FIVAVAHANA haitraitra!? ... inona izany

1. Strong3 ( 23/10/2015 11:28)
« Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin'ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata; » (Kolosiana 2:16)
« aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an'i Kristy. » (Kolosiana 2:17)
« Aza mety hofitahina tsy hahazoanareo ny loka noho ny fanetren-tena haitraitra sy ny fivavahana amin'ny anjely, ka mitompo amin'ny zavatra efa* hitany sady feno fiavonavonana noho ny fisainan'ny nofony [* Na: (tsy)] » (Kolosiana 2:18)
« ka tsy mihazona ny Loha; Izy no itomboan'ny tena rehetra, izay velomina sy ampiraisina tsara amin'ny famavany sy ny hozatra, araka ny fampitomboan'Andriamanitra. » (Kolosiana 2:19)
« Ary raha niara-maty tamin'i Kristy ianareo ka efa afaka tamin'ny abidim-pianaran'izao tontolo izao, nahoana no toa mbola velona amin'izao tontolo izao ihany ianareo ka mety hodidiana hoe: » (Kolosiana 2:20)
« Aza mandray, aza manandrana, aza manendry - » (Kolosiana 2:21)
« levona amin'ny fanaovana ihany izany rehetra izany - araka ny didy sy ny fampianaran'olona? » (Kolosiana 2:22)
« Izany rehetra izany dia ankalazaina ho fahendrena amin'ny fivavahana haitraitra sy ny fanetren-tena ary ny fampahoriana ny tena, nefa tsy manan-kery akory hahasakana ny fampanaranana ny nofo. » (Kolosiana 2:23)

IO NO LOHAHEVITRA ANDEHA HODINIHINA ARY ! >
zarao amin'ny fomba tsotra tsy misy OLAKOKA ny hevitrao !
ary aza entim-po mafana ka ho HS
novalian'i Strong3 ny 03/11/2015 12:37
2. RBNIR ( 23/10/2015 16:23)
Faly misera namana,
« Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin'ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata; » (Kolosiana 2:16)
« aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an'i Kristy. » (Kolosiana 2:17)

Araka ireo teny ireo dia aloky ny zavatra ho avy ireto voatanisa manaraka ireto :
1 fomba fihinana sy fisotro
2 andro firavoravoana,
3 voalohambolana,
4 Sabata,

Inona avy ary izy ireo?
1 Aza avela hisy hitsara anareo amin'ny fihinana sy fisotro
« Tonga ny Zanak'olona mihinana sy misotro kosa, ka hoy ny olona: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan'ny mpamory hetra sy ny mpanota. Fa ny fahendrena dia hamarinin ny asany*.» (Mat.11:19)
Jesosy koa dia niaran'ny fitsarana tamin'io fihinanana sy fisotroana io,
Eto aloha dia mila fahendrena, ny toaka tsy fisotro sao dia misy hihazakazaka amin'izay indray isika rehetra...
Inona ary no nitranga : rehefa tonga ny andro firavoravoana ny olona dia manetry tena mifady (oh mofo tsy misy masirasira sns....) Jesosy sy ny mpianany kosa mihinana sy misotro ihany....
Fehiny tsy tokony hifady hanina sy tsy hisotro intsony rehefa tonga ny andro firavoravoana fa tokony hihinana sy hisotro tahaka an'i Jesosy sy ny mpianany,

2 Andro firavoravoana : « [Ny amin'ny andro firavoravoana telo, dia ny Paska sy ny Pentekosta ary ny Tabernakely] Tandremo ny volana Abiba, ka ataovy ny Paskan'i Jehovah Andriamanitrao fa tamin'ny volana Abiba no nitondran'i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka avy tany Egypta tamin'ny alina. » (Deot.16:1)
Fehiny tsy tandremana intsony ireo andro firavoravoana 3 ireo dia ny paska, pentekosta ary ny tabernakely,

3 Voaloam-bolana : io angamba dia mazava be fa dia fankalazana ny volana voalohany io ary ao anatin'io no hankalazana ihany koa ny paska na ny fihinanana ny mofo tsy misy masirasira « Amin'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana voalohany, nony hariva, no hihinananareo mofo tsy misy masirasira ambara-paharivan'ny andro fahiraika amby roa-polo amin'ny volana. » (Eks.12:18)

Io voalohambolana io koa araka izany dia dia tsy tandremana intsony satria aloka

4 Sabata, eto dia mila fitandremana ary mila alaina ny dikan-teny frantsay : Que personne donc ne vous juge au sujet du manger ou du boire, ou au sujet d'une fête, d'une nouvelle lune, ou des sabbats:

Sabbats au pluriels io (izany hoe karazana sabata maromaro) saingy tsy tafiditra ao ny andro fahafito satria ny andro fahafito dia notsindrina manokana araka ny heb.4:9 « Koa dia mbola misy sabata fitsaharana (andro fahafito vakio ny dikanteny DIEM) ho an'ny olon'Andriamanitra. » (Heb. 4:9)

Manamafy izany ny dikan-teny katolika amin'ny teny anglisy
9 There must still be, therefore, a seventh-day rest reserved for God's people,
http://www.catholic.org/bible/book.php?id=65&bible_chapter=4

Inona ary araka izany ireo sabata voalaza ireo? Tsy inona akory fa ireo karazana Sabata taona ao anatin'ny Levitikosy 25

Ireny karazana Sabata hafa ireny araka izany dia efa aloka fotsiny ihany koa....

« Aza mety hofitahina tsy hahazoanareo ny loka noho ny fanetren-tena haitraitra sy ny fivavahana amin'ny anjely, ka mitompo amin'ny zavatra efa* hitany sady feno fiavonavonana noho ny fisainan'ny nofony [* Na: (tsy)] » (Kolosiana 2:18)
« ka tsy mihazona ny Loha; Izy no itomboan'ny tena rehetra, izay velomina sy ampiraisina tsara amin'ny famavany sy ny hozatra, araka ny fampitomboan'Andriamanitra. » (Kolosiana 2:19)
« Ary raha niara-maty tamin'i Kristy ianareo ka efa afaka tamin'ny abidim-pianaran'izao tontolo izao, nahoana no toa mbola velona amin'izao tontolo izao ihany ianareo ka mety hodidiana hoe: » (Kolosiana 2:20)
« Aza mandray, aza manandrana, aza manendry - » (Kolosiana 2:21)
« levona amin'ny fanaovana ihany izany rehetra izany - araka ny didy sy ny fampianaran'olona? » (Kolosiana 2:22)
« Izany rehetra izany dia ankalazaina ho fahendrena amin'ny fivavahana haitraitra sy ny fanetren-tena ary ny fampahoriana ny tena, nefa tsy manan-kery akory hahasakana ny fampanaranana ny nofo. » (Kolosiana 2:23)

Araka io teny io koa ireny zavatra 4 ery ambony ery ireny dia voasokajy ho fanetre-tena haitraitra (aingitraingitra= zavatra vidina lafo nefa tsy mitondra soa akory)..

Isaky ny manao paska ohatra raha araka ny baiboly dia misy zavatra maro fadina tsy hohanina toy ny mofo tsy misy masirasira sns....nefa tsy mahasoa akory izay no antony tsy nitandreman'i Jesosy sy ny mpianatra azy

Inona ny vokatry ny fitandremana an'ireny fivavahana haitraitra ireny?
1- « ka tsy mihazona ny Loha (tafasaraka amin'i Kristy) Kol.2:19
2- araka ny didy sy ny fampianaran'olona? » (Kol.2:22) « Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, Raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy. » (Mar.7:7)
Lasa foana ilay fivavahana eo anatrehan'Andriamanitra = toy ny tsy misy...
3 « Izany rehetra izany dia ankalazaina ho fahendrena amin'ny fivavahana haitraitra sy ny fanetren-tena ary ny fampahoriana ny tena, nefa tsy manan-kery akory hahasakana ny fampanaranana ny nofo. » (Kol.2:23) Io no maha haitraitra na aingitraingitra azy misy fampahorian-tena BE NEFA TSY MAHASOA AKORY (VIDINA LAFO NEFA TSY MITONDRA SOA AKORY)
4 Ity no tena zava-doza : « Aza mety hofitahina tsy hahazoanareo ny loka noho ny fanetren-tena haitraitra ===> tsy hahazo ilay LOKA DIA ILAY FIAINANA MANDRAKIZAY izay rehetra mbola miziriziry manohy ny fitandremana ireny rehetra ireny.....

Izay fa dia samia hotahin'Andriamanitra daholo...

3. RBNIR ( 23/10/2015 16:29)
« Aza mety hofitahina tsy hahazoanareo ny loka noho ny fanetren-tena haitraitra........» (Kol.2:18)
4. RBNIR ( 24/10/2015 16:43)
Tena tian-tsika i JESOSY,

ARAHO NY FANDAHARANA HAMANTARAN-TSIKA NY MARINA REHETRA

http://forum.serasera.org/forum/message/m547a02dae5dfe

« ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo. » (Jao.8:32)

SAMIA HOTAHIN'ANDRIAMANITRA DAHOLO!!!
5. Strong3 ( 26/10/2015 06:29)

RBNIR:

Tena tian-tsika i JESOSY,

ARAHO NY FANDAHARANA HAMANTARAN-TSIKA NY MARINA REHETRA

http://forum.serasera.org/forum/message/m547a02dae5dfe

« ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo. » (Jao.8:32)

SAMIA HOTAHIN'ANDRIAMANITRA DAHOLO!!!

navy koa anao zay ndréky pub pub nao ity... nga tsy misy mpihaino mihitsy izy ao no dia milofo fatratra amin'ny fomba rehetra tahaka izao?
tsy mba hitanao nga io lohahevitra io hoe :
hiarahamandinika?

ka rah olo... / sa karamaina mihitsy nareo ireto hanao izao matracage izao mba ho lancé aingana ra dadapasy
6. RBNIR ( 26/10/2015 06:36)
Strong3:

Diso daholo ny zavatra hilazanao ahy satria tsy pub io fa fitarihana ny olona hitady ny marina fotsiny ihany,
fa dia misaotra ihany aloha araka ny soratra masina..« Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona. » (Rom.12:14)
7. Strong3 ( 26/10/2015 07:41)
rehefa tsy mety aminao ilay lohahevitra dia mipetraha fotsiny , fa tsy avilivily atsy sy aro ny olona,
tsy miraty okaz mihitsy ... lol :-)
raha manenjika mpangalatra ny polisy de .... hainao ny tohiny eh
ary tsy misy fanenjehana nataoko teto , fa enao no mitsara anay ho mpanota sy misy kilema satria tsy mivavaka ao aminareo :-)
mampnaélo ny toetsainareo
8. RBNIR ( 26/10/2015 07:59)

Manina raha mba manana fijery madio indray isika namana strong3 a!
Ahoana moa no hahitan'ny olona ilay fandaharana raha tsy misy olona (efa mahafantatra) manoro azireo ny misy azy?
Tsy manaka any olona tsy hisera eto izany (fa matoa izy tsy mamaly intsony mety efa tafita ilay hafatra e!)....
9. Strong3 ( 26/10/2015 08:17)
iza no tsy manana fijery madio eh?

ianao mahita ny an'ny hafa misy kilema sa ny hafa ...

10. RBNIR ( 26/10/2015 08:19)
Strong3:

ary tsy misy fanenjehana nataoko teto , fa enao no mitsara anay ho mpanota sy misy kilema satria tsy mivavaka ao aminareo :-)
mampnaélo ny toetsainareo

Ity ilay efa nahitsy foana fa tsy mety takatrao mihitsy (tsy fitsarana, tsy fanenjehana tsy fanaratsiana, fa filazana ny marina fotsiny ihany, ny tanjona dia ho fampianarana, fifampitaizana amin'ny fahamarinana, fanitsiana izay diso...
Tsy lavina aloha fa mety hisy foana ny diso fandray (otranao izao) dia mampalahelo fa mety handalo aminy fotsiny ilay marina....
11. RBNIR ( 26/10/2015 08:24)
Strong3:

iza no tsy manana fijery madio eh?
ianao mahita ny an'ny hafa misy kilema sa ny hafa ...

Ny anjaranay namana dia ny mitory ilay tsy misy kilema nampianarin'i Jesosy!!!
Raha mahatsiaro zavatra hafa ankoatran'izay ianao dia mety fahatanterahan'ity teny ity fotsiny ihany izany ...« Fa velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin'ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo. » (Heb.4:12)
12. Strong3 ( 26/10/2015 08:29)
tokony hasian'i modo famafana post hoan'ny tompon'ny sujet hoa ato eh

dia izay HS dia afaka fafana

.... filazana ny marina ve izao teninao izao ry RBNIR:

__ ny fampianaran'i dadapasinay ihany no marina tsy misy kilema satria IZY IRERY NO NIRAHIN'I JESOSY HITORY ETO MADAGASIKARA
__ ny fampianaran'i dadapasinay ihany no marina tsy misy kilema satria IZY IRERY NO NITORY NY FAMPIANARANA 2000 taona lasa tsy misy valaka 100%

hamarino arabaiboly ireo
___ dia lazao fa tsy fitsarana ny hafa ho diso avy hatrany ireo teny ireo
aiza amin'ireo teny roa ireo no misy fampianarana madio???
13. RBNIR ( 26/10/2015 08:52)
Fa inona moa ny olana aminao tsy potsirina ny marina raha diso ilay fampianarana namana??? (tsy misy bedy anie eto e!)
Ny mampalahelo hoy aho dia tsy misy fitsikerana mihitsy avy aminao raha mikasika ilay fampianarana fa (izao indray no toa lasa sujet de conversationao....ka normal ange raha lasa HS ilay resaka satria tsy ilay fampianarana natolotro no tsikeranao fa lasa izaho indray e!!!

P.S : tsy ho lasa HS intsony io rehefa tsy mijery ahy intsony ianao fa mijery ilay fampianarana atolotro,
Jereo anie e, misy lavabe izao nomeko ery ambony ery mikasika ilay lohahevitra fa tsy mbola nisy mihitsy na dia 1 aza nanankiananao (na koa nanohananao) an'ireo fa dia aty amiko ny fijerinao...
NORMAL HOY AHO LASA HS NY RESAKA SATRIA IZAHO INDRAY NO LASA SUJET FA TSY ILAY NATOLOTRAO!!!
14. Strong3 ( 26/10/2015 09:40)
mdr .. ato jerena hoy ianao fa tsy nionona teo amin'ireo voalaza ireo ianao , donku HS tampoka noho io ny resaka tokony handeha!
15. RBNIR ( 26/10/2015 09:43)

Strong3:

mdr .. ato jerena hoy ianao fa tsy nionona teo amin'ireo voalaza ireo ianao , donku HS tampoka noho io ny resaka tokony handeha!

Ka tsy mahasakana ny hafa haneho hevitra hoy aho izany...
16. Strong3 ( 26/10/2015 10:10)
za anie manasa anao hanokatra compte fb , dia miditra amin'ny groupe misy ahy , dia any isika afaka mifanakalo hevitra tsara raha vonona ianao eh

fa eto toa tsy afaka fafana ny HS , izay tena sujet no resahina fa tsy havadibadika eo ny resaka :-)

___ rehefa azonao ny tiako lazaina dia afaka tohizana amin'ny tena sujet ny resaka ...
ary miangavy anao aho , miangavy hoy aho satria tsy tompon'ity serasera ity aho ka tsy afaka ny handidy , aza manao pub fa izay ao ankibonao no avoahy eto . (satria mety ho sarotra aminao koa ny hiditra ao amin'ny fb :-) )
17. Strong3 ( 26/10/2015 10:12)

18. rhaj0 ( 26/10/2015 10:32)
Strong3:
tokony hasian'i modo famafana post hoan'ny tompon'ny sujet hoa ato eh

dia izay HS dia afaka fafana

esy ee... samy manana ny soatoaviny marina..
soatoavina Kristiana ve io mitady (sy mitia) manao censure io ry Strong3 ??

Toa tsia, satria i Hery dia tena mba deraiko hatrany kosany fa tena ouvert ary tsy mba manao censure izany.

Fa dia misaotra anao nilaza ny fombanao any @ facebook any ee.. izaho aloha tsy (tia) mandeha any @ forum-be-censure izany..

19. RBNIR ( 26/10/2015 10:47)
Strong3, tsy hary hovaolaza eto daholo ny fahamarinana.....
20. Strong3 ( 26/10/2015 10:47)
ka matoa miresaka dia mba misy tanjona angamba , fa tsy hampivanikika anao eto akory no dia tanjona lava eto raha tsy hoe angaha ka vizakin'ny asa ihany koa ny tenanay :-)

___ fa ianao hoa rhaj0 dia record amin'ny famendrofendroana ny hafa mihitsy ... lol

inona moa no olona raha manao censure ny kristiana?
moa tsy Ilay Andriamaniny mihitsy no tompon'izany sivana izany, moa tsy ho sivanina ny olona hiditra any ambony any ?

__ tsy manakana ny sujet izay mandeha ny teny kou eto , fa ny sujet mandeha tokony hajaina araka izay lohahevitra mipetraka fa tsy isak'izay sujet mandeha eto dia misy an'ity pub pub lava ity
__ ato jerena eh
__ araho ny fandaharana ato eh
__ blablabla...

nga tsy afaka miresaka tsotra samby manantsaina ,dia izay tsy mahatakatra mipetraka fa tsy ampanarahanao ny tsihaitsihainao any; olona tsy hiresaka eto nefa ampidirinao :-)

fahendrena amiko ny mamaly araka izay hevitra sokafana fa tsy mamily izany na hanararaotana hanaovana dokambarotra ny radionao sy ny bokinao tsy mandeha tsy misy mpihaino any !
__ toa mbola tsy nahita aho hoe iny ra Hery ka niteny hoe:
arao ato ny lahatenin'i Papa , raha tsy hoe mifandraika amin'ilay resaka anga ilay teny resahina!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2756