ny fitiavana

1. mi1 ( 17/12/2004 14:38)
inona no atao mba ampatonga ny lehilehy ho tamana tsara @nao sy ho tianao tsara ary hananjanao?
répondu par felicia le 04/04/2005 00:19
2. mi1 ( 17/12/2004 14:43)
@ko aloha 1d mila mifandray tsara ny onde 2 mila mifandefitra ny rotonta 3 mifananja 4 ny vehivavy tsy mila kizita @ zavatra tsy misy dikany 5 ra misy zavatra kasaina atao ny ray d mila mifandinika aloha @zay tsy mifanome tsiny.
3. kinaoly ( 17/12/2004 17:50)
humm ôtran\'ny tsy misy resety le izy aloha e, fa mety ho marina ny teninao
na mifankatia be azany manko refa tsy mahay miaraka de tsy mety fona ny zavatra atao
4. vegas ( 17/12/2004 19:37)
aza hypocrite. point final.
5. ikaretsaka ( 18/12/2004 18:47)
ny ahy aloha tsotra ihany ny theorie-ko an!
-ny olona rehetra matoa mitady any ivelany, na resaka fitiavana io na resaka inona, dia tsy ananay na tsy ampy azy ilay zavatra (lozika be izany)
-raha tianao tsy hitady any ivelany izy dia anontanio azy hoe inoan ny tadiaviny dia ezaho arak\'iazy azo atao ny manome azy an\'io.
-toy izany koa raha tsy tianao hivoaka any ivelany ianao hitady dia angatao aminy aloha ny ilainao sao afaka homeny anao ihany dia ampio izy hiaraka hitady aminao io ilainao io.

Fa mi garanti za fa raha mety ireo tonga de mandeha ho azy ny fiarahana sy ny fifankatiavana.

io ilay hoe izay mitady de homena, izay mandondona dia vohaina...
6. pseudo ( 18/12/2004 21:00)
bravo fanalahidy! miombon-kevitra @se 100% za
misy lohahevitra vao² \" ody fitia tena efikasy\" ao @ fitiavana;de manasantsika
7. pseudo ( 18/12/2004 22:18)
mi1>asio lamboridy aky de dreseo a! fa misy miridana toa ny soavaly ve ee! :-D
8. sechat ( 20/12/2004 16:30)
mi1> refa iz zay le mbola mpiteny an\'le hoe niaraka t@ anona a fa satria enao tsy manao an\'izao sy izao de teneno izy hoe malalaka ny varavarana fa ndana mande de aza miverina tsony. :-D satria tsy fitiavana zany fa fitiavan-tena!

@zay sady faly iz no avotra enao fa saika niaraka t@ zaza alika. keu demande le peuple!

fa @ akapobeny ny lehilahy refa tena tia anao de manaja anao foana (afa-tsy hoe sm nga ka tsy haiko) :wink:
9. mihanta ( 20/12/2004 17:19)
fa nahoana mou no lehilahy ihany no tokony hanaovana zay mety,ary raha hoe inn no ataon\'ny lehilahy mba tokony hahatamàna tsara ny vehivavy?
10. sechat ( 21/12/2004 08:54)
ramaso> misy fetrany daholo ny zava-drehetra nge e!

Refa tonga ilay andro tsy ho vitanao tsony ny hanome ny zavatra ilainy de iny iz no lasa. Sady ny sitrapon\'ny ol nge mihamitombo foana e. Vitanao ny anio, ampitso izy mangataka zavatra hafa, ary refa zatra nomena tsy mety mionona intsony. :twisted:

Mety dia mety tokoa le hoe angatao aminy izay tianao. Fa rehefa tsy vita le izy tsy tokony hisy olana koa fa tsy iny no atao excuse handehanana any an-kafa refa avy eo.
11. kally ( 21/12/2004 13:03)
Ny ahy indray ry mi1 dia tsotra fotsiny a! rehefa tsy tamàna sy tsy manaja izy dia avelako handeha fa izay no porofom-pitiavana azy,tiako izy,tiako ho sambatra tsy hitazona aho rehefa tsy mahasambatra azy fa avelako izy handeha any @ izay mety hahasambatra azy.Aza mitazona olona tsy tamàna izany fa avelao izy handeha,ny tamàna no karakaraina tsara izay hahatamàna azy kokoa fa ny efa tsy tamàna aleo handeha e!
12. poupounesana ( 21/12/2004 17:01)
folahana tsara izy ry mi1 ah! apetraho dieny amboalohany ny zavatra tadiavinao aminy sy ny tsy tianao hataony! izy koa asaivo manao izay! mila diplomasia sy lambolambo madinidika kosa anefa le miteny an\'zany fa tsy tonga d atao gidra2 han!
d refa mazava izay, omeo azy zay tadiaviny! d izy koa TSY MAINTSY manome anao zay tadiavinao! fa raha tsy izany io d misy tsy hilamina foana!
d mbola averiko ihany refa mangataka zvt na refa msy zvt tsy tianao hataony d teneno mora sady milamina izy!
oh! misotro b izy, tsy azo atao le hoe : \"tsy mahazo misotro tsony enao na le hoe aza misotro intsony\" fa zao tenenina azy :\"aza d misotro betsaka ntsony chéri fa enao ange rehefa avy misotro d manjary tsy d en forme loatra eh (mihena ny performance sy ny rendement) !misy fiantraikany any @ ny fifandraisantsika-ara-nofo :twisted: :-D :-D :-D :-D ) izany! d ho bedinareo v zà rah niteny an\'zany? any manko ny point faible anireo bandy ireo! vo zay no kitihana d voa ny ambopony :-D :-D :-D :-D :-D :-D
13. booboo ( 22/12/2004 10:48)
hihihi marina zay
14. sechat ( 22/12/2004 11:18)
pppffff jereo nge fa hiakatra dôly ndray ry zalà vô mahita an\'io hehehehe :^)
15. yonikafopl ( 22/12/2004 12:44)
marina ny anjy poupoun a
16. ikaretsaka ( 22/12/2004 14:35)
ka io tenin\'i poupou io dia manamafy ilay voalazako ery ambony ihany.
-Apetraka am-boalohany ny zavatra ilainao aminy sy tianao ataony , tsy ianao irery anefa no mandidy fa raha misy zavatra ilainy aminao sy tiany ataonao koa dia apetraka eo koa!..

aza adino fa tsy ny tiaNAO ataoNY ihany ny mikoty fa ao koa ny tiaNY hataoNAO!

Raha tsy mifamaly io dia tsy fitiavana fa corvee!
17. sechat ( 22/12/2004 14:56)
io ary :-D :-D :-D
18. booboo ( 22/12/2004 14:57)
19. ikaretsaka ( 22/12/2004 15:18)
ny ahy io mahakasika bandy sy sipa fa tsy heo mamely sipa ihany na mamely bandy ihany ka.
raha asainareo performant ve izy ohatra raha tsy misotro toaka nefa tsy mahazo akory.. de ahoana?
20. sechat ( 22/12/2004 16:08)
ikaretsaka> de miziriziry fotsiny eo ve? :-D :-D :-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2552