Famonjena

41. RBNIR ( 07/07/2017 09:23)
ohatra ity ry tealala, azon'ny olona iray atao tsara ny tsy mijangajana ety ivelany nefa ao anatiny feno fitsiriritana,,(izay no fanaon'ny fariseo sy ny mpanora-dalàna)

Jesosy kosa dia nametraka hoe : « Efa, renareo fa voalaza hoe: Aza mijangajanga (Eks. 20. 14). » (Matio 5:27)
« Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady. » (Matio 5:28)


Izay ilay mahasamihafa azy izay.....raha te hijanona amin'ny taloha moa ianao dia tsy maninona fa saingy izay ilay hoe madio ivelany izay....ny ao anaty hafa nefa ny atao ety ivelany mody hoe tsara ery,

Ny miaraka amin'i Jesosy dia ilay fieritreretana mihitsy no hatsaraina hifanaraka amin'ny takian'Andriamanitra,

Ka safidy io hoy aho!!!
42. tealala ( 07/07/2017 09:46)
ka nenao io Matio no milaza an io, Matio su Lioka anie efa noteneniko teto fa ny zavatra lazainy aza mifanipaka e, dia aveo enoa niantso an i Timoty.
Fa ra nijangajanga tao am pony ary ilay olona dia nisy fihatraikany t@ ilay vehivavy ve? voaholana ve ilay vehivavy?
raha toa ka mahita ranom'boakazo ianao ka te hisotro dia mahazo tsirony ve ianao afaka ve ny hetahetanao?
Tsy maintsy misy "acte" hatao ry RBNIR vao misy zavatra eo a.
Ianao ve ohatra fahiny t@ vadinao dia tsy niresaka taminy ianao fa tinao izy dia teo enao tsy niteny azy tsy naneho fihetsika fa tonga dia lasa mpivady ianareo?
43. tealala ( 07/07/2017 09:51)
Mila famantarana izy tahaka ity : Eksaody 12 "13Ny rà dia ho famantarana ny hitsimbinana anareo eo amin'ny trano misy anareo; ho hitako ny rà dia holalovako fotsiny hianareo; ka tsy hisy loza hahafaty anareo, rahefa hamely ny tany Ejipta aho."
tsy npetaka hoazy teo ilay rà fa nisy hetsika natao mba ho teo ilay rà fa tsy hoe ao am-po anefa tsy manao izay zavatra lazainy akory.
44. RBNIR ( 07/07/2017 10:00)
ka safidy io hoy aho ry tealala a!

Izahay dia naleonay nanaiky ny an'i Jesosy

Ity koa ohatra iray nomeny,

« Efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mamono olona (Eks. 20. 13); ary izay mamono olona dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana. » (Matio 5:21)
« Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra* amin'ny rahalahiny dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hanao amin'ny rahalahiny hoe: Olom-poana ianao, dia miendrika hohelohina amin'ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hoe: Foka ialahy, dia miendrika ho ao amin'ny helo** mirehitra afo. [*Na: tezitra foana] [**Gr. Gehena] » (Matio 5:22)

Betsaka ankehitriny ny olona tsy mahasahy mamono olona noho ny lalàna, saingy tsy izay ilay tena sitrak'Andriamanitra fa ny tena tiany dia Tianao ny olona ary ny Fitiavana dia....« Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana; koa dia ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna. » (Romana 13:10)

Rehefa tena tia ianao, na ny mitezitra olona aza tsy hovitanao mazava loatra tsy ho tonga any amin'ny fikasihana sy ny famonoana azy mihitsy ianao akory...

koa dia ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna e!!!

Izay fahadiovam-po izay no takian'Andriamanitra amin'ny olona dia hotanterany ho azy ny lalàna ary tsy mila ampianarina intsony izy avy eo hoe aza manao an'ity na aza manao an'iry satria ny fiainanany mihitsy no efa tsara (KRISTY NO VELONA AO ANATINY) ilay tsy mpanota no mitoetra ao anatiny dia noho izany tsy ho mpanota ihany koa izy ilay TANTERAKA NO AO ANATINY noho izany dia HOTANTERAKA ihany koa izy...

« Koa amin izany aoka ho tanteraka ianareo toy ny fahatanterahan'ny Rainareo Izay any an-danitra. » (Matio 5:48)


Io ny conclusion nataon'i Jesosy ao amin'ny matio 5....Ny tanjona dia ny mba hotanteraka tsy misy tsiny tahaka Ilay RAY AO AMBONY ao!!!

Azo atao tsara izany MIANARA DAHOLO ATO......

45. tealala ( 07/07/2017 10:05)
"tsy mila ampianarina intsony izy avy eo hoe aza manao an'ity na aza manao an'iry satria ny fiainanany mihitsy no efa tsara (KRISTY NO VELONA AO ANATINY) ilay tsy mpanota no mitoetra ao anatiny dia noho izany tsy ho mpanota ihany koa izy ilay TANTERAKA NO AO ANATINY noho izany dia HOTANTERAKA ihany koa izy..."
Ka ianao ary mbola manota hoy ianao ko. Tokony madio tsara mihitsy ianao tokony ho tanteraka anie izany
46. RBNIR ( 07/07/2017 10:06)
Efa nazavaina tealala a! misy ho aho ny ota tsy nahy e! , ny fijerinao, ny fihetsikao, sns mety mampanota anao fa ianao tsy conscient amin'izany....
47. tealala ( 07/07/2017 10:07)
Ny safidinao io efa mazava be fa i Jesosy no mitondra ny fahotanao ka na maninona ianao na maninona rehefa mibebaka dia afaka ny ota.
Fanontaniana, ianao ve mihinana hen'omby?
48. RBNIR ( 07/07/2017 10:08)
Izay no antony hifonana andro aman'alina, hoy i Jesosy rehefa nampianatra mivavaka hoe!!!

« Ary mamelà ny helokay; fa izahay koa mamela izay rehetra meloka aminay. Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy. *Ampio hoe: [fa manafaha anay amin'ny ratsy]. » (Lioka 11:4)


RA TAN o! ianareo v mba mifona (manao an'io vavaka nataon'ny Tompo io sa?????
49. tealala ( 07/07/2017 10:10)
Ny vavaka hataonareo izany dia mifona foana, izany ve tsy fijaliana isanandro ry RBNIR?
50. RBNIR ( 07/07/2017 10:11)

tealala:

Ny safidinao io efa mazava be fa i Jesosy no mitondra ny fahotanao ka na maninona ianao na maninona rehefa mibebaka dia afaka ny ota.
Fanontaniana, ianao ve mihinana hen'omby?

Izaho nisafidy ny hihin-kena fa tsy nanao végétarien, oui, mihinana hen'omby aho...
51. tealala ( 07/07/2017 10:14)

RBNIR:


tealala:

Ny safidinao io efa mazava be fa i Jesosy no mitondra ny fahotanao ka na maninona ianao na maninona rehefa mibebaka dia afaka ny ota.
Fanontaniana, ianao ve mihinana hen'omby?

Izaho nisafidy ny hihin-kena fa tsy nanao végétarien, oui, mihinana hen'omby aho...

Mba fantatrao ve fa halatra no betsaka amin'io henomby hangatahinao tso-drano isanandro io?
52. tealala ( 07/07/2017 10:16)
Misy alahelon'ny tompon'ilay omby io novidin'ny volanao io.
53. tealala ( 07/07/2017 10:25)
I pasitera koa ve tsy efa nolazain'i Jesosy fa omby halatra io hoaniny io?
54. tealala ( 07/07/2017 10:27)
Aiza ho aiza ny toeran'ilay fanahy masina tsy mba milaza hoe halatra ty zavatra mihiditra ato am bavako ity amin'izany?
55. tealala ( 07/07/2017 10:39)
Tampona ve ny domy ry RBNIR?
Sa ianao tsy nahalala hoe omby halatra io fihinana io sa ilay fanahy masina ao aminao no tsy nirara hoe omby halatra io fa dia tohizana ihany?
56. RBNIR ( 07/07/2017 10:39)
madio ny eritreritra ry tealala a!
57. RBNIR ( 07/07/2017 10:41)
misy teny tahaka an'izao ao anaty soratra masina ao

« Izay hena rehetra amidy eny an-tsena dia hano, fa aza manontany akory noho ny fieritreretana; » (1 Korintiana 10:25)
58. RBNIR ( 07/07/2017 10:42)
ny hena haterina amin'ny sampy mantsy tsy azo hanina, nefa tsy tokony hatao antsaina be izany noho ny fieritreretana,

dia otran'izay e!!!
59. tealala ( 07/07/2017 10:44)
:D, milamina be izany ny sainoa miheritreritra an'ilay tompon'omby any atsimo any?
Izay ilay nolazaiko hoe ny ao am-ponao madio fa ny lalàna dikainao ihany.
hafa ny ao am-po hafa ny zavatra hatao, ka hotsaraina amin'ny ao am-po sa hotsaraina amin'ny fahotana na ny zavatra hatao isika ry RBNIR?
Tahaka ilay ao amin'y Eksaody 12 io ny zavatra natao no nitsaran'Andriamanitra ny vahoaka hoe holalovako ireto fa tsy ny tao am-pon ilay olona.
60. tealala ( 07/07/2017 10:48)
« Izay hena rehetra amidy eny an-tsena dia hano, fa aza manontany akory noho ny fieritreretana"
io ny fampianarana omena anareo tohizo, alahelon ilay olona very omby tany atsimo rehetra misy ny matin'ny dahalo moa rehefa mba nanohitra ireo tompon'omby, fa i RBNIR aty misonenika tsara amin'ilay hena halatra.. rehefa mandrapaka dia mba saino ihany hoe inona no nianjady t@ tompon'ity steak hoaniko ity.
Ianao mako izao naniraka ankolaka an ilay dahalo hoe ndana dray fa hividy 1kg za rapitso.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1426