, père du jihad et de la haine.
4. xxx ( 04/04/2005 03:13)
felicia:
fa izy kosa aloha dia ny unique papa nandeha niezaka nampifandray ny religion rehetra.
io ohatra dia noteneniny tany amin'ny firenena silamo hoe "iray ihany ny andriamanitra ivavahantsika"

Samihafa ny manarato olona samihafa finoana sy ny manompo andriamani-kafa tompoin'ny olona. Tsy misy resaka marimaritra iraisana ny finoana ary sahiko ny milaza fa TSY mitovy ny Andriamanitry ny Kristianina sy ny an'ny silamo fa mifanipaka tanteraka!

Na enao ankavia na enao ankavanana fa tsy misy fihatsaram-belatsihy sy fisabakana toy ny politika io.

5. maditra ( 04/04/2005 04:14)
lotera,xxx> Niezaka ihany zah namakafaka ny tianareo tenenina izay vao namaly fa izao ihany ny valiny azoko: jaloux(se) ianareo, ary tsy manana fo Kristianina izany mihitsy satria sady mialona no be fankahalana. ( Mialatsiny fa izay no hitako). Tsy mba dinihinareo ny zavatra vitan'i Papa teto ambonin'ny tany, tsy tonga tao an-tsainareo ny fitiavany sy ny finiavany hampanjaka firaisankina sy firahalahiana eo anivon'izao tontolo izao. Ataonareo fa fampianaran-diso izany ny nanorohany ilay olona saika hamono azy, izany finiavany hiavana amin'ny silamo, ny fiezahany hatrany hanatona ny madinika, ny fandaminany ny adiady maherivaika nisy. I Kristy no nampianatra azy ho tia ny fahavalony. Tsy nisy noraisiny ho fahavalo noho izany ireo olona izay mifanipaka hevitra tanteraka aminy, fa notiaviny. Raha hoe iray ny Andriamanitra inoan'ny Katolika sy ny Arabo fa ny fandraisany azy no tsy mitovy, efa nandeha ady hevitra tamin'ny vaovao taty amerika io resaka io ka dia averiko koa izay voalazan'ny mompera iray izay hoe, "raha mino izany ny Papa hoy izy dia mino koa aho." Efa mazava tsara koa anie izany fa "tsy mitovy ny fandraisana azy" e. Lehibe ange ry olona izany dikan-teny izany e. Lalina koa, ary tsy notenitenenina fahatany izany. Raha amiko manokana dia mitombona tokoa io teny io fa ilay fandraisan'olona ny tenin' Andriamanitra no tsy mitovy. Tokana ny Andriamanitra inoan'ny Silamo ary tokana koa ny Andriamanitra inoanay Katolika, efa misy fitovizany lehibe izay. Zah tsy mahay lavitra mihoatra ny Papa momba ny Islamism ka tsy hafaka hanome izay raison rehetra nahatonga an'i Papa hiteny an' io aho.
Antenaiko fa mazava izay valiny omeko izay.
6. Lotera ( 04/04/2005 06:06)
maditra: tsy jaloisie ny ahy fa fananarana ho anareo mety tsy mahatsapa ilay marina. Fantatro tsara amin'ny antsipirihany raha ny finoana silamo, na ny katolika resahinao satria tao izaho no niala.

misy article tsara vakiana ito raha mazoto ianao, lavalava ihany ka mety 5 minitra vao voavaky kanefa tsy anenenana.

Vatican trompe ses adeptes:
http://www.fairelejour.org/article.php3?id_article=408

7. hery ( 04/04/2005 06:13)
sao dia tokony hodinihana lalindalina aloha hoe inona no TENA antony nialan'i Lotera (allusion amin'ilay iraika lahy iry ve :-)) satria mety amin'io no tena ahitana taratra ny fomba fisainan'i Lotera amin'izao fotoana izao. Mety hoe very saosy, mety hoe tsy fitiavana ny mpitondra, mety hoe tsy nahazo tombony manokana ho an'ny tena... raha ireo mantsy dia mety efa betsaka ihany no niala.
8. Lotera ( 04/04/2005 06:29)
Hery: http://www.fairelejour.org/article.php3?id_article=408 aloha ny antony nialan'ny pretra hafa dia ho hitanao.
9. hery ( 04/04/2005 07:35)
:-)
lotera: betsaka ny pretra hafa niala saingy mbola tena mafana fo ao amin'ny fiangonana fa tsy toa an'i LÉON BRANCARD avokoa. Betsaka ny pretra niala fa mbola manana fitiavana fa tsy miaina fankahalàna... ary ny TENA sitrapon'Andriamanitra dia fitiavana :-) eny fitiavana hatramin'izay antsoina hoe fahavalo aza.

Na manana ny rariny toa inona aza ianao (na miteny toa ny fitenin'ny anjely sy ny sisa) kanefa tsy ao aminao ny fitiavana (fa ao aminao ny fankahalàna fiainan'olona, fiagonan'olona, foto-kevitr'olona, na ao aminao ny fitsara ny olona ho nahavita be tamin'ny fampianaran-diso) dia zava-poana daholo izany.

Izaho tia an'i lotera :-)
10. marozevo ( 04/04/2005 07:35)
Ny olana amin'ny zavatra toy itony dia izao, araka ny hevitro:
1- Marina ilay hoe Jalousie - Tsy misy ady hevitra io fa mazava toy mitataovovonana.
2- Asa na nifindra finoana inona i Lotera na inona, fa raha tena FINOANA no nifindrany, fa tsy fitadiavana tombon-tsoa, dia izao no tokony hataony : Mandalina tsara ilay finoana nofidiany aloha, fa tsy lany andro mitsikera ny an'ny hafa.
3- Raha tsy nifindra finoana moa i Lotera, fa nanjary Athée tsotra izao, dia mazava ny heviny : Ny hamotika ny Fiangonan'i Kristy sy ny dimbiny. Tsarovy anefa fa tsy ianao no voalohany nanao izany. Vao nisy ny Fiangonana dia nisy ny mpanenjika. Fa roa arivo taona aty aoriana, miroborobo ny Fiangonan'i Kristy, mitarika ny olona ho any amin'ny famonjena ireo dimbin'ny Apostoly rehetra, ary ny papa no voalohany amin'ireny. Na inona na inoa fanenjehana ataonao, tsy izany akory no hanova ny Fiangonana Masina.
4 - Marina fa misy temoignagen'na Pretra niala atolotrao ho porofo. Ireny ilay hoe "L'exception confirme la règle", sy ny hoe "Saonjo iray lohasaha...". Fantatrao ve fa 0,0001n'ny Pretra anie ireny e. Un chiffre qui parle en soi meme.
C'est clair et net!
11. marozevo ( 04/04/2005 07:40)
Mbola i Marozevo ihany ity.
Ampiana na ny marina ahitsy kely ilay point n° 4 eo ambony : Fantatrao ve fa 0,0001% (0,0001 pour cent) n'ny Pretra anie irenye?
Misaotra, ary mivavaka ho an'i Lotera.
12. hery ( 04/04/2005 07:51)
Hmmm tena pretra marina ve i Leon Brancard? :-)

Valiny :
- Na tsy pretra i Léon Brancard (heno fa ...
Tout ce que je sais pour l'instant c'est que cette personne est décédée, et qu'il aurait été prêtre en Belgique. La personne qui propage ce témoignage (Mr Philippe Leclercq) dit avoir été son ami pendant les 8 dernières années de sa vie, et avoir reçu de lui un manuscrit (dont est extrait ce témoignage), et avec l'autorisation de publier ce manuscrit en temps voulu. Par contre il n'a toujours pas répondu à ces simples questions: où en Belgique Mr Brancard était-il prêtre et à quelles dates... (...) Voici une autre petite info reçue ce jour: à ma question "où et quand Léon Brancard a-t-il été prêtre en Belgique", il m'a été répondu cecì: "Charleroi, renseignez-vous auprès d'un boucher qui l'a héberger les dernières années de sa vie."

- Na pretra tokoa i Léon Brancard fa tsy niaina lalina tao anatin'izany sacerdoce maha-pretra azy izany. Tsy hainy akory ny dikan'ny hoe infaillibilité du Pape (izay ianaran'ny pretra amin'ny Ecclésiologie), tsy hainy ny manavaka ny Pape amin'ny Fiangonana. sns... tena pretra tokoa ve i Léon Brancard? :-)
13. Mifenty ( 04/04/2005 08:25)
tsy aiko na misy mivoaka ny vala na tsia fa tsy araka tsony le resaka kle


le fanontaniana oe hero v sa tsy hero ny papa


de aveo ndray misy oe pretra sa tsy pretra i brancard.

Ny brancard raha fahazoako azy de natao itondrana ny marary kle. Asa lou eh.


fa iverenako le fanontaniana voaloany

zé te hanao azy ho héro de manao

zé tsy te hanao azy ho héro de tsy manao.
14. jentilisa ( 04/04/2005 09:04)
Le naka anarana hoe Lotera koa manahirana ahy. Nahoana?
15. dadabe ( 04/04/2005 09:05)
ary tara aho izany a!hay nisy ady hevitra tato?
zao no mba hevitro:hero v papa sa tsia?
valiny :jereo ny tantaran'ny papa rehetra nifandimby hatramin'izay,oviana no nanomboka ny fisiana'ny papa?inona no tena foto-kevitra nijoroany t@izany?inona no fampianarana nataony?dia satria misy idiran'ny fianagonana dia tokony ho voaresaka izany ny soratra masina,satria izy no filoha fara-tampony @antokom-pinoana iray,dia noho izany tsy maintsy ampifandraisina @soratra masina(na tinao na tsy tinao satria resaka finona io)ny zavatra rehetra izay nataony ,de eo isika no milaza hoe hero marina v izy sa tsia?
amiko ny atao hoe hero dia"Iza no tahaka azy,tsy misy mahay miady aminy,manana hery be,de ho gaga ny olona rehetra izay manaraka azy..."
zay klou sao mivoaka ny vala eo aho e
16. jentilisa ( 04/04/2005 09:19)
Mitady hamerina ni nianaranao tany amin'ny sabatista kosa ianao izany ry dadabe a! satria te-hilaza ianao hoe izy no 666. Aoka koa holazaina, na dia protestanta aza aho ary na dia nianaran'ny sabatista aza fa ny protestanta, hono, no miaro ny katolika. :-D . Ato anefa tena hita hoe maharo ny tenany ny katolika. Izy kosa aloha ny maha-hero azy dia mahasahy manohitra ny fampiasana fimailo na dia tsy eken'ny tanora be sitrapo aza izany. Eo koa ny fankahalany ny ady na amin'ny endriny inona na amin'ny endriny manao ahoana e! satria nisedra ady izy ka mahafantatra tsara ny voka-dratsiny. Aleoko hy ahy toy izany toy izay manana fo feno fankahalana na dia milaza ny tenany ho tsy tia ady aza.
17. welie ( 04/04/2005 09:21)
Lotera> Kay kosa ty voalazanao e! Izaho manoratra tsy Katolika akory nefa mahita kosa fa betsaka ny zava-bitany (ny tiako ho lazaina dia ny zava-bitany en tant que olombelona "tsotra" fa tsy hoe @ naha Pape azy akory... aleo hazavaiko avy eo ny tiako ambara ka!!! ;-) ).

Fa izaho marina dia gaga be nahita t@ télé azy ilay nitsidika ilay olona nitifitra azy tany @ prison an! Tsy maro no manao izany aloha lainga lainga e!

Raha ilay hoe fampianarana diso io indray aloha dia aleo omeko an'i sonwin sy dadabe ny sehatra.. ;-)
18. jentilisa ( 04/04/2005 09:30)
Raha kristiana koa tsy natao hitory fankahalana na oviana na oviana. Ny fankahalana katolika no tena ahafantarana azy. Mody mitory fitiavana ety ivelany ety fa fanenjehana fotsiny ao anatiny. Izany no tena atao hoe fihatsarambelatsihy aminy.
19. dadabe ( 04/04/2005 09:41)
jentilisa>fa angaha nisy resaka sabata teto?sa nisy resaka 666??? sa efa manomboka tsy mahita hosoratana intsony ny rahalahiko dia aleo batiana klou ny adversera sao ho afa-baraka eo??hhmmm fika efa lany daty izany e! ny aty tsy hihemotra fa avoahy ao izay hevitrao fa zah vonona hatrany ny hamaly azy .heheh e :lol: de ampy e
welie>fampianarandiso ahoana ?????tsy azoko? zah sy sonwin ve no manao fampianarandiso sa......???azavao fa tsy azoko . :D de ampy e
20. annie ( 04/04/2005 09:52)
Tsy momba ny atsy aho na mankahala ny ary fa zao ry reto a!
Raha io finoana io no resahana de fifamalina be ary tsy ho tapitra mihintsy na firy andro aza,ny antony de satria samy milaza ny azy ho marina daholo!
Ny hany teniko de zao,tsy hifampitsaràna io fa ao @ Baiboly ao misy teny manao hoe" tano mafy izay hanananao mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao" rehefa mivavaka enao ka @ fonao tanteraka de ampy,anjarana'Aa no mitsara fa tsy isika olombelona akory,Izy irery ihany no mahalala ny fahamarinana rehetra!Tsy anjarantsika ny mitsara an'i Papa na ratsy izy na ratsy,raha tsara izy de azy sy Aa,ary raha ratsy no nataony de mibaby azy izy any amparany any.Hoatr'izay koa isika ts.1.1. Namana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6522