Ny fi(s)ainana t@ Taon-jato Zero

141. RBNIR ( 10/02/2016 22:43)
tealala:

fa ny anareo marina moa izany ry RBNIR notsipahina daholo ilay lalàna nampianarin'i Mosesy?

Nilaza ianao fa "tao" nefa tsy mahafantatra???
142. RBNIR ( 10/02/2016 22:50)
Tsongaiko manokana:

10 Fa ireo kosa dia miteny ratsy izay zavatra rehetra tsy fantany akory; ary izay zavatra fantany fotsiny, tahaka ny fahalalan’ ny biby tsy manan-tsaina kosa, no animbany [Na: andotoany] ny tenany.

Olona matérialiste, atheist, siantista no tiany ambara amin'io...."ary zavatra fantany fotsiny no animbany ny tenany".......

Olona mihevitra fa ny tenany dia "nofo" sy "aina" fotsiny ihany tahaka ireo biby tsy manan-tsaina ireo fa tsy fantany ny fisian'ny "fanahy" ao anatiny ao........

Mivelona ho an'ny nofo, fa tsy mivelona ho an'"ny fanahy"......
143. RBNIR ( 10/02/2016 22:53)
Tsy fisainana vaovao re ry rhajo io ao aminao io fa fisainana efa nisy hatrizay hatrizay a!!!
144. rhaj0 ( 11/02/2016 03:24)
Izay tsy @ imagination-nao ve moa tsy ho "tahaka ny fahalalan’ ny biby tsy manan-tsaina" aminao.. Fa efa hoe ao @ imagination anao irery ao ho'a ziany, fa tsy ahakasika ny olona eee...

Dia maniinona koa ho'a mikatsentsitra ny vokatry ny "fahalalan’ ny biby tsy manan-tsaina", fa tsy mba manao toa ireny Amish ireny, izay tena manaja tanteraka ny finoany, ary tsy manao toa anao io, tsindrontsindrohana izay mampetimety ny baolina, na resa-baiboly io na asan'ny siansa.
145. RBNIR ( 11/02/2016 04:58)
rhaj0:

Izay tsy @ imagination-nao ve moa tsy ho "tahaka ny fahalalan’ ny biby tsy manan-tsaina" aminao.. Fa efa hoe ao @ imagination anao irery ao ho'a ziany, fa tsy ahakasika ny olona eee...

Tsy izaho kosa no niteny an'io an, IZY anontaniana....

Fa ny fantatro kosa aloha rehefa ny olona iray no mihevitra fa izy dia nofo + aina fotsiny ihany fa tsy misy fanahy dia inona marina moa no mahasamihafa azy amin'ny biby???

Nisy "mana-tsaina" fanta-daza iray izay koa nanamafy an'io....

« Hoy izaho anakampo: Noho ny amin'ny zanak'olombelona izany, mba hizahan'Andriamanitra toetra* azy, ka ho hitany fa raha ny tenany ihany, dia biby izy. » (Mpit.3:18)

"raha ny tenany ihany hoy izy dia biby izy.....Tsy hitako ange izay tokony hahasarotiny an'i rhajo an'izany e, ianao ary efa nanaiky fa taranaka rajako koa!!!
146. rhaj0 ( 11/02/2016 11:37)
Hozy i google
Humans may not use tools and express emotions exactly like other animals, but that doesn't exempt us from animal status. No two species share exactly the same sets of behavior. But we also share far too much in common to pretend that we are some form of life that transcends animal status.

Fa ilay "tsy manan-tsaina"... dia sampona koa ny Andrmntrareo, fa ny biby koa anie ka "manan-tsaina" ee...

Io ilay ivanitihanay aty hoe, ahoana koa azany ilay gasy (toa ahy), "manana saina" sy atidoha lehibe sahala @ baolina volley, nefa dia mandeha aty avaratra mangatsiaka be lanezy aty, nefany ny vorona, "manana saina" sy atidoha sahala @ kanety, mba midina mianatsimo rahefa ririnina ny andro...
147. RBNIR ( 11/02/2016 23:21)
Ny "saina" tsy "fanahy" rhajo,
Itony ohatra azo lazaina fa manan-tsaina ihany (nefa tsy afaka lazaina mihitsy hoe manampanahy namana...

Ary ny fanahy no hahafahana mifandray amin'Andriamanitra (satria IZY dia Fanahy) fa tsy ny saina akory...« Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana. » (Jao.4:24)

Ny olona rehetra dia mitovy avokoa (raha mbola tsy nandray ilay famonjena) samy "maty fanahy" io ilay hitan'i JEsosy fahiny ka nilazany hoe « Fa hoy Jesosy taminy: Aoka ny maty handevina ny maty ao aminy; fa ianao kosa mandehana, ka mitoria ny fanjakan'Andriamanitra. » (Lio.9:60)

Tsy hoe olona maty no andeha hifandevina, fa olona maty fanahy no hitan'i Jesosy (olona tafasaraka tamin'Andriamanitra) namana!!!

Raha mangetaheta ny hovelomina ianao (ilay fanahy ao anatinao) dia araho ilay fampianarna fa "tena misy" ny lalàna izay tsy maintsy hizorana mba hahatongavanao amin'izany namana!!!
148. rhaj0 ( 12/02/2016 12:17)
RBNIR:
tahaka ny fahalalan’ ny biby tsy manan-tsaina kosa..

rhaj0:
Fa ilay "tsy manan-tsaina"... dia sampona koa ny Andrmntrareo, fa ny biby koa anie ka "manan-tsaina" ee...
RBNIR:
Ny "saina" tsy "fanahy" rhajo,...

manaraka tsara ve k'lou ianareo eee.. hozy i Mahaleo izay
149. RBNIR ( 12/02/2016 13:03)
rhaj0:

RBNIR:
tahaka ny fahalalan’ ny biby tsy manan-tsaina kosa..

rhaj0:
Fa ilay "tsy manan-tsaina"... dia sampona koa ny Andrmntrareo, fa ny biby koa anie ka "manan-tsaina" ee...
RBNIR:
Ny "saina" tsy "fanahy" rhajo,...

manaraka tsara ve k'lou ianareo eee.. hozy i Mahaleo izay

Raha ny tenan-tsika fotsiny hoy aho dia mitovy amin'ny biby isika saingy misy ny fanahy (izay hafa nohon'ny saina sao hisy hanafangaro)...

Amin'ny alalan'Io fanahy io no hahafahan'ny olona iray mifandray amin'Andriamanitra satria IZY dia FANAHY...« Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana. » (Jao.4:24)

Hoy i Jesosy hoe « Fa hoy Jesosy taminy: Aoka ny maty handevina ny maty ao aminy; fa ianao kosa mandehana, ka mitoria ny fanjakan'Andriamanitra. » (Lioka 9:60)

Ny ankamaroan'ny olona dia mbola "maty" io fanahy avokoa......Mazava ho azy fa tafasaraka tanteraka amin'Andriamanitra izireo satria tsy eo ilay "singa" iray afaka mampifandray azy roa tonta...
150. rhaj0 ( 12/02/2016 13:48)
Hay va re ka "fanahy" no tianao resahina, saingy fotsiny, "saina" no noventesinao avy tao @ Baiboly rahefa manao incantation io ianao...

Fa ny alika koa ange izao efa mankany @ paradisa, hozy ny Papa eee... ka (mety) "manam-panahy" koa izany zareo kouh... :-)

RBNIR:
Mazava ho azy fa tafasaraka tanteraka amin'Andriamanitra izireo satria tsy eo ilay "singa" iray afaka mampifandray azy roa tonta...

izaho manokana aloha dia tsy quoi amiko izay formule magique avoakan'ny pensée magique-nao ka heverinao fa lojika(-majika) momba ny fanahy-Andrmntra-paradisa-etsetra... TSY mahakasika ahy izany ho'a (fa mampivanitika fotsiny).

Fa na izany aza, inona indray k'lou ity hoe "maty fanahy" ee ?...
151. rhaj0 ( 12/02/2016 20:38)
rhaj0:
Fa na izany aza, inona indray k'lou ity hoe "maty fanahy" ee ?...

Ngo dia misy mahalala aloha hoe, inona no tian'ny Ntaolo lazaina @ hoe "fanahy" ?

Dia mitovy @ concept kristiana "esprit" ve izany ?

Izy io mantsy dia, raha ny fahazoako azy, dia nosavihan'ny Kristiana, na i Andrianaivoravelona nandika ny Baiboly, ny teny malagasy hoe "fanahy"..
152. rhaj0 ( 12/02/2016 20:43)
oops.. kay mi-google dia mahita... dia kay efa noresahin'ny namana teto lavabe koa..

http://forum.serasera.org/forum/message/m4dd66cf724021

http://forum.serasera.org/forum/message/m4fd4b9ce6cf31

http://forum.serasera.org/forum/message/m4fb7c77fe4f0a
153. tealala ( 14/02/2016 12:38)

RBNIR:

tealala:

fa ny anareo marina moa izany ry RBNIR notsipahina daholo ilay lalàna nampianarin'i Mosesy?

Nilaza ianao fa "tao" nefa tsy mahafantatra???

??? ny tiako tenenina dia, ianareo ve tsy mahatsapa fa ny finoana "monothéiste" dia nifototra t@ judaisma daholo ihany? fa novaovaina be fotsiny.
154. RBNIR ( 14/02/2016 14:37)

Ny tiako ambara dia nilaza ianao fa efa nivavaka tao nefa mbola manontany ihany????
155. RBNIR ( 14/02/2016 14:48)

rhaj0:

Hay va re ka "fanahy" no tianao resahina, saingy fotsiny, "saina" no noventesinao avy tao @ Baiboly rahefa manao incantation io ianao...

Fa ny alika koa ange izao efa mankany @ paradisa, hozy ny Papa eee... ka (mety) "manam-panahy" koa izany zareo kouh... :-)

RBNIR:
Mazava ho azy fa tafasaraka tanteraka amin'Andriamanitra izireo satria tsy eo ilay "singa" iray afaka mampifandray azy roa tonta...

izaho manokana aloha dia tsy quoi amiko izay formule magique avoakan'ny pensée magique-nao ka heverinao fa lojika(-majika) momba ny fanahy-Andrmntra-paradisa-etsetra... TSY mahakasika ahy izany ho'a (fa mampivanitika fotsiny).

Fa na izany aza, inona indray k'lou ity hoe "maty fanahy" ee ?...

Aza afangaro ny rehetra e, maro B anie ireo mpivavaka fa 1 ihany no tena manana ny fampianarana avy any ambony araka ity teny ity e
« Izay avy any ambony dia ambonin'izy rehetra; ary izay avy amin'ny tany dia avy amin'ny tany, ka ny momba ny ety an-tany ihany no lazainy; Izay avy any an-danitra dia ambonin'izy rehetra; » (Jao.3:31)
« koa izay hitany sy reny no ambarany; ary tsy misy mandray ny fanambarany. » (Jao.3:32)

Ny papen'ny katolika anie tsy nampianarin'i Jesosy mivantana ary tsy nanehoany izay tany ambony tany e, tsy misy alika any (ianao ngah efa nahita biby nivavaka)????.....Ialao ny video gag an, fa amin'ny ankapobeny jerevana.....
156. rhaj0 ( 14/02/2016 23:34)
RBNIR:
ianao ngah efa nahita biby nivavaka

Ahoana ilay hoe: Ny Akoho Raha Misotro Rano dia ...

Tena narianao ho'a ny fahendren'ny Razana eeee... Na hoe, dia tena voasasa (ho fotsy) tsara kosany ho'a ianao izany eee...
aoka ho'a ry te-ho-Canaanite a, tena efa fotsy ianao ao izany iii??... :-)
157. tealala ( 15/02/2016 03:04)

RBNIR:

tealala:

RBNIR:

tealala:

fa ny anareo marina moa izany ry RBNIR notsipahina daholo ilay lalàna nampianarin'i Mosesy?

Nilaza ianao fa "tao" nefa tsy mahafantatra???

??? ny tiako tenenina dia, ianareo ve tsy mahatsapa fa ny finoana "monothéiste" dia nifototra t@ judaisma daholo ihany? fa novaovaina be fotsiny.

Ny tiako ambara dia nilaza ianao fa efa nivavaka tao nefa mbola manontany ihany????

nande za fa nlaozako nfoka sigara tany ivelany fa belazao araky ny tenin'i rhaj0 i pastera
158. RBNIR ( 15/02/2016 05:32)
rhaj0:

RBNIR:
ianao ngah efa nahita biby nivavaka

Ahoana ilay hoe: Ny Akoho Raha Misotro Rano dia ...
Tena narianao ho'a ny fahendren'ny Razana eeee... Na hoe, dia tena voasasa (ho fotsy) tsara kosany ho'a ianao izany eee...
aoka ho'a ry te-ho-Canaanite a, tena efa fotsy ianao ao izany iii??... :-)

Aza atao vazivazy hoy aho, ny zavatra rehetra efa ataon'Andriamanitra mibaribary, sady tsy afenina.....

Raha nofo+aina fotsiny ianao dia toy ny biby ihany tsy mahalala mivavaka ary tsy hahafantatra an'Andriamanitra, fa ataovy izay "hahavelona" indray ilay "fanahy maty" ao anatinao dia ho afaka hifandray amin'Andriamanitra indray ianao........

« Ary hoy Jehovah: Tsy mba hanapaka mandrakariva ao amin'ny olona ny Fanahiko, fa amin'ny faniavany dia nofo izy; nefa ho roa-polo amby zato taona ny androny. » (Gen.6:3)

Rehefa ny olona no manao toetram-biby, dia miala Andriamanitra.....
159. RBNIR ( 15/02/2016 06:50)
tealala:

nande za fa nlaozako nfoka sigara tany ivelany fa belazao araky ny tenin'i rhaj0 i pastera

Aiza moa ianao no haharay zavatra tealala, ny olona mivavaka mafy mangataka ny Fanahin'Andriamanitra mba hanazava ny saina, dia mihaino tsara ny tenin'Andriamanitra avy eo...
Ianao kosa mis'enfoutre B miaraka amin'ny sigara ao ivelany ao!!! Normal B raha tsy nisy noraisinao e,
Araho ihany ny fandaharana aloha raha tena mangetaheta ianao.....
160. tealala ( 15/02/2016 15:07)
Izaho anie tsy resy lahatra atramin'ny voalohany fa ilay olona no nitarika dia mba tsy hamerenany an'ilay izy amiko matetika dia nandeha aho e, amin'izay tsy miverina intsony amin'ny manaraka. alefa manko izao "argument" rehetra izao hoe tsara be ilay fampianarana amin'ny maraina ao amin'ny tsy aiko ilay fahitalavaitra iny..ny zavatra hita any tahaka ny any amin'ny sasany ihany, vao miteny i pasitera dia efa misy mivaraontsana mipelipelika manao fihetsika tsy dia tsara haseo eny amin'ny arabe, mikorontana mitabataba ao, tena mandeha eny analakely aza mbola mangina raha tsy asina fiara.. Izany no lazaiko fa mitovy daholo, i pasitera mamantsika ny fiangonana hafa point itovizan'ny rehetra, efa nifanena t@ jesoa mbola point itovizan'ny rehetra, ny fahafolonkarena itovizan'ny rehetra, ny fahafolon'karena anie marina ry RBNIR omena ny Levita ny taranak'i Levita no omena azy, dia fantatro ianao fa andefa ilay toko sy andininy misy hoe "ety amin'ny tendrombohitro" fa ny dikan'iny dia ireo izay manatitra fanatitra "convertis".
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3335