Ny fi(s)ainana t@ Taon-jato Zero

161. rhaj0 ( 15/02/2016 19:43)
RBNIR:
Rehefa ny olona no manao toetram-biby, dia miala Andriamanitra.....

Ary ilay biby izany tena tsy rahirahian'ny Andrmntr'i RBNIR, fa toa ny vato izy ireo fa tsisy "fanahy" ..

Ianao ve k'lou ry RBNIR mba manana saka na alika ao an-trano ao? Dia ny fitsinjovan'ireo ny zanany ve ohatra tsy mba mampiasa kely ny sainao, ka hoe, rahefa nirahina ianao "hanjaka @ biby", dia tena tsy mahaontsa ny fonao ireo biby ireo?

Izaho mihevirta fa i RBNIR no manana fo-RBNIR, fa ny Andrmntr'iRBNIR mba mety hitsinjo ireo biby ireo ihany..
162. RBNIR ( 16/02/2016 01:41)
Izaho ange tsy niteny hoe tsy mitsinjo biby Andriamanitra e!
« Tsy eranambatry va no vidin'ny tsintsina dimy? nefa tsy misy hadinoina eo anatrehan'Andriamanitra ireny na dia iray akory aza. » (Lio.12:6)

Fa ny olona mihoatra lavitra noho ireny raha eo anatrehan'Andriamanitra....

« Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo. » (Lio.12:7)

Ary ny olona no nampanantenaina "fiainana mandrakizay" fa tsy ny biby izay nofo aman-drà fotsiny ihnay..« Fa izao no lazaiko, ry rahalahy: Ny nofo aman-drà tsy mahazo mandova ny fanjakan'Andriamanitra, ary ny fahalòvana tsy mandova ny tsi-fahalòvana. » (1 Kor.15:50)

Ka raha tianao ny handova.......Mialà amiin'io toetra maha nofo aman-drà fotsiny io, Araho ilay fampianarana.....
163. rhaj0 ( 16/02/2016 12:09)
Marina ny anao kah.. Rahefa "manaraka ilay fampianarana", dia mandeha jolie ny imagination, ary ny mandeha ho azy ny hoe "mandova"... ny an'ny Canaanites ianao...

Fa ny ao @ imagination-n'ny hafa rehetra, manomboka @tompon'ny revy, dia ny Canaanites, h@ Atheista, na koa izay manana revy hafa rehetra, dia ny ao @ imagination-ndreo kosa k'lou, rahefa mijery (ny) anao, dia... vanitika gilady ee ... :-)
164. RBNIR ( 17/02/2016 02:17)
rhaj0:

Fa ny ao @ imagination-n'ny hafa rehetra, manomboka @tompon'ny revy, dia ny Canaanites, h@ Atheista, na koa izay manana revy hafa rehetra, dia ny ao @ imagination-ndreo kosa k'lou, rahefa mijery (ny) anao, dia... vanitika gilady ee ... :-)

Tsy olana fa mampitombo ny fifaliana sy firavoravoana ao anatin-tsika izany rhajo...

« Sambatra ianareo, raha haratsin'ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko. » (Mat.5:11)
« Mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo. » (Mat.5:12)

Otran'izany ihany no nahazo an'i Noa nandritra ny zato taona nanamboarana ilay sambo fiara....

Eritrereto tsara "zato taona" nihomehezana!!! tsy kivy satria (izy anie noresahin'ilay Andriamanitra mivantana e!!!) fantany tsara fa tsy nanonofy izy na "nanao immagination".....
FA "baiko no azony" ary fantany tsara ILAY naniraka azy......

Tsy te hampiasa an'ity expression ity aho satria amin'izany fotoana izany mety alahelo no hameko ny foko fa tsy vanitika otran'ny anao nefa efa ho tara loatra ka atao ahoana moa.....
Il rira bien celui qui rira le dernier......

Halahelo hoy aho ary ngamba mety ho tomany mihitsy tahaka ity nataon'i Jesosy ity.....

« Ary raha nanakaiky Izy ka nahita ny tanàna, dia nitomany azy » (Lio.19:41)
« ka nanao hoe: Raha mba nahafantatra mantsy ianao na dia amin'ity andro ity aza izay momba ny fiadanana! - fa ankehitriny miafina amin'ny masonao izany. » (Lio.19:42)

Amin'izany fotoana izany dia ho maro dia maro no anao hoe "indrisy mantsy fa dia efa nandalo teo imasoko ihany IZY nefa "tsy hitako" mihitsy.....Efa tonga teto antanako mihitsy "ilay fiadanana" nefa nolaviko......sns......Efa niseho tamiko marina tokoa IZY nefa nivanitiako......

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!
165. rhaj0 ( 17/02/2016 12:55)
RBNIR:
Otran'izany ihany no nahazo an'i Noa nandritra ny zato taona nanamboarana ilay sambo fiara....

Eritrereto tsara "zato taona" nihomehezana!!!

hi hi hi... dia mbola tohizanao h@ izao koa io finoan'i Noah io... esy e ry RBNIR.. efa in-100 aman-1000 no nivanitihana teto ny @ Jojo lapin tsy tafiditry ny sambofiara fa nilaozany nanenjika an'i Finette, na ilay goaika tsy tonga hatrany everest... Vao t@ herinandro aho izao nijery fandaharana @ télé, dia maro ireo biby izay tena izao vao hita (fa tsy takatr'i Noah sy ny Andrmntrany ny fisiany), na izao vao takatra ny fomba fiainany (toa ireo hermaphrodite nefa mbola nampilaharin'i Noah tao hono).

Fa mety daholo izany rahefa hoe..

IZAY MANANA IMAFINATION AOKA Hi-IMAGINER !!!
166. RBNIR ( 19/02/2016 11:31)

Aza atao vaizvazy hoy aho ilay izy, afobe ange, mandrakizay tsy manapahataperana no resaka rhajo e!!!
167. rhaj0 ( 19/02/2016 11:56)
Ianareo anie no mamazivazy sy mi-insulter ny intelizansan'ny olona fahananareo @ io tantara-anganon'i Noah io ee..

Aiza ny lojika.. koa na zaza eny @ garabola ve ho'a tsy hikentrona dia hanontany:
- dia aiza koa no ampahomby ny biby rehetra tsi22 ao @ sambofiara.. valinteninao: lehibe Atra
- dia mila misakafo/micaca koa anie izany 40 andro/alina izany eee.. valinteninao: lehibe Atra
- dia aiza koa no ahavitana mampandeha tsi22 ny biby rehetra.. valinteninao: lehibe Atra
- dia aiza koa dia ilay boloky ve dia nanidina hatrany Aostralia, dia nihodina tany Amazonia, dia niverina tao Canaan, dia "vavolombelona" fa mbola tsy maina ny tany, fa mbola mila andefasana goaika indray izany.. valinteninao: lehibe Atra

Izay foana no mba hany valinteninao (incantation) ..

Lehibe Atra, ary IZAY MANANA IMAFINATION AOKA Hi-IMAFINER !!!
168. RBNIR ( 19/02/2016 12:24)

« Koa ny renirano no hisotroanao, ary ny goaika efa nodidiako hamelona anao any. » (1 Mpa.17:4)
« Dia lasa izy ka nanao araka ny tenin'i Jehovah; fa nandeha izy ka nititra teo anilan'ny renirano Kerita any atsinanan'i Jordana. » (1 Mpa.17:5)
« Ary ny goaika nitondra mofo sy hena ho azy isa-maraina ary mofo sy hena isan-kariva, ary ny rano tamin'ny renirano no nisotroany. » (1 Mpa.17:6)
Azon'Andriamanitra atao ny mibaiko ireo zava-boary nohariny....

Mosesy dia tsy nahay niteny ary natahotra ny hitondra ny tenin'Andriamanitra, hoy izy..

« Ary hoy Mosesy tamin'i Jehovah: Tompo ô, mifona aminao aho, olona tsy mahay mandaha-teny aho, na hatrany aloha, na hatramin'izao itenenanao amin'ny mpanomponao izao aza; fa votsa vava sy miadam-piteny aho. » (Eks.4:10)

Hoy kosa IZY:

« Ary hoy Jehovah taminy; Iza moa no nanao ny vavan'ny olona? ary iza no mampahamoana, na mampaharenina, na mampahiratra, na mampahajamba? tsy Izaho Jehovah va » (Eks.4:11)
169. rhaj0 ( 19/02/2016 13:19)
RBNIR:
« Ary ny goaika nitondra mofo sy hena ho azy isa-maraina ary mofo sy hena isan-kariva, ary ny rano tamin'ny renirano no nisotroany. » (1 Mpa.17:6)
Azon'Andriamanitra atao ny mibaiko ireo zava-boary nohariny....

ntss... dia avy taiza ilay hena-kisoa sy mofo-sakay: no-importer-na avy tany Dago??

Eny ho'a eee... dia nofahanan'ny corbeau h@ ilay renard koa ho'a, fa i La Fontaine foana koa no tsy mba mahay Baiboly ka fromazy no mba resahiny... Dia noana i Alex ilay liona ary dia nohaniny ny rambon'i Marty ilay zebra; fa azon'i Dreamworks koa izay kah...

Fa tsy quoi na dia ridiculement ridicule azany izany rehetra izany eee... vitan'ny incantation io ary dia... IZAY MANANA IMAFINATION AOKA Hi-IMAFINER !!!

170. RBNIR ( 19/02/2016 20:50)
rhaj0:

io ary dia... IZAY MANANA IMAFINATION AOKA Hi-IMAFINER !!!

toa otran'ny lasa miteniteny foana koa angeh i rhajo izany tato ho ato e?!!!
171. RBNIR ( 19/02/2016 23:11)
RBNIR:

rhaj0:

io ary dia... IZAY MANANA IMAFINATION AOKA Hi-IMAFINER !!!

toa otran'ny lasa miteniteny foana koa angeh i rhajo izany tato ho ato e?!!!

Fa hoezahintsika fintinina hatrany ihany ny resaka rhajo mba tsy hampisavoritaka (otran'ny efa manomboka miteniteny foana mantsy ny sasany amin-tsika eto koa!!!)

Nanokatra ity lohahevitra ity ianao satria "mety" tianao havoitra araka ny famoahan-kevitrao teto fa ny olona tamin'ny taona 0 dia tena 0 araka ny fijerinao azy marina tokoa (ahitsiho aho raha diso ny fiteniko zfdy) mora norebirebin'izao olona belazao rehetra izao hoy ianao, nefa kosa ianao te hampiditra mafy hoe isika amin'izao taonjato misy an-tsika izao dia efa tsy tokony ho amin'izany intsony (right man?!!!) ahitsiho aho hoy aho raha diso ny filazako an!

Dia gaga anefa ianao fa zavatra hafa no hitanao, fa nahita an'i JESOSY ianao (ilay nolazainao fa belazao io) IZAY nahavita zavatra nahatalanjona ny maro (tsy mety voazavan'ny siansa mandraka androany) ary koa nampianatra zavatra nahatalanjona ka nahatonga ireo rehetra maheno izany fampianarana izany resy lahatra avy hatrany (eny fa na dia mandraka ankehitriny aza)....

Noheverinao fa 0 ny fisainana tamin'izany nefa JESOSY ihany koa dia mbola nampitolagaga hatrany satria zavatra tsy tokony ho fantatry ny olona tamin'izany fotoana izany nefa indro fa nambarany sahady 2000 taona lasa izay......

Io Jesosy (izay noheverinao fa 0 @ fisainana io) dia tsy mba nanao zavatra kitoatoa fa nifidy olona maro IZY izay nataony ho vavolombelon'ny asa sy ny fampianarana izay nataony IZY......

Araka ny filazany dia nahazo hery ireny olona ireny, ka ny mahatalanjona dia tsy noterena na novozonana izireo fa dia nahavita nijoro hatramin'ny fahafatesana mihitsy aza mba hampijoro an'io fahamarinana io ho mandrakizay.....
Tafita ny hafatr'i Jesosy ....ka mandraka androany dia mbola hatrany no resy lahatra raha vao mahare ilay fampianarana nahatalanjona fahiny!!!

Ary izaho manokana ihany koa dia mijoro vavolombelona fa tena MARINA ny zavatra nampianarin'i JESOSY fahiny satria ankehitriny dia tanteraka amiko ity teny ity (izay vitsy dia vitsy no manana azy ankehitriny)....Izay notsindriko manokana fa "tsy imagination, fa réel ry namana isany!!!!
« Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra* hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, [*Gr. Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava] » (Jao.14:16)
« dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo. » (Jao.14:17)
« Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankaty aminareo Aho. » (Jao.14:18)

Rhajo moa dia nihevitra ny hitondra fisaina vaovao (fisain'ny taonjato amin'izao fotoana izao no filazany azy) nefa ny fa io fisain-drhajo io anie dia tsy vaovao araka ny fiheverany azy e! fa fisainana efa nisy hatramin'ny andron'i Mosesy io ,
Raha tsorina dia fisainana "tia manohitra an'Andriamanitra"....

Ny fahalalana kely mba hananan'ny olona no indrisy mandetika ny olona manana izany fisainana izany ka entiny MANAO TSINONTSINONA ILAY NAHARY azy....Hoy ny Soratra masina hoe "ny zavatra fantany fotsiny....no animban'ny tenany...." [url=http://www.smartbaiboly.org/online#Joda%201:10](VAKIO TSARA ILAY BOKIN'I JODA Testameta vaovao)....

Koa dia hoy ilay hira iray izay hoe "Samia mamisavisa......

Safidy no manoloana an-tsika ankehitriny : hanaraka ilay fampianarana ka hanantena ilay FIAINANA mpanantenana nataon'i JESOSY sa hanaiky an'i rhajo kely sy ilay fahalalana keliny izay "efa nanimban'ny tenany" ary koa tiany entina mba hanimbana olon-kafa ihany koa????

Hoy i JODA namarana ny teniny........

« Fa ianareo kosa, ry malala, dia ataovy izay handrosoanareo amin'ny finoanareo masina indrindra, ka mivavaha ao amin'ny Fanahy Masina; » (Joda 20)
« ary tehirizo ny tenanareo ao amin'ny fitiavan'Andriamanitra, miandry ny famindram-pon'i Jesosy Kristy Tompontsika ho fiainana mandrakizay. » (Joda 21)
« Ary amindrao fo ny sasany izay miahanahana*; [* Na: raha miady aminareo izy] » (Joda 22)
« ary ny sasany kosa sariho avy amin'ny afo no famonjy azy; ary ny sasany indray amindrao fo amin-tahotra, ka mankahalà na dia ny akanjo voapentimpentin'ny nofo aza. » (Joda 23)
« Ary ho an'izay maharo anareo mba tsy ho tafintohina, ary hametraka anareo tsy hanan-tsiny eo anoloan'ny voninahiny amin'ny firavoravoana, » (Joda 24)
« ho an'Andriamanitra tokana, Mpamonjy antsika, amin'ny alalan i Jesosy Kristy Tompontsika anie, ny voninahitra sy ny fahalehibiazana, ny fanjakana sy ny fahefana hatramin'ny taloha indrindra sy ankehitriny ary mandrakizay. Amena. » (Joda 25)

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!!
172. rhaj0 ( 22/02/2016 11:55)
RBNIR:
Dia gaga anefa ianao fa zavatra hafa no hitanao, fa nahita an'i JESOSY ianao (ilay nolazainao fa belazao io) IZAY nahavita zavatra nahatalanjona ny maro ... Araka ny filazany dia nahazo hery ireny olona ireny ... Ary izaho manokana ihany koa dia mijoro vavolombelona fa tena MARINA...

TSY hoe "gaga-dia-nino" aho, fa "gaga-nivanaka-fa-hoe-mba-ahoana-koa-azany-no-itelomana-izany"... satria ho'a dia, izay mivoaka dia absurde/aberrant/ridicule/..

Fa dia raha tsotsorina dia "gaga-dia-mivanitika" izany eee... :-)
173. RBNIR ( 22/02/2016 12:03)

Aleo i Jesosy ary no hamaly anao raha izany...
« Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Aza mimonomonona ianareo. » (Jao.6:43)
« Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin'ny Ray Izay naniraka Ahy; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany. » (Jao.6:44)

Mitovitovy amin'ity ihany mantsy ianao sy tealala eto...
« Dia nimonomonona tamin'i Jesosy ny Jiosy, satria Izy nanao hoe: Izaho no mofo izay nidina avy tany an-danitra. » (Jao.6:41)
« Dia hoy ireo: Tsy Ilehio va no Jesosy, Zanak'i Josefa, Izay fantatsika ny rainy aman-dreniny? Ahoana no dia anaovany ankehitriny hoe: ho nidina avy tany an-danitra? » (Jao.6:42)

Fehiny: mbola tsy anisan'ireo notaomin'ny Rainy ianareo....

Izay efa notaomina kosa aoka mba tsy hihetsiketsika satria hoy IZY hoe "ary izaho hanangana azy amin'ny andro farany".....
174. tealala ( 22/02/2016 12:25)
Fa ny anareo marina izany ry RBNIR rehefa inona dia ny TT dia rehefa inona dia ny TV no hamaliana olona?
amiko manokana angamba, tokony mba tonga saina kely ihany raha mahita fa ny "finoana" kristianina sy simlamo dia mifototra amin'ny Torah an Israely ihany anefa dia mitsipaka an dr zareo.. tahaka ny hazo tsy misy fototra izany ny hiafarany e, midaboka.
175. RBNIR ( 22/02/2016 12:32)

tealala:

Aleo ary i Jesosy no asaiko mamaly anao e!

« Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Mat.5:17)
176. tealala ( 22/02/2016 12:37)
Dia inona ilay lalàna notanterahina moa izany raha tsy mahadiso?
177. RBNIR ( 22/02/2016 12:52)

tealala:

Dia inona ilay lalàna notanterahina moa izany raha tsy mahadiso?

Tsaratsara aminao manaraka fandaharana indray fa izy mihitsy no resaka ao izao....
178. tealala ( 22/02/2016 13:06)
ka ny ao anie hoy aho, katesisy ihany e, mitovy amin'ny katolika mifangaro fomban'ny jiosy kelikely fotsiny e.
179. RBNIR ( 22/02/2016 13:14)
tealala:

ka ny ao anie hoy aho, katesisy ihany e, mitovy amin'ny katolika mifangaro fomban'ny jiosy kelikely fotsiny e.

kA inona moa no omeko anao hafa noho ny any? Fahamarinana 1 ihany???
180. RBNIR ( 22/02/2016 13:16)
Ny tombony amin'ireo manaraka fandaharana, mivelatra kokoa sady amin'ny antsipirihany....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2508