Ny fi(s)ainana t@ Taon-jato Zero

181. tealala ( 22/02/2016 13:23)
Ka izao ary no anontaniko anao, iza no omena ny ampahafolonkarena raha ny TT no arahina?
182. rhaj0 ( 22/02/2016 17:12)
tealala:
Ka izao ary no anontaniko anao, iza no omena ny ampahafolonkarena raha ny TT no arahina?
RBNIR:
Aleo ary i Jesosy no asaiko mamaly anao e!

Efa hoz'i Jesosy hoe, amidio DAHOLO akoriny azany ny fanananao, fa 1/10 izany resaka taloha.

Fa TSY foin-drizalahy ny fananamBE, ary dia ny resaka no ataony matavy eto eee :-)
183. rbnir ( 22/02/2016 18:09)
tealala:

Ka izao ary no anontaniko anao, iza no omena ny ampahafolonkarena raha ny TT no arahina?

Raha ny momba ny ampahafolonkarena dia efa tapitra voalaza tato...

Raha madio fo ny olona iray, tsy olana aminy velively ny manantateraka ny sitrapon'Andriamanitra////
184. tealala ( 22/02/2016 18:15)
fa i pasitera izany levita sa? sa tonga dia tsorina hoe maka ny anjaran'ny levita izy? sa koa mba te ho levita izy? misy rà ana levita izy?
185. tealala ( 22/02/2016 18:17)
Ay moa tsy hoavy andrava ny lalàna izy fa hanatanteraka. ilay manatanteraka ve manova sa ?
186. RBNIR ( 23/02/2016 03:19)

tealala:

fa i pasitera izany levita sa? sa tonga dia tsorina hoe maka ny anjaran'ny levita izy? sa koa mba te ho levita izy? misy rà ana levita izy?

Ka tsy ho takatrao izany rehefa tsy mino an'i Jesosy ianao, nisy aza mpamory hetra nofidiny ho lasa apostoly......
187. tealala ( 23/02/2016 05:23)
apostoly izany anie teny grika e..
fa rehefa mino azy izany dia afaka omena tsy levitany 1/10 ? sa tonga dia arak'izay tenin'i rhaj0 oe izay mapetipety ny baolina?
188. RBNIR ( 23/02/2016 06:09)

tealala:

apostoly izany anie teny grika e..
fa rehefa mino azy izany dia afaka omena tsy levitany 1/10 ? sa tonga dia arak'izay tenin'i rhaj0 oe izay mapetipety ny baolina?

Fantatrao marina v aloha ny atao hoe levita?

« [Ny amin'ny ho anjaran'ny mpisorona sy ny Levita] Ny Levita mpisorona, dia ny firenen'i Levy rehetra, tsy mba hanana anjara na lova eo amin'ny Isiraely; ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah sy ny anjaran'i Jehovah no ho fihinany. » (Deotoronomia 18:1)

Olona tsy manana anjara amin'izao fiainana izao intsony fa natokan'Andriamanitra hanao ny raharahany (na raha tsorina dia hoe mpisoron'Andriamantira) dia IZY mivantana no mamelona azy...

Ny fahafolonkarena angeh tsy hoe tamin'ny andron'i Mosesy vao nisy ny fanomezana izany ho an'ireo mpisoron'ny Avo indrindra e! (tany fotsiny izy vao tena nosoratana ho lalàna)...

I Abrahama ohatra dia nanome ny ampahafolony ho an'ny mpisoron'ny Avo indrindra atao hoe Melkizedeka...
« Ary Melkizedeka, mpanjakan'i Salema, nivoaka nitondra mofo sy divay; ary izy dia mpisoron'Andriamanitra Avo Indrindra. » (Gen.14:18)
« Dia nitso-drano azy Izy ka nanao hoe: Hotahin'Andriamanitra Avo indrindra anie Abrama, dia Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy ny tany; » (Gen.14:19)
« Ary isaorana anie Andriamanitra Avo Indrindra, Izay efa nanolotra ny fahavalonao teo an-tananao. Dia nomen'i Abrama azy ny ampahafolon'ny zavatra rehetra. » (Gen.14:20)

Jesosy indray rehefa nifidy olona taty aoriana dia tahaka izany koa tsy nanana anjara tamin'izao tontolo izao intsony ireny olona ireny....« Ary hoy Petera taminy: Indro, izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao. » (Mar.10:28)

Dia mazava ho azy mpisorona koa izireo ary Andriamanitra koa no anjarany....« Toy izany koa no nandidian'ny Tompo, fa izay mitory ny filazantsara dia hahazo fivelomana amin'ny filazantsara. » (1 Kor.9:14)

P.S : ho an'izay tsy mahafantatra: ireo lalàna rehetra ireo angeh efa nampianarin'Andriamanitra (am-bava) tany aloha daholo e! fa tamin'ny andron'i Mosesy izy vao tena noraiketina an-tsoratra....
Ireto ny porofo:
Ny Sabata : Izy (Andriamanitra) mihitsy no nitandrina izany voalohany
« Ary tamin'ny andro fahafito dia vitan'Andriamanitra ny asa efa nataony; ary dia nitsahatra tamin'ny andro fahafito Izy tamin'ny asany rehetra izay efa nataony. » (Gen.2:2)
« Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin'izany no nitsaharan'Andriamanitra tamin'ny asany rehetra izay noforoniny tamin'ny nanaovany azy. » (Gen.2:3)

Ary tany an'efitra (mbola tsy azo ny didy folo dia efa nasaina nitandrina ny sabata ny olona

« Henemana no hanangonanareo azy; fa Sabata ny andro fahafito, ka dia tsy hisy amin'izany. » (Eks.16:26)

Biby maloto sy madio : (efa tamin'ny andron'i Noa dia efa nahafantatra ny olona hoe iza no biby madio ary iza no biby maloto....« Ny biby madio rehetra isan-karazany dia hanalanao ho ao aminao fito avy, lahy sy vavy; ary ny biby tsy madio isan-karazany roa avy, lahy sy vavy; » (Gen.7:2)
« Ary Noa dia nanorina alitara ho an'i Jehovah; ary ny biby madio rehetra sy ny vorona madio rehetra dia nanalany ka nataony fanatitra odorana teo ambonin'ny alitara. » (Gen.8:20)

Taloha dia efa nisy ny olona nahafantatra tsara ny sitrapon'Andriamanitra ary niara-nandeha tamin'Andriamanitra hoy ny baiboly.....
« Ary niara-nandeha tamin'Andriamanitra Enoka; ka tsy hita izy, fa nentin'Andriamanitra. » (Gen.5:24)

Abrahama koa dia efa nampianariny an'ireny didiny sy lalàny ireny....« satria efa nihaino ny feoko Abrahama ka nitandrina izay nasaiko notandremany, dia ny didiko sy ny teniko ary ny lalàko. » (Gen.26:5)

Ireny lalàna sy didy ireny dia tsy niova fa efa hatramin'ny voalohany mihitsy no nomena ny olona dia nanohy ry abrahama, nanohy ry mosesy, nanohy Jesosy dia mbola nampianariny hanohy ny mpianany...

I Jesosy ange nisorona araka ny fisoronan'i Melkizedeka e!
« Fa Izy dia nambara hoe: "Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon'i Melkizedeka" (Sal.110.4). » (Heb.7:17)

Ny fahafolon-karena araka izany natao ho an'izay mpisoron'ny Avo fa tsy voatokana ho an'ny taranak'i Levy fotsiny ihany....
Tamin'ny andron'i mosesy izy no natao ho an'ny taranak'i Levy (satria ireo no voafidy ho mpisorona tamin'izany andro izany).....
189. tealala ( 23/02/2016 13:11)
"Tamin'ny andron'i mosesy izy no natao ho an'ny taranak'i Levy (satria ireo no voafidy ho mpisorona tamin'izany andro izany)"
Satria nalaina ireo vahoaka voalohany tokony hanaraka ny didy.
Fa ianao aty anie azo lazaina hoe maka tahaka fotsiny hoe, misy izao ao anaty baiboly dia iny fa lasa tsy fatatra avy ireo zavatra tokony hatao hanatanterahana azy.
190. rhaj0 ( 23/02/2016 13:50)
Ny (taranak'i) Levy mpisorona ve izany no hotrhotr'i Dumbledore ao @ Harry Potter?

Dia ianao Tealala io ve k'lou koa sahala @ Hermione sa i Ron?
191. tealala ( 23/02/2016 16:05)
lany bala ve i rhaj0 zany e? tsy heno tsony a
192. rhaj0 ( 23/02/2016 17:05)
tsy izany fa mibanjina ny rahampitso koa aho tato ho ato eee... :-)
dia variana mivanitika irery ato : [size=8]http://rahampitso.blogspot.ca[/size]
193. tealala ( 23/02/2016 17:49)
siora.
194. RBNIR ( 24/02/2016 05:06)
tealala:

"Tamin'ny andron'i mosesy izy no natao ho an'ny taranak'i Levy (satria ireo no voafidy ho mpisorona tamin'izany andro izany)"
Satria nalaina ireo vahoaka voalohany tokony hanaraka ny didy.
Fa ianao aty anie azo lazaina hoe maka tahaka fotsiny hoe, misy izao ao anaty baiboly dia iny fa lasa tsy fatatra avy ireo zavatra tokony hatao hanatanterahana azy.

Ireo didy ireo tsy voatokana ho an'ny zanak'Israely (zanak'i Jakoba) fotsiny fa didy efa nomen'Andriamaitra (am-bava) tami'izay olona rehetra efa tany aloha tany......
Enoka, Noa, Abrahama, ny mpisoron'ny Avo Indrindra naatao hoe Melkizedeka dia efa nampianarin'Andriamanitra an'ireny didy sy lalàna ireny....
Jesosy ilay voalaza fa hanangana ny "efa rava ela"...« Ary izay taranakao no hanangana ny efa rava ela, ary ny naorina hatry ny fony fahagola no hamboarinao; ary ianao dia hatao hoe mpamboatra ny rava, mpamelon-dalana honenana amin'ny tany. » (Isa.58:12)

Ny fisoronana nataon'i Jesosy dia tsy inona fa ilay fisoronana natao tamin'ny andron'i Melkizedeka ihany....


Rehefa niverina i Jesosy dia nampianatra indray IZY fa....« Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy. » (Gal.3:28)

Avereno vakiana tsara aloha vao mamaly e!!!
195. RBNIR ( 24/02/2016 05:10)
I Abrahama koa efa nampianariny an'ireo didy ireo.....« satria efa nihaino ny feoko Abrahama ka nitandrina izay nasaiko notandremany, dia ny didiko sy ny teniko ary ny lalàko. » (Gen.26:5)
196. RBNIR ( 24/02/2016 05:43)
rhaj0:

tsy izany fa mibanjina ny rahampitso koa aho tato ho ato eee... :-)
dia variana mivanitika irery ato : [size=8]http://rahampitso.blogspot.ca[/size]

Tena tsapan'i rhajo angah fa i rhajo irery sisa no mahasahy mivanitika (samirery) ao???

Tsy ilaina intsony izany ny miinsiste amin'ilay tamin'ny taon-jato 0 fa aleonao ny ampitso indray sisa???

Raha tianao dia hosokafan-tsika indray (lohahevitra hafa mihitsy) ny momban'ny ampitso izay ho avy tsy ho ela intsony!!!
Akatona izany ity aloha fa ny ampitso indray no hodihina sa????

197. RBNIR ( 24/02/2016 05:45)
http://forum.serasera.org/forum/message/m56cd43584f655
198. rhaj0 ( 24/02/2016 14:41)
Ny anao anie ny "ampitso" ka dia avarinao @ rezonema-de-l'an-zero eee... ary priatinao hihidy ao @ ilay box-keli(nao).

Rahefa mibanjina ny rahampitso, dia ampiasaina daholo ny fahalalana sy fahalalahana rehetra eo am-pela-tanana.

199. RBNIR ( 25/02/2016 04:34)
Tsotra fotsiny rhajo a, tamin'ny taona 0 no nampahafantarana ny momban'ny ampitso (izay hoampahafantarina antsika eto raha sitrapon'ny Tompo e!!!)
200. RBNIR ( 03/04/2016 17:42)
Salama Jiaby,
Fa iverenantsika kely amin'izay ngamba ny mikasika ilay trou noir...
Alohan'ny hivadihan'ny masoandro ho trou noir dia hihamahery be ity tranga hita ankehitriny eny amin'ny masoandro ity....

http://www.science-et-vie.com/2014/10/depuis-10-jours-terre-ses-systemes-communicatios-bombardes-soleil/

Tsy hovoasakan'ny "champs magnétique terrestre intsony" izy amin'izay ka dia hotanteraka ity teny manaraka ity.....
« Ary ny fahelatra nampidina ny tao an-doviany tamin'ny masoandro; dia nasaina nandoro ny olona tamin'ny afo izy. » (Apok.16:8)
« Ary main'ny hafanana be ny olona, dia niteny ratsy* ny anaran'Andriamanitra, Izay manam-pahelana amin'ireny loza ireny, izy sady tsy nibebaka mba hanome voninahitra Azy.  » (Apok.16:9)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4947