Voninahtira, Vola, Vehivavy.

1. oully ( 29/03/2004 10:45)
Ireo hono no tena fakam-panahinareo lehilahy. Manaiky izany ve nareo? Dia inona ry zalahy no azo hampiana anareo handresena izany? ...
répondu par jhouhlambout le 04/06/2004 12:07
2. ikaretsaka ( 29/03/2004 13:31)
ka inona no maharatsy zany?
3. oully ( 29/03/2004 14:09)
-Tsy ratsy ny voninahitra fa raha hanitsahanao ny hafa dia izay no maharatsy sy fakam-panahy azy.
-Tsy ratsy ny vola fa raha be loatra dia hanimbanao ny hafa, dia izay no maharatsy sy fakam-panahy azy
-Tsy ratsy ny vehivavy fa raha misy ankoatran'ny vadinao dia fahotana dia izay no maharatsy sy fakam-panahy azy, (tsy miresaka reny sy anambavy zà eto fa sao misy manondrana eo indray).
Ka tsy fakam-panahy iadiana ve izany ?
4. nenitiana ( 29/03/2004 16:07)
Marina mihintsy izany an'i oully izany.Raha ny leholahy no tia voninahitra, azo leferina ihany, raha tia vola koa , azo ekena ihany, fa eo amin'ilay fitiavam-behivavy, raha mitia mihoatra ny iray, dia trop. Fo iray no mitempo , c'est pour une place seulement , ny bus qany Dago ary hono izao rehefa feno ny place tsy mahazo mampiditra olona intsony fa manjary maha-voasazy ko
5. jhouhlambout ( 29/03/2004 17:06)
Aiza kosa e,
dia atao aiza daholo ny fitiavana ny
Maman , Tantine, Grand-mère...??
6. fijo ( 30/03/2004 09:30)
tamin'izahay mbola nianatra dia mizara efatra hono ny fo.ka ahoana no hoe place iray ihany?
7. ikaretsaka ( 30/03/2004 09:35)
ie.. mizara efatra tokoa moa hono izy io
8. pitchou ( 30/03/2004 15:00)
ny an'ny lahy sy ny vavy hono samy mizara 4 o?
9. nananie ( 30/03/2004 19:41)
Oun misy vava!
Dia ireo ve dia ampy ry kôfa isany?
10. ampika ( 30/03/2004 20:45)
ahoana e!e!e!
ny fitiavana aloha dia ilaina e!e!e!
11. ravatorano ( 30/03/2004 09:09)
marina ny an i oully sy nenitiana fa ny ankamaroanny kofa tsy maintsy mihodiana foana e
zà aloha dia ok amin ireo 3V ireo e fa dia misaotra anareo fa izao mba tena ataovy tonga aty amiko ireo fa haiko ny mampiasa anazy amin ny tena rariny sy hitsiny
12. oully ( 30/03/2004 10:58)
Ka ilay fampiasana azy amin'izay rariny sy hitsiny izay mihitsy anie no ilaina ry ravatorano eh! misaotra anao. Fa ho tonga aminao zany raha irianao!
Ohatra fotsiny izao amin'ireo olona ambony ireo, na dia tsy hilaza afatsy ny olona ambony eto amin'ny firenentsika aza aho. Manana olana amin'ireo 3V ireo daholo...
13. alz ( 30/03/2004 11:19)
Ireo 3 V ireo angeha mbola faka-panahy fotsiny e! Mbola tsy tena olana izany. Azo hitsarana olona ve ny faka-panahy?
Marina fa amin'ny akamaroan'ny lehilahy, dia loha-laharana amin'ny faka-panahy ireo 3 V ireo, saingy amin'ny tena fiainana, misy zavatra hafa maro tahaky ny 3 F (Fahasalamana, Fitiavana, Fizarana) ohatra.
Ho anareo vehivavy : inona no tena mampi-roule anareo ary ?
14. fijo ( 30/03/2004 22:33)
za aloha dia tia ary mitady ireo 3 V ireo e
15. ralipo ( 31/03/2004 04:44)
Ireo 3 V ireo aloha no tena faka-panahy ho ahy.
Anjaran'ny vhv no manintsy rehefa mitady hivily e! izay no maha-complémentaire azy ireo, raha tsy izany tsy aharitra ny fiarahana ô!
16. hery ( 31/03/2004 07:26)
Izaho matimaty amin'ilay 3V fa izany hoe 3V hafa.
Voie - Vérité - Vie... ilay rangahy iray izay hono niteny hoe izy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana.
17. ravatorano ( 31/03/2004 07:54)
ary toa tsisy namaly ilay 3F nosoratan i alz tery ambony e !
hery>ny lalana , fahamarinana ary fiainana izany efa tena tanjona goavana be ary samy maniry ny hanakaiky an izany dhl.
ny lalana aloha tsy hahatrika oul amizany za , ny fahamarinana sarotra tadiavina fa toa fisaka marindrano , ny fiainana moa dia mila fitanjemana be tokoa vao tafavoaka ao
18. ralipo ( 31/03/2004 17:53)
Voie-Verité-Vie... Tsy fakam-panahy ireo fa "Idéal", za koa mba maniry an'io.
19. jhouhlambout ( 31/03/2004 17:55)
Voninahtira, Vola, Vehivavy: iza no ambony indrindra?
20. nenitiana ( 31/03/2004 21:24)
Bravo Hery a!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1545