Ny fi(s)ainana t@ Taon-jato Zero

121. RBNIR ( 09/02/2016 12:30)
kay izay mihitsy no tsy fahafantarano azy e,

Tealala manaraka ara-bakiteny,

Ny lalàna no mibaiko sy mifehy an'i tealala, (ambany lalàna)....

Izaho kosa manaraka fanekena vaovao
1 « ary novonoiny ny sora-tànan'ny didy izay niampanga antsika; dia nesoriny tsy ho eo mihitsy izany ka nohomboany tamin'ny hazo fijaliana, » (Kol. 2:14)

Tsy soratanana ivelany intsony fa lasa....

« Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, Sady hosoratako ao am-pony, Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko; » (Heb.8:10)
« "Izao no fanekena hataoko aminy, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Hataoko ao am-pony ny lalàko, Sady hosoratako ao an-tsainy," » (Heb.10:16)

Lasa fiainana ilay lalàna fa tsy didy....
Tsy hoe Aza mijangajanga vao hahalala tsy hijangajanga fa efa lasa tsy mpijangajanga otran'i Jesosy......
« Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. » (Gal.2:20)

2- Omena fahasoavana aho (Fanahy Masina) mba hahatanteraka izany ato amiko....
« Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy. » (Ezek.36:27)
(Tarihin'ny Fanahy (Ilay fahasoavana) aho fa tsy fehezin'ny lalàna (ambany fahasoavana)

Tealala efa nandà ny Fanahy Masina tsy hanana IZANY mhitsy....

Tsy mitovy io fa sahala (samy te hanantanteraka ilay didy) :-) saingy izy ambany lalàna, izaho ambany fahasoavana, izy tenenina hoe aza manao an'ity vao mahalala tsy manao, izaho kosa "novaina ny tao anatiko mba olona ho olom-baovao tsy mila tenenina intsony hoe ataovy ity na ity fa efa mahafantatra ny tokony atao...« Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy izy, Na hanao hoe: Mahalalà an'i Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra Hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra; » (Heb.8:11)

Mitovy fa tsy sahala e, iny didy iny ihany saingy ny azy soratra ivelany, ny ahy soratra anatiny....
122. RBNIR ( 09/02/2016 13:56)
Tealala variana madio ny ety ivelany fotsiny satria tsy mety mandray an'i Jesosy sy ny Fanahy Masina!!!

« Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa diovinareo ny vohon'ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatiny dia feno rombaka sy tsi-fahononana. » (Mat.23:25)
« Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa ianareo dia tahaka ny fasana voalalotra fotsy, izay miseho tsara tarehy eo ivelany, nefa ny ao anatiny dia feno taolan'ny maty mbamin'ny fahalotoana rehetra. » (Mat.23:27)

izaho kosa manadio ny ao anatiko aloha dia ho hita taratra ho azy ety ivelany izany fahadiovam-po anatiny izany!!!

« Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin'ny rakitra tsaran'ny fony; ary ny ratsy fanahy kosa dia mamoaka ny ratsy; fa amin'ny haben'ny ao am-pony no itenenan'ny vavany. » (Lio.6:45)

Ka ilay izy tsy ara-bakiteny fa fampianarana tsy misy kilema tsy azo ampiana ary tsy azo analana..........
123. rhaj0 ( 09/02/2016 14:34)
ha ha ha... dia izay ifanarahanareo RBNIR sy Tealala sy ny Andrmntrareo ao izany eee...
Mety mba tokony zareo Andrmntrareo ao kosa anie no mifanaraka, fa izao izao nareo no mifamporiporitra eto eee .. :-)
124. tealala ( 09/02/2016 14:43)
Ilay izy anie tsy hoe ambany lalàna na ambony fa ianareo ry RBNIR no mihevitra fa ho anareo ilay lalàna taloha dia izay vitanareo no ataonareo aveo, hany ka manaonao foana..
Izy ty ko anie ry rhaj0 ny tena marina dia ny "athé" dia zanaky ny kristianisma ihany e.. samy olona ihany no (n)atao andriamanitra :D
125. rhaj0 ( 09/02/2016 15:00)
hi hi hi... Fa dia aza mba savisavihana ao aminareo Mpino ao kosany ho'a ny TSY-Mpino ee..

nareo samy Mpino ao no (miady) mifanjanaka,
- hoe ny an'i Tealala no tena orizinal, ary "tena izy"
- hoe ny an'i RBNIR no tena nohavaozina, ary "tena izy"

Samy te-handova izao resaka-angano tao @ Vallée de Canaan tao daholo ianareo roaroa ireo.

Dia ihomehezan'ny tompony (Canaanites) fotsiny ho'a nareo gasy petaka ao mpisavika finoan'olona ireo e...
126. tealala ( 09/02/2016 15:13)
Izay ataonao fa izay no izy e, olombelona no andriamanitra.
Tena mbola "réligieux" noho ireo sasany ireo aza ianareo no tena marina satria ianareo no tena miandry "miracle".
127. rhaj0 ( 09/02/2016 15:28)
Ny Atheista (sy Siantista) ve k'lou no lazainao fa "miandry miracle" ??

Izany ve hozy ny Torah ao ??? Sa izany hozy i Rabbi ??

Dia tena TSY ho azonao mihintsy ny revin'ny SIantista raha tsy mihaino afa-tsy Torah/Rabbi ao izany ianao..

Efa hoe "work in progress" ny fiainana, ary raha ohatra fa TSY hay ny fanontaniana iray, dia izay izany: TSY hay.. fa tsy izany no hamoromporonana sy hinoanoam-poana, iantsapazana sy amikirana an'izao resaka-angano rehetra fampatoriana zaza (saina) rehetra izao.
128. RBNIR ( 09/02/2016 18:24)

tealala:

Ilay izy anie tsy hoe ambany lalàna na ambony fa ianareo ry RBNIR no mihevitra fa ho anareo ilay lalàna taloha dia izay vitanareo no ataonareo aveo, hany ka manaonao foana..
Izy ty ko anie ry rhaj0 ny tena marina dia ny "athé" dia zanaky ny kristianisma ihany e.. samy olona ihany no (n)atao andriamanitra :D

Mino ny testameta taloha ianao nefa tsy mino fa hisy "Andriamanitra mahery" ho "teraka"???
« Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina*, Andriamanitra Mahery, Rain'ny mandrakizay Andrian'ny fiadanana.» (Isa.9:5)
129. tealala ( 09/02/2016 18:37)
"C'est qu'un enfant nous est né, un fils nous est accordé: la souveraineté repose sur son épaule, et on l'a appelé Conseiller merveilleux, Héros divin, Père de la conquête, Prince de la Paix."
Avy tao amin'ny Torah io "Héros divin" "Père de la conquête"

"Car un enfant nous est né, un fils nous est donné, Et la domination reposera sur son épaule; On l'appellera Admirable, Conseiller, Dieu puissant, Père éternel, Prince de la paix."
io ny sainte bible-nao, iza no tianao ho raisina, ilay ambony sa ambany?

Ho avy ilay mesia fa tsy manana "pouvoir surnaturelle"
ny testamenta taloha nao io milaza fa "Dieu puissant" "Père éternel" io izao
130. RBNIR ( 09/02/2016 18:53)
Torah v ho amin'ny teny frantsay?
131. RBNIR ( 09/02/2016 18:59)
Efa fandikan-teny koa io fa tsy original,
Raha ny version samihafa aloha dia tsy misy otran'ny anao io ary lasa Isa.9:6 ilay izy fa tsy 9:5
http://saintebible.com/isaiah/9-6.htm
132. tealala ( 09/02/2016 19:02)
ie nadika t@ teny frantsay, hebreu => francais http://www.torah-box.com/torah-pdf/neviim/isaie/9.html io ny rohy.
133. tealala ( 09/02/2016 19:06)
ny ancien testament na testamenta anao taloha io mifandiso kely io ka.
134. tealala ( 09/02/2016 19:10)
dia izaho ko tsy mino io testamenta taloha anareo io.
135. RBNIR ( 09/02/2016 19:16)
tao amin'ny Sefarim ngamba no nangalanao an'io héros divin io,
Fa na izany aza afaka mamaky Larousse isika fa ny teny hoe divin dia voalaza koa hoe être assimilé à la divinité....
Tsy hitako izay olana....
136. tealala ( 09/02/2016 19:21)

RBNIR:

tao amin'ny Sefarim ngamba no nangalanao an'io héros divin io,
Fa na izany aza afaka mamaky Larousse isika fa ny teny hoe divin dia voalaza koa hoe être assimilé à la divinité....
Tsy hitako izay olana....

"torah box" io ka, fa na izany aza nataonareo ho andriamanitra ihany izy e, izany anie tsy maninona, mandika ny didy voalohany fotsiny ianareo, fa ho anay ambanin'ny lalàna dia mitandrina e.. mamaky ny "source" na dia efa dika teny aza moa izany io no hay vakiana.
137. RBNIR ( 10/02/2016 06:23)
Inona moa izany fa tsy izay niseho tamin'ny taona 0 ihany no miseho ankehitriny?

Tealala dia mitovy amin'ireo fariseo sy mpanora-dalànan, izay na dia nahita ireo asa lehibe nataon'i JEsosy sady nahafantatra tsara ny lazan'ny fampianarany aza dia namono sofina fa dia ny hamono an'i Jesosy ihany no masaka tao an-tsainy....

Eny fa na dia nisy anankiray tamin-drizareo aza notapahina ny sofiny NEFA SITRANIN'I JESOSY ???

Rhajo sy ny namany kosa dia tahaka an'ireo miaramila romana, izay na dia nahafantatra tsara ny momba an'i Jesosy koa aza dia nihevitra fa tsy mba voakasik'izany fa nihevitra tanteraka fa an'ny jiosy ihany izany, fa tsy an-drizareo mihitsy akory,

Dia inona moa fa tsy tanteraka izany ny teny?

« mba hijery mandrakariva ihany izy, fa tsy hahita; ary mba handre mandrakariva ihany izy, fa tsy hahafantatra; fandrao hibebaka izy, ka havela ny helony (Isa. 6. 9, 10). » (Mar.4:12)
138. rhaj0 ( 10/02/2016 13:43)
Dia raha tohizana ny fampitaha nataonao io ry RBNIR, hoe ry Tealala Fariseo, ary izaho miaramila romana, dia ianao RBNIR sy Herinirina no iza?

Hoe t@ izany fotoan'androny l'an zero izany, ny Jiosy dia efa nanana ny sinagaogany sy izay olombeny tao.

Dia i Herinirina izany no Jesosy vaovao? I Herinirina de Madagascar mantsy ilay élu de l'an 2000...

Dia nefany ho'a i Jesosy azany toa niaro ireny Snagaoga ireny mba tsy ho zimbazimbaina t@ izany fotoan'androny izany. Nefa i Herinirina izao toa hotsahotsan'ny... an?...
139. tealala ( 10/02/2016 14:31)
fa ny anareo marina moa izany ry RBNIR notsipahina daholo ilay lalàna nampianarin'i Mosesy?
140. RBNIR ( 10/02/2016 22:42)
rhaj0:

Dia raha tohizana ny fampitaha nataonao io ry RBNIR, hoe ry Tealala Fariseo, ary izaho miaramila romana, dia ianao RBNIR sy Herinirina no iza?

Nisy "olona nofidiny mivantana tamin'izany andro izany", dia nisy koa olona "nino" Azy fa tsy hoe
fariseo sy mpanora-dalana ary ny miaramila romana fotsiny ihany akory no teo.....
Io fisainanao amin'izao fotoana izao io ange efa fisainan"ny olona sasany tany amin'ny taon-jato 0 sao ianao mihevitra fa nitondra fisainana vaovao e! Tsy vaovao io fa hatramin'ny andron'ny mosesy mihitsy dia nisy foana ny olona tahaka anao ary voasoratra ao amin'ny bokin'ny joda izany!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2463