Inona ny atao hoe Porofom-pitiavana?
45. randjy
(
17/05/2004 12:27)
amiko ny atao hoe fitiavana dia tsy fitiavantena tsy fahasarotampiaro fa ny fitiavana diamizara sy mandefitra ,ary mamela zany hoe ny tena fitiavana dia tsy mila porofo betsaka fa ny zavatra ilana porofo dia ny mampisalasala ary matoa misy ny fisalasalana dia mbola tsy matotra izany ny fitiavana
46. yonikafopl
(
17/05/2004 20:56)
Saika nitovy t@ an'i randjy ny hevitro, fa tokony fantarina aloha hoe inona marina aloha ilay zavatra porofoina?
Ny tena fitiavana dia mino ny zavatra rehetra , mandefitra ny zavatra rehetra ary matoky ny zavatra rehetra
Ka raha porofoina ny fitiavana ny olona iray dia tokony hanana ireo toetra ireo ianao dia azo lazaina ho tia fa na dia misy aza ny firaisana nefa tsy ao ireo tsy fitiavana tena fitiavana izany , asa aloha fa hevitro io.
Ny tena fitiavana dia mino ny zavatra rehetra , mandefitra ny zavatra rehetra ary matoky ny zavatra rehetra
Ka raha porofoina ny fitiavana ny olona iray dia tokony hanana ireo toetra ireo ianao dia azo lazaina ho tia fa na dia misy aza ny firaisana nefa tsy ao ireo tsy fitiavana tena fitiavana izany , asa aloha fa hevitro io.
47. fijo
(
17/05/2004 22:44)
ka izao ary no ohatra.raha manana sipa roa ilay bandy.tonga avy any diego izy,dia lasa natory tany amin'ny (a),dia hilaza ve nareo fa tiany i (b) fa mody nakany izy aloha.nankany izy satria any no tiany kokoa.
48. randjy
(
18/05/2004 10:30)
fijo a ny fitiavana mizara roa aloha dia efa sarotra azavaina hoe fitiavana satria ny fitiavana tsy tia tena fa mety ho filana fotsiny ny iray na izy roa mihitsy satria matetika manko ny famaritana ny atao hoe fitiavana mihitsy no efa very efa ela ka famaritana diso daholo no ankabeazan'ny entina miaina .
49. fijo
(
18/05/2004 22:10)
randjy sy izay mitovyhevitra aminy.tadidio fa io fitiavana olona iray io anie ka tamin'ny andron'i napoleon vao nanomboka e(code civil)fa ny taloha dia maro vady aby.abrahama aza niteraka tamin'i sara sy hagara.andranampoinimerina moa tsy lazaina.maro ny ohatra e.ka tamin'ireny ve tsy nisy ny fitiavana?sahinao ve ny hino izay hevitrao?
50. randjy
(
25/05/2004 15:41)
fijo a!marina ny voalazanao fa efa ela ny olona no maro vady saingy mila fantarina tsara ny tantara ;voalohany aloha raha i abrahama dia tsy azo atao reference satria satria ny vadiny no nampivady azy t@ hagara sady tsy nitia an'i hagara akory izy.tena mbola maika za fa mbola ho valiako tsara io resakao io
52. fijo
(
26/05/2004 22:53)
izay,matoa ry zareo nalefany fa tsy navelany hijaly teo dia tiany izay.