Inona ny atao hoe Porofom-pitiavana?

1. jhouhlambout ( 27/02/2004 17:59)
Ho an'ireo milaza fa tsy firaisana no izy.
répondu par fijo le 26/05/2004 22:53
2. donemaskit ( 27/02/2004 18:17)
mazava be fa tsy ny firaisana ihany no maneho fa mifankatia, satria voalohany indrindra ny Fitiavana tsy physique.
3. hery ( 27/02/2004 18:29)
Izaho milaza hoe tsy ny firaisana no izy... raha tsy izany dia ny makorelina izany no be mpitia indrindra satria ireny no be mpanao firaisana indrindra.
Azo atao tsara mihitsy aza no mitia tsy mila firaisana. Azo atao tsara ihany koa ny mitia tsy mila porofo. Matoa misy fitadiavana porofo dia misy tsy fifam-pitokisana izay.
Ary hono ho'a! Inona no ahafantaran'i jhouhlambout fa hoe tia anao ny ray amandreninao?
4. fijo ( 27/02/2004 19:55)
iny kosa fitiavana hafa rahery a.ilay tiana lazaina eto anie ilay fitiavana vavy sy lahy e.ary raha vao elaela tsy ao,dia manontany tena ilay zavavy hoe,fa nahita hafa any angaha ianao?
5. kitjo ( 28/02/2004 13:36)
Aiza kosa no ho izany? Ny dikany izany raha toa ka efa olona niaraka ka misaratoerana aveo d vita hatreo v izany izay ilay fitiavana?
Vao mainka moa znay fa raha oe mbola tsy niaraka?
Tsy tadiavina koa ny porofom-pitiavina fa mandeha ho azy.Matoa misy mitady an'izany dia tsy mahatoky izy.Rehefa manao koa tsy mila valiny raha tena tia.
6. fijo ( 28/02/2004 16:51)
marina aloha fa tsy mila mitady porofo e,fa indraindray mila fampatokisana ihany ka
7. ccool ( 28/02/2004 17:47)
tsy firaisana mitsy no izy fa ny porofom-pitiavana d lay tsy mifankafohy malaina ny hisaraka ireny,misy dependance zany lasa ohatrany karazana drogue kely mitsy.......fa lay crac crac boum boum iny cerise sur le gateau fotsiny iny,....
8. kally ( 28/02/2004 20:21)
Fitiavana mifahatra amin'ny nofo izany anie ry Jhoulahmbout no fitiavana ambany indrindra sy mirefarefa amin'ny tany e!ny biby no mitia amin'ny nofo.Isika olombelona,ampahany kely dia kely ao anatin'ny fitiavana ny firaisana ara-nofo,fa tsy hoe io no ifaharan'ny fitiavana.Noho izany tsy porofom-pitiavana ny firaisana(jereo koa ny tenin'i Hery etsy ambony)
9. donemaskit ( 28/02/2004 11:08)
marina zany, tsy ilaina porofo... sady marika na tsy fahatokisana zany miandry porofo zany amiko.
10. jhouhlambout ( 28/02/2004 11:37)
Koa raha izany ary dia:
Manjary lany andro mitia olona iray eo fotsiny ianao raha tsy fantatrao fa tsy tiany akory ianao.....
11. mimakely ( 28/02/2004 13:11)
Tsy dia mitombina loatra ilay hevitra, ny fitiavana no miteraka ny firaisana ary firaisana ifanekena no tokony hitranga, tsy baikon'ny vola na tombotsoa.Manaraka izany ny fitiavana dia mbola tokony hitohy @ resaka tokantrano raha tena fitiavana, rehefa tonga ny zaza sy ny olana ao antokantrano dia ho lasa ciment indray ny firaisana, iankinan'ny confiance sy porofompitiavana
Tsarovy fa rehefa miteraka, tsy premier plan intsony ny sexe, ilaina izy fatsy priorité intsony, ahoana izany rehefa ty afa miray ny olontianao fa vao niteraka, ianao anie no rainjananyeh, ka tsy tia anao intsony izy izany satria tsy "disponible"???
12. mimakely ( 28/02/2004 13:15)
Tsy dia mitombina loatra ilay hevitra, ny fitiavana no miteraka ny firaisana ary firaisana ifanekena no tokony hitranga, tsy baikon'ny vola na tombotsoa.Manaraka izany ny fitiavana dia mbola tokony hitohy @ resaka tokantrano raha tena fitiavana, rehefa tonga ny zaza sy ny olana ao antokantrano dia ho lasa ciment indray ny firaisana, iankinan'ny confiance sy porofompitiavana
Tsarovy fa rehefa miteraka, tsy premier plan intsony ny sexe, ilaina izy fatsy priorité intsony, ahoana izany rehefa ty afa miray ny olontianao fa vao niteraka, ianao anie no rainjananyeh, ka tsy tia anao intsony izy izany satria tsy "disponible"???
13. malaika ( 29/02/2004 17:52)
io tsy vitan' ny hoe mifankahita isan' andro na koa hoe refa te hanao"l'amour" de manao fa lay eritreritra miahy ,mitsimbina, manao izay ahasambatra"amin'ny lafiny rehetra" tsy tambazana vola na harena fa tambitamby de io no tena zavadehibe.
14. kitjo ( 29/02/2004 10:52)
Le porofo ange tsy tadiavina e,oe zao no tiko ataon ty ol ty amiko, fa le fitiavana no manery ilay olona hanao azy d rehefa miseho iny vao tokny hahatsapa le mandray oe hafa ndray iny fa tena tia anah marina ty, mety ho fihetsika zany , mety ho fomba fiteny, tsy haiko fa tsy voatery firaisana zany kosa aloha e, ary tsy izany mitsy koa, fa ny firaisana tokny le olona roa no miaramanaiky
15. njao ( 29/02/2004 14:06)
dia ny fanajana ny olona miaraka @nao ,izany hoe:tsy mandainga aminy,tsy mitatara izao stanga
aman'orana rehetra izao .Izay ny amin'ny iny fa ny tena lahibe indrindra dia ny tsy fanaova firaisana ara nofo ho fahafinaretana fotsiny mialoha ny fanamdiana .
16. xxx ( 01/03/2004 20:01)
Samy manana ny porofony fa tsy voatery ho ny firaisana io ledada a
ny tanjona nge de ny fifampizarana ny fiainana mintsy fa tsy ny f... ihany e
hi
17. tenio ( 01/03/2004 16:05)
Tsotra izany,ny tena tia dia izay mahafoy ny ainy ho an'ny olo-tiany.
18. vindy ( 01/03/2004 16:23)
tamin'izay nianatra talou misy ny atoa we porofo ara-tsivy, ary tena mitombona io an. @ calcul ihany io no marina kanefany. refa be calcul elah ao @ fitiavan'lah de mila manao porofo zany. fa refa tena tia elah tsy ilaina akory zany porofo zany fa hita wazy eny we tena tia elah.
19. fijo ( 02/03/2004 11:40)
izao e,rehefa miaraka amin'ny sipa ny bandy an,dia mizara roa.misy sipa hiarahana satria tiana aranofo fotsiny,ary misy hiarahana satria tena tiana aharitra.ary ilay faharoa dia ahatsapa avy hatrany ilay tena fitiavana azy.
20. kitjo ( 02/03/2004 13:35)
marina zany e,
Fa le oe tiana aranofo d ts maintsy manao anzany v nareo? fatako fa misy hamaly b e,aleo valiako fa arakaraka ny olona fa tsy ny rht sa aona?
Efa tsyhumain tsn zany fa instinct.....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1981