Ny fi(s)ainana t@ Taon-jato Zero

61. RBNIR ( 02/02/2016 16:25)
rhaj0:

serieux ve i RBNIR io, sa manao di-doha-na kristiana fotsiny e...

ohatra indray: "kintana-miraraka" izany ve ry RBNIR... Ny masoandro, kintana anankiray, izany dia manintona kintana (maromaro) hafa... fa ny planeta Latera eo akaikiny @ io tsy mihontsona.. sa ve hoe, satria ny masoandro sy ny Latera dia mazana be satria ireo no kintana sy planetan'i Jesosy ...

Io dia mbola ilay fisainana mazia-mazia-mirakla a la kristiana foana eee... dia lasa miteniteny foana... aok'etsy...

Fa tsy maha-oainina izany fa normal (ho anareo kristiana) eee...

Ny kintana hoy aho, raha miohatra amin'ny tany dia alavitra, raha miohatra amn'ny masoandro dia kosa dia akaiky azy....
Adinonao v ilay definition tao amin'ny junior e!
Un trou noir se trouve dans l’espace, et attire tout sur son passage, comme un aspirateur géant ultra-puissant. Il est tellement puissant qu’il aspire même la lumière....

Ny kintana no akaiky ny masoandro aloha izay vao ny tany,

Rehefa voky kintana izy (ilay trou noir io) dia mihalehibe, ary dia mihamanantona ny tany amin'izay....
62. RBNIR ( 02/02/2016 16:55)
Aleo ngamba fintinina amin'izay rhajo,
Ny lohahevitrao dia ny fisainana tamin'ny taonjato zero.
Ny nanaitra ahy dia ilay filazanao fa hoe Jesosy tsy mahafantatra akory izay mikasina ny galaxy, lanitra sns....
Jesosy dia tsy mba nanao zavatra kitoatoa, fa nifidy vavolombelona hatrany IZY hanamarinany ny asa sy ny fampianarana izay nataony...« Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany. » (Asa.1:8)

Voamarina araka izany ny zavatra rehetra nataony sy nolazainy ary ireny olona nofidiny ireny no vavolombelona nanamarina izany....

Jesosy no nanamarika ny taonjato zero, tsy nisy olona hatrizay ka hatramin'izao mitovy Azy, na nahavita izay vitany.....

Nahavita zavatra tsy vitan'olombelona IZY (nanangana ny maty, nampitsahatra ny tafiotra sy ny ranomasina sns.....)

Ireny rehetra ireny no nampihaiky ny olona taminy fa IZY marina tokoa no ilay irak'Andriamanitra velona.....

Nitondra porofo moa aho fa tena mahalala tsara ny galaxy, sy lanitra sns marina tokoa IZY,

Ny porofo nentiko dia tsy inona fa ny fanambarany ny amin'ny hamotehana izao tontolo izao...

Ny masoandro hohamaizinina, ny volana tsy hazava, ny kintana hiraraka, ary ny herin'ny lanitra hozongozonina hoy ny teniny

Rehefa nandinika aho dia tsy inona fa te hilaza i Jesosy fa havadika ho trou noir ny masoandro (ho maizina), ary rehefa mivadika ho trou noir ny masoandro dia mazava loatra tsy hazava intsony ny volana izay nohazavainy fahiny...
Ny kintana miraraka (na koa ny lanitra lasa amin'ny firimorimoana mafy...) moa dia tsy inona akory fa taratr'ireo kintana izay sintonin'ilay trou noir ,

Mazava ho azy, ilay trou noir dia hitondra fikorontanana eo amin'ny lanitra (ny herin'ny lanitra hozongozonina hoy ny teny).....

Ny namana rhajo moa dia tsy miombokevitra amin'izay satria amin'ny dia ny géant rouge ny destinén'ny masoandro...(azy moa izay tsy iadiankevitra) fa izaho kosa manamafy hoe tsy mba mahagaga antsika v 2000 taona tany aloha Jesosy nefa manambara mikasika ny trou noir izay amin'izao taonjato iainantsika izao vao fantantsika ny fisiany???...

Fehiny tamin'ny taonjato zero dia nisy Anankiray hafa noho ny olona rehetra, nahavita asa lehibe maro, ary koa nahavita namantatra zavatra saro-patarina ary nanana fahendrena "nahatalanjona" ny be sy ny maro, ka nampiaiky ny rehetra fa IZY MARINA TOKOA no ilay MESSIA NA ILAY IRAK ANDRIAMANITRA VELONA!!!!

Ny anton'ireny rehetra ireny moa hoy aho dia mba ho famantarana hoy ahy sy ianao fa tena MISY MARINA TOKOA ANDRIAMANITRA ary tokana no tanjony mba hibebaka izaho sy ianao....

Ka hoy aho hoe MINOA AZY ARY TANTERAHO IZAY REHETRA NOLAZAINY!!!! OMEO VONINAHITRA ANDRIAMANITRA!!!!

IZY ANIE HAMPAHIRATRA NY MASO REHETRA!!!
63. rhaj0 ( 02/02/2016 17:47)
RBNIR:
Ny masoandro hohamaizinina, ny volana tsy hazava, ny kintana hiraraka, ary ny herin'ny lanitra hozongozonina hoy ny teniny

Rehefa nandinika aho dia tsy inona fa te hilaza i Jesosy fa havadika ho trou noir ny masoandro (ho maizina), ary rehefa mivadika ho trou noir ny masoandro dia mazava loatra tsy hazava intsony ny volana izay nohazavainy fahiny...
Ny kintana miraraka (na koa ny lanitra lasa amin'ny firimorimoana mafy...) moa dia tsy inona akory fa taratr'ireo kintana izay sintonin'ilay trou noir ,

Mazava ho azy, ilay trou noir dia hitondra fikorontanana eo amin'ny lanitra (ny herin'ny lanitra hozongozonina hoy ny teny).....

Dia ny volana izany "tsy mazava" hono, hozy ny analizin'i RBNIR, satria "maty-masoandro". Fa kosa, ny tany dia mbola manazava an'i RBNIR, ary mbola manafana azy koa, ahafahany mahita ilay "kintana miraraka".

ntsss.. tsy aleo ve manao toa i Tealala, dia hoe, "jereo kely ny tabilao".. na koa, manao toa an'i Strong3, hoe "na miraraka io na tsy miraraka, dia aza miala @ minou fotsy"... fa tsy milingilingy mitsindrotsindroka termes scientifique, dia manamarina ny .. rediredin'i Jesosy.. na ny an'i Matio..
64. tealala ( 02/02/2016 18:11)
Miarahaba anareo,
Miataka kely ilay lohahevitra angamba aho, tiko marihina fotsiny ry rhaj0 dia ny olona rehetra tsy misy ankanavaka dia "religieux", samy mino na "athé" aza ianao dia mino fa ny anaran'ilay zavatra inonao fotsiny no miova.
rehefa tsy mino intsony ny olona dia mamono tena izy afaka dimy minitra.
65. rhaj0 ( 02/02/2016 18:34)
Raha mitovy ny fahazoantsika ny teny hoe "mino".

Amiko ny hoe "mino" dia "manaiky-tsisy-porofo".

Ka eny ho'a... "manaiky-tsisy-porofo" aho rahefa kamo ny saina ny hanazava sy handalina na hanadihady.

66. rhaj0 ( 02/02/2016 18:43)
RBNIR:
Ny kintana no akaiky ny masoandro aloha izay vao ny tany,

:-)
[size=6]O rey olona aa... firy taona kay i RBNIR ao? tena izaho koa no dia manazava dia miresaka, kay... :-)[/size]
67. RBNIR ( 02/02/2016 20:54)

rhaj0:

RBNIR:
Ny kintana no akaiky ny masoandro aloha izay vao ny tany,

:-)
[size=6]O rey olona aa... firy taona kay i RBNIR ao? tena izaho koa no dia manazava dia miresaka, kay... :-)[/size]

[size=6]par définitin koa ange ny kintana dia izay rehetra eny amin'ny habakabaka eny fa tsy voatery hoe système solaire foana e, pluie de météorite ohatra dia efa lazaina fa kintana, sns....ny comète koa dia efa azo lazaina kintana (satria ny voambolana malagasy voafetra)...[/size]
68. RBNIR ( 02/02/2016 21:13)
Itony izao dia efa kintana no hilazana azy, fa amin'izany dia tsy chine irery no hahita fa izao tontolo izao....

http://www.francetvinfo.fr/sciences/astronomie/video-une-pluie-d-etoiles-filantes-tombe-sur-le-nord-est-de-la-chine_885713.html
69. RBNIR ( 02/02/2016 21:20)
Itony izao : iza no hilaza fa tsy kintana miraraka no filaza an'ireny (sa rehefa tsy ry proxima sns...dia tsy kintana aminareo????

Aza dia variana manambany ny fahalalan'ny sasany hoy aho sao dia very ao ianareo e...

Jesosy avy no lazaina fa.....(Mampalahelo)

70. rhaj0 ( 02/02/2016 21:50)
Meteorites ve dia lazainao fa Etoiles ry RBNIR aaa...
kay moa ny anareo Kristiana, dia izay manjelajelatra rehetra "any ambony any" dia "kintana" avokoa.. Dia io izany fa toa ny mamafy pitipoa manjelajelatra i Atra ?? :-)

Io tokoany koa ilay hoe, nifanojo ny Etoile Regulus sy ny Planet Jupiter, dia nanjelajelatra be ny fahitany an-dreo avy ety an-tany, ary dia lasa nidegany ny Magy telo fa fambara hono,,,
71. RBNIR ( 03/02/2016 04:40)
rhaj0:

Meteorites ve dia lazainao fa Etoiles ry RBNIR aaa...
kay moa ny anareo Kristiana, dia izay manjelajelatra rehetra "any ambony any" dia "kintana" avokoa.. Dia io izany fa toa ny mamafy pitipoa manjelajelatra i Atra ?? :-)

Io tokoany koa ilay hoe, nifanojo ny Etoile Regulus sy ny Planet Jupiter, dia nanjelajelatra be ny fahitany an-dreo avy ety an-tany, ary dia lasa nidegany ny Magy telo fa fambara hono,,,

Miverena kely aloha aty madagascar dia anontanio ny eny ambanivohitra rehefa mahita étoil filante sy meteorita ianao hoe inona ireny e??? à 99% kintana no ho avaliny anao (sure aho amin'io).....
72. RBNIR ( 03/02/2016 04:43)
Na ny ety andrenivohitra aza mbola hilaza aminao izy hoe kintana izy... fa tsy zavatra hafa akory...
P.S : mba omeo hoe ny dikantenin'ny comète na étoile filante na méteorite amin'ny teny malagasy rhajo fa tiko ho fantatra tokoa???
73. RBNIR ( 03/02/2016 06:07)
Fanampim-panazavana kely fotsiny,

Ilay fiovan'ny masoandro tsy hoe ao anatin'ny segondra iray, na ao anatin'ny minitra 1 na andro 1 fa arakaraky ny reserve hydrogène ao anatiny ihany io...

Mihena tsikelikely araka izany ny hazavany sy ny hafanana izay avoakany fa tsy hoe avy dia lasa maizina B mangatsika B avy hatrany izy....

Rehefa tonga amin'ny fotoana 1 dia efa maizina tanteraka ny ety an-tany satria tsy mahatoraka ety intsony ny hazavana havoakany ....

Ny masoandro amin'io tsy mbola maizina tanteraka fa mbola manana hazavana kely dia izay taratr'iny hazavany iny sisa no ho hita manjelanjelatra eny amin'ny lanitra eny.....

Isika ho maizina, ny eny an-danitra (ireo mbola tratran'ny taratry ny masoandro) hanjelatra....

Izay ilay ataoko hoe mahagaga ahy ny tsy hatakaran'i rhajo an'izany????

itony aza anefa diminution d'activité kely dia kely eny amin'ny masoandro fotsiny (tache hoy izy) dia efa hotafiditra ere glacière sahady hono ny tany.......
http://www.maxisciences.com/ere-glaciere/allons-nous-reellement-connaitre-une-ere-glaciaire-en-2030_art35384.html
74. RBNIR ( 03/02/2016 07:40)
Mba hampahazava azy tsara :
Eritrereto hoe misy jiro B iray eo afovoan'ny trano,
Amin'ny heriny manontolo dia mahavita manazava hatrany amin'ny 10 m ilay izy....
Mihena tsikelikely ny heriny ka any amin'ny 7 m sisa tratran'ny hazavana (ny any amin'ny 10 m izany dia efa tena maizina tanteraka satria tsy tratran'ny hazavany intsony...
Dia otran'izay, mihena 5 m sisa ny porté, dia 1 m ary farany maty ilay jiro maizina tanteraka ny manodidina rehetra.

Dia otran'izay, hisy fotoana ny tany ho maizina nefa misy partie mbola ho tratran'ny hazavan'ny masoandro dia ny mouvement an'ireny mbola ho hita tsara ety an-tany...

Torak'izay ihany koa ny portén'ny hafanana avoakany hihena tsikelikely araka ny heriny...

Satria v izaho mavomavo (tsy mahay manavaka ny kintana sy ny tain-kintana) dia tsy mihaino ry zalahy fa raha profesora agrégé nivoaka tany harward no niteny an'izay dia hiaiky i sakaiza???

Nefa IZY EFA NILAZA HOE : « fa ny adala amin'izao tontolo izao no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; ary ny malemy amin'izao tontolo izao no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny mahery; » (1 Kor.1:27)

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!

75. rhaj0 ( 03/02/2016 14:46)
o ry RBNIR aaa... dia manoso-kevitra aho hoe, aleo (ianao) tsy miresaka Siansa fa toa TSY takatrao akoriny (ny basic-ny) izy izany. Manala-baraka ny Kristiana eo fotsiny ianao.

Fa io izany ny resaka @ "Ny fi(s)ainana t@ Taon-jato Zero", dia mazavabe fa ny fahalalana, sy ny hoe "Siansa-de-l'an-zero" t@ izany dia tena dépassé, koa raha izany no ifotoran'ny fahalalana (sy resaka) ankehitrio dia ho lany eo fotsiny ny andro.

Fa revireveo ao ihany azany ny rediredy t@ izany raha izay no maha-diavolana ny sainareo ee.. Fa mila avoitrako foana fotsiny ny abberation/absurdité ny andrianinareo ao io,.. f'izany dia ho an'ny Ankizy eee...
76. RBNIR ( 03/02/2016 18:13)
Afaka mandray izay tandrifiny ny olona rhajo a, Tsy omeko tsiny ianao satria diso nandalina loatra ka manao tsinontsinona ny hevitry ny hafa (aminao rehefa tsy mitovy amin'ny hevitrao dia "zero".

Izay no fandraisako azy (hany ka na dia misy zavatra tokony horaisina(o) aza dia indrisy fa "takona" avokoa (ka dia ao koa ianao izany koa ny hevitrao ihany no hevitrao)....

Fa tsy novalianao hoe inona no fiantson'ny gasy (tsy rakibolana fa teny fampiasa andavan'andro no angatahiko an!!!) ny comète, étoile filant, ary métérorite???.....
77. RBNIR ( 03/02/2016 18:26)
Ny mampalahelo ahy ange rhajo dia ity e! Ianao tena raikitapisaka ao amin'ny (finoanao) ao mihitsy hoe rehefa lasa geant rouge ny masoandro dia avy dia vita koa ny tany sy ny zava-mananaina ao anatiny nefa itony ary raha vakianao mbola misy milaza fa "mety hisy" porte de sortie ihany raha ny filazan'ny NASA (hono).....

http://www.notre-planete.info/terre/fin_du_monde/mort_soleil.php

"Toutefois, ce scénario apocalyptique pour la Terre ne serait pas encore définitif pour certains chercheurs. Ceux-ci croient que l'orbite terrestre pourrait évoluer en spirale vers l'extérieur, éloignant ainsi notre planète de l'enfer. Cela pourrait se produire si les vents solaires emportent une fraction importante de la masse du Soleil dans les années qui précéderont la phase de géante rouge, indique la NASA....."

Ka tsy maninona hoy aho, aleho izaho atao hoe dondrona fa ianao tapitrohatra amin'ny fahaizana (nefa diniho ihany re rahavako o!) dia tena ho jamba mandrakizay ao tokoa anie ianao e.....

Source : notre-planete.info, http://www.notre-planete.info/terre/fin_du_monde/mort_soleil.php
78. rhaj0 ( 03/02/2016 18:31)
Fa mbola any @ 500 millions d'années izany ry RBNIR aaa...
hi hi hi.. tena "mino" aho fa TSISY mandraharaha intsony ny resak'i Jesosy de l'an zero @ izany fotoana izany :-)
79. RBNIR ( 03/02/2016 18:35)
Ka amiko dia raisiko foana e! theorie theorie ihany fa i Jesosy tonga tety nilaza "ny marina",
Rehefa hoe hohamaizinina (trou noir) ny masoandro dia hohamaizinina izy izay fa tsy vao maika haredareda (geant rouge) akory....

Aleko mino an'i JEsosy satria tsy mbola nisy mandraka androany nahavita ny zavatra nataony (nanangana tamin'ny maty sy nanajanona tafiodrivotra)....

Nisy vavolombelona hatrany ny zavatra nataony ary maro ireo "nino Azy" noho ireny asa lehibe nataony ireny......
80. RBNIR ( 03/02/2016 18:44)
Ilay resaka 500 millions d'année mbola vinavina io rhajo !

Ato izao misy zavatra efa hita manangasanga afaka 15 taona (tsy misy mahafantatra hoe otran'iza marina no hiseo fa mbola mizarazara koa ny hevitry ny mpandinika....


http://www.lefigaro.fr/sciences/2015/07/13/01008-20150713ARTFIG00193-une-mini-periode-glaciaire-pourrait-toucher-la-terre-a-partir-de-2030.php

Noho izany théorie hoy aho dia théorie foana fa ny réel ihany no hanaporofo izay mitranga eo...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2098