RESAKA FITARIHAN'NY FANAHY MASINA AN'i Gasy1zay ANDROANY

81. rhaj0 ( 24/04/2020 11:48)
rhaj0:


RBNIR: mandoa ny fahafolon'ny solila sns...;tokony nataonareo

Ity izao mifandraika @ ilay ao Etazonia ao.. Ny olona efa mandraingiraingin'ny Coronavirus, dia mba amen'ny fanjakana vola, fa dia hozy i Rapasy @ feo mahery hoe,

@ anaran'i JEsosy, ameo an'ny Pasitera iny vola iny


Ka ahoana ry Mpisoronabe RBNIR: "soa fianatra" ho anao sy HRNRN ve io?

82. RBNIR ( 24/04/2020 12:58)
vola inona izany rhaj0? mizara vola v ny fitondrana aty? otrinona? aiza?
83. RBNIR ( 24/04/2020 13:00)
ary mba miramirana moa fa aza dia vinitra be otran'io e!

« Raha tsara toetra ianao, moa tsy ho miramirana va? Fa raha tsy tsara toetra kosa ianao, dia mamitsaka eo am-baravarana ny ota; ary ianao no kendren'ny faniriany, kanefa ianao no tokony hanapaka azy. » (Genesisy 4:7)

84. gasy1zay ( 24/04/2020 13:05)
heverin'i rhaj0 fa saofera na resevera taxi be ngamba RBNIR dia nahazo ilay fanampiana :)
85. RBNIR ( 24/04/2020 13:14)
Fa mampahatsiahy ahy zavatra efa hitako tsy ela tokoa ity tantaran'i kaina ity a!

« Raha tsara toetra ianao, moa tsy ho miramirana va? Fa raha tsy tsara toetra kosa ianao, dia mamitsaka eo am-baravarana ny ota; ary ianao no kendren'ny faniriany, kanefa ianao no tokony hanapaka azy. » (Genesisy 4:7)

izy avy namono ny rahalahiny indray no vinitra dia vinitra nanoloana an'Anriamanitra???

Gisa lahy homan-ketsa, ka izy mangalatra indray no avo feo ary tena nandinika ihany ny ntaolo an

tsy aleo v...Aleo mipitrapitra mampalahelo toy izay mivandravandra mampatahotra.???

izay ange ity fampianaran'i Jesosy ity e!

« Fa ilay mpamory hetra kosa nijanona teny lavitra eny, sady tsy nety niandrandra ny lanitra akory, fa niteha-tratra ka nanao hoe: Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota. » (Lioka 18:13)

fa tena nandinika ny ntaolo ka!
86. gasy1zay ( 24/04/2020 14:27)
ka i rhaj0 anie hono mivanitika be ao ambadiky ny ecran any ao :)

mahagaga fa izy hono afaka mivanitika sy mandatsa fa Andriamanitra tsy mahazo manao toa izany! Eny mety fantany ihany ngamba hoe Andriamanitra no ambony dia tsy tokony hanao toa azy? sa... an! an! an!
87. rhaj0 ( 24/04/2020 15:37)
Taiza aho no niteny hoe "Andrmntra tsy mahazo mivanitika sy mandatsa" izany?

Malalaka ny tany, azoNY atao izay tiaNY atao. Tena zarako azany hoe, izany HONO no fataoNY (ao @ imazination-nareo ao). Ary dia hoy aho hoe, "hadalanareo izay mino an'izany rehetra izany" io...
88. RBNIR ( 24/04/2020 16:33)

gasy1zay:

ka i rhaj0 anie hono mivanitika be ao ambadiky ny ecran any ao :)

mahagaga fa izy hono afaka mivanitika sy mandatsa fa Andriamanitra tsy mahazo manao toa izany! Eny mety fantany ihany ngamba hoe Andriamanitra no ambony dia tsy tokony hanao toa azy? sa... an! an! an!

tsy niteny anaran'olona aho an!
i rhaj0 v no noheverinao hoe noteneniko???
89. rhaj0 ( 24/04/2020 19:12)
gasy1zay:
ka i rhaj0 anie hono mivanitika be ao ambadiky ny ecran any ao
-- c'est mouah


Fa i RBNIR koa izao efa manana collection. TEna mety @ i RBNIR mihitsny ireto sary ireto oo? :-)
RBNIR: mandoa ny fahafolon'ny solila sns...;tokony nataonareo
RBNIR: Raha mbola tsy mahafantatra ilay olona dia minia tsy mijery Andriamanitra...
RBNIR: lay resaka takariva ho an'ny olona izay tiany io... tsy voatery hahazo ny rehetra...
90. rhaj0 ( 24/04/2020 19:59)
Fa jereo anie izy roaroa, dia i RBNIR sy GAsy1zay t@ nanao ilay guerre des toko aman'andininy sy ny guerre des version bibilika taloha teo ee...



Fa ity no tena giravy. Vao mivoaka ny fiangonana izy roaroa dia raikitra

MIsy Baiboly nefa @ io ao anaty poketra. Marary anie voakapok'izany eee...
Nefa toa jeren'i Jesosy fotisny ireto izy roaroa...
Fa atakalozy biriky ilay Baiboly ao anaty kopetra ry izy roaroa aa.. mitovy ihany izany :-)
91. RBNIR ( 25/04/2020 15:29)
efa naverimberiko teto fa raha ny ahy manokana tsy miady amin'iza na iza aho fa mampianatra, mandresy lahatra ary mihezaka manitsy izay diso amin'ny alalan'ny soratra masina...
« Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, » (2 Timoty 3:16)
92. gasy1zay ( 27/04/2020 13:08)
ka i rhaj0 no mety voatsindron'ny sabatra roa lela fa tsy sahy miteny :)

93. rhaj0 ( 27/04/2020 13:27)
Tsy sahy miteny inona ry Gasy1zay?

Io azany fa teneniko:

- i Andriamanitra dia mahazo mivanitika sy mandatsa. Ary toa mpivanitika sy mpandatsa akoriny azany no fahitako Azy, raha araky ny resa-Baiboly.

- Izaho indray mivanitika fa TSY mandatsa..
oops.. sa moa latsa ny hoe "hadalanareo izay mino an'izany rehetra izany io"...


Dia aiza izay sabatra roa lela eo ry Gasy1zay? :-)
Sa ao @ imazination-nao Gasy1zay ao, dia tena voarasarasa ny hohon'ny ankihikelin-tongotro? :-) :-)


94. gasy1zay ( 27/04/2020 19:53)
Mahafinaritra fa i rhaj0 tsy mino an'Andriamanitra dia nandritra ny taona niseraserany teto dia nahalala verset tenin'Andriamanitra betsaka lavitra noho ny kristiana sasany :)

tsy haiko aloha hoe ahoana ny mbola hahazoany fihomezana eto fa ny ahy zao ny blague refa henoko in-3 na in-4 dia tsy mihomehy intsony aho fa dia efa heno e! Fa i rhaj0 an-taonany maro eto ihany fa tsy miova fa mbola tamana e! tohizo fa tsara fa @ fomba ankolaka dia maheno tenin'Andriamanitra ianao na tsy mino aza. Mahavariana an!
95. rhaj0 ( 27/04/2020 23:01)
hi hi hi... Mody hoe, toa tsisy tokony ampihomehy ahy eto, fa inona foana no itokonako eto .. izay an? Ny an-dRBNIR indray dia hoe HS sa koa moa inona izy teo..

Fa mbola io mivanitika io aho ry Gasy1zay ary mbola hitokona eto foana aa...
K'isaka ny miteny nareo f'angaha tsy dia mampihomehy foana ee...

Na dia ny mahita hoe, toa tsy takatrareo akory fa mampihomehy ianareo Xana, na koa ilay hoe, manaraka Siansa nefa tsy mahatakatra akory fa izay kay no ataonareo ao, efa naveriko im-10 kely, fa mbola tena mampihomehy ee...
96. RBNIR ( 28/04/2020 00:47)
Izay vao azoko ny nahatonga an'i Jesosy niteny ity teny ity...

« Lozanareo izay voky ankehitriny! fa mbola ho noana ianareo. Lozanareo izay mihomehy ankehitriny fa mbola be ory sy hitomany ianareo. » (Lioka 6:25)
97. rhaj0 ( 28/04/2020 10:11)
RBNIR:
Izay vao azoko,,,Lozanareo izay mihomehy ankehitriny fa mbola be ory sy hitomany ianareo...

Tena "izay ve vao azonao" ry RBNIR fa "kodiaran-tsarety" ny fiainana?
Ny ohabolana (maoderina) nefa efa (ela no) nahalala fa
"kodiaran-tsarety ny fiainana misy ambony misy ambany"

Dia inona koa no "ankalozaina" @ izany? Tena mbo sampona koa ilay niteny an'io.
98. gasy1zay ( 28/04/2020 17:41)
rhaj0 > za ve dia hanakana anao hahalala ny tenin'Andriamanitra na dia amin'ny faniratsirana aza no andraisana anao azy? Fantatro hoe na voany 1 aza no tafatsiry mety hitondra vokatra be indray andro any. Io anie rhaj0 na misy kristiana aza miaraka foana @ jiolahimboto dia rehefa ela ny ela lasa miteny ratsy toa ny jiolahimboto namany izy rehefa zay foana ny henony. i rhaj0 zao tsy mahavita tsy mandalo eto maharitra fa voasintona eto foana dia tsy vitan'ny hoe mamaky tenin'Andriamanitra fa hitako tena mikaroka mintsy, tohizo hoy aho fa inconsciemment i rhaj0 handresy kristiana hafa @ fahalalana ny tenin'Andriamanitra.
99. rhaj0 ( 01/05/2020 01:58)
Ndao azany hanao fanamby ry Gasy1zay aa..

Afaka 10 taona, raha mbola eto daholo isikana ka mbola velon'i Hery ity serasera ity, dia ho hita eo,
- raha izaho no mandray ny Kristianisma,
- na, i Gasy1zay no manary ny Kristianisma.

Ahoana 1 May 2030 ny fotoana? :-)

Sa atao 5 taona, 1 May 2025?

Dia antsovy koa i Radoko sy RBNIR ary ry Midrou sy izay rehetra eto :-) :-)
100. midrou ( 01/05/2020 06:54)
rhajo:

Afaka 10 taona, raha mbola eto daholo isikana ka mbola velon'i Hery ity serasera ity, dia ho hita eo,- raha izaho no mandray ny Kristianisma,- na, i Gasy1zay no manary ny Kristianisma.Ahoana 1 May 2030 ny fotoana?Sa atao 5 taona, 1 May 2025?Dia antsovy koa i Radoko sy RBNIR ary ry Midrou sy izay rehetra eto


Mba ento mora iany e!
I Psoly anie ka olona tena likikliky t@ io resaka kristianisma io e!

Asan'ny Apostoly 9 : 1. [Ny niovan'i Saoly ho Kristiana] Ary Saoly mbola nifofofofo fandrahonana sy famonoana tamin'ny mpianatry ny Tompo ihany, dia nankao amin'ny mpisoronabe izy

fa hainao tsara angamba ny tohiny fa tena nadresy lahatra mafy izy namapanaiky ny olona na dia ny olona ambony aza ho Kristiana

Asan'ny Apostoly 26 : 28. Fa hoy Agripa tamin'i Paoly: Hay! ataonao fa mora toy izany no hampanekenao ahy ho Kristiana.

Ny marin mbola tsy fantatsika ny ampitso e:-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7208