Ilay Fampianaran'i YAHOSHUAH mitondra mankany andanitra

61. tealala ( 06/07/2017 04:54)

MINDAOZY:

tealala:

1 - Mahazo mangalatra, mijangajanga mamono olona sns izany isika hafa firenena fa an'ny jiosy iany ireo lalàna ireo hihihi???
2 - Dia inona no ilofisanao amin'ny kristianisma raha izay? io anie niainga avy amin'ny jodaisma ihany e, tsy aleo ve manaompo an i Kelimalaza fa iny

Aty @ FANEKENA VAOVAO isika vao raisin'A/tra. Ary YAHOSHUAH ilay fanekena vaovao; ny teniny no didy arahina aty (1KOR 14:37). Dia omeny fanay masina izay rehetra miaraka aminy dia iny no mitari-dalana azy, ka tsy misy fanahy masina mitarika olona hijangajanga izany.

Tonga dia tanteraka zany ny hafa firenena fa tsy mila mihezaka?
62. RBNIR ( 06/07/2017 05:35)
MINDAOZY:

tsy misy fanahy masina mitarika olona hijangajanga izany.

Ekena, saingy mahagaga maninona ny tsy hijangajanga sy tsy hangalatra ihany fa ahoana ireo lalàna sy ny didy hafa sa mitarika anareo hanohitra izany Ilay Fanahy Masina???

« Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy. » (Ezekiela 36:27)
63. RBNIR ( 06/07/2017 06:02)
Maninona no adikanareo zavatra hafa ity teny ity ka tsy mety hitandrina ny andro fahafito ianareo MINDAOZY nefa ireo ny dikanteny DIEM sy ny dikanteny katolika amin'ny teny angilisy manamarina fa tena tokony mbola tandremana ny andro fahafito ho an'ny vahoakan'Andriamanitra?

Sa koa ilay Fanahy Masina mitarika anareo hanohitra an'ireto teny efa mazava be ireto???

Baiboly Diem Heb.4:9

9Koa dia mbola misy fitsaharana ho an'ny vahoakan'Andriamanitra, amin'ny andro fahafito.

Baiboly katolika amin'ny teny angilisy

9 There must still be, therefore, a seventh-day rest reserved for God's people,

Izay no vokatr'ilay fampianarana hoe mandrava didy sy hoe mahafaty ny didy (manjary misy zavatra tokony ho tanterahina, manjary tsy tanteraka....

Fampianaran'ingahy samuelson edwrd izany fa tsy fampianaran'Ilay Zanak'Andriamanitra...

Ny sainy no miasa fa tsy ny Fanahy Masina ....Aza afangaro fa manjary manalabaraka an'Andriamanitra ianareo...

64. RA TAN ( 06/07/2017 07:54)
stahtam: 15/06/2017 11:04:

Samy hafa ny ivavahantsika. Saro-piaro @ anarany Ilay ivavahan'ny Israeliana, ka ahoana moa no hilazako aminao ny anaran'Izay ivavahako?

"ilay YAH nivavahan’ny Israeliana fahiny" nolazainao io anefa no nahary ny lanitra sy ny tany aminay.

stahtam - 05/07/2017 13:21:

"Ny hoe: "YAH no nahary ny lanitra sy ny tany sy ny zava-drehetra" no EKEKO satria voasoratra ao anaty
baiboly hebreo (testamenta taloha). Fa raha hoe ianao no nilaza izany dia laviko satria efa
talohanao ny baiboly no nilaza izany. Namaky teny fotsiny sy nisavitsavika (nisandoka) ny ivavahan'i
Abrahama no nataonao fa tsy ianao izany no nilaza an'io.



Ny Ambasadaoran’i Yahoshuah efa t@ 2009 no nilaza hoe “YAH” no anaran’ny Dadako; dia Ilay A/tra nahary ny zava-drehetra izany.Ary efa t@ herintaona koa aho no niteny t@ stahtam hoe “YAH” no anaran’Ilay nahary ny zava-drehetra (tary @ publication nataon’i Rafieritreretana). YAH hoy aho no anarany, fa tsy izany ELOHYM izany; fa zavatra tsy misy dikany izany ELOHYM izany. Ny hoe ELOHYM, ANDRIAMANITRA, DIEU, GOD, … dia titre fotsiny fa tsy anarany.
Dia namaly i stahtam 10/11/2016 10:04 hoe: “na inona na inona Anarana apetrakao eo dia fahavalon’i Elohym satria ny hoe Elohym dia nolazainao fa tsy misy dikany”. Tsindriako tsara fa “anarana apetrakao EO” (hoy I stahtam): izany hoe ANARANA APETRAK’IZAHO RA TAN “ETO @ ITY FORUM SERASERA.ORG ITY no tiany ho tenenina (fa tsy hoe anarana apetrako ao anaty baiboly); izaho tsy nametraka anarana tao @ baiboly, fa mampiseho an’ilay anarana mipetraka ao anaty baiboly eto @ forum no nataoko. Dia izaho RA TAN no nametraka an’ilay anarana “YAH” izay anaran’Ilay Dadanay izay nahary ny lanitra sy ny tany teto @ forum teto. Ary tsy afaka manda an’izany ianao fa izaho RA TAN no nametraka an’io anarana YAH io teto.
hoy aho hoe: YAH no namorona ny zava-drehetra.
Izany hoe araka io tenin’i stahtam t@ herintaona io dia efa niteny izy fa “fahavalon’ilay ELOHYM ivavahany ilay YAH nahary ny lanitra sy ny tany nolazaiko”.
Fa gaga anefa aho fa heritaona aty aoriana indray i stahtam dia miaiky ihany fa, YAH izay efa nolazainy fa fahavalon’ilay ELOHYM ivavahany no nahary ny lanitra sy ny tany; izany hoe ilay ELOHYM ivavahan’i stahtam tsy nahary ny lanitra sy ny tany. Fa ny fanontaniana mipetraka dia hoe fa maninona raha vao niteny an’io Anarana marina YAH io ny ambasadaoran’i Yahoshuah t@ 2009 dia tonga dia niaiky ny fahamarinany ianao; ary maninona raha vao niteny an’io Anarana YAH io koa aho t@ herintaona dia maninona koa ianao raha niaiky avy hatrany? Fa maninona ianao no herintaona aty aoriana vao miaiky? Ary rehefa niaiky ianao fa marina ny anay dia diso izany ny anao mazava ho azy, ka aza miseho be vava intsony.

Izahay sy ry Abrahama dia iray ihany. A/tr’i Abrahama i YAH izay Dadanay sady A/tray koa. Tsy misandoka izahay fa Tomponay Izy, ary izahay olony(ISAIA,52:6).

Ilay ivavahan'i stahtam fahavalon'i YAH A/tr'i SAMUELSON EDWARD sady A/tr'i Abrahama; ilay mesian'i stahtam koa tsy mahasahy miseho eto fa mpiray teti-dratsy @ ilay fahavalon'i YAH. Donc, fahavalon'i YAH koa ny mesian'i stahtam. Ka haninona ao anaty baiboly hebreo izany fahavalon'i YAH izany? Tsy misy an'izany ao fa aza mandoto ny baiboly hebreo koa ianao!

65. RA TAN ( 06/07/2017 07:57)
stahtam - 05/07/2017 13:21:

Na inona na inona nataon'Ilay nahary ny lanitra sy ny tany, ary na oviana na oviana
nanaovany azy, ka FAMONJENA no tanjony dia TSY nampiasa zavatra misy ifandraisany @ devoly
mihitsy Izy. Ohatra: Zanak'Ondry tsy misy kilema


Ianao aza tsy mahavita manao fanatitra zanak’ondry tsy misy kilema; dia tsy mahavita sorona omby sy osy koa. Any Israel no manao an’izany araka ny lalàna, fa tsy aty M/car akory a! Ianao anefa ty mitonantonana maninona aty M/car aty angaha

66. RA TAN ( 06/07/2017 07:59)
stahtam - 05/07/2017 13:21:

a- "There is an added problem": inona ilay added problem eto ? Satria ny sujet eo dia anaran'ny
Mesia. Ka matoa izy manamafy fa Yahoshuah dia ny prophet Joshua dia midika izany fa misy olona
hafa koa izany niteny fa Yahoshuah no anaran'ny Mesia, izay ilay "added problem".
b- Mbola manontany izy avy eo hoe: Ianao koa ve te-hiantso ny anaran'ny Mesia toa izany? Ka izany
dia milaza fa NISY olona HAFA koa izany ANKOATRA io miteny io, niantso ny Mesia hoe Yahoshuah.
Fa ilay mpamaly no manana hevitra hafa (Yeshua)




Izay tazana voasoratra eo ihany tenenina fa aza mamorona:
-YESHUA no lazain’ilay t@ 1998 fa anaran’ny Mesia.
-YAHOSHUAH lazain’ilay t@ 1998 fa JOSOA Mpaminany.

Ireo no voalazany ao, fa tsy niteny mihintsy izy hoe “YAHOSHUAH NO ANARAN’NY MESIA”; fa raha mahita an’izany ianareo dia asehoy eto ny soratra nilazany an’izany, fa aza mamoron-dainga. Tsy ny vinavinanareo no ilaina eto, fa ilay soratra mihintsy no porofo tsy azo lavina.
Fa ny Abassadeur an’i Yahoshuah SAMUELSON EDWARD t@ 2009 no nanambara voalohany fa “YAHOSHUAH NO ANARAN’ILAY ZANAK’A/TRA”.
Efa aty @ 2017 ve nareo vao hanery an’ilay nilaza “YESHUA” t@ 1998 hiteny hoe Yahoshuah no anaran’ilay Mesia? Raha izany no ataonareo dia efa aty @ 2017 izany izy vao hiteny an’izany fa tsy t@ 1998 araka ny fijery vilana ataonareo.
67. RA TAN ( 06/07/2017 08:16)
RBNIR:

Ny heloka hibabohana hono mody rariny hony ny ntaolo...

Ny soratra Masina koa dia milaza hoe « Izay manafina ny fahotany tsy hambinina; Fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindram-po. » (Ohabolana 28:13)


Koa afoizo manomboka androany re ny lainga ry samuelson edward sy ny tariny a!!!

ANDRIAMANITRA NO HATAHORY!!! ARY NY DIDINY NO TANDREMO!!!

Andriamnitra tsy haniraka olona mihitsy handrava didy 10 na hilaza koa hoe mahafaty ny didy folo!!!

Mifanohitra amin'ny teny nolazainy izany

« Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Matio 5:17)

1 TSY NANDRAVA IZY FA TONGA BMA HANANTANTERAKA (hotanterahina ilay didy satria tsy nety tanteraky ny olona mihitsy noho ilay ota izay nanandevo ny olona)

« Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no anontanianao ny amin'izay tsara? Iray no tsara*; fa raha te-hiditra any amin'ny fiainana ianao, tandremo ny didy.[*Na: (Nahoana Aho no ataonao tsara? Tsy misy tsara afa-tsy iray ihany dia Andriamanitra.)] » (Matio 19:17)


2 Ny fitandremana didy dia tsy mahafaty fa ahazoana fiainana mandrakizay!!!

« Ka dia masina tokoa ny lalàna, ary masina ny didy sady marina no tsara. » (Romana 7:12)
« Koa ny tsara va no nahafaty ahy? Sanatria izany! Fa ny ota no nahafaty ahy, mba hiseho ho ota; fa ny tsara no nentiny nahafaty ahy, mba ho tonga ota indrindra ny ota noho ny nataon'ny lalàna. » (Romana 7:13)

3 Ny didy sy ny lalàna dia MASINA MARINA ARY TSARA ary ny soratra masina dia manambara io ambony io hoe "« Koa ny tsara va no nahafaty ahy? Sanatria izany!"

MIBEBAHA IANAREO AMIN'IO LAINGA BE HAFAFINAREO IO IZAY MAMPIVILY NY OLON'ANDRIAMANITRA MARO!!!


VALINY:
JAONA,8:43 Nahoana no tsy azonareo ny teniko? Satria tsy mahay mihaino ny teniko ianareo. 44Ianareo avy tamin’ny devoly rainareo, ka izay sitraky rainareo no tinareo atao. Izy dia mpamono olona hatramin’ny taloha, ary tsy mitoetra amin’ny marina, satria tsy misy marina aminy.

MITONDRA MANKANY ISRAEL NY DIDY FOLO; ARY ANY ISRAEL IHANY NO TANDREMANA:
DEO,6:1 DEO,12:1 DEO,7:1

NATOKANA HOAN’NY JIOSY(ISRAELIANA) IRERY NY DIDY FOLO, FA TSY NATAO HOAN’NY HAFA FIRENENA:
SALAMO,147:19 Milaza ny teniny amin’I Jakoba Izy, ary ny didiny sy ny fitsipiny amin’Israely. 20Tsy mba nanao toy izany tamin’izay firenena hafa Izy.
NEHEMIA,13:3 Ary rehefa ren’ny olona ny lalàna dia noroahany niala tamin’ny Israely ny olona hafa firenena rehetra.
=> MILAZA NY TENANY HO JIOSY IZAY HAFA FIRENENA MITANDRINA DIDY FOLO; SINAGOGAN’NY SATANA IZANY MAZAVA HOAZY.
Mbola tsy misy resaka rava didy folo akory eto dia io fa tratra sahady nareo: MPANGALATRA NY DIDY NOMENA NY JIOSY; SINGGOGAN’NY SATANA NO NIAFARANY.

*MAT,5:17 Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka
Rehefa jerena anefa ny zavatra nataon’I Yahoshuah dia; tsy tena tsy nitandrina an’ilay didy folo, fa nanosihosy an’io aza no nataony:
Raha ny @ didy folo dia tsy mahazo miasa sabata, fa Yahoshuah niasa sabata: (JAONA,5:17 Fa Yahoshuah namely namely azy hoe: Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa. 18Nefa vao mainka nitady hamono Azy ny jiosy, tsy noho Izy tsy nitandrina ny sabata ihany, fa noho ny nilazany koa fa Andriamanitra ny Rainy, ka nanao ny tenany ho mitovy amin’Andriamanitra Izy.
=>TSY NY DIDY FOLO NO NOTANTERAHIN’I YAHOSHUAH EO @ IO “MAT,5:17” IO, FA NY TENY MILAZA AZY AO @ LALANA SY NY MPAMINANY:
LIOKA,24:44 fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin’ny lalàn’I Moshè sy ny Mpaminany ary ny Salamo.
TERAKA AO BETLEHEMA( MIKA,5:1 =>MAT,2:1)
GENOCIDE ANA ZAZAKELY (JER,3:1=> MAT,2:16-18)
NILOKANA NY AKANJONY (SAL,22:18 =>JAONA,19:24)
TSY MISY HOTAPAHINA NY TAOLANY (EKS,12:46 =>JAONA,19:31-33)
Santionany @ ireo teny milaza Azy izay notanterahiny ireo, fa mbola be dia be ao.

“ROM,3:31 koa mahafoana ny lalàna amin’ny finoana va isika? Sanatria izany, fa mampiorina tsara ny lalàna isika”
Valiny:
MATIO,5:18 Mandrampahafoan’ny lanitra sy ny tany dia tsy hisy ho foana akory ny amin’ny lalàna, na litera iray na dia tendron-tsoratra iray aza mandram-paha tanterak’izy rehetra.
Mizara roa io teny io:

1)RAHAFA FOANA NY LANITRA SY NY TANY DIA FOANA NY DIDY FOLO “AO ISRAEL”.
Ka mbola tsy foana ny lanitra sy ny tany izao, dia mipetraka tsara io “ROM,3:31 io AO ISRAEL”. Mba haseho fa tena misy didy folo mahafaty tokoa ao Israel. Dia marim-pototra tsara ny nahatongavan’I YAHOSHUAH tao; mba hamonjy ny olona ho afaka @ izany fahafatesana nohon’ny didy folo izany.
2)REHEFA TANTERAKA NY LALANA REHETRA DIA FOANA NY DIDY FOLO “AO AMIN’I YAHOSHUAH”:
ROM,13:10 ny Fitiavana tsy manisy ratsy ny namana, koa dia ny Fitiavana no fahatanterahan’ny lalàna
JAONA,15:13 tsy misy manana Fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.
YAHOSHUAH no nahatanteraka ny lalàna t@ alalan’ny Fitiavana lehibe nohon’ny namoizany ny ainy teo @ hazo fijaliana: dia io ilay “EFESIANA,2:15 RAVA NY DIDY FOLO”

EFESIANA,2:15 Nofoanan’i Yahoshuah ny lalànan’ny jiosy mbamin’ny didy amam-pitsipiny mba hampiraisany antsika roa tonta amin’ny tenany ka hanaovany antsika ho olom-baovao tokana: toy izany no ahavitan’i Yahoshuah fampihavanana. 16Ny nahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana dia nanafoana ny fankahalana, ka nanambatra antsika ho tena iray ihany sady nampihavana antsika tamin’Andriamanitra. 17Izany no nahatongavan’I Yahoshuah nitory vaovao mahafaly fampihavanana taminareo hafa firenena izay lavitra an’Andriamanitra sy tamin’ny jiosy izay akaiky Azy.
-Raha tsy teo YAHOSHUAH nandrava ny didy folo tsy tafaraka t@ A/tra ny hafa firenena (fa ny hafa firenena dia halan’A/tra raha ny @ didy folo NEH,13:3)
-Rehefa tonga i YAHOSHUAH dia foana ny didy folo, dia miaraka @ YAHOSHUAH ny jiosy izay te hoany andanitra:
GAL,3:23 Talohan’ny nahatongavan’izany finoana izany dia voagadra sy voageja teo ambany lalàna izahay jiosy, mba hiandrandranay ny finoana izay efa hambara aty aoriana. 24Koa ny lalàna dia mpitaiza anay mba hiandrandranay an’i Yahoshuah, ka hahatonga anay ho marina eo imason’Andriamanitra noho ny finoana. 25Efa tonga kosa ankehitriny izany finoana izany, ka tsy fehezin’izay mpitaiza intsony izahay.

=> GAL,5:4 Dia tafasaraka amin’I Yahoshuah ianareo na iza na iza mitady hohamarinina amin’ny lalàna, efa lavo niala tamin’ny fahasoavana ianareo. TAFASARAKA @ A/TRA NAREO MPITANDRINA DIDY FOLO

RAFITRA EFA NILAOZAN’A/TRA NY DIDY FOLO:
2KOR,3:7 fa raha ny fanompoana nitondra fahafatesana aza, dia ilay voasoratra teo amin’ny vato
1KOR,15:56 fa ny ota no fanindronan’ny fahafatesana, ary ny lalàna no herin’ny ota.
ROM,7:9 fa rehefa tonga kosa ny didy dia velona indray ny ota ka dia maty aho

MPANOTA IZAY MITANDRINA DIDY FOLO:
1TIM,1:9 ka fantany fa tsy ny olona marina no nanaovana ny lalàna(didy folo), fa ny mpandika lalàna sy ny maditra,dia ny tsy matahotra an’Andriamanitra sy ny mpanota, ny olona tsy manaja izay masina sy ny olona vetaveta, ny mpamono ray sy ny mpamono reny, ny mpamono olona. 10Ny mpijangajanga, ny sodomita, ny mpangalatra olona, ny mpandainga, ny mpianian-tsy to, ary na inona na inona manohitra ny fampianarana tsy misy kilema


68. RA TAN ( 06/07/2017 08:27)
RBNIR:

Ny heloka hibabohana hono mody rariny hony ny ntaolo...

Ny soratra Masina koa dia milaza hoe « Izay manafina ny fahotany tsy hambinina; Fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindram-po. » (Ohabolana 28:13)


Koa afoizo manomboka androany re ny lainga ry samuelson edward sy ny tariny a!!!

ANDRIAMANITRA NO HATAHORY!!! ARY NY DIDINY NO TANDREMO!!!

Andriamnitra tsy haniraka olona mihitsy handrava didy 10 na hilaza koa hoe mahafaty ny didy folo!!!


VALINY:
Izahay izay efa tsy mpanota intsony no mitarika anareo ho tonga tsy mpanota tahaka anay koa, fa tsy hoe ianareo izay mpanota indray no hitarika anay ho lasa inona?
Aza avadika ny fahamarinana.
Fa ianareo any ivelan'ny fanjakan'i Yahoshuah any anie no samy milaza fa mpanota daholo e! ary marina izany; porofon'izany iny didy folo tandremanareo iny. Ndana vakio ny 1TIMOTY,1:9,10 fa ny mpanota no mila didy folo fa tsy ny olo-marina tahaka anay.
Ka jamba mitarika jamba samy any ankady no iafarany; ary ny mpanota mitarika mpanota samy any @ helo no iafarany. Ka ahoana moa no aha possible ny hoe ianareo mpanota indray no mba miseho hananatra anay olo-marina? Fa taominareo ho lasa mpanota tahaka anareo indray anie izany ny olo-marina e! Ka inona fa maka ny toeran'ny devoly ianareo @ izany.
69. RA TAN ( 06/07/2017 08:34)
RBNIR:
« Ka dia masina tokoa ny lalàna, ary masina ny didy sady marina no tsara. » (Romana 7:12)
« Koa ny tsara va no nahafaty ahy? Sanatria izany! Fa ny ota no nahafaty ahy, mba hiseho ho ota; fa ny tsara no nentiny nahafaty ahy, mba ho tonga ota indrindra ny ota noho ny nataon'ny lalàna. » (Romana 7:13)


Fa maninona no nodinganinao ilay ROM,7:9 fa tonga dia nitsambikina ary @ 12 sy 13 ianao?
ROM,7:9 fa rehefa tonga kosa ny didy dia velona indray ny ota ka dia maty aho.
Mamelona ota ny didy folo dia mahafaty.

Dia jereo tokoa ianareo mpitandrina didy folo rehetra fa samy milaza fa mpanota daholo na dia efa mivavaka aza. Ka tsy misy mpanota miditry ny lanitra izany, fa any @ helo no iafaranareo. Any @ helo izany ny fiainana mandrakizainareo
70. RBNIR ( 06/07/2017 08:39)
dia ao izany ianareo RA TAN rehefa tsy hiaiky ny fahadisoanareo.....Izay ilay fanandratantena nolazaiko fa hita miharihary, tsy manaiky diso fa mbola manamarintena hatrany na dia efa entina avokoa aza ireo porofo mivaingana rehetra,

Ka dia anareo ny anareo RA TAN an, mananatra no ataonay!!!

ILAY OTA AZA HOY AHO MBOLA IO MIHARIHARY BE EO AMBAVANAREO IO KA AZA HIRAHIRAINA ilay hoe OLOMARINA IZAHAY E! TSY MPANOTA IZAHAY E!! SNS.....
71. RA TAN ( 06/07/2017 08:41)
72. RA TAN ( 06/07/2017 08:42)
73. RA TAN ( 06/07/2017 08:51)
RBNIR:

dia ao izany ianareo RA TAN rehefa tsy hiaiky ny fahadisoanareo.....Izay ilay fanandratantena nolazaiko fa hita miharihary, tsy manaiky diso fa mbola manamarintena hatrany na dia efa entina avokoa aza ireo porofo mivaingana rehetra,

Ka dia anareo ny anareo RA TAN an, mananatra no ataonay!!!

ILAY OTA AZA HOY AHO MBOLA IO MIHARIHARY BE EO AMBAVANAREO IO KA AZA HIRAHIRAINA ilay hoe OLOMARINA IZAHAY E! TSY MPANOTA IZAHAY E!! SNS.....

Tsy manandra-tena izahay fa ianao angamba no mahatsiaro latsaka ambany manoloana ny fahamariana. Ary tsy manamari-tena koa izahay fa YAHOSHUAH no nanamarina anay (1KOR,6:11 efa voasasa ianareo, efa namasinina ianareo, efa namarinina ianareo tamin'ny ANARAN'i Yahoshuah sy ny fanahy masin'Andriamanitra). Tsy mpanota intsony izahay arak'izany. Fa no atao hoe manota dia mandika ny lalàn'i Yahoshuah, ka ny lalàn'i Yahoshhuah aza tsy fantatrao akory; ka ahoana moa no ilazanao hoe miharihary eo ambavako ny ota?
Fa fanasoketana ny anao n tena izy



[/quote]
74. stahtam ( 06/07/2017 09:00)
Fantatro fa "jeu de mots" (sisa) no tianao hialana bala fa efa lany ny tena ventin-kevitra mivaingana ka aleo hazavaina fa mitady hivarotra am-pitsanganana:
1°) "Tsindriako tsara fa “anarana apetrakao EO” (hoy I stahtam): izany hoe ANARANA APETRAK’IZAHO RA TAN “ETO @ ITY FORUM SERASERA.ORG ITY no tiany ho tenenina (fa tsy hoe anarana apetrako ao anaty baiboly), izaho tsy nametraka anarana tao @ baiboly, fa mampiseho an’ilay anarana mipetraka ao anaty baiboly eto @ forum no nataoko"
VALINY: Raha TENA IANAO tokoa no nametraka an'io teto dia tsy tokony ho nisy référence biblique nampanarahanao azy, na hoe "ndana jereo ao anaty salamo!".
2°) "Dia izaho RA TAN no nametraka an’ilay anarana “YAH” izay anaran’Ilay Dadanay izay nahary ny lanitra sy ny tany teto @ forum teto. Ary tsy afaka manda an’izany ianao fa izaho RA TAN no nametraka an’io anarana YAH io teto.
VALINY: MPINDRANA (na mpisandoka) ianao RA TAN a ! Mpitafy lamba imason'ny tompony. Ny YAHVAH no napetrakao teto satria tsy nisy référence biblique nampanarahanao azy. Aleo hazava tsara tahaka izay.
3°) "Hoy aho hoe: YAH no namorona ny zava-drehetra"
Dia hoy Herilanto777 hoe: "YAHOSHUAH no nahary ny lanitra sy ny tany". Dia haninn enao ??
75. RBNIR ( 06/07/2017 09:00)
RA TAN:

Fa maninona no nodinganinao ilay ROM,7:9 fa tonga dia nitsambikina ary @ 12 sy 13 ianao?
ROM,7:9 fa rehefa tonga kosa ny didy dia velona indray ny ota ka dia maty aho.
Mamelona ota ny didy folo dia mahafaty.

Raha mbola misy OTA ao anatin'ny olona iray dia mitombina io teny io fa rehefa afaka ny ota (rehefa voavonjy ny olona iray) dia tsy mitombina intsony io....
76. RBNIR ( 06/07/2017 09:59)
Otran'izao ilay formule ao amin'ny Rom.7:9 didy (soratra ety ivelan'ny olona soratra eo amin'ny vato ttsy sns...) + ota = fahafatesana

Rehefa voavonjy ilay olona dia maty ilay ota dia izao indray kosa didy (ao anatin'ny olona Heb.8:10 Heb.10:16) + Fanahy Masina = Fiainana vaovao = Kristy velona ao anaty (Tsy mpanota, tsy mahay manota) Gal.2:20 1 Jao.3:9

Ilay didy teo aloha iny ihany saingy lasa fiainan'ilay olona ilay izy LASA OLOMARINA ILAY OLONA....raha mpijangajanga lasa tsy mpijangajanga intsony, raha mpangalatra lasa tsy mpangalatra intsony, raha mpanao tsinontsinona ny andro fahafito lasa tsy mpanao tsinontsinona ny andro fahafito intsony, faha mpamono olona, lasa tia olona sns.....sns....

Dia inona no tsy mazava amin'izany????
77. stahtam ( 06/07/2017 12:42)

RA TAN:

[quote=stahtam - 05/07/2017 13:21]
Na inona na inona nataon'Ilay nahary ny lanitra sy ny tany, ary na oviana na oviana
nanaovany azy, ka FAMONJENA no tanjony dia TSY nampiasa zavatra misy ifandraisany @ devoly
mihitsy Izy. Ohatra: Zanak'Ondry tsy misy kilema


Ianao aza tsy mahavita manao fanatitra zanak’ondry tsy misy kilema; dia tsy mahavita sorona omby sy osy koa. Any Israel no manao an’izany araka ny lalàna, fa tsy aty M/car akory a! Ianao anefa ty mitonantonana maninona aty M/car aty angaha


[quote=stahtam]
Rehefa mandinika aho, dia tianao halaina namana daholo izany ny olona eto hitambatra amiko, hanohitra ahy matoa ianao mamerimberina ireny hoe "mitsipaka testamenta vaovao e!" , "jereo ange e!", "ity jiosy gasy iray ity dia tsy sahy manambara ny anaran'ny mesiany!" sns...... Dia izay no nampidradradradra anao t@ 05/07/17 iny ka nampibarareoka anao hoe: dia mba samy mino ny testamenta vaovao ihany ve isika ry RBNIR dia tsy mba aleonao miaraka aminay fa ny devoly indray no ampianao ?
Efa mihamiharihary tsikelikely ny fahalemenareo RA TAN a! Atao daholo:
1- Lango malefaka ("mba tiako ho fantatra izay mba Mesian'i stahtam")fa maty an-karanany,
2- Fanasoketana ("mitomany ho jiosy gasy e"! "hopotehin'a/tra e!" "mitsipaka ny baiboly iray manontolo e!") fa rano an-damosin-gisa
3- Tari-dositra sy adin'akoho fantàka ("midira @ emission spéciale raha sahy e!") fa ny vava fotsiny no tataka
4- Fampiasàna soratra miloko, soratra matavy, majuscules fa nojeren'ny olona fotsiny
5- Alaina ho namana daholo babay sy lohavohitra fa vao mainka nataon'ny sasany tototry ny fantsy
6- Fampiasàna "jeu de mots" ("napetrako teto e @ forum fa tsy napetrako tao anaty baiboly e!") fa niala maina tahaka ny takotra
7- Fitsingolohana teny ("manao sorona zanak'ondry any Israel e!") fa avy eo rafotsibe kendam-bomanga!!
Izao no lazaiko anao: iana(re)o no nanao publicité teto hoe: "marina ity ka inoy", dia izay no valiako sy porofoiko fa LAINGA sy ABOBO. Noho izany tsy hanazava aminao velively momba ny zanak'ondry sy ny fanaovana sorona momba izany aho satria finoako izany ka tsy voatery hambarako na @ iza na @ iza. Herim-po very maina ny anao raha hisikotra ahy. Jereo ny valin-teniko efa nandeha tany aloha mikasika io didy folo lazainao fa tsy sahiko idirana io dia ataovy resaka mazava tsara mba hojereko!
78. RBNIR ( 06/07/2017 16:07)
RA TAN:

Tsy manandra-tena izahay fa ianao angamba no mahatsiaro latsaka ambany manoloana ny fahamariana.

Tsy manana ity fahendrena nampianarina an'i paoly sy i barnabasy ity ianareo RA TAN a!

« Ary ny anaran'i Barnabasy nataony hoe Jopitera*, ary Paoly kosa Merkory**, satria izy no mpitarika ny teny nalahatra. [* Gr. Zeosy] [** Gr. Hermesy] » (Asan'ny Apostoly 14:12)
« Ary ny mpisoron'ilay Jopitera teo anoloan'ny tanàna, mbamin'ny vahoaka, dia nitondra ombilahy sy voninkazo natao fihaingoana ho ao am-bavahady ka nikasa hanao fanatitra. » (Asan'ny Apostoly 14:13)
« Fa nony nahare izany ny Apostoly, dia Barnabasy sy Paoly, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitsarapaka nankeo afovoan'ny olona sady niantso nanao hoe: » (Asan'ny Apostoly 14:14)
« Raondriana, ahoana no anaovanareo izao? Olona tahaka anareo ihany izahay ary mitory ny filazantsara aminareo, mba hialanareo amin'izao zava-poana izao hanatona an'Andriamanitra velona, Izay nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny, » (Asan'ny Apostoly 14:15)

Olona tahaka anareo ihany izahay hoy izy mirahalahy ireo....

Ny olona feno fiavonavonana (hautin) tsy mahalala izany fahendrena izany....Olona mihevitra ny tenany ho hafa nohon'ny sasany dia tsy manana izany fahendrena izany....

Ka safidy io RA TAN a! mety ho sarotra aminao fampianaran'ingahy samuelson edwar sa fampianaran'i KRISTY izay nankatoavin'i paoly sy barnabasy????
79. RBNIR ( 07/07/2017 06:14)
Izao no fahendrena nampianarin'Ilay Zanak'Andriamanitra RA TAN an! (tsy mitovy amin'ny ampianarin'ingahy samuelson edwar anareo izao fahendrena izao)

« Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin'i Kristy Jesosy koa, » (Filipiana 2:5)
« Izay, na dia nanana ny endrik'Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin'Andriamanitra, » (Filipiana 2:6)
« fa nofoanany ny tenany tamin'ny nakany ny endriky ny mpanompo sy nahatongavany ho manam-pitoviana amin'ny olona; » (Filipiana 2:7)

Izahay na dia hoe zanak'Andriamanitra aza dia tsy mirehareha , tsy mieboebo, tsy misekoseko eo anoloan'ny hafa fa nahetrinay ny tenanay noho io teny io....
80. tealala ( 07/07/2017 06:23)

RBNIR:


« Izay, na dia nanana ny endrik'Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin'Andriamanitra, » (Filipiana 2:6)
« fa nofoanany ny tenany tamin'ny nakany ny endriky ny mpanompo sy nahatongavany ho manam-pitoviana amin'ny olona; » (Filipiana 2:7)

Izahay na dia hoe zanak'Andriamanitra aza dia tsy mirehareha , tsy mieboebo, tsy misekoseko eo anoloan'ny hafa fa nahetrinay ny tenanay noho io teny io....


« Izay, na dia nanana ny endrik'Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin'Andriamanitra, » (Filipiana 2:6)
Mba hazavao kely hoe ilay endrik'Andriamanitra azafady
« fa nofoanany ny tenany tamin'ny nakany ny endriky ny mpanompo sy nahatongavany ho manam-pitoviana amin'ny olona; » (Filipiana 2:7)
Fa i Jesosy toa nanao fahagagana ko, ianao ko izany manao fahagagana?
Izahay na dia hoe zanak'Andriamanitra
Andriamanitra ihany koa izany ianareo?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2931