Ilay Fampianaran'i YAHOSHUAH mitondra mankany andanitra

41. RBNIR ( 05/07/2017 11:01)
Itony koa izao ohatra resaka efa nifanaovan'ny olona tamin'ny taona 2007 momba an'io anarana YAHOSHUAH io namana RA TAN!!!

https://br.answers.yahoo.com/question/index?qid=20071121112220AALYGqm&sort=N


Mampalahelo be ahy ianareo e!!! mibebaha hoy aho dia ny mbola tsy tonga aminareo ny fahatezaran'Andriamanitra
42. RBNIR ( 05/07/2017 11:05)
itony koa izao adihevitra efa tany amin'ny taona 2005 tany momba ilay anarana hoe Yahoshuah io ihany

https://books.google.mg/books?id=J4fZeuyXWXEC&pg=PA318&lpg=PA318&dq=yahoshuah&source=bl&ots=Y7l30e83hY&sig=_DW-pP9y4R5JDHZUbv_6LI1NHds&hl=fr&sa=X&ved=0ahUKEwi2-eSq_fHUAhUEtxoKHZvPCXQ4HhDoAQhZMAg#v=onepage&q=yahoshuah&f=false

Jereo ny pejy 254 sy ny 318
43. stahtam ( 05/07/2017 11:21)
Aleo dia atambatro eto mba tsy ho very:
1°) [There is an added problem - Yahoshuah is Joshua, the prophet. Are you sure you wish to pronounce the Messiah's name this way?]
Dia hoy RA TAN: "NY TAZANA ETO IZAO DIA OLONA IRAY NO NITENY AN'IREO REHETRA IREO, ary ny zavatra lazainy ao dia hoe "YESHUAH" no anaran'ny mesia, fa YAHOSHUAH kosa lazainy fa JOSOA mpaminany. Tsy misy fantany akory ny fepetra mandrafitra ny anaran'ilay zanak'A/tra satria tsy tompony ireo. Raha anontaniana zao io mpanoratra io hoe "Aiza ao @ io YESHUAH io ary ilay anaran'A/tra Ray araka ny JAONA,17:11 sy MAT,1:21? fa tsy hainy izany a!"
VALINY:
a- "There is an added problem": inona ilay added problem eto ? Satria ny sujet eo dia anaran'ny Mesia. Ka matoa izy manamafy fa Yahoshuah dia ny prophet Joshua dia midika izany fa misy olona hafa koa izany niteny fa Yahoshuah no anaran'ny Mesia, izay ilay "added problem".
b- Mbola manontany izy avy eo hoe: Ianao koa ve te-hiantso ny anaran'ny Mesia toa izany? Ka izany dia milaza fa NISY olona HAFA koa izany ANKOATRA io miteny io, niantso ny Mesia hoe Yahoshuah. Fa ilay mpamaly no manana hevitra hafa (Yeshua) izay tsy misy idirako ny fahamarinany sy ny fahadisoany fa azy izany.
Ny zava-dehibe izany eto dia hoe: EFA NISY nanonona Yahoshuah TALOHAn'ny 2009 fa ny nandra no milaza ho tsy nahita izany. Tsy misy dikany izany ny itanisanao Jaona sy Matio eo satria ny Matio 2/23 aza tsy voavalinao.
2°) "Hoan’izay rehetra mino ny baiboly no itenenako eto dia hoan’izay manaiky ny testameta vaovao izany, fa tsy dia hoan’i stahtam izay efa mitsipaka ny baiboly rehetra akory"
VALINY: dia tsy miala lavitra fa eo ambany eo ihany ianao ry ingahy dia nilaza hoe: "Fa maninona i stahtam no matahotra mafy ra vao mahita resaka didy folo? Kanefa samy efa noresahina tary ambadika daholo na ny resaka anarana na ny didy folo." Miampy hoe "ary niaiky izany I stahtam. Ary efa nilaza koa i stahtam fa fahavalon’ny elohym izay ivavahany io A/tra YAH io. I stahtam koa anefa manana ny mesiany izay tsy sahiny aseho eto ny anarany fa sao potika eto. Mazava hoazy fa mpiray tsikombakomba @ ilay fahavalon’i YAH izany ilay mesian’i stahtam. Tsy mahagaga raha mitsipaka baiboly i stahtam. Ny anaran’ny mesian’i stahtam no asaina asehon’i stahtam eto"
Iza izany no anontaniana sy iantefan'ny resaka eto? I stahtam sa i stahtam? Tsy dia ho an'i stahtam ilay resaka sa ho an'i stahtam? Valiny: Milaza tsy tia maimbo, fa misaron-doha mivalana.
3°) Asa moa izay ihirifanao mafy an'io anaran'ny Mesia inoako io fa dia tsy nisy nahomby aloha ny tetikao hatreto. Efa nomeko indice hoe: ao anaty baiboly hebreo (tesatamenta taloha) ao ilay izy fa tsy Yahoshuah aloha. Dia tsy mba nanontany an'i Samuelson Edward ve ianao nefa tokony ho hitany ao izany (avy eo azonareo potehana tsara rehefa hita). Izy anefa miaraka @ CV mipoapoaka be ery. Jereo ange ity e: "Tao andanitra tao @ Yahoshuah sy ny Ray(Yah) ny Ambasadeur an’i Yahoshuah SAMUELSON EDWARD dia nirahin’i Yahoshuah hankety antany. Efa nahafantatra ny anaran’ny Ray(YAH) sy ny anarana YAHOSHUAH hatrizay Izy" - Nefa, hay, tsy misy fantany akory. A BOU BOU.
4°) "Fa tsy tonga dia noteneniny dia nambarany izany anarana izany fa manaraka ny programme nandaminan’A/tra izany Izy".
Valiny: Ilay anarana hitondra famonjena izany no "mbola miandry fandaminana". Mbola miandry fandaminana izany ny famonjena anareo e! Mahavonjy anareo ihany izany ilay jesosy fa hambo fotsiny no betsaka (devoly iny e! sampy iny e!)
5°) "Yahoshuah aza anie raha tonga teto antany t@ fotoanandrony; mbola nankao ankibon’i Maria aloha Izy, dia tany antranon’omby no teraka fa tsy tany @ hopitaly manara-penitra, dia mbola nitomany t@ maha zaza Azy, dia mbola nitombo batana, dia t@ farany Izy vao nanao ny asa nanirahana Azy"
- Dia iza no anarana nahafantaran'ny olona niara-belona taminy azy ? Jesosy ve ? Dia naharitra firy taona teo ilay hoe niandry fandaminan'Andriamanitra ?
6°) "Dia tahak’izany koa ny Ambasadeur an’i Yahoshuah; tsy maintsy nanaraka izay zava-nisy teto antany aloha, avieo vao nilaza ny anaran’i Ray(YAH) sy YAHOSHUAH"
- Koa naninona izy no nandrava didy folo raha tena "tsy maintsy nanaraka ny zava-nisy teto an-tany aloha" ? Tokony nitandrina didy folo izany izy aloha dia t@ 2009 vao nandrava. Ilay yahoshuah sy ilay andriamanitrareo mihitsy no hitako hoe TSY MILAMINA sady TSY MANDAMINA.
7°) "Raha vao nanota koa i Adama sy eva, maninona no tsy teo noho eo ihany A/tra dia tonga dia nanavora azy? Fa maninona no 1000 taona taty aoriana Izy vao naniraka an’i NOAH dia 2000 taona taty aoriana Izy vao naniraka an’i MOSHE? Ary maninona no 4000 taona taty aoriana A/tra vao naniraka an’i YAHOSHUAH mba HAMONJY ny olona ho afaka @ fahotany? Valiny: satria izay no programme an’A/tra, fa tsy araky ny fisainanao olombelona sy ny fisainan’i stahtam ny fisainany"
VALINY: Na inona na inona nataon'Ilay nahary ny lanitra sy ny tany, ary na oviana na oviana nanaovany azy, ka FAMONJENA no tanjony dia TSY nampiasa zavatra misy ifandraisany @ devoly mihitsy Izy. Ohatra: Zanak'Ondry tsy misy kilema, Noah marina teo anatrehany, Moshe (tsy nisy olona tahaka azy hoy Ilay ivavahana fa tahaka ny miresaka @ olona no firesany aminy).
Fa raha i Nebokadnezara na i Farao na hafa, no nampiasainy dia mitovy sokajy @ sabatra sy ny mosary... nataony ho FAMAIZANA ireny. Ka asehoy eto àry hoe misy famonjena azo antenaina ve ao @ ilay jesosy (fanekena vaovao)!
8°) "naniraka an’i YAHOSHUAH mba HAMONJY ny olona ho afaka @ fahotany"
Ahitsiko io LAINGA iray nataonao io: tsy misy baiboly milaza izany na iray aza. Izay baibolinao any no tsy fantatro (na lazainao fa mpitsipaka baiboly, araka ny lainga mahazatra anao, aza aho).
9°) "Raha araka ny saina ratsy alefan’i stahtam,...Tadidio koa fa fanaky ny fahatezerana voavoatra hosimbana ianao hoy A/tra, ka inona no iraharahany anao? Tsy miraharaha anao izany Izy fa potehany ianao rehefa maditra; Izy no nanamboatra anao dia ananany koa ny fahefana hanapotika anao, fa tsy ianao indray no miseho be saina eo anatrehany ka ny eritreritrao manokanay any no tadiavinao harahiny sy ho tanterahiny."
VALINY: Ity indray izany no solon'ilay hoe "roahina any @ helo" ? Tsy nahomby mantsy iny satria mifanipaka @ voalazan'ny baiboly. Dia fanasoketana indray no mandeha. Ataovy fa tsy dia mahataitra e! Izay iray potika na izaho na A/tra.
10°) "Araka ny efa nambarako teto dia YAH no nahary ny lanitra sy ny tany sy ny zava-drehetra"
VALINY: Ary ilay nambaran'i Herilanto777 ve toherinao?
11°) "ary niaiky izany I stahtam"
VALINY: An an an an ka! zanaky ny lainga ianao! Avahako tsara fa ny pahina no azonao fitahina! Ny hoe: "YAH no nahary ny lanitra sy ny tany sy ny zava-drehetra" no EKEKO satria voasoratra ao anaty baiboly hebreo (testamenta taloha). Fa raha hoe ianao no nilaza izany dia laviko satria efa talohanao ny baiboly no nilaza izany. Namaky teny fotsiny sy nisavitsavika (nisandoka) ny ivavahan'i Abrahama no nataonao fa tsy ianao izany no nilaza an'io. Ny nolazainao, ary izay no ekeko dia ny teninao hoe: "Yahvah no nahary izao tontolo izao". Io mantsy no vao noforonina(re)o t@ 2009 fa ilay Yah kosa zavatra hafa efa TEO.
12°) "Ary efa nilaza koa i stahtam fa fahavalon’ny elohym izay ivavahany io A/tra YAH io".
Valiny: Porofo manamarina ny teniko tetsy ambony ity hevitrao ity satria ny tena YAH araka ny baiboly, ilay nivavahana'i Abrahama sy ny taranany dia tsy miara-milahatra velively @ io A/tra ivavahanao io. Araka ny abobo nolazainao mantsy dia taty @ andron'i Paoly (Korint sy Tim) vao niforona io anarana io (Andriana+Hanitra) ka tsy tokony hilahatra any @ andron'i Abrahama velively izany io.
13°) "I stahtam koa anefa manana ny mesiany izay tsy sahiny aseho eto ny anarany fa sao potika eto."
Marina mihitsy izany, satria: raha vao fantatrareo teto izao ilay Yah dia efa nopotehinareo (na ny marimarina kokoa efa novetavetainareo) satria nafangaronareo t@ ilay A/tra. Tahaka ny nanafangaroanareo ny jesosy (devoly) sy yahoshuah (ilay heverinareo fa izy) ihany. Zavatra tsy vaovao aminareo intsony mantsy ilay mampiaraka ny manan-kaja sy ny maloto (tahaka ny hoe miondana takon-kenatra). Makôta! Soa fa hita teto izany, ka voasoroka ny sain-dratsy vetaveta.
14°) "Tsy mahagaga raha mitsipaka baiboly i stahtam".
- Rehefa tsy hiresaka zavatra matotra ianao dia eto @ resakao manaraka no hataoko "mise au point" kely ny sainao.
15°) Ny anaran’ny mesian’i stahtam no asaina asehon’i stahtam eto dia ho hita eo raha sahy miatrika an’i YAHOSHUAH na tsia
Valiny: vao izaho fotsiny aza no miresaka eto (ilay sarim-bavy araka ny niantsoanareo azy) dia efa mahita ry Herilanto777 fa yahoshuah hono no nahary ny lanitra sy ny tany. Ilay Yahoshuah inoany indray no ifoterany. Asaivo miatrika an'i Herilanto777 aloha i yahoshuah hahitàna izay potika dia hita eo ny tohiny!
16°) "nefa ny anaran’i Nebokadinezara indray no alahatr’i stahtam @ YAHOSHUAH eto"
Valiny: ka io àry no mitovy qualité aminy ka hatao ahoana e! Nebokadnezara dia omnivore niova ho herbivore fa ny mesianao kosa jesosy (devoly) niofo ho yahoshuah. Inona no lainga @ izany?
17°) "Fa angaha NEBOKADINEZARA ilay anaran’ny mesianao ry stahtam???"
Valiny: ny lavage de cerveau be loatra mahazo anao no tafidina any zanak'atidohanao dia mahatonga ny fisainanao ho fohy tahaka izao. Tsy teny hebreo ny hoe nebokadnezara fa teny babyloniana. Dia possible ho Mesian'ny Israeliana ve ny babyloniana? sa rehefa nolazaina hoe mpanompony dia hihazakazahanao hatao mesia? Maninona raha misasa loha kely aloha e?!
18°) "Efa hoe mpanompo sampy be iny Nebokadinezara iny, fa mody nataon’i YAH hoe fotsiny mpanompoko mba hampialona ny israeliana izay tsy mahatandrina ny torah"
VALINY: Rehefa tsy nety niankohoka t@ sary volamenan'i Nebokadnezara i Hanania sy Misaela ary Azaria (nahatandrina torah) dia nampialona ny hafa firenena ka na i Nebokadnezara aza dia namoaka didy mba hatahoran'ny jentilisa Ilay nampitandrina didy folo.
19°) "Hevitry ny tsy manampahaizana any @ boky inona no misy an’ilay mesianao?"
Ao @ baiboly hebreo. Ao tsy misy hoe Jeh.. no Mpamonjy satria tsy mila hazavaina fa tonga dia anarana vakiana tsotra. Mora hita! Misasà maso indray aloha e!
20°) "Ao @ boky farimamy ve?" Hay ilainao indray ny mampiditra iny resaka iny? Sao dia hoe "milaza tsy tia nefa manara-maso"
21°) "Fa tsy ao @ baiboly aloha e, satria ianao aza mitsipaka baiboly"
Tsy ao @ baiboliNAO no tena marina. Ny baibolinao mantsy dia misy soratra hoe elohim ao @ Eks 12/12, misy hoe Yahoshuah nahary ny lanitra sy ny tany (Herilanto: 7/ 7-7), ka tena tsy ao @ baibolinao tokoa ny anaran'ilay Mesiako. Izany hoe ilay baiboly-nay no tsipahinao.
44. RA TAN ( 05/07/2017 11:38)
IZA ilay olona hafa lazainareo fa niteny teo hoe YAHOSHUAH no anaran'ilay zanak'A/tra???

Asehoy eto mihintsy ny soratra nilazany an'izany.

Fa ny hita eto aloha dia YESHUA tsy misy anaran'A/tra Ray no lazainy fa mesia, fa Yahoshuah lazainy fa Josoa mpaminany
RBNIR:

Anontanio an'ingahy Dau..berean izay nanoratra ilay post tamin'ny July 15, 1998 at 18:21:13: RA TAN A!

Ny zavatra nambaran'io nanoratra io efa ireo nasehoko eo ireo ary mazava be fa TSY MISY hoe YAHOSHUAH no anaran'ilay zanak'A/tra, fa nareo no mamoron-dainga eo izao. Efa iarahamahita fa tsy misy eo dia ahilikareo any @ mpanoratra indray ny famaliana an'ilay fanontania. Fa na izao aza nareo vao hamprisika an'ilay mpanoratra hiteny hoe "Yahoshuah no anaran'ny Mesia" dia tsy mety intsony, satria efa 2017 izao; efa aorian'ny 2009
45. RBNIR ( 05/07/2017 12:07)
RA TAN:

IZA ilay olona hafa lazainareo fa niteny teo hoe YAHOSHUAH no anaran'ilay zanak'A/tra???

Asehoy eto mihintsy ny soratra nilazany an'izany.

Ity izao post tamin'ny 2005 nilaza ao amin'ny pejy faha 318 fa YAHOSHUAH no anaran'Ilay Zanak'Andriamanitra dia mitantara koa izy ao ny nahatonga ny Anarana Yahoshuah---->Jesus

https://books.google.mg/books?id=J4fZeuyXWXEC&pg=PA318&lpg=PA318&dq=yahoshuah&source=bl&ots=Y7l30e83hY&sig=_DW-pP9y4R5JDHZUbv_6LI1NHds&hl=fr&sa=X&ved=0ahUKEwi2-eSq_fHUAhUEtxoKHZvPCXQ4HhDoAQhZMAg#v=onepage&q=yahoshuah&f=false
46. RBNIR ( 05/07/2017 12:11)
Izaho mino fa mety io post io mihitsy no hitan'ingahy samuelson edwar satria manambara koa izy ao mikasika ilay bible de la vulgate....

MAHIRATA RE RA TAN SY NY NAMANY O!!! ARY IANAO R'INGAHY SAMUELSON EDWAR LEHIBE NY HELOKAO NAMPIJABAKA AN'IREO MPANOMPON'ANDRIAMANITRA IREO.....

MIFONA IANAO AMIN-DRIZAREO DIA MIBEBAHA RAHA TSY TIANAO HO AVY IZY!!!
47. RA TAN ( 05/07/2017 12:28)
Jereo tsara anie e!
- i stahtam mitsipaka testameta vaovao.
- i RBNIR mampiasa testameta vaovao.
- izahay zanak'A/tra mampiasa testameta vaovao.

Ingahy stahtam aloha ts mahagaga raha manohitra anay.
Fa maninona i RBNIR izay mampiasa testameta vaovao no dia manohitra mafy anay zanak'A/tra nefa mb samy mampiasa testameta vaovao ihany???
FIALONANA no mahatonga an'i RBNIR hanao an'izany ka naleony niray teti-dratsy t@ devoly tary toy izay hiaraka aminay.

Conclusion, NY MPITANDRINA DIDY FOLO DIA MITSIPAKA TESTAMETA VAOVAO DAHOLO.

Tonga dia ajanony RBNIR ilay testameta vaovaonay raha miaraka @ stahtam ihany ianao fa aza miatsaravelatsihy eo a!
48. tealala ( 05/07/2017 12:29)
Fa inona kay ny antony anoherana ny didy folo?
49. RBNIR ( 05/07/2017 12:33)

RA TAN:

Jereo tsara anie e!
- i stahtam mitsipaka testameta vaovao.
- i RBNIR mampiasa testameta vaovao.
- izahay zanak'A/tra mampiasa testameta vaovao.

Ingahy stahtam aloha ts mahagaga raha manohitra anay.
Fa maninona i RBNIR izay mampiasa testameta vaovao no dia manohitra mafy anay zanak'A/tra nefa mb samy mampiasa testameta vaovao ihany???
FIALONANA no mahatonga an'i RBNIR hanao an'izany ka naleony niray teti-dratsy t@ devoly tary toy izay hiaraka aminay.

Conclusion, NY MPITANDRINA DIDY FOLO DIA MITSIPAKA TESTAMETA VAOVAO DAHOLO.

Tonga dia ajanony RBNIR ilay testameta vaovaonay raha miaraka @ stahtam ihany ianao fa aza miatsaravelatsihy eo a!

Tsy fialonana mihitsy RA TAN, fa ny tenin'Andriamanitra dia milaza hoe

« Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka ..... ny fahamarinana. » (Jaona 4:24)

Fahanan'ny olona lainga ianareo ary mampalahelo ahy...

Efa ela no nampahafantarin'Andriamanitra amiko fa "mpandainga ingahy samuelson edwar" namana,

Ity no teny manamarina izany : « Izay manao hoe: Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy ao anatiny. » (1 Jaona 2:4)


ankehitriny tonga ny fotoana hanehoana ny marina satria mampalahelo ireo vahoakan'Andriamanitra izay tena tsapa fa mikatsaka an'Andriamanitra amin'ny fo marina tokoa nefa indrisy fahanan'ny sasany lainga......

Enga anie ka hikasika anao IZY namana!!!
50. stahtam ( 05/07/2017 13:00)

[quote=RA TAN]
Jereo tsara anie e!...
...fa aza miatsaravelatsihy eo a!

[quote=stahtam] Valin-teny ho an'i RA TAN:

1°) "Jereo tsara anie (rey olona) e!
- i stahtam mitsipaka testameta vaovao.
- i RBNIR mampiasa testameta vaovao.
- izahay zanak'A/tra mampiasa testameta vaovao"
Valiny: Hay ve hibabaka tahaka izany ihany e!! Toa hampihomehy no fiafaran'ity resaka ity: ny garabola angamba no mety hanao resaka tahaka izao. Rehefa tratran'ny olona ve ny lainganareo dia foto-kevitry ny olona sisa no tanisaina eto e? ka maninona koa raha ampiana hoe rhaj0 tsy mino an'a/tra, dia i tspoaeta... namanay, dia i ... sns ?
Tsy nampoizinao angamba hoe ilay mampiasa testamenta vaovao tahaka anao no nifotitra namatotra anao ? Mbola aiza ny hahazo anao ?
2°) "Ingahy stahtam aloha ts mahagaga raha manohitra anay"
- Inona moa no tokony hahagaga raha misy manohitra na misy mitovy hevitra eto? Fa angaha tsy hainao mihitsy ny dikan'ny hoe forum no eto ? maninona àry no nandra tahaka izany ? Izao ve vao tonga saina ? Ela loatra an!
3°) "Fa maninona i RBNIR izay mampiasa testameta vaovao no dia manohitra mafy anay zanak'A/tra nefa mb samy mampiasa testameta vaovao ihany???"
- Ndray re rrendremantrôô!! Ndriiiyyy, Ntsôôôô !!!, Eeeeeeeeee! ntsônane !
- Fa dia nahoana loatra re RBNIR no dia manao toa izao ianao a !! Tsy nampoizin-dry RA TAN marineeee! samy mampiasa test vaovao ihany ve dia hifanao ohatr'izao?? Andray!
- Sniff ! Sniff!!
- Mafy izao anaovanao anay izao, mafy ee!
4°) "FIALONANA no mahatonga an'i RBNIR hanao an'izany"
- TOHIZAKO : fialonana an'i episcopo no nahatonga an'i stahtam hanao an'ireny rehetra ireny e! fialonana daholo ny an'ireny adala be rehetra ireny fa aoka izay e!! ny anareo ihany no tena marina fa fialonana ny an'ireo e! aza mitomany intsony fa adala ireny!! kony an!!
5°) "ka naleony niray teti-dratsy t@ devoly tary toy izay hiaraka aminay"
- Ary sao dia mba voakaraman'i stahtam kosa izy e? hadihadio ihany aloha!
- Ary maninona kosa raha ianareo indray no miaraka @ i RBNIR e ? samy mampiasa testamenta vaovao ihany tsinona? dia tsy hahay hifanaraka ve ? Ny fandravana didy folo sisa ifandresena lahatra dia basy e!!
- Mety mba ho voaroaka any @ helo ihany i stahtam ratsy saina io @ izay! sa ... ahoana ,...?

Conclusion, NY MPITANDRINA DIDY FOLO DIA MITSIPAKA TESTAMETA VAOVAO DAHOLO.

Tonga dia ajanony RBNIR ilay testameta vaovaonay raha miaraka @ stahtam ihany ianao fa aza miatsaravelatsihy eo a!
51. tealala ( 05/07/2017 13:00)
"Efa ela no nampahafantarin'Andriamanitra amiko fa "mpandainga ingahy samuelson edwar" namana,

Ity no teny manamarina izany : « Izay manao hoe: Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy ao anatiny. » (1 Jaona 2:4)"
RBNIR a nenao ary ny didy voalohany tsy arahinao : Izaho no Tompo Andriamanitrao, Ianao tsy hanana Andriamanitra hafa tsy Izaho
52. stahtam ( 05/07/2017 13:16)
Ity indray natokako eto:
1°) "Conclusion, NY MPITANDRINA DIDY FOLO DIA MITSIPAKA TESTAMETA VAOVAO DAHOLO"
- Dia mirediredy sisa ilay zanak'andriamanitra e! hay hatreo no faran'ny zakany. Ampiako fa mbola tsy ampy:
a- izay mitandrina didy folo dia mitsipaka baiboly daholo,
b- izay mitsipaka mpitandrina dia didy 10 daholo,
c- izay mpitandrina 10 vaovao dia testamenta mitsipaka daholo
d- ...

2°) "Tonga dia ajanony RBNIR ilay testameta vaovaonay raha miaraka @ stahtam ihany ianao fa aza miatsaravelatsihy eo a!"
- Ny tenako no esoriko: iaho ndraika de tsa hiaraka aminareo leky hisy leivona aza eto.
53. RBNIR ( 05/07/2017 13:42)

tealala:

"Efa ela no nampahafantarin'Andriamanitra amiko fa "mpandainga ingahy samuelson edwar" namana,

Ity no teny manamarina izany : « Izay manao hoe: Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy ao anatiny. » (1 Jaona 2:4)"
RBNIR a nenao ary ny didy voalohany tsy arahinao : Izaho no Tompo Andriamanitrao, Ianao tsy hanana Andriamanitra hafa tsy Izaho

Salama tealala elaela izy izany namana a!
Aleo fa hovaliana ianao raha "sitrapon'Andriamanitra e!!!
54. RBNIR ( 05/07/2017 13:43)
tealala:

RBNIR a nenao ary ny didy voalohany tsy arahinao : Izaho no Tompo Andriamanitrao, Ianao tsy hanana Andriamanitra hafa tsy Izaho

Ahoana moa no ahafahanao miteny fa tsy mitandrina ny didy 1 aho tealala?
55. tealala ( 05/07/2017 13:47)

RBNIR:


tealala:

"Efa ela no nampahafantarin'Andriamanitra amiko fa "mpandainga ingahy samuelson edwar" namana,

Ity no teny manamarina izany : « Izay manao hoe: Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy ao anatiny. » (1 Jaona 2:4)"
RBNIR a nenao ary ny didy voalohany tsy arahinao : Izaho no Tompo Andriamanitrao, Ianao tsy hanana Andriamanitra hafa tsy Izaho

Salama tealala elaela izy izany namana a!
Aleo fa hovaliana ianao raha "sitrapon'Andriamanitra e!!!

Noheveriko fa efa tsy voavalinao intsony, (ela ela fa tsy teto an toerana )
56. tealala ( 05/07/2017 13:49)
didy 1 "Izaho no Tompo Andriamanitrao, Ianao tsy hanana Andriamanitra hafa tsy Izaho"
Ny anao lasa sampy satria mifarana eo amin'ny ray entité 1 zanaka entite iray ary fanahy masina entite iray..(sampy rehefa fehezina na limiter-na ho zavatra iray ny illimité tsy misy farany.)
57. RBNIR ( 05/07/2017 13:55)
izay vao azoko antsaina no tianao ambara,
nanokatra lohahevitra vaovao aho ato mba tsy hanimbana ity lohahevitra ity tealala

http://forum.serasera.org/forum/message/m595cefaf4b745
58. MINDAOZY ( 06/07/2017 04:06)
tealala:

Fa inona kay ny antony anoherana ny didy folo?

FANEKENA TALOHA = LALÀN'I MOIZY (ao anatin'izany ny didy folo):

SALAMO 147:19 Milaza ny teniny amin'i Jakoba Izy, ary ny didiny sy ny fitsipiny amin'Israely. 20Tsy mba nanao toy izany tamin'izay firenena hafa Izy.

NEHEMIA 13:3 Ary rehefa ren'ny olona ny lalàna dia navahany niala tamin'ny Israely ny olona hafa firenena rehetra.

-> AN'NY JIOSY/ISRAELIANA IRERY NY DIDY FOLO, FA TSY MISY IDIRANTSIKA HAFA FIRENENA NY @ IZANY (fa efa mpangalatra sahady izay hafa firenena mitandrina izany)
59. tealala ( 06/07/2017 04:28)

MINDAOZY:

tealala:

Fa inona kay ny antony anoherana ny didy folo?

FANEKENA TALOHA = LALÀN'I MOIZY (ao anatin'izany ny didy folo):

SALAMO 147:19 Milaza ny teniny amin'i Jakoba Izy, ary ny didiny sy ny fitsipiny amin'Israely. 20Tsy mba nanao toy izany tamin'izay firenena hafa Izy.

NEHEMIA 13:3 Ary rehefa ren'ny olona ny lalàna dia navahany niala tamin'ny Israely ny olona hafa firenena rehetra.

-> AN'NY JIOSY/ISRAELIANA IRERY NY DIDY FOLO, FA TSY MISY IDIRANTSIKA HAFA FIRENENA NY @ IZANY (fa efa mpangalatra sahady izay hafa firenena mitandrina izany)


1 - Mahazo mangalatra, mijangajanga mamono olona sns izany isika hafa firenena fa an'ny jiosy iany ireo lalàna ireo hihihi???
2 - Dia inona no ilofisanao amin'ny kristianisma raha izay? io anie niainga avy amin'ny jodaisma ihany e, tsy aleo ve manaompo an i Kelimalaza fa iny
60. MINDAOZY ( 06/07/2017 04:49)
tealala:

1 - Mahazo mangalatra, mijangajanga mamono olona sns izany isika hafa firenena fa an'ny jiosy iany ireo lalàna ireo hihihi???
2 - Dia inona no ilofisanao amin'ny kristianisma raha izay? io anie niainga avy amin'ny jodaisma ihany e, tsy aleo ve manaompo an i Kelimalaza fa iny

Aty @ FANEKENA VAOVAO isika vao raisin'A/tra. Ary YAHOSHUAH ilay fanekena vaovao; ny teniny no didy arahina aty (1KOR 14:37). Dia omeny fanay masina izay rehetra miaraka aminy dia iny no mitari-dalana azy, ka tsy misy fanahy masina mitarika olona hijangajanga izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2015