Ilay Fampianaran'i YAHOSHUAH mitondra mankany andanitra

1. MINDAOZY ( 29/06/2017 08:08)
Araho tsara aloha ny Fampianaran'i Yahoshuah; mihainoa tsara aloha dia mandiniha tsara, fa aza malaky mamaly.


novalian'i stahtam ny 07/08/2017 09:05
2. RBNIR ( 29/06/2017 08:51)
Fananotaniana kely fotsiny Mindaozy...

Oviana kay i Yahoshuah no tonga tao amin'ingahy Samuelson Edward dia nampianatra azy ity fampianarana ity?

Mino aho fa tokony ho tadidiny tsara satria ny daty tahakan'izany tsy mba fanadino namana!!!
3. stahtam ( 29/06/2017 11:47)
Hoy (indray) i MINDAOZY: "Araho tsara aloha ny Fampianaran'i Yahoshuah; mihainoa tsara aloha dia mandiniha tsara, fa aza malaky mamaly"
VALINY:
- Izaho indray malaky mamaly ka! Vao eny am-panidinana mihitsy dia efa petahako satria lainga marivo tototra sy abobo, dia izao no fomba fanaovana azy:
- Fampianaran'ny internet io entinao io ka raha ilay Yahoshuah=internet dia manaiky aho hoe fampianaran'i Yahoshuah tokoa io.
- ianareo (RA TAN) dia nilaza fa "Ny fahamarinana araka ny BAIBOLY rehetra no arahina" (t@ 30/05/17 15:30) ka ity fampianarana ity dia niainga avy @ internet, dia arahinareo koa ve?
- Raha i RA TAN aza dia efa toherinao, i RA TAN toherin'i Herilanto777, dia izahay ve no ho azonao hino anao ? Andraso eo i Paoly!
4. endriny ( 29/06/2017 14:29)

Sarotra be ilay fampianarana ry
MINDAOZY:
fa tsy amin'ny tenin'i Yahoshua a! Marina raha misy azoko mihintsy
5. RA TAN ( 30/06/2017 07:09)
stahtam:

- Izaho indray malaky mamaly ka! Vao eny am-panidinana mihitsy dia efa petahako satria


TSY SAHY MITONONA NY ANARAN'NY MESIANY INTY JIOSY GASY IRAY(stahtam) IZAY MITSIPAKA NY TESTAMETA VAOVAO SADY MANOHITRA MAFY AN'I YAHOSHUAH (YAHOSHUAH www.rtvyahoshuah.com )

Raha niresaka tamiko io stahtam io tao @ http://forum.serasera.org/forum/message/m55c1e708dc951/160 dia izao no hevi-dehibe nisongadina:


RA TAN:(01/12/2016 08:15)
“JODAISME” miady @ Yahoshuah sy ny mpianany
“JODAISME” tsy mino testameta vaovao
“JIOSY MPITANDRINA DIDY FOLO” miady @ YAHOSHUAH SY NY MPIANANY (ISAIA 66:5; ASA 4:17,18; 1TES 2:14-16). Ny jiosy mpitandrina didy folo dia soloin’ireto jiosy gasy ireto tena raha eto M/car…


STAHTAM:(02/12/2016 07:48)
…Ny Mesia inoako dia Jodaiste ka lojika be ny teninao. Yahoshuah dia tsy jodaiste, normal izany ny fifanoherana raha misy. “JODAISME tsy mino ny testameta vaovao” Ka taiza no nisy Jodaistes nanorina fampianarana t@ io? Ny Mesia inoako dia ny Lalàna sy ny Mpaminany sy ny Salamo no nataony fototry ny fampianarany sy notanterahiny fa tsy ny tantaran’ny testameta vaovao. …
… Raha ny testameta vaovao no lazainao fa filazantsara dia manamafy tsara mihintsy izany fa samy hafa ny baibolintsika. Hafa no nomena ny Jodaistes ary hafa ny anareo. Manamafy izany ny Salamo 147/19,20 satria ny Isiraeliana no voalaza eo. Ny testameta vaovao no anareo. Olona hafa taty aoriana no nanoratra ireny hianareo fa ilay ivavahanay sy ilay Mesia nirehiny kosa dia tsy mba nanome izany testameta vaovao izany hoanay. Izy sy ny mpianany dia tsy nanorina ny fiangonany t@ izay verset avy tao. …
“ROM 11:28 ra ny amin’ny filazantsara dia fahavalo ny jiosy noho ny aminareo”. Ary ilay olona niteny an’io verset io mba inona? …

RA TAN:(03/12/2016 10:39)
Teto aloha izany dia TENA NANAMBARA AMPAHIBEMASO IANAO, FA “TSY MINO NY TESTAMETA VAOVAO”IANAO; mazava hoazy fa nareo jiosy gasy rehetra dia tsy mino filazantsara daholo. Ary tena toherinareo à fomba rehetra mihintsy izany.
Mipetraka ary ny fanontaniana:
AIZA AO @ LALANA SY NY MPAMINANY ARY NO MISY AN’IZANY MESIA-NAREO IZANY???
FA NY MPAMINANY SY NY LALANA ARY NY SALAMO DIA EFA SAMY NANONDRO AN’I “YAHOSHUA”H DAHOLO: “LIOKA 24:44 … fa tsy maintsy tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin’ny lalàn’I Moshè sy ny Mpaminany ary ny Salamo”.
Ary aty @ testameta vaovao no fahatanterahan’izany rehetra izany.
Nolavinao anefa ny testameta vaovao, donc, NOLAVINAO NY TENIN’NY MPAMINANY ARY NY SALAMO. Noho izany, NOLAVINAO KOA NY TESTAMETA TALOHA: Tena ny BAIBOLY IRAY MANONTOLO MIHINTSY NO LAVINAO. …
Fa izahay mpanaradia an’I YAHOSHUAH kosa milaza fa MARINA DAHOLO NA NY TESTAMETA TALOHA NA NY TESTAMETA VAOVAO. Satria tenin’ny Dadanay izay any andanitra no ao; Izy no nanao an’ireo..


STAHTAM:(04/01/2017 07:05)
… porofoy amiko fa fahatanterahan’ny testameta taloha ny testameta vaovao (raha anisan’ny testameta vaovao ny bokin’i Matio) dia hanaiky aho fa MARINA ny teninao. …

RATAN: (10/01/2017 08:49)
I Moshè efa niteny hoe:
“DEO 18:15 Mpaminany avy aminao dia avy amin’ny rahalahinao tahaka ahy, no hatsangan’I Yahvah Andriamanitrao hoanao; izy no henoinareo”
Dia jereo ary ny mpaminany Israeliana fa samy nanondro an’I YAHOSHUAH daholo. Ary i YAHOSHUAH koa mbola nampahatsiahy an’izany; ka hoy Izy hoe: “LIOKA 24:44 … fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin’ny lalàn’I Moshè sy ny Mpaminany ary ny Salamo”
- ATERAKY NY VIRIJINY IZY:
“ISAIA 7:14” tanteraka izany ao @ MAT 1:18-23

-TERAKA AO BETLEHEM IZY:
“MIKA 5:1” tanteraka izany ao @ MAT 2:1

-GENOCIDE ANA ZAZAKELY T@ ANDRONY:
"JER 31:15" tanteraka izany ao @ MAT 2:16-18

-TSY NOTAPAHINA NY TAOLANY:
"SAL 34:20" "EKS 12:46" tanteraka izany ao @ JAONA 19:31-33

-NILOKANA NY AKANJONY:
"SAL 22:18" tanteraka izany ao @ JAONA 19:24


T@ andron’I YAHOSHUAH no nahatanterahan’ireo tenin’ny mpaminany ireo; ary nohon’I YAHOSHUAH no anton’ireo teny ireo. Santionany fotsiny ireo, fa be dia be ao fa tsy ary ho voatantarako eto daholo.
Fanontaniana mipetraka @ stahtam izay mitsipaka ny TESTAMETA VAOVAO:
RAHOVIANA IREO TENIN’NY MPAMINANY IREO VAO HO TANTERAKA RAHA EFA NOLAVINAO NY TESTAMETA VAOVAO???
IZA ILAY MESIA ERITRERETINAO??? IZA NO ANARANY???
RAHOVIANA IANAREO NO HANAO GENOCIDE ANA ZAZAKELY???
Didin’I Yahvah A/tra mpamorona ny zava-drehetra ny tenin’ireo mpaminany israeliana ireo (DEO 18:18), ka izay tsy mino an’ireo tenin’ny mpaminany Israeliana ireo dia hotsarain’I Yahvah (DEO18:19). Dia miomana koa ianao ry stahtam fa hotsarain’I Yahvah tahaka an’ireo ELOHYM an’ny Egyptiana koa a (EKS 12:12).
NITSIPAKA NY TESTAMETA VAOVAO IZAY FAHATANTERAHAN’NY TENIN’NY MPAMINANY IANAO, DIA MAZAVA HOAZY FA MITSIPAKA NY TENIN’NY MPAMINANY AO @ TESTAMETA TALOHA; DIA MAZAVA FA NY TESTAMETA TALOHA MIHINTSY NO TSIPAHINAO.
Porofon’izany ny fanitsahanao ny “DEO 30:11-13”; angalarinao ilay didy tsy natao hoanao dia entinao mandositra aty M/car.


STAHTAM:(16/01/2017 07:31)
… Ny kristy eritreretinao aza ange ka iomehezan’ny israeliana e! Taranaka haterak’I Davida no Mesia nolazain’ny faminaniana Israeliana. Ny anao anefa dia sady tsy taranak’I Davida no mbola avy @ fanahy koa. …

RA TAN: 19/01/2017 16:02)
… VALIO ALOHA IREO FANONTANIANA MAROBE MITAMBESATRA AMINAO EO AMBONY IREO:
- Rehefa nolavinao ny testameta vaovao izay fahatanterahan’ny tenin’ny mpaminany dia IZA NO ANARAN’IZANY MESIANAO IZANY????? Izay tsy ao anaty testameta vaovao mazava hoazy.
- Raha mbola mivingitra didy folo ihany ianao dia ATAONAO AHOANA NY TENIN’NY MPAMINANY ISRAELIANA IZAY MIFANIPAKA @ DIDY FOLO????
- Dia aza odina fanina ilay “DEO,30;11-13” a!! …


STAHTAM:(20/01/2017 07:49)
… Voasoratra ao anatin’ny testameta taloha @ teny hebreo ny Mesia inoako. Mbola tsy nosoratana akory io testameta vaovao-nareo io dia efa fantatry ny Israeliana izany. Tsy misy idiran’ny testameta vaovao @ izany … Ny anarany? Tsy yahoshuah (Anarana azo avy @ mathematique io yah+hoshuah=yahoshuah) fa Anarana hafa efa nambaran’ny mpaminany (israeliana) sy nosoratany tao anaty baiboly hebreo hatry ny ela. …

RA TAN:
TSY MILA RESAKA LAVA BE IZANY, FA TONGA DIA TONONY ETO NY ANARANY
Fa maninona ianao no tsy mahasahy mitonona ny anaran'ny mesia-nao ry stahtam a?



Mikasika ny anaran'A/tra Ray indray:
Niaiky i stahtam jiosy gasy mpitsipaka ny testameta vaovao sy ny baiboly rehetra fa ny Andriamanitr'i Samuelson edward "YAH" no nahary ny lanitra sy ny tany. Fa izy tsy sahy nanonona ny anaran'izay ivavahany.

stahtam: 15/06/2017 11:04:

Samy hafa ny ivavahantsika. Saro-piaro @ anarany Ilay ivavahan'ny Israeliana, ka ahoana moa no hilazako aminao ny anaran'Izay ivavahako?

"ilay YAH nivavahan’ny Israeliana fahiny" nolazainao io anefa no nahary ny lanitra sy ny tany aminay.


Efa t@ herintaona aho no niteny t@ stahtam hoe “YAH” no anaran’Ilay nahary ny zava-drehetra (tary @ publication nataon’i Rafieritreretana). YAH hoy aho no anarany, fa tsy izany ELOHYM izany; fa zavatra tsy misy dikany izany ELOHYM izany. Ny hoe ELOHYM, ANDRIAMANITRA, DIEU, GOD, … dia titre fotsiny fa tsy anarany.
Dia namaly i stahtam 10/11/2016 10:04 hoe:“na inona na inona Anarana apetrakao eo dia fahavalon’i Elohym satria ny hoe Elohym dia nolazainao fa tsy misy dikany”.

Izany hoe araka io tenin’i stahtam t@ herintaona io dia efa niteny izy fa “fahavalon’ilay ELOHYM ivavahany ilay YAH nahary ny lanitra sy ny tany nolazaiko”.
Fa gaga anefa aho fa heritaona aty aoriana indray i stahtam dia miaiky fa, YAH izay efa nolazainy fa fahavalon’ilay ELOHYM ivavahany no nahary ny lanitra sy ny tany; izany hoe ilay ELOHYM ivavahan’i stahtam tsy nahary ny lanitra sy ny tany. Fa ny fanontaniana mipetraka dia hoe fa maninona raha vao niteny an’io Anarana marina YAH io ny ambasadaoran’i Yahoshuah t@ 2009 dia tonga dia niaiky ny fahamarinany ianao; ary maninona raha vao niteny an’io Anarana YAH io koa aho t@ herintaona dia maninona koa ianao raha niaiky avy hatrany? Fa maninona ianao no herintaona aty aoriana vao miaiky?
Ary rehefa niaiky ianao fa marina ny anay(YAH) dia diso izany ny anao mazava ho azy, ka aza miseho be vava intsony.
6. RA TAN ( 30/06/2017 07:19)
stahtam:

- Fampianaran'ny internet io entinao io ka raha ilay Yahoshuah=internet dia manaiky aho hoe fampianaran'i Yahoshuah tokoa io.
- ianareo (RA TAN) dia nilaza fa "Ny fahamarinana araka ny BAIBOLY rehetra no arahina" (t@ 30/05/17 15:30) ka ity fampianarana ity dia niainga avy @ internet, dia arahinareo koa ve?


FANAMBARANA:

Fanambaran'ny mpianatry Episkopo Samuëlson Edward rehetra izay hitanareo ao amin'ny fahitalavitra Tv HFF Madagasikara:
Efa fantatry ny Ambasadoran' YAHOSHUAH Samuëlson Edward io Anarana Yahoshuah io satria nomena azy amin'ny maha iraka azy avy any an-danitra.
Tamin'izany andro izany, rehefa nampianatra ny Anaran'i Yahoshuah ny Ambasadoran' YAHOSHUAH Samuëlson Edward, dia nikaroka tao amin'ny Internet izahay mpianany fa tsy nahita tamin'izany 01 Avril 2009 izany. Tsy olona iray no nitady an'izay fa ny rehetra satria ho atao hira fiderana ilay Anarana, ka raha tsy izy io dia very vola amin'ny clip sy hira izay ho avoaka. Nikaroka nandritra ny 6 volana izahay mpianatry ny Ambasadoran' YAHOSHUAH tao amin'ny Internet fa tsy nisy an'izany Anarana izany mihintsy tao. Nino anefa izahay satria marina fa rava ny Didy 10 sy Lalànan'i Moizy izay nampianariny dia nanaiky izahay. Amin'izao anefa dia misy milaza fa tamin'ny 2006 no nahafantatra ny Anarana, ny sasany milaza fa tamin'ny mars 2009 no nahafantatra, izany hoe taloha kelin'ny 01 Avril 2009. Dia gaga izahay mpianatra rehetra fa mamorona daty ireo olona ireo no tena mandainga satria izahay mpianatry ny Ambasadoran' YAHOSHUAH no nanana olana voalohany indrindra tamin'io Anarana io. Marina ve io? satria tsy mbola hitanay taiza na taiza ilay Anarana no tsy mbola renay mihitsy. Ary marihinay mafy mihitsy fa io Yahoshuah notorian'ny Ambasadoran' YAHOSHUAH Samuëlson Edward io dia mandrava ny Didy 10 sy Lalànan'i Moizy izay mifanipaka amin'ilay Yahoshuah lazain'ny olona ao amin'ny Internet fa hoe mitandrina Didy 10 sy Lalànan'i Moizy. Mazava izany fa naka tahaka an'ilay Anarana hoe Yahoshuah izay nampianarin'i ny Ambasadoran' YAHOSHUAH daholo izy ireo.
Miantso anareo izahay Mpianatr'ny Ambasadoran' YAHOSHUAH Samuëlson Edward hanaraka ny Fampianaran'i Yahoshuah izay toriany. Voairaka io olona io. Izy irery no Ambasadoran'i Yahoshuah eto ambonin'ny tany. Vavolombelon'izany izahay rehetra rehetra hitanareo ao amin'ny fahitalavitra Tv HFF. Afaka mifandray aminay ianareo fa fifaliana lehibe ho anay izany hamonjena anareo. NY ANTON'IZAO FANAMBARANA IZAO DIA SATRIA TSY MISY MAHAZO MISARAKA IZAY MANONONA YAHOSHUAH SADY MIARAKA AMIN'I YAHOSHUAH. I Kor 1:10 - Jaona 10:16 Satria lalàna izany!
Tahian'i Yahoshuah daholo! Sonia: Mpianatr'ny Ambasadoran' YAHOSHUAH Samuëlson Edward rehetra eto ambonin'ny tany.
7. RA TAN ( 30/06/2017 07:26)
YAHOSHUAH no anaran'ilay Zanak'Andriamanitra Mpamonjy.
Fanazavana: Araho ny HFF RADIO manerana an'i M/car sy ny TV par internet www.rtvyahoshuah.com







8. stahtam ( 30/06/2017 08:01)
RA TAN a!
1°) Resaka efa t@ novembre sy décembre 2016 no naverinao, izany hoe efa voavaly avokoa. Ka tsy marina ve ilay nolazaiko hoe lany lainga dia ny eo ihany no averimberina? Io dia tonga @ ilay ohabolan'ny Ntaolo hoe "boka voan'ny nendra ka efa ratsy hatrany am-boalohany". Efa nandainga hatrany am-piandohana ianareo ka tsy hijanona ny tsy handainga intsony (na holokoinao hatr@ écran aza)
2°) Izaho koa dia manaiky hoe tsy voasakana intsony tokoa io anarana io ka avoahy eto foana fa hatsinkafontsika eto foana ny abobo rehetra mivoaka eo e! Araka ny efa nomarihiko tany aloha mantsy dia tsy ho lasa any @ helo mihitsy ny mpandainga raha hoe voasakana t@ lainga nataony, fa tsy maintsy omena làlana malalaka izy higalabonany hahatontosany ny adidiny hatr@ farany. Ny manan-tsaina fotsiny no afaka mitandrina mba tsy ho voafitany @ izany.
3°) Inty misy rohy iray : https://www.google.com/url?sa=t&rct=j&q=&esrc=s&source=web&cd=94&cad=rja&uact=8&ved=0CC8QFjADOFpqFQoTCIndxMueg8kCFQvAFAodD54A6A&url=http%3A%2F%2Fwww.eliyah.com%2Fforum%2Fmessages%2F6207.html&usg=AFQjCNGGNe-y0YqylXLZtD3EUQG-zsDS_g&sig2=MgelhRSTlGmwMRt4WuXX1Q

T@ 15/07/1998 no nanoratana io resaka io. Dia voalazany ao (28ème ligne et...) fa efa nisy niteny hoe Yahoshuah t@ izany fotoana izany. Iza no taloha ny 01 avril 2009 sa ny talohan'ny 15 juillet 1998 ?
9. stahtam ( 30/06/2017 08:13)
Averiko eto ny resaka fa ny rohy no ajanoko:
RA TAN a!
1°) Resaka efa t@ novembre sy décembre 2016 no naverinao, izany hoe efa voavaly avokoa. Ka tsy marina ve ilay nolazaiko hoe lany lainga dia ny eo ihany no averimberina? Io dia tonga @ ilay ohabolan'ny Ntaolo hoe "boka voan'ny nendra ka efa ratsy hatrany am-boalohany". Efa nandainga hatrany am-piandohana ianareo ka tsy hijanona ny tsy handainga intsony (na holokoinao hatr@ écran aza)
2°) Izaho koa dia manaiky hoe tsy voasakana intsony tokoa io anarana io ka avoahy eto foana fa hatsinkafontsika eto foana ny abobo rehetra mivoaka eo e! Araka ny efa nomarihiko tany aloha mantsy dia tsy ho lasa any @ helo mihitsy ny mpandainga raha hoe voasakana t@ lainga nataony, fa tsy maintsy omena làlana malalaka izy higalabonany hahatontosany ny adidiny hatr@ farany. Ny manan-tsaina fotsiny no afaka mitandrina mba tsy ho voafitany @ izany.

Araka ilay rohy teo dia: nisy resaka nosoratana t@ 15/07/1998. Dia voalazany ao (28ème ligne et...) fa efa nisy niteny hoe Yahoshuah t@ izany fotoana izany. Iza no taloha ny 01 avril 2009 sa ny talohan'ny 15 juillet 1998 ?
10. MINDAOZY ( 30/06/2017 08:24)

RBNIR:

Fananotaniana kely fotsiny Mindaozy...

Oviana kay i Yahoshuah no tonga tao amin'ingahy Samuelson Edward dia nampianatra azy ity fampianarana ity?

Mino aho fa tokony ho tadidiny tsara satria ny daty tahakan'izany tsy mba fanadino namana!!!

Misy emission special ahafahana miditra mivantana @ antso an-telephone isaky ny Asabotsy (manomboka @ 8:30 mandritry ny andro) ao @ RTV HFF manerana ny nosy, dia tsara raha ny Ambasadaoran'i Yahoshuah mihintsy no anontanianao @ izany
11. RBNIR ( 30/06/2017 08:28)
MINDAOZY:

Misy emission special ahafahana miditra mivantana @ antso an-telephone isaky ny Asabotsy (manomboka @ 8:30 mandritry ny andro) ao @ RTV HFF manerana ny nosy, dia tsara raha ny Ambasadaoran'i Yahoshuah mihintsy no anontanianao @ izany

Ka izy aza mpamaky eto koa, ngah tsy mba afaka ny hamaly direct eto izy MINDAOZY???
12. MINDAOZY ( 30/06/2017 11:17)
Rehefa nojereko tao @ io lien napetrak'i stahtam io dia izao no hitako tao:
#There is an added problem -Yahoshuah is Joshua, the prophet.
Are you sur you wish to prononce the Messiah's name this way?
There is good evidence it is prononced "Yeshua",#
Izany hoe: YESHUA no lazain'ireo fa Mesia, ary io no voiziny mafy ao. Fa ilay hoe YAHOSHUAH kosa dia lazain-dry zareo fa JOSOA mpaminany tsotra fa tsy zanak'A/tra; ary olana anin-dry zareo izany.

Fa ny Ambasadaoran'i Yahoshuah SAMUELSON EDWARD no nampianatra voalohany hoe "YAHOSHUAH no anaran'ilay Zanak'A/tra; ary MANDRAVA DIDY FOLO IZY" t@ 2009. Dia avy eo nangalatahaka daol ny olona.
13. RBNIR ( 30/06/2017 11:58)
MINDAOZY:

Fa ny Ambasadaoran'i Yahoshuah SAMUELSON EDWARD no nampianatra voalohany hoe "YAHOSHUAH no anaran'ilay Zanak'A/tra; ary MANDRAVA DIDY FOLO IZY" t@ 2009. Dia avy eo nangalatahaka daol ny olona.

Mindaozy a! tena mampalahelo ahy ianareo.....Marina mafy e,

Ilay rohy io ambony io efa tamin'ny 1998 dia ingahy samuelson edward tamin'ny 2009 (efa folo taona mahery aty aoriana vao nampianatra azy ingahy Samuelson edward nefa sahiny ny manambara fa izy no nampianatra an'io voalohany

dia ianareo dia mbola manaiky ihany fa ingahy samuelson Edward no "nampianatra voalohany" an'io Anarana io???

nefa raha ny marina dia Anarana efa ela io no nisy nampianatra??? farafaharatsiny tamin'ny 1998 no nipoirany (taloha tsy ferana)...FA TSY TAMIN'NY 2009 mihitsy,

Tena raha izaho ianao tsy mivohy intsony aho MINDAOZY fa miaraka afa-baraka aminy ao ianareo raha mitohy izao...

14. RBNIR ( 30/06/2017 11:59)
Posted by Dau..berean on July 15, 1998 at 18:21:13:

Io ny daty sy ny ora nametrahan'ilay olona an'io rohy eo ambony eo io.....
15. stahtam ( 30/06/2017 12:39)
MINDAOZY a!
1°) Tsy takatrao mihitsy ve ilay voalaza?:
#There is an added problem -Yahoshuah is Joshua, the prophet.
Are you sur you wish to prononce the Messiah's name this way?
There is good evidence it is prononced "Yeshua",#
Izany hoe nisy ady hevitra momba ny anaran'ny Mesia izany tao, dia io olona manoratra io milaza fa Yeshua no izy fa Yahoshuah kosa dia anaran'i Josoa mpaminany. Izany hoe efa nisy olona hafa izany t@ izany andro izany nilaza fa YAHOSHUAH no anaran'ny Mesia (ny fahamarinany sy ny fahadisoany no tsy idirako), dia io lasa misy fifanazavana (na ady hevitra) io. Ka ny olana resahina eto dia hoe: iza no tena anarana iantsoana ny Mesia? Zavatra takarina kely toa izany ve dia tsy hitanao? Efa zatra mandray lavage de cerveau ve ilay saina ka tsy mba afaka hanakatra intsony mihitsy na mba handinika kely akory e ?

2°) Fa ny Ambasadaoran'i Yahoshuah SAMUELSON EDWARD no nampianatra voalohany hoe "YAHOSHUAH no anaran'ilay Zanak'A/tra; ary MANDRAVA DIDY FOLO IZY" t@ 2009. Dia avy eo nangalatahaka daol ny olona"
a- Zavatra ampianarina @ 2009 izany no alain'ny olona tahaka any @ 1998 ? Fa sao heverinao fa maty tapaka kosa àry ny olona miditra eto ka hoe ekeo fotsiny io ho marina dia vita? (sagnagna!)
b- Ny nandrava didy 10 henoko voalohany (t@ 1996) dia Jesosy ilay sampy grika (devoly) ary Jesosy Fanekena Vaovao no fiangonana naoriny voalohany indrindra teto ambonin'ny tany. Ka sao dia mba naka tahaka ilay Yahoshuah t@ 2009 ? Sa namadika palitao tahaka ny Mpanao ...?
16. stahtam ( 30/06/2017 12:46)
Ampiako kely:
Izany hoe:
1- Efa nisy talohan'ny 2009 izany io anarana io.
2- Internet taiza àry no mba nikarohanareo ilay anarana Yahoshuah fa anarana efa tsy vaovao intsony (farafaharatsiny t@ 1998) no mba lazainareo fa hitan'i episcopo "voalohany" ?
3- Rehefa manisa angamba ianareo dia manomboka 2017 dia avy eo 2016 ... 2009 ... 1998 dia mankany mankany e!
17. RBNIR ( 30/06/2017 13:01)
Tena ho menatra amin'io ianareo RA TAN sns a!!! Ampidirin'ingahy samuelson edward amin'ny kizo ianareo!!!

Nofahanany lainga Be mihitsy fa mahirata e!!! tsy mora mora ange izany lasa any amin'ny Afo Be izany e!!!
18. RA TAN ( 01/07/2017 12:19)
RBNIR & stahtam:
Ilay rohy io ambony io efa tamin’ny 1998 dia ingahy samuelson Edward tamin’ny 2009 …
Posted by Dau..berean on July 15, 1998 at 18:21:13:
Io no daty sy ny ora nametrahan’ilay olona an’io rohy eo ambony io.

Izany hoe nisy ady hevitra momba ny anaran’ny Mesia izany tao, dia io olona manoratra io milaza fa Yeshua no izy fa Yahoshuah kosa dia anaran’i Josoa mpaminany. Izany hoe efa nisy olona hafa izany t@ izany andro izany nilaza fa YAHOSHUAH no anaran’ny Mesia …
Ny nandrava didy 10 henoko voalohany(t@ 1996) dia Jesosy ilay sampy grika (devoly) ary Jesosy Fanekena Vaovao no fiangonana naoriny voalohany indrindra teto ambonin’ny tany. Ka sao dia mba naka tahaka ilay Yahoshuah t@ 2009?
Efa nisy talohan’ny 2009 izany io anarana io.
Internet taiza àry no mba nikarohanareo an’ilay anarana Yahoshuah fa anarana efa tsy vaovao intsony…

Tena ho menatra amin’io ianareo RA TAN sns a!!!
Ampidirin’ingahy samuelson edward amin’ny kizo ianareo!!!
Nofahanany lainga Be mihintsy ka mahirata e!!! tsy mora ange izany lasa any amin’ny Afo Be izany e!!!


VALINY:
Tsy misy Jesosy mandrava didy 10 izany, fa mampitandrina didy 10 izany Jesosy izany. Io eo i RBNIR mpiaradia @ Jesosy sady sakaizanao stahtam koa vavolombelon’izany. Anontanio anie i RBNIR hoe mandrava didy 10 ve i Jesosy sa tsia e. Fa fantatro fa hiteny izy hoe tsy mandrava didy 10 Jesosy, ary manizingizina an’izany hatr@ farany i RBNIR sakaizan’i stahtam mpitsipaka baiboly.
Fa matoa ianao naheno hoe “Jesosy mandrava didy 10 t@ 1995-2008”, tongava saina fa TSY JESOSY iny ny dikan’izay fa YAHOSHUAH. Fa saingy mbola tsy nilaza ny anarany Izy t@ izany dia dia mbola tsy nahafantatra izahay; tsy misy mahadiso anay ny niteny hoe “Jesosy mandrava didy 10” t@ izany. Fa rehefa vita ny fanazavana sy fanaporofoana ny maha RAVA an’ilay DIDY FOLO (tsy nisy nahatohitra intsony) t@ 2009, dia izay Izy vao niteny hoe amin’izay: “YAHOSHUAH no Anarako izay nandrava ny didy 10 teo @ hazo fijaliana, fa tsy Jesosy”.
“ASA,17:30 Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron’ny tsy-fahalalàna; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin’izao tontolo izao hibebaka”.
Talohan’ny 2009 izany A/tra ninia tsy nijery satria Izy no mbola tsy niteny ny anarany. Fa ny 2009 sy ny mankaty kosa, tsy misy afaka miala intsony satria efa niteny Izy hoe “YAHOSHUAH no anarako”; manomboka eo MELOKA daholo izay mbola miantso anarana hafa ankoatra an’io YAHOSHUAH io; izay tsy mino an’i YAHOSHUAH tahaka an’i stahtam koa dia meloka.

“JER,25:8 Koa izao no lazain’i Yahvah , Tompon’ny maro: nohon’ny tsy nihainoanareo ny teniko, 9dio, indro, hampanalaiko ny firenena rehetra avy any avaratra sy Nebokadinezara mpanjakan’ny Babylona, mpanompoko, hoy i Yahvah, ary ho entiko hamely an’ity tany ity sy ny mponina eto …”
Nebokadinezara dia mpanompo sampy be (manompo devoly), nefa eto izy nataon’i Yahvah hoe “Nebokadinezara mpanompoko”: izany hoe A/tra tsy miraharaha izany fa na ny devoly aza ampiasainy rehefa misy tiany ahatongavana. Fa tsy hiteny ianao hoe devoly A/tra satria mampiasa devoly.
Nampiasain’i YAHOSHUAH koa ilay anarana devoly (JESOSY) t@ 1995-2008, fa tsy hiteny ianao hoe YAHOSHUAH izany dia JESOSY ihany; izany hoe tsy hiteny ianao hoe YAHOSHUAH dia DEVOLY. Fa izay manaiky ataon’ny devoly fitaovana hanaratsiana an’i YAHOSHUAH tahaka an’i stahtam no devoly.


1995 NIVOAKA NY FAMPIANARANA "RAVA NY DIDY FOLO":
Mikasika an’ilay Yahoshuah eo @ io rohin’i stahtam io indray dia lazainareo fa t@ 1998; ary mampitandrina didy 10 io lazainareo io, mbola aorian’ny 1995 nanambarana ny faharavan’ny didy 10 izany.
Ary ndana koa ary anontanio ilay lazainareo fa nanonona “Yahoshuah 1998”, fa tena mbola MPANOTA izy. Porofon’izany ilay didy folo tandremany (1TIM,1:9)
“GAL,5:4 Dia tafasaraka amin’i Yahoshuah ianareo na iza na iza mitady hohamarinina amin’ny lalàna, efa lavo niala tamin’ny fahasoavana ianareo”
Iza izany iny “Yahoshuah 1998” lazainareo iny izay mampitandrina didy folo ny olona(mampisaraka ny olona @ A/tra)? Mazava fa mpisandoka iny; amboa dia mody misalotra ny anaran’i Yahoshuah fotsiny, fa tratra foana izy @ ilay didy folo entiny.
Nikaroka Yahoshuah tao @ internet izahay t@ 2009, fa tsy nahita. Fa taty aorian’ny 2009 ny olona vao nangalatahaka daholo dia mamorona daty ry zareo (ny daty anie azo foronina e)
Ianareo variana ary @ resaka daty fotsiny dia odinareo fanina ilay RAVA DIDY FOLO izay Fampianarana tena iankinan’ny mandrakizay mihintsy.

TSINDRIKO TSARA ITY, FA INTY NO TENA FOTOTRA:
“EFES,2:15 Fa tao amin’ny nofony no nandravany ny fandrafiana, dia ny lalàna nisy didy natao hotandremana (raha @ baiboly DIEM moa dia tena mazava be: “Nofoanan’I Kristy ny lalànan’ny jiosy mbamin’ny didy amam-pitsipiny”)” TENA RAVA NY DIDY FOLO.
=> GAL,5:4 Dia tafasaraka amin’i Yahoshuah ianareo na iza na iza mitady hohamarinina amin’ny lalàna, efa lavo niala tamin’ny fahasoavana ianareo. TAFASARAKA @ A/TRA IZAY MBOLA MITANDRINA DIDY FOLO.

NY TENIN’NY APOSTOLY SY NY TENIN’I YAHOSHUAH NO DIDY ATY @ FANEKENA VAOVAO.
JAONA,12:49 satria Izaho tsy niteny ho Ahy, fa ny Ray izay naniraka Ahy, Izy no nandidy Ahy izay ho lazaiko. 50Ary fantatro fa fiainana mandrakizay ny didiny; koa izay lazaiko dia lazaiko araka izay nolazainy tamiko.
1KOR,14:37Raha misy manao azy ho mpaminany, na ho manana fahaizam-panahy, dia aoka ho fantany tsara fa didin’ny Tompo ny teny izay soratako ho aminareo.
=> “EFES,2:15” RAVA NY DIDY FOLO (AZA MITANDRINA DIDY FOLO INTSONY) io no DIDY VOALOHANY aty @ fanekena vaovao.
Far aha tsy rava ny didy folo(fanekena taloha) tsy tafapetraka ny fanekena vaovao.
=>Izay mitandrina didy folo indray izany manomboka eo dia “mandika ny didin’A/tra aty @ fanekena vaovao”; izay mitandrina didy folo dia mandika lalàna; manota (porofon’izany: GAL,5:4 Dia tafasaraka amin’i Kristy ianareo na iza na iza mitady hohamarinina amin’ny lalàna(didy folo), efa lavo niala tamin’ny fahasoavana ianareo)

Donc, ianareo MPITANDRINA DIDY FOLO (stahtam, RBNIR, …) no ho may any @ afo be araka ny lalàna(fa tsy araka ny torampo tahak’ireny ataonareo ireny); sady ianareo koa no MPANOTA dia normal be raha dorana any @ afo be.

19. MINDAOZY ( 03/07/2017 04:05)
#There is an added problem -Yahoshuah is Joshua, the prophet.
Are you sur you wish to prononce the Messiah's name this way?
There is good evidence it is prononced "Yeshua",#
stahtam:

Izany hoe nisy ady hevitra momba ny anaran'ny Mesia izany tao, dia io olona manoratra io milaza fa Yeshua no izy fa Yahoshuah kosa dia anaran'i Josoa mpaminany. Izany hoe efa nisy olona hafa izany t@ izany andro izany nilaza fa YAHOSHUAH no anaran'ny Mesia (ny fahamarinany sy ny fahadisoany no tsy idirako), dia io lasa misy fifanazavana (na ady hevitra) io. Ka ny olana resahina eto dia hoe: iza no tena anarana iantsoana ny Mesia?

Tsy misy olona miteny hoe Yahoshuah no anaran'ny Mesia eo, fa raha misy, asehoy eto ny teniny nilazany an'izany. Fa ny misy eo dia "Yeshua" no lazain'ilay mpanoratra fa mesia fa Yahoshuah lazainy fa Josoa mpaminany tsotra. Tsy fantatr'io olona io YAHOSHUAH na dia notononiny teo aza, dia nambaniany sy lazainy fa olana aminy.
20. MINDAOZY ( 03/07/2017 04:42)
Raha vao nanambara ny Ambassadeur an'i Yahoshuah t@ 2009 hoe "YAHOSHUAH no anaran'ilay Zanak'A/tra", dia tena namaivay be ny fanoheran'ny olona t@ izany. T@ izany nanomboka t@ 8 ora alina ny EMISSION SPECIAL tao @ HFF RADIO, fa maraina ny andro vao mijanona (miditra mivantana @ antso an-telephone mantsy ny olona mandray anjara @ izany, ary ny mpanohitra no tena betsaka nohon'ny mpanontany tsotra).
Izany koa no antony tena nikarohanay tany @ internet fa tsy nahita izahay; ary matoky aho fa tsy izahay zanak'A/tra irery no nikaroka tao @ internet fa ireo mpanohitra maro be ireo koa, ary raha nahita "Yahoshuah" tao @ internet koa ireny mpanohitra ireny t@ izany efa nasehony anay izay hitany, fa tsy nisy izany. Ary i stahtam milaza fa efa naharaka ny HFF RADIO hatr@ 1996 koa tsy niteny t@zany.
Fa rehefa notorian'ny Ambassadeur an'i Yahoshuah sy nampahafantarina t@ alalan'ny radio sy internet sy t@ gazety izany anarana YAHOSHUAH izany, dia izay ny olona vao nangalatahaka daholo; ny sasany mamorona daty
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4202