Famonjena

21. RA TAN ( 07/07/2017 03:33)

tealala:

Dia anareo ve ry RBNIR izany aminareo tsy mba manota izany ?

Valio mahitsy io RBNIR a!

ENY na TSIA fotsiny ny valiny andrasana aminao, fa sao ianao miolankolana be eo indray a!
22. RBNIR ( 07/07/2017 05:55)

RA TAN:


tealala:

Dia anareo ve ry RBNIR izany aminareo tsy mba manota izany ?

Valio mahitsy io RBNIR a!

ENY na TSIA fotsiny ny valiny andrasana aminao, fa sao ianao miolankolana be eo indray a!


Efa novaliko io RA TAN a! raha ny minia manota aloha dia tsy ataonay,

Saingy izahay tsy handainga eo an'atrehan'Andriamanitra , raha misy ota tsy nahy dia mibebaka izahay,

Ny soratra Masina koa dia manambara fa mety hisy ny olona latsaka ao anatin'ny atao hoe ota tsy nahy....
23. tealala ( 07/07/2017 06:00)

RBNIR:


Efa novaliko io RA TAN a! raha ny minia manota aloha dia tsy ataonay,

Saingy izahay tsy handainga eo an'atrehan'Andriamanitra , raha misy ota tsy nahy dia mibebaka izahay,

Ny soratra Masina koa dia manambara fa mety hisy ny olona latsaka ao anatin'ny atao hoe ota tsy nahy....

Dia tsy miasa izany ilay fanahy masina matoa ianareo mbola manota ko, na tsy nahy io na hiniana atao, midonokoka be eo izay ilay fanahy masina ao aminao mbola avelany manota.
24. tealala ( 07/07/2017 06:04)
Ireo jiosy teo aloha moa diso lalana hoy ianareo amin'ny fanatanterahana ny lalàna?
Diso i Davida fa tsy nahay namaky ny lalàna, diso i Mosesy fa tsy nahay nampita izany t@ ireo vahoaka.
Dia tsy ao an tsainareo mihitsy hoe teto Madagasika dia mbola tsy ampy 200 taona akory ny kristianisma dia sahy miteny fa diso i Abrahama sy ry Jakoba ireo RAD n'ny jiosy nanao lalàna diso e.
25. endriny ( 07/07/2017 06:18)
Raha ny teny Malagasy niandohana aloha Famonjena = Fifanantonan'ny mpifankatia hanao ilay lazaintsika ankehitriny hoe Firaisana. Ary nisy ilay Tsimandrimandry alim-potsy fatao teo Andohalo fahiny izay natao hamonjen'ny Andriambavilanitra izay lehilahy mba tiany.

Fa taty aoriana moa lasa Famonjena an'ny Fiangonana koa angaha tsy vao maika mampihomehy
26. RBNIR ( 07/07/2017 06:23)
na tamin'ny fanekena taloha na amin'ny fanekena vaovao ry tealala dia napetrak'Andriamanitra foana ny momba ny ota tsy nahy....

« Ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka dia havela ny helony, satria natao tsy nahy izany; ary hitondra ny fanatiny izy, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, ary ny fanatiny noho ny ota, eo anatrehan'i Jehovah, noho ny ota tsy nahy nataony. » (Nomery 15:25)
« Ary raha olona iray kosa no manota tsy nahy, dia hanatitra osivavy iray izay iray taona izy ho fanatitra noho ny ota. » (Nomery 15:27)

Taloha dia nosandaina fanatitra ilay izy fa ankehitriny kosa dia fifonana no atao....

« Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin'ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra. » (Filipiana 4:6)

Vakio tsara io teny io fa hoe aoka "ny fivavahana sy fifonana mbamin'ny fisaorana"

Raha azoko tsara : ry RA TAN (sy tealala) izany ngamba mety tsy ampianarina mifona mihitsy ao ampiangonana ao raha izao fiebonebonareo izao an!!!
27. RBNIR ( 07/07/2017 06:39)
I Timoty koa dia nampianarina toy izao...

« [Ny amin'ny fivavahana ho an'ny olona rehetra, ary ny fitondran-tena sy ny fitafiana miendrika ny vehivavy Kristiana] Koa mananatra voalohany indrindra aho mba hatao izay fangatahana, fivavahana, fifonana, fisaorana, ho an'ny olona rehetra, » (1 Timoty 2:1)

Olona tsy nanota ve hifonana????

Mila mahay mandray teny hoy aho fa ho very ao ange ianareo ry zalahy e!!!
28. RBNIR ( 07/07/2017 06:42)
« koa amin'izany dia mahavonjy tokoa* izay manatona an'Andriamanitra amin'ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy. [Na: hatramin'ny farany] » (Hebreo 7:25)


Mba fantatrareo ireo v fa ilay Zanak'Andriamanitra dia "mifona" mandrakariva ho an'ireo olom-boafidy ireo ao an-danitra ao????

Olona tsy nanota v hifonana????

Ny ota tsy nahy dia tsy voafetra, fa na ny masonao na ny vavanao na ny tananao aza dia mety hampanota anao nefa tsy fantatrao akory izany.......

Koa aza mieboebo re ry zalahy o!!!
29. tealala ( 07/07/2017 06:44)
Dia inona izany no tena hataonareo ry RBNIR ny teo aloha sa ny ankehitriny?
30. tealala ( 07/07/2017 06:51)

RBNIR:

Raha azoko tsara : ry RA TAN (sy tealala) izany ngamba mety tsy ampianarina mifona mihitsy ao ampiangonana ao raha izao fiebonebonareo izao an!!!

Mifona za fa tsy amin'i Jesosy
31. endriny ( 07/07/2017 06:52)

RBNIR:

« Ary raha olona iray kosa no manota tsy nahy, dia hanatitra osivavy iray izay iray taona izy ho fanatitra noho ny ota. » (Nomery 15:27)


Angaha mbola manao an'izany ihany ry RBNIR, nataoko fa ilay zanaka lahitokan'Atra mihintsy no efa natao sorona, tamin'ny fomba mahadikidiky. Dia efa voasasan'ny rà daholo ny ota rehetra. Olona mihintsy no natao sorona marina a
32. RA TAN ( 07/07/2017 07:19)
RBNIR:

raha ny minia manota aloha dia tsy ataonay,

Saingy izahay tsy handainga eo an'atrehan'Andriamanitra ,

LALÀNA IRETO AMBARAKO IRETO ARAKA NY "1KOR,14:37":
- An'ny Jiosy irery ny didy folo (SAL,147:19,20).
Minia mangalatra ny didy folon'ny jiosy RBNIR.
- Noravan'i Yahoshuah ny didy folon'ny jiosy; mba ahafahan'ny hafa firenena sy ny jiosy mitambatra ao @ A/tra (EFES,2:15).
Minia mitsipaka an'izany i RBNIR.
- Tokana ny anaran'A/tra Mpamonjy sady tsy azo ovaina (ASA,4:12).
Minia manohitra an'izany i RBNIR.

=> Tena minia manota i RBNIR; ary tena ny fahamarinana fototra momba an'A/tra sy ny lalàna fototra ahafahana miaraka aminy mihintsy no hitsahin'i RBNIR.

=> 1JAONA,3:8 Izay rehetra manota dia avy amin'ny devoly.
Tsy mahagaga RBNIR raha tsy mahasahy mamaly ENY na TSIA an'ilay fanontanian'i tealala.
33. tealala ( 07/07/2017 07:43)
(EFES,2:15) 15tao amin'ny nofony no nanafoanany ny Lalàna be didy amam-pitsipika, mba hanakambanany antsika roa tonta ho olom-baovao iray ao amin'ny tenany

Ay io izany no porofo fa noravana ny didy fa tsy notanterahina
34. RBNIR ( 07/07/2017 08:18)
Manompo an'Andriamanitra araka ny fanekena vaovao izahay ,

Ilay didy dia tsy atao ivelany tahaka ny teo aloha fa atao anatin'ny olona Heb.8:10 Heb.10:16

Ireo didy teo aloha iny ihany saingy atao anatin'ilay olona mba ho tonga fiainana vaovao ao anatiny ary ny Fanahy Masina no manantateraka izany araka ny EZe.36:27

Io ny secret tsy fantatry ny fariseo sy ny mpanora-dalàna (ilay didy dia mila atao tonga fiainana anaty fa tsy atao ivelany fotsiny)...

Izay no nahatonga an'i Jesosy niteny ity teny ity...

« Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa diovinareo ny vohon'ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatiny dia feno rombaka sy tsi-fahononana. » (Matio 23:25)


sy ity teny iray ity...

« Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa ianareo dia tahaka ny fasana voalalotra fotsy, izay miseho tsara tarehy eo ivelany, nefa ny ao anatiny dia feno taolan'ny maty mbamin'ny fahalotoana rehetra. » (Matio 23:27)


Tamin'ny fanekena taloha dia tsy tafiditra anatin'ny olona ilay lalàna fa endrika ety ivelany fotsiny....Fahamarinana ivelany fotsiny fa raha Andriamanitra no mijery dia hita fa feno loto ao anaty ao (ohatra tsy mijangajanga nefa fatra mpitsiriritra vehivavy, tsy mamono olona nefa feno fankahalana olona (Vakio matio 5)

Madio ivelany hoy i Jesosy,

Amin'ny fanekena vaovao kosa dia atao tonga fiainanan'ny olona ilay lalàna....Ny any anatiny no diovina aloha dia madio ho azy ny ety ivelany,


Atao lasa fiainany ilay lalàna ohatra raha mpijangajanga teo aloha dia atao lasa tsy mpijangajanga intsony, raha mpangalatra dia ovaina tsy ho mpangalatra intsony, raha mpamono olona dia ovaina lasa tia olona sns, raha mpanao tsinontsinona ny andro fahafito dia atao tonga fahafinaretana ho azy ny mitandrina ny andro fahafito (Isa.58:13)

Ilay fieritreretana ratsy teo aloha mihitsy no hovaina ho lasa fieritreretana tsara...satria ilay izy tsy hoe fanesorana ny fahaloton'ny nofo fa "fitadiavana fieritreretana tsara eo anatrehan'Andriamanitra...

« izay mamonjy anareo koa ankehitriny, dia ny batisa, izay tenan'io tandindona io,- tsy ny fanesorana ny fahalotoan'ny nofo anefa, fa ny fitadiavana* ny fieritreretana tsara eo anatrehan**'Andriamanitra***, amin'ny nitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty. [* Na: fanontanian'] [** Na: amin'] [*** Na: ny fitadiavan'ny fieritreretana tsara an'Andriamanitra] » (1 Petera 3:21)

Ka safidy io tealala a! na ianao te hijanona amin'ny fampianaran'ny fariseo sy ny mpanora-dalana, dia madio ihany ianao saingy ety ivelany,

na kosa ianao handray ny fampianaran'i Kristy dia diovina aloha ny ao anatinao dia ho hita taratra ety ivelany ilay fahadiovampoa azonao tamin'i Kristy....





35. RBNIR ( 07/07/2017 08:28)
tealala:

RBNIR:

Raha azoko tsara : ry RA TAN (sy tealala) izany ngamba mety tsy ampianarina mifona mihitsy ao ampiangonana ao raha izao fiebonebonareo izao an!!!

Mifona za fa tsy amin'i Jesosy

Misaotra anao namaly, raha "maharaka ny fanekena taloha" ianao mahavita fanatitra tsara sa tsia?? isan'andro dia ireo takiana isan-taona ihany koa?

ho an'i RA TAN indray kosa mino aho fa tsy mba ampianarina mifona tahaka an'i Timoty sy ireo filipiana ianareo RA TAN e????
36. RBNIR ( 07/07/2017 08:29)
Inona marina moa no tokony hifonana rehefa tsy manota intsony????
37. tealala ( 07/07/2017 08:41)
hazavao ity teny ity hoe "tao amin'ny nofony no nanafoanany ny Lalàna be didy amam-pitsipika"
misy teny ao hoe nofoanany
38. tealala ( 07/07/2017 08:51)
Madio ivelany izany ry Mosesy, Jakoba, Abrahama nanaraka ireo lalàna taloha ireo sy nampianatra ireo lalàna ireo?
tena ohatra ihany ity (fa mety miseho any chine)
tsy azo hoanina ny kisoa, sendra ny tsy fisiana anefa ianao, noana ianao kisoa anefa no misy, dia inona no hataona dikainao ny lalàna fa ataonao ao am-po izany? hoe hoaniko ihany ity fa ny foko tsy mihinana ve sa ahoana?
39. RBNIR ( 07/07/2017 08:58)

tealala:

Madio ivelany izany ry Mosesy, Jakoba, Abrahama nanaraka ireo lalàna taloha ireo sy nampianatra ireo lalàna ireo?
tena ohatra ihany ity (fa mety miseho any chine)
tsy azo hoanina ny kisoa, sendra ny tsy fisiana anefa ianao, noana ianao kisoa anefa no misy, dia inona no hataona dikainao ny lalàna fa ataonao ao am-po izany? hoe hoaniko ihany ity fa ny foko tsy mihinana ve sa ahoana?

Manomboka manao fanontaniana adaladala ange isika izany tealala e!

aleo tsy valina.....
40. tealala ( 07/07/2017 09:05)
Resaka lalàna io RBNIR a, fampitahana ohatra hoe tsy maintsy manao casque ny mpitondra moto,
tsy saziana izany izy raha toa ka tsy manao casque fa ao am-pony ao izy manao casque?
Ny tiako hiavina dia tsotra Andriamanitra dia mila "acte" ahalalany anao, t@ Jiosy tao egipta izao dia nanosotra an le zavatra t@ varavarana mba halalany fa tsy tokony hovonoina ilay zazalahy ao amin'ilay trano, fa ny anao efa ao am-ponao ilay izy dia afaka tsy manositra iny intsony ianao izany dia taraiky eo enao.
Ny lalàna napetrak'Andriamanitra tsy rava izany fa mandrakizay ohatr'azy ihany io tsy misy farany, tsy misy hoe madio fo izany ianao dia rehefa mitsambikina amin'ny varavarakely dia tsy mianjera amin'ny tany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1558