Maninona ny pape no lazaina fa hero?

41. Narilala ( 04/04/2005 13:21)
Lotera: ho anay Katolika rehefa mampianatra anay momba ny teny Finoana ny Papa dia azonay antoka tanteraka fa tsy ho diso mihitsy izy. Io no "Infaillibilité du Pape", sao heverinao ho zavatra hafa; ankoatra izay mety manana ny fahadisoany izy satria olombelona. Ho an'ny tsy katolika dia sarotra ho azy izany satria tsy iainany sady tsy ao anatin'ny finoany rahateo. Toa anao mitondra ny ps Lotera ohatra dia tsy ho resy lahatra @ izany ianao.
42. isrine ( 04/04/2005 14:22)
lotera: Atra iray ihany na ny inoan'ny silamo na ny inoan'ny Xana.
Ny olondrehetra no midera ny zava-bitan'i Papa ray masina fa tsy nisy nilaza taminao akory hoe minoana izany ianao.
Na nihatsaravelatsihy aza izy na inona an ainoan nataony dia efa izay no fahitan'ny vahoana erantany azy: HERO izy!
tsy misy manery an'i lotera hino anie e, fa na arabo na silamo na xana dia samy midera an'atra @ izay fomba tiany, ary avela ny olona hilaza izay tiany sy ny fihetsempony.
43. dadabe ( 04/04/2005 15:01)
narilala>ary ny an'ise miverina in-5 foanaa hihihi,style vaovao
fa zao klou e,aiza kosa no dia tsy hisy olombelona mety diso mihitsy ?na zah zao aza siora aho fa misy diso ny zavatra teneniko indraindray,na ianao io koa aza,koa raha milaza ise hoe inoako tanteraka fa tsy ho diso nihitsy de.... :cry: :cry: akory atao fa de zay zany
44. xxx ( 04/04/2005 16:09)
On a pas l' intention de comparer dadabe sy Papa Ray Masina. lol!
45. booboo ( 04/04/2005 16:26)
hita mihitsy hoe xxx no maneho hevitra :roll:
46. Mifenty ( 04/04/2005 17:58)
aoka lesy zay a

ny ahy ny mampalahelo ahy kely de izy tsy mba niteraka nefa manan-karena be kou
47. maditra ( 04/04/2005 18:03)
Kanefa izany tsy tonga tao an-tsaiko indray, hifenty ho aiza ary atsika izany?
48. Mifenty ( 04/04/2005 18:22)
ka iza ary no everinla handova anlery eo le

lery anie ka tsy niteraka e. raha tsy diso aho

fa toa tsy henoheno mitsy ny vady amanj-anany kle
49. pitchou ( 04/04/2005 18:32)
Sarotra ny miresaka finoana sy soratra masina @ olona tsy mahita afatsy litera milahatra indraindray. Satria mirakitra hevitra lalina ireo litera milahadahatra ireo. Phatra iray hanazavako ny tiako tenenina: ny litera milahatra manome hoe Zanahary dia tsy mitovy @ litera manome ny hoe Andriamanitra na Jehovah, nefa raha miditra lalina kokoa ianao @ ny dikan\'ireo dia IRAY ihany no tondroin\'ireo. Izay angamba no mampisalasala ny sasany @ ny fahamarinan\'ny tenin\'ny papa JP2 hoe iray ihany ny Andriamanitra ivavahan\'ny silamo sy ny an\'ny kristiana. Tena marina anefa io. Ary mbola io Andriamanitra iray ihany io koa no ivavahan\'ny gasy (izy ny fara-tampony izany, d azontsika atao hoe mpanelanelana daholo ny sisa e!).
Mangalà fotoana andinihanao ny baiboly (tsy hiteny aho hoe mandritra ny 70 taona mahery toy ny nataon\'ny JP2) dia ho hitanao izany! Ny tsy fitovizana fototra @ ireo finoana 2 ireo angamba d ny iray nanaraka ny fampianaran\'i Kristy ary mino fa i Kristy irery no lalana mankany @ Andriamanitra (satria izy dia zanak\'Andriamanitra) ary ny iray mijery an\'i Kristy ho sahala @ mpaminany tsotra rehetra, fa misy mpaminany lehibe noho i Kristy. Misy koa finoana iray fototra @ ireo 2 ireo izay milaza fa tsy mbola tonga izany zanak\'Andriaanitra izany koa d avantana any @Andriamanitra irery ihany aloha ny vavaka

(hitohy etsy ambany fa lava loatra)
50. pitchou ( 04/04/2005 18:47)
tohiny ...
isika tsy sanatria hanao otran'ny zaza vao nalefa hianatra haiady d mihevitra fa izy no mafy indrindra (mihoatra noho ireo nandalina nandritra ny ampolo taonany maro!) raha vao avy nanatrika cours iray fotsiny. Na koa hihevitra fa raha miteny ny gasy hoe ny tsy mahay sobika dia mahay fatram-bary, dia tsy misy olona tsy mahay ny iray @ireo.

Niniako nomena aloha io fanazavana eo ambony io isarihina ny saintsika @ ny maha-zava-dehibe ny nataon'ny papa ho @firahalahiana sy fandriampahalemana. Fahasahiana lehibe tokoa raha jerevana hoe taiza ho aiza no nampisaraka ny mpino an'Andriamanitra! :)
Nisy niteny tery ambony mikasika ny ezaky ny sasany hanaratsy ny fivavahan'ny hafa.... Tsy misy olona manenjika ny any afarany fa tsy maintsy izay tsy tratrany eo aloha ihany no enjehiny! raha marim-pototra ny finoana dia tsy mila matahotra sy miaro tena fatratra akory, fa ny atao ihany dia hitan'ny olona ary aneken'ny olona ny mahamety azy

Tsy mila nolazaina akory hoe héros (toy izao ny fanoratra ny hoe héros :) ) ny papa, fa ny nataony fotsiny dia milaza fa mihoatra noho izay handrefesan'ny olona ny hoe héros izy! tsy misy tokony hanelingelina ny saina ny @ izany raha tsy hoe voatohintohina noho izany angaha ny tombontsoa manokan'ny tena! satria izay izy, tsy izy no nilaza tena ho izany fa ny nahita no namaritra azy ho sahala @izay!

Marihiko eto fa tsy katolika aho, fa kristiana kosa, izany hoe iray foto-pinoana @ katolika.
51. pitchou ( 04/04/2005 18:55)
farany (kosa e!) ....
nisy niresaka fampianaran-diso tary ambonimbony tary. Zavatra tsotra dia tsotra no entiko zaraina aminareo eto.

Misy antokom-pinoana eto Madagasikara (tsy hilaza aho hoe iza fa ireo izay tao ka nandalina ny niaviany d mahalala tsara hoe iza izany, mba tsy hanelingelina ny saina), izay tsy finoana kristiana velively. Fa satria tsy nahazo kil dia notefena teo ambony fotsiny ny teny hoe "kristiana". Ka raha tsy mijery lalina ny fombafombany sy mamakafaka tsara ny tantarany dia tsy hatoky hoe tsy kristiana io! Toy izany amiko no atao hoe fampianaran-diso, fa tsy ny fandisoana ny fivavahan'ny hafa!!

tapitra tompoko!
52. hery ( 04/04/2005 19:22)
lotera> inona no atao hoe infaillibilité an'ny Papa?

Valiny>
Amin'ny fotoana vitsy dia vitsy no tena miasa ny atao hoe infaillibilité papale izany hoe ekena tsy ho diso ny Papa. Infaillible ny Papa rehefa miteny amin'ny maha mpiandry ondry lehiben'ny fiangonana azy (io ilay antsoina hoe ex cathedra). Amin'io fotoana io anefa dia tsy hoe mifoha maraina izy dia tonga dia miteny fa fikaonan-dohan ireo lohandohan'ny mpisorona mikasika ny lohahevitra iray no lazaina sy avoaka ofisialy ho foto-pinoana.
Noho izany tsy ny taratasy rehetra avoakan'ny Papa no antsoina hoe Dogme. Taratasy, toro-lalana ireny, taratasy natao hampitombo ny finoana... ary mety misy fahadisoana satria eritreritr'olombelona ihany koa. Tsy mihambo ho milaza ny marina feno ny Papa amin'ireny taratasy ireny.

Raha tsy ao anaty Fiangonana ianao dia sarotra ho anao no tena hahafantatra ny firindran'ny Fiangonana. Raha tena tao anaty Fiangonana ianao dia ho nahatsapa fa tsy irery ny Papa rehefa manapaka. Tsy hoe rehefa maty i Joany Paoly Faharoa dia hiova daholo ny zavatra rehetra... satria tsy hevitr'i Joany Paoly Faharoa irery no iainan'ny Fiangonana amin'izao fotoana izao.

Ary izay Fiombonana (communion) izay mitohy izay no maha Katolika ny Katolika.
53. hery ( 04/04/2005 19:25)
Misy lahatsoratra lavalava mikasika ny atao hoe infaillibilité ato fa amin'ny teny Anglisy
http://www.newadvent.org/cathen/07790a.htm
Hotadiaviko raha manana ny dikany amin'ny teny Frantsay aho.
54. fijo ( 04/04/2005 21:15)
na dia somary miteniteny foana aza ny mpametraka fanontaniana eto dia tsara apetraka ihany io fanontaniana io.
za manoka dia efa hainareo fa tsy mpino.ary tsy misy fihetsempo aho tamin'iny nahafaty an'i papa iny.
marina tokoa fa indraindray dia miteniteny foana iny papa iny.(oh ny resaka fampiasana kapoty,sy ny fitsaharana)hoan'izay tsy mbola manambady.ireo dia tena resaka tsy azoko hekena mihintsy ary tena tsy mifanaraka akory amin'ny vaninandro hiainana .
raha ny zavatra vitany kosaanefa dia tena maro tokoa ary sahiko ny milaza fa iny no papa nahavita be indrindra hoan'ny filaminana sy ny fivoarana manerana ireo firenena maro.ary anisan'izany madagasikara.ka raha izay no jerena dia azo lazaina ihany fa "hero" iny papa iny,ka sarotra ny ahita toa azy.
55. pika ( 05/04/2005 07:03)
tsy dia tsara loatra ny mitsara, satria samy mbola ho tsaraina avokoa isika.
amiko tsy misy olona mety tsy mba nanana ny kilemany
i Papa Jn Paul ny fahitako dia hafa noho ireo papa rehetra efa nisy teo aloha.
Ohatra amin'izany fotsiny ny fihezahany amin'ny hisian'ny firaisam-pionoana, tsy hisian'ny fifanenjehana eo amin'ny fivavahana. A/tra iray ihany ny hivavahana fa ny poste handefasana azy no mety samihafa e!...Ianao io ve mahavita mamela heloka ny olona efa mikasa ny aha-faty anao izao?
sarotra ihany izany ....Ary avalony hatreo izany resaka izany e!
56. jentilisa ( 05/04/2005 08:14)
dadabe:

jentilisa>fa angaha nisy resaka sabata teto?sa nisy resaka 666??? sa efa manomboka tsy mahita hosoratana intsony ny rahalahiko dia aleo batiana klou ny adversera sao ho afa-baraka eo??hhmmm fika efa lany daty izany e! ny aty tsy hihemotra fa avoahy ao izay hevitrao fa zah vonona hatrany ny hamaly azy .heheh e :lol: de ampy e

Ilay izy kosa mitady hampiditra izay ianao t@ teninao talohan'io e!
Dia manao veloma anareo aloha aho satria elaela indray vao mety hiverina!

57. dadabe ( 05/04/2005 08:39)
jentilisa>?ho aiza sahady ary enao ?ny resaka mbola mafana ,sady zao kou e,raha diso ny zavatra teneniko dia ahitsio aho satria zah olombelona ihany fa raha marina kosa ???/ de mba arao e hihihi :D de ampy e
58. routa ( 05/04/2005 10:05)
mandrapiresaka jentilisa de aza ela fa mangina ny tanana e! :cry: :cry:
59. dadabe ( 05/04/2005 11:06)
lasa jentilisa :cry: :cry: :cry: :cry: :cry: :cry: :cry:
60. Mifenty ( 05/04/2005 13:16)
iza no lasa jentilisa e, i papa v?


le resaka kapaotin'i papa sy ny karazany de tsy aiko klou e,

Ary hono hoa e,tsy hay fa betsaka moa ny honohono oe

ni écourter na ndray hono ny fiainan'ny papa eh (euthanasié zany izy) fa nefa ny fahalalako kely dia tsy manaiky an'io ny vatican kou?

Mba valio zé afaka eh
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0844