Fiainan'i Jesosy ato an-tsaiko

1. endriny ( 07/11/2015 05:39)
Ny an'i Jesosy dia ny zavatra bitika tonga lehibe:

Indray andro diso voky trondro loatra I Jesosy nohon'ny hamaroan'ny tondro noratoiny niaraka tamin'ny mpianatra. Teny ambony sambo moa ry zareo tamin'io. Nanomboka nagotika ny kibon'i Jesosy, ary nilaza tamin'ny mpianatra izy ny mba hanokatra ny lay ahafaingana ny fandehanan'ity sambo taingenany. Dia nosokafana ny lay, sady tsy ny nisy rivotra nitsoka. Dia niandry ka niandry... ny kibony mangotikotika ihany.. farany tsy tanany intsony ka nivalan-drivotra izy... ka niteraka rivo-mahry nipaoka ny sambo toa ny sambon-danitra. Ka vetivety foana dia tojo tan-tseranana ny sambo.

Vao niantsona anefa ny sambo dia gaga ny mpianatra fany trano rehetra nopahon'ny rivotra avokoa ny tafony...
novalian'i rhaj0 ny 09/12/2015 13:36
2. Strong3 ( 09/11/2015 12:40)
atao hoe olondehibe toa ... manalasala :-)!
3. rhaj0 ( 09/11/2015 20:28)
Ka mba mi-bilagy kosany ny namana dia ry Strong3 tsy mahay mihomehy... ntsss...

Inty koa azany bilagiko azany e..


Efa 29 taona hono i Jesosy, ary manomboka vaky loha ny reniny fa ilery tsy mba mierikerika @ sipa. Ka dia nampamboarin-dreniny mba hihaona @ Maria (Magdalena) hono azany ilery (izay koa moa ny fomban-tany t@ izany).

Dia tao an'efitra tao izy roaroa. 10 minitra teo tsisy kOzy. Fa tampoka teo, nihoraka gaigy be i Maria (Magdalena), ary nirifatra nivoaka ny efitra.

Dia nanontany an'i Jesosy ny reniny:
- Fa nisy inona? Natao inona ny zanak'olona?
- An an.. tsy azoko mihintsy, hoz'i Jesosy. Niara-nipetrapetraka nilamina teo zahay.
- Dia ahoana?
- Dia napetrak'i Maria t@ lohaliko ny tanany.
- Dia...?
- Dia mba napetrako t@ lohalikany koa ny tanako, hoz'i Jesosy.
- Hay... tsara izany. Dia ahoana?
- Dia nakorisany niakatra ny feko ny tanany. Dia mba nakorisako koa ny tanako.
- Dia ahoana? hozy ny reniny, efa manomboka mibitaky ny hafaliana fa mba hanao ihany izany ny zanany lahy ity @ farany.
- Dia napetrany teo @ filahiako ny tanany, dia mba nasosako koa ny tanako. Fa "tsisy ninon'inona"!!! Ontsa be taminy aho... ary dia nositraniko ny fery.
4. Strong3 ( 10/11/2015 08:33)
soa fa Ilay malemy fanahy no hanaovanareo izao blagy ratsinareo izao fa ataovy ny silamo no atao izao ...

saingy tsy valina vetivety ny ratsy atao dia manampotoana hamotsimotsiana sy hanimbazimbana io Zanak'Atra io ianareo!

mirary anareo hanana fotoana hisainana ny tokony hatao mba tsy ho simba ny fahatezerany mirehitra amin'ny andro hoavy!
5. rhaj0 ( 10/11/2015 11:47)
Inty koa misy iray... Inty koa mbola misy iray...


Teny ambony hazo fijaliana hono i Jesosy, ary niantso, tamina feo malemy :
- Strong3... Strong3 aaa...

Taitra be avy any (Dago) i Strong3, ary tena falibe ny fony, fa miantso azy i Jesosy (avy any Roma). Ary dia vetivety foana, dia tonga :
- Ry Mpampianatra mahay, inty aho...

Hitan'ireo Romana i Strong3 mhazakazaka manao vy verin'ny ainy io, ary hoz'izy ireo:
- Ndeha ho aiza ialahy ? Ialahy izany naman'i Jesosy ?
Ary tonga dia notapahin-dreo ny tanan'i Strong3 havanana.

Fa mbola hoy ihany Jesosy avy etsy @ hazo fijaliana, @ feo tena malemy :
- Strong3... Strong3 aaa... avia ange eee....

Dia nahazo hery vao i Strong3, ary dia nikezaka ihany ny hanantona AZY..
- Inty aho ry Mpampianatra lehibe... efa tapak'ireto Romana devoly ireto ny tanako, fa tsy quoi izany, fa inty aho eee... ahoana Tompoko ?

Dia hoy Jesosy taminy :
- an an... tena mba tazako avy ety ambon'ny hazo fijaliana ety kosany ho'a ny tranobe-nao ao Ambohidratrimo eeee...
6. Strong3 ( 10/11/2015 12:12)
hihihihi :-) tohizo ihany fa mbola fotoana azonao imehezana izao eh...

« [Anatra ho an'ny tanora fanahy mba hanampoizany ny hihavian'ny fahanterana sy ny fahafatesana] Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora ianao; ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin'ny andro fahatanoranao; ka mandehana any amin'izay sitraky ny fonao sy izay jeren'ny masonao; nefa aoka ho fantatrao fa ho entin'Andriamanitra hotsaraina ianao amin'izany rehetra izany. » (Mpitoriteny 11:9)
na dia efa mihaosa aza i rhaj0 ao dia toa zatovo fijery ny TA ihany , dia omena afatra
7. RBNIR ( 10/11/2015 12:33)
Endriny, rhajo, tealala sns : tsy mitovy amin-tsika i Jesosy na dia nanetry tena ho tonga olona aza...
« Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin'i Kristy Jesosy koa, » (Filipiana 2:5)
« Izay, na dia nanana ny endrik'Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin'Andriamanitra, » (Filipiana 2:6)
« fa nofoanany ny tenany tamin'ny nakany ny endriky ny mpanompo sy nahatongavany ho manam-pitoviana amin'ny olona; » (Filipiana 2:7)
« ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana. » (Filipiana 2:8)
« Koa izany no nanandratan'Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra, » (Filipiana 2:9)
« mba ho amin'ny anaran'i Jesosy no handohalehan'ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny ety an-tany, na ny any ambanin'ny tany, » (Filipiana 2:10)

Raha ny marina dia Andriamanitra IZY saingy nanetry ny tenany,

Ho fampieritreretana vakio ny bokin'ny joda http://www.smartbaiboly.org/online#joda

8. rhaj0 ( 10/11/2015 12:57)
Ity indray azany tsy miresaka (mivantana) an'i Jesosy eee... 'nareo kouh oooo... tsy mba mahazo mivanitika mihintsy izany. :-)


Indray andro hono, i Strong4, zanak'i Strong3, nody avy tany an-tsekoly, ary nahita akoho maty teo an-tokotany. Mitsirara @ lamosiny ity akoho, ny tongony mihinjitra ambony. Tena tonga dia nihiaka be nitomany ity zaza.

Avy i Strong3 dadany nihazakazaka avy tany an-tsaha :
- Aoka zanako... aoka re ee.. Maty re ny akohontsika eee... voan'ny barika.
- Dada aaa... ary fa maninona ny tongony no mihinjitra ambony toa io ee ? hozy Strong4 mbola nifokofoko.

Nieritreritra mafy haingana i Strong3, ary hoz'izy :
- an .. an... @ izay mora amin'Andrmntra, avy eny ambony rahona, ny miondrika dia mandray ny akoho @ tongony eeee... Efa any paradisa izy izao, f'aok'izay zanako aaaa..
- Hay va re... hozy Strong4 zanany nangina t@ izay.

Andro vitsivitsy taty aoriana, dia... nihazakazaka mafy avy tany an-trano i Strong4 namonjy an-drainy any an-tsaha :
- Dada aaa.. Dada aaaa... Saiky naty ho'a i Neny eee...
- Fa nisy inona ? hozy Strong3 rainy.

Dia hozy i Strong4 :
- Nony nody avy tan-tsekoly aho, dia hitako tao @ efitra fandrianareo i Neny, mitsirarara @ lamosiny, ary ny tongony @ io mihinjitra ambony, ary migiaka mafy hoe : "Jesosy oo.. Jesosy oooo... laaaassaaa aaahoooo eeee...."
Fa raha tsy teo i Da'toa Georges an, izay mikofokofoka nandry teo amboniny ary nitazona azy, dia tena efa lasa ary noraofin'Andrmntra i Neny eee....
9. RBNIR ( 10/11/2015 13:01)
rhaj0:

Ity indray azany tsy miresaka (mivantana) an'i Jesosy eee... 'nareo kouh oooo... tsy mba mahazo mivanitika mihintsy izany. :-)

« Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin'ny olona no hojinjany. » (Gal.6:7)
Indraindray tokoa dia otran'ny hoe vazivazy ilay resaka fa tena sahiko ny miteny, any amparany any azon'Andriamanitra hanadinana an-tsika io teny io ry namana....
10. rhaj0 ( 10/11/2015 16:24)
i Paoly (mpaka 19) no niteny an'io fa tsy Andrmntra na i Jesosy ee... T@ izay teny notanterin'i Jesosy ve, dia niteny IZY hoe "aza mifamazivazy" ??

Toa manana sens de l'humour ihany IZY kouh... raha tsy izany ve tsy mora be ny amoronan'ny olona "vazivazy" @ izay ataoNY ? :-)
11. Strong3 ( 11/11/2015 09:29)
aleo hiteny ihany hoa za na dia mbola sahirana aza ny modo antsika ... :-)

anokafy sehatra hifanitiany ingahy mampianatra hamohamon'ny famampianarana tsimisiAtra tsy misy mihaino .... fa aty amin'ny lohahevitra tsy miaranaraka amin'izany izy no mivanikika tsy laitra!!!
12. rhaj0 ( 11/11/2015 12:16)
hi hi hi.. tsy zakan'ny tsenan'i Strong3 ny vanitika.. mba tsy manao toa extremisma moslimo azany izy fa mba fotsiny hoe, akisaho any tsy ho eto @ sehatra io eee... hi hi hi .. resaka fivavahana sy finoana no resako kouh... raha mampivanitika izany dia izay izany eee...
13. RBNIR ( 12/11/2015 05:04)

rhaj0:

i Paoly (mpaka 19) no niteny an'io fa tsy Andrmntra na i Jesosy ee... T@ izay teny notanterin'i Jesosy ve, dia niteny IZY hoe "aza mifamazivazy" ??

Toa manana sens de l'humour ihany IZY kouh... raha tsy izany ve tsy mora be ny amoronan'ny olona "vazivazy" @ izay ataoNY ? :-)

« Fa ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny amin'ny filazantsara izay notoriko, fa tsy araka ny fanaon'ny olona izany. » (Gal.1:11)
« Fa izaho tsy nandray azy tamin'olona, ary tsy mba nampianarina aho, fa tamin'ny fanambaran'i Jesosy Kristy ihany. » (Gal.1:12)
14. Strong3 ( 12/11/2015 05:31)
aaa efa ho lasa resaka mahery vaika ny anao ka aleo mba ampitsahivina hoe :
fivavahana sy finoana ilay resaka !
15. endriny ( 12/11/2015 09:22)
mba manao ny fikan'i Paoly aho e...
16. rhaj0 ( 12/11/2015 11:21)
Ilay Galatiana re ry RBNIR dia mbola "fikan'i Paoly" koa aa... Ary revirevy (na rediredy) ny an'i Paoly fa i Jesosy tsy nilaza mihintsy hoe "aza mifamazivazy"... Iray ao @ Didy Folo ve k'lou azany izany eee...


Strong3:
fivavahana sy finoana ilay resaka

Io indray k'lou ry Strong3 dia tena hotry ny hoe, mila amboarina(o) ny fijerinao, fa
1- TSY fiangonana ny eto fa forum; ngo dia heverinao fa "mivavaka" azany no andehanana eto.
2- Ny resaka (vanitika) fivavahana sy finoana, dia resaka fivavahana sy finoana.

Fanampin'izay, ilay fisainanao tia manao censure, na koa, manilikilika (mody hoe "anokafy sehatra" hafa : tsy "segregation" ve izany?) dia tena fisainana-box-kely, fa mba mivoara eeee... Ry Strong3 itony angamba raha (tampohiny) mahazo fahefana dia asa fotsiny...
17. Strong3 ( 12/11/2015 13:06)
tsy misy fahefana nomena ahy handrara anao hiteny izay tianao tenenina eto eh!

fa ilay lohahevitra no mamaritra sy ampitsahivina hoe ..; izay

forum tokoa ity fa tsy fiangonana ; dia tsy afaka mifampitaiza fa mifampivanitika eto izany...

nefa ny fanotanianareo tsimisiAtra manesika anay ho tsy hivanitika ... satria tsy mpivanitika ny Atray!
18. rhaj0 ( 12/11/2015 13:33)
Strong3:
tsy mpivanitika ny Atray!


hi hi hi... tsy mpamaky Baiboly marina ianao...

Psaumes 2.4 Celui qui siège dans les cieux rit, Le Seigneur se moque d'eux.
Psalm 2:4 He that sitteth in the heavens shall laugh: the Lord shall have them in derision.
19. Strong3 ( 13/11/2015 12:13)
mdr.... :-) ...

raha pastera sekita ianao dia irony le mpamarotra ampitsanganana irony ...
paka ambolony ny TA, mandray ny TA araka izay imagination-any ao fotsiny ... sns

tsy ho izany mihitsy ny hevitr'io ... raha hoe vanitika no lazainao ho hevitr'io

hahahah :-) :-)
20. rhaj0 ( 13/11/2015 12:33)
mi-rire sy/na mi-se moquer dia midika hoe "mivanitika"... izany k'lou hozy ny google translate
http://translate.google.ca

f'n'enareo Kristiana "tena izy" ve moa tsy ho spin-ner-na sy metafaorer-na daholo izay resaka rehetra, ampametimety ny baolinareo ao...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1701