Ratsy ve raha tsy manambady?

1. xxx ( 13/03/2005 14:30)
Toa izay foana moa ny iafaran'ny fiarahana sy fitiavana , nefa toa sarotra ity mahita olona ho tiavina , sarotra ny mahita olona hitia , ary sarotra ny hahita olona hovadiana . Vehivavy aho ary hoe nateraka ny ho vadiana , nefa toa mahakivy ny mahita ny vadin'olona mitaraina amin'ny fanambadiana na hita miaraka amin'olona ivelany indray . Dia samy manana ny anjarany tokoa angamba . Raha tsy hiditra ao nefa dia tena ratsy tokoa ve ?
répondu par dadabe le 02/05/2005 15:38
2. kally ( 13/03/2005 15:47)
Io dia ny tenanao ihany no mahalala, anontanio ny tenanao raha tianao na tsy tianao fa raha oharinao @ fiarahamonina daholo ny fitondranao ny fiainanao ry xxx dia ho very ianao.Ka ratsy aminao sa tsia ny tsy manambady?Dia izay e!
3. sonwin ( 13/03/2005 16:11)
Izay hitanao fa mahasoa anao ihany atao xxx,misy ny manambady mahita fiadanana , misy ny manambady mahita fahoriana, misy ny tsy manambady mijaly fa irery, misy ny tsy manambady miadana fa tsy misy manahirana. ka safidy io xxx a.
4. dadabe ( 13/03/2005 16:13)
:roll: :roll: :( tsy misy hambara ,feno an'ise koa ny tanana a (l)
5. fred ( 13/03/2005 18:07)
tsy ratsy fa minkina @ao ihany. Aleo ary tsy manana toy izay manan-dratsy hoy aho. Aza mataotra an'izany fa ankino @ ny ao ambony fotsiny. Reveo milay.
6. mihanta ( 13/03/2005 20:40)
xxx amin'ny mahagasy antsika d voninahitra ho an'ny ray amandreny foana le hoe nanambady ny zanany indrindra raha vavy .
nefa kosa ankehitriny efa somary miova ny tontolo iainana,d miova manaraka anzay koa ny fomba.fa miankina aminao ihany no maha tsara ny fiainanao,henoy zay lazain'ny fonao.
xxx fiainan'oul kou anefa tsy voatery ho fiainanao.mazotoa d mirary soa hatrany













7. yonikafopl ( 13/03/2005 21:14)
safidinao io, nefa aleo manambady toy izay ho maimay
8. booboo ( 14/03/2005 01:29)
miaraha klou mipetraka dia mifankafantatra toetra sy mifamolaka eny dia rehefa ao tsara dia mirosoa @ zay @ ilay fanekena rehefa vonona.
Zay hitanao fa mampetipety ny fiainanao e
9. moi ( 14/03/2005 06:41)
Mamerina ny efa voalaza eo ambony aho hoe Aleo tsy manana toy izay hanandratsy ! Tena toy ny helo ny tokantrano rehefa sendra ny ratsy, ary amin'izay na ny mody aza mahakamo anao !
Fa misy ny tokantrano tsara fa tsy hoe mampitahotra aho, ary misy koa ny mijanona tsy manambady ary sambatra ! Izay tsy hananana ihany no toa mahaory e !

Fa ohatry ny latsa-danja izany ny tsy manambady eo amin'ny fiaraha-monina !

Raha mba nitonona ianao ry xxx !
10. pitchou ( 14/03/2005 08:00)
aza maka tahaka ny fiaraha-monina fa ze mety aminao ihany atao e! enao ihany io! ary tsy misy an'izany we satria tsy manambady d latsa-danja zany, fa raha izay no heverin'ny sasany d ze manana vady b indrindra zany no manan-danja eo @ fiaraha-monina? sa tsy zany ry moi? :wink:
11. poupounesana ( 14/03/2005 08:58)
tsy tokony izahay no anontanianao f ny tenanao! diniho tsara daolo ny point rehetra
raha manambady d inn avy ny vokany, inn no ho azoko, inn koa no ho very?
rah tsy manambady koa d inn no mety fiantraikany amiko? hahazo inn aho? inn no rater-ko? refa vita ny bilan d enao mahita hoe zao no tadiaviko. d zay option mifanakaiky @le tadiavinao fidiana! ny tonga lafatra manko anie tsisy eh
mazotoa han d fais le bon choix
12. Schiyo ( 14/03/2005 09:47)

za koa de manontany tena hoa ratsy ve raha tsy manambady ny vhv, to ohatra ny ratsy ihany angamba matoa adama tsy navelan'andriamanitra ho irery, tsy haiko alo e!!!
13. dadabe ( 14/03/2005 10:04)
reveo manja fotsiny e :wink:
14. notron ( 14/03/2005 10:21)
Mila fantrinao ny tenanao sy ilay olona ho tivinao.
Raha mijery tsy miangatra ianao dia hahita na mety na tsia ny fiarahanareo. Raha hita fa tsy mifanentana dia ialao. Sarotra mihintsy mantsy ny manoro hevitra na mamporisika olona iray hitia olona iray.
Tsaovy koa fa tsy mitovy mihintsy ny mpisipa sy ny mpivady, ny iray mety ho izay mahafinaritra foana no katsahana fa ny iray dia toy ny ONG ka manana tanjona hafa tsy hananan'ny mpisipa
Mahereza foana na izany aza e!
15. dadabe ( 14/03/2005 10:33)
:lol:
16. notron ( 14/03/2005 10:37)
Mila fantrinao ny tenanao sy ilay olona ho tivinao.
Raha mijery tsy miangatra ianao dia hahita na mety na tsia ny fiarahanareo. Raha hita fa tsy mifanentana dia ialao. Sarotra mihintsy mantsy ny manoro hevitra na mamporisika olona iray hitia olona iray.
Tsaovy koa fa tsy mitovy mihintsy ny mpisipa sy ny mpivady, ny iray mety ho izay mahafinaritra foana no katsahana fa ny iray dia toy ny ONG ka manana tanjona hafa tsy hananan'ny mpisipa
Mahereza foana na izany aza e!
17. moi ( 14/03/2005 13:12)
Ohatry ny mbola tsy tafita izany ny olona iray raha mbola tokan-tena foana e, indrindra raha efa mandeha ihany ny taonany, ny fianarana efa vita, ny asa efa ananana. Toa mbola tsy stable ! Misy aza "poste ambony" mitaky olona efa manambady ara-dalàna vao manana ilay toerana !!
Indrisy fa izay ny fiaraha-monina ! Na tiana na tsy tiana dia voakilasy hafa ianao raha vao manambady fa tsy toy ny ankizy intsony. Araha-maso ianao amin'ny fanaovana adidy sns ...

Fa nahoana tokoa aloha no Ralehilahy ihany no voateny amin'ilay hoe "Tsy tsara raha irery ralehilahy" fa tsy misy ny hoe "Tsy tsara raha irery Ravehivavy"
Sa "Tsara raha irery Ravehivavy ?"
Ny Fanekena Vaovao koa aloha tsy mampirisika ny olona hanambady e !

Fa miankina aminao tsy manambady koa io e ! Tokony ho hita mazava fa à l'aise ianao na mijanona amin'izao aza.

pitchou > Tsy nanoratra aho hoe "Izay manana vady be dia be no manan-danja eo amin'ny fiaraha-monina".
18. iartistika ( 14/03/2005 17:14)
Aza manambady de mba misy vintana kely ho an'ny tsy mety mahazo eh!....
19. pinot ( 14/03/2005 18:45)
Eo amin'ny fiainana ankapobeny dia tsarovy fa misy foana ny lafiratsiny sy ny lafitsarany ; koa anjaranao ny mandinika izany tsirairay, nefa torohevitra kely ny ahy : ny lafy tsarany atao mavesadanja kokoa. Tsara ny manambady raha toa ka ny fitiavanao sy ny fonao no hitondranao azy : mila kolokoloina ny fitiavana, ary mila havaozina isan'andro. Ratsy ny manambady raha toa ka tsy sitrapo, tsy fitiavana tena fitiavana. Ary farany azoko omena dia ny hoe aza ankinina amin'ny hafa ny zavatra hataonao na ilainao na tianao fa izay hitanao fa tsara aminao sy ny olontianao.NY ZAVATRA REHETRA REHEFA ATAO AMIN NY FO SY FITIAVANA MIARAKA AMIN ANDRIAMANITRA DIA TSY MBA MISY RATSY.
20. pitchou ( 14/03/2005 20:04)
moi> ka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0898