Ahoana ny hevitrao ?

1. bor2lais ( 18/05/2015 08:34)
Ity indray no malaza : Mariazy gay
novalian'i endriny ny 26/05/2015 14:24
2. Tefigasy ( 18/05/2015 09:40)
bor2lais:

Mariazy gay

Salama namana,
Mba nitsiditsidika kely internet indray aho anio dia gaga nahita an'io resahinao io. Dia rehefa mba nifampiresahiko tamin'ny olon-kafa dia hoy ilay olon-kafa hoe rehefa hihinana maloto koa ny vazaha dia hoavy koa ny malagasy hanesika fa izany hono no mariky ny fandrosoana. Toa mahagaga mihitsy hoe fiangonana protestanta (hono) no lasa tsy mifototra amin'ny baiboly intsony! Indrisy, na izany aza tsy mahagaga fa efa fahantanterahin'ny faminaniana daholo anie izany e !
Koa tandremo tsara izay fandehanareo , mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala , fa tahaka ny hendry. Ary noho izany dia aza manao adaladala , fa aoka ho fantatrareo izay sitrapon'ny Tompo, dia aoka hofenoina ny Fanahy,
Ianareo vehivavy , maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo. Fa ny lahy no lohan'ny vavy , dia tahaka an'i Kristy koa Lohan'ny fiangonana ; ary Izy no mpamonjy ny tena. Fa tahaka ny aneken'ny fiangonana an'i Kristy no haneken'ny vavy ny lahy koa amin'ny zavatra rehetra.
Ianareo lehilahy , tiava ny vadinareo , dia tahaka ny nitiavan'i Kristy ny fiangoanana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy , mba hahamasina azy amin'ny anadiovany azy amin'ny rano fanasana amin'ny teny ; mba ho raisiny [hatolony] ho an'ny tenany izany ho fiangonana malaza tsy misy pentipentina , fa mba ho masina sady tsy misy tsiny izay. Dia tahaka izany koa , ny lehilahy tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany.
Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hiray amin'ny vadiny , ary dia ho nofo iray ihany izy roroa" (Gen. 2. 24). Zava-miafina lehibe izany ; fa milaza ny amin'i Kristy sy ny fiangonana aho. Na dia izany aza , samia tia ny vadiny tahaka ny tenany ianareo lehilahy rehetra , ary aoka kosa ny vavy hanaja [hatahotra] ny lahy.

Efa mba nahavita namaky an'io baiboly io hatramin'ny farany aho fa toa mbola tsy nahita an-dalan-tsoratra masina mba nankasitraka an'ireny gay ireny na iray aza.

Mety ho efa lany andro marina ny baiboly amin'ny sasany fa amiko izy aloha dia tenin'Andriamanitra izay tsy miova omaly ary ho mandrakizay.
3. RBNIR ( 18/05/2015 12:55)

bor2lais:

Ity indray no malaza : Mariazy gay

Salama namana,
Mahazo tsy mitondra ny hevitro v fa ny fihevitr'Andriamanitra....
Samia ho tahin'Andriamanitra namana...
4. Fiffi ( 18/05/2015 13:01)
....zah koh tsy hilaza ny hevitro....samy manao zay tiany io....

juste ceci: Le mariage n'est pas un sacrement pour les protestants

no comment.
5. bor2lais ( 18/05/2015 13:08)
RBNIR:

Mahazo tsy mitondra ny hevitro v fa ny fihevitr'Andriamanitra...

:-)
Fiffi:

...zah koh tsy hilaza ny hevitro....samy manao zay tiany io...
juste ceci: Le mariage n'est pas un sacrement pour les protestants
no comment.

Misaotra an'i Fiffi nilaza ny heviny ô ! :-)
6. booboo ( 18/05/2015 15:48)
Mazana ihany mahazo ny homos kah, sady efa voaulilika eo @ fiaraha-monina, ny harcèlement @ sehatry ny asa koa eo, resaka finoana direct afobe ne passez pas par la case départ. Nefa dia mitovy @ rehetra ihany : mandoa hetra, miasa ara-dalana fa tsy declare hoe inapte na handicape noho ny pratiques sexuelles-ny sns. Isan'ny mankasitraka aho ny @ io fanapahan-kevitry ny Epuf io, izay fomba fanaovany crac crac tsy hidirako loatra ( na heteros na homos ), ho eo ankavia sa ankavanan'ny Tompo, Azy izany, olombelona toa ahy ry zareo amiko manokana, ny partenaire hanaovana crac crac fotsiny no tsy hitovizana fa ny ankoatra zay mitovy ( mety misy kamo mipasoka ohatra ahy, be menomenona sns ????). Samy eo ambany fahasoavanY aby.
7. RBNIR ( 19/05/2015 02:38)
Izaho mantsy no mahatonga ahy miteny hoe mahazo mitondra ny fihevitr'Andriamanitra v?
« Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah. » (Isa. 55:8)
Raha hitady "ny marina" isika dia aleo ao amin'ny sy izay nampianariny no hitadiavana izany
« ........... ary izao no nihaviako amin'izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin'ny marina dia mihaino ny feoko. » (Jaona 18:37)

koa raha hitady ny tena marina isika dia ny fiheviny no tokony katsahina.....


8. RBNIR ( 19/05/2015 02:54)
Raha ny fihevitr'Andriamanitra dia izao:« Aza mandry amin'ny lehilahy tahaka ny fandry amin'ny vehivavy; fa fahavetavetana izany. » (Lev.18:22)

Izay manao izany dia voasokajy ho isan'ny "vetaveta" « Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta .............dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa. » (Apokalypsy 21:8)

Ho an'ny mpankasitraka izany kosa dia izao no nolazainy (fa tsy hoe hoy aho akory )
« dia olona mahalala tsara ny fitsipika nomen'Andriamanitra fa izay manao izany zavatra izany no miendrika ho faty, nefa tsy manao izany ihany izy, fa mankasitraka ny manao koa. » (Rom.1:32)
Dia tena marina ny fizarana nataon'i tefigasy hoe efa voasoratra ela ny hisian'ny olona "mahalala tsara ny fitsipika nomen'Andriamanitra nefa dia........

Samia ho tahin'Andriamanitra namana....
9. RBNIR ( 19/05/2015 03:00)
Efa voasoratra hoy aho satria raha mamaky ilay romana 1 ianao dia izao no voasoratra ao ambonimbony ao « ary tahaka izany koa ny lehilahy, fa namela ny fanao amin'ny vehivavy izy ka maimay tamin'ny fifampilany samy lehilahy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin'ny tenany ny valiny izay tokony ho azy noho ny fiviliany. » (Rom.1:27)

P.S: ho an'ireo izay mbola tsy mino fa Andriamanitra no nampanoratra ny baiboly dia io porofo anankiray fa ny zavatra rehetra dia efa voasoratra avokoa......« fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin'ny Soratra Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany; » (2 Pet.1:20)
« fa tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona araka izay nitondran'ny Fanahy Masina azy. » (2 Pet.1:21)

Hitahy an-tsika anie ny Tompo......
10. bor2lais ( 19/05/2015 08:04)
Misaotra antsika rehetra amin'ny fandraisana anjara !
Tefigasy:

Toa mahagaga mihitsy hoe fiangonana protestanta (hono) no lasa tsy mifototra amin'ny baiboly intsony!

Io angamba no azo amehezana ny fahatairan'ny maro (indrindra ny ankamaroan'ny malagasy protestanta tafaresaka tamiko) teo anoloan'ny fanapahan-kevitra noraisin'io synoda EPUdF io !

Tefigasy, RBNIR > marihina fa Mpitandrina ny ankamaroan'ireo nanapa-kevitra ka heveriko fa mahafantatra ny Soratra Masina indrindra ireo ambaranareo ireo !

Manaraka izany, tsara ho fantatra fa EPUdF tsy midika hoe protestanta rehetra akory (fa io moa gazety no miteny dia haintsika ihany !). Jereo eto ho an'izay mety ho liana.

Amin'ny fomba fiasa : matoa misy hevitra entina any amin'ny synoda tahaka io dia efa voaomana sy masaka fa hakana fankatoavana sisa (tsy misy adihevitra firy intsony) raha tsy diso aho : tsangan-tanana no natao 94 eny ary 3 tsia ! Hita fa fanapahan-kevitra mikasika ny olam-piaraha-monina iainan'ny Fiangonana no natao !

booboo > ataoko fa tsy dia resaka fanilihana na tsy fitiavana "homo" loatra ilay izy fa toa fahatsapana fanimbana sy fanaovana tsinontsinona (ary fandravana ankolaka) ny antsoina hoe fanambadiana na mariazy araka ny voalaza ao amin'ny Soratra Masina.

Fiffi > marina ny voalazanao fa tsy sakramenta tokoa ny mariazy ho an'ny protestanta fa fitsofandrano, saingy ampy ilazana ve izany fa ankasitrahaNY ny "mariazy pour tous" raha ny voasoratra no jerena ?

Ho an'ny EPUdF dia eny no valiny matoa izy nanapa-kevitra ny hitsodrano (amin'ny Anarany) ny fanambadiana (x,x) sy (y,y) !

Izany hoe (raha jerena ivelany) : ho an'ny EPUdF, ilay fanambadiana (x,y) na (y,x) voasoratra (amin'ny maha-protestanta indrindra²) ary ambaran'ny namana etsy ambony dia tsy voatery x y fa mety koa hoe x=y ! (... satria ve tao amin'ny x ihany no nanamboaraNY ny y ? :-) )

[size=8]Marihina fa olona toa tsy dia mirona loatra amin'izany mariazy izany no mitondra ny frantsay ankehitriny a (asa na misy fifandraisany amin'ny zava-mitranga) ![/size] :-)
11. Strong3 ( 19/05/2015 08:31)
hihihi ... hoy i turbo; tsy milay ireny (betsaka ny akamako homo, fa ilay entina any ampiangonana kosa tsy milay... resaka Atra tsy tokony hampidirana izany, fa izay te hanao izany dia manaova)

ka izao nge ra olona eh, efa tsy misy mpivavaka intsony any amin'ny tany mandroso dia tambatambazana hono ireny mba hiditra indray , ka izay filany rehetra dia tanterahina daholo... hihihi
dia mbola sahiko foana ny milaza hoe: betsaka ny fiangonana kristiana boritra

mba faly ery za mahita ilay fiangonana katolika ao fianaratsoa mandrara ny mpinony tsy hanao fitafiana tsy maontina sy volo hafahafa ...

hatreto, mbola tsy niova ny TA, lahy sy vavy no mivady sy miray ara-nofo
... tsy lahy sy lahy, tsy vavy sy vavy, tsy lahy sy biby, tsy vavy sy biby sns ...

na hevitro na hevitr'Atra dia io ihany.

TIAKO NY MILAZA ETO FA IZAY NO TSY MAHARAZAM-BAZAHa AN'I JESOSY KRISTY. fa raha razany io dia nomeny lanjany izay nolazainy. fa na izy ireo aza tsy mahalala izay fisian'io ANDRIAMANITRA io!
12. Fiffi ( 19/05/2015 09:17)
bor2lais:


Fiffi > marina ny voalazanao fa tsy sakramenta tokoa ny mariazy ho an'ny protestanta fa fitsofandrano, saingy ampy ilazana ve izany fa ankasitrahaNY ny "mariazy pour tous" raha ny voasoratra no jerena ?



....efa niteny zah teo we: no comment....saingy miala tsiny fa ohatran'tsy zakan'saiko lé zavatra miseho....

tsy hitsara aho...satria toa samy manao zay tiany ny rehetra...saingy tsy zakan'saiko lé lazaina we: "na inona ny finoana na inona dé Andriamanitra iray ihany no hivavahana"

...saingy ny "mariage pour tous" izay ataon'protestante am zao fotoana zao dia tsy HINOAKO velively we Andriamanitra iray ihany no hivavahana.....

hita zao fa tena samy manana ny Andriamanitra-ny ny finoana isakarazany....

bord2lais:
saingy ampy ilazana ve izany fa ankasitrahaNY ny "mariazy pour tous" raha ny voasoratra no jerena ?


ao ny soratra masina milaza momba an'io....ireo voalazan'namana eo ambony ireo....fa tsy arakin'saiko ny zavatra ataon'protestanta...na dia tsy ny protestanta rehetra aza no manao na hanao an'zany...

hamaranako ny hevitro dé tsotra..."mamelà azy fa tsy fantany ny ataony"
13. Strong3 ( 19/05/2015 09:38)

Fiffi:

bor2lais:


Fiffi > marina ny voalazanao fa tsy sakramenta tokoa ny mariazy ho an'ny protestanta fa fitsofandrano, saingy ampy ilazana ve izany fa ankasitrahaNY ny "mariazy pour tous" raha ny voasoratra no jerena ?



....efa niteny zah teo we: no comment....saingy miala tsiny fa ohatran'tsy zakan'saiko lé zavatra miseho....

tsy hitsara aho...satria toa samy manao zay tiany ny rehetra...saingy tsy zakan'saiko lé lazaina we: "na inona ny finoana na inona dé Andriamanitra iray ihany no hivavahana"

...saingy ny "mariage pour tous" izay ataon'protestante am zao fotoana zao dia tsy HINOAKO velively we Andriamanitra iray ihany no hivavahana.....

hita zao fa tena samy manana ny Andriamanitra-ny ny finoana isakarazany....

bord2lais:
saingy ampy ilazana ve izany fa ankasitrahaNY ny "mariazy pour tous" raha ny voasoratra no jerena ?


ao ny soratra masina milaza momba an'io....ireo voalazan'namana eo ambony ireo....fa tsy arakin'saiko ny zavatra ataon'protestanta...na dia tsy ny protestanta rehetra aza no manao na hanao an'zany...

hamaranako ny hevitro dé tsotra..."mamelà azy fa tsy fantany ny ataony"


izao marina ve moa dia mbola sahy ihany no milaza hoe Atra iray ihany no ivavahana!! an an an kous eh....

hamindra fo amin'izy reny tonkoa anie Atra
14. vahiny2004 ( 19/05/2015 09:48)

booboo:

Mazana ihany mahazo ny homos kah, sady efa voaulilika eo @ fiaraha-monina, ny harcèlement @ sehatry ny asa koa eo, resaka finoana direct afobe ne passez pas par la case départ. Nefa dia mitovy @ rehetra ihany : mandoa hetra, miasa ara-dalana fa tsy declare hoe inapte na handicape noho ny pratiques sexuelles-ny sns. Isan'ny mankasitraka aho ny @ io fanapahan-kevitry ny Epuf io, izay fomba fanaovany crac crac tsy hidirako loatra ( na heteros na homos ), ho eo ankavia sa ankavanan'ny Tompo, Azy izany, olombelona toa ahy ry zareo amiko manokana, ny partenaire hanaovana crac crac fotsiny no tsy hitovizana fa ny ankoatra zay mitovy ( mety misy kamo mipasoka ohatra ahy, be menomenona sns ????). Samy eo ambany fahasoavanY aby.


Namaste !

Izay mitovy fijery sy firehana amin-tsika ihany ve no azon-tsika ekena ? Tsy afaka manaiky ny fahasamihafàna mihintsy ve ?

Jesosy izao niresaka t@ boka , t@ vehivavy janga sy ireo rehetra nahiliky ny fiaraha-monina t@ fotoan'androny. Ilay samaritana nitsabo sy nikarakara ilay lehilahy tsy mitovy fihaviana aminy.

"Accepter et accueillir mon prochain tel qu'il est !" izay ny ahy ny devise-ko izao

Mino aho fa t@ 100 taona lasa, izany hoe manambady vazaha izany koa dia ratsy tarehy be t@ fiaraha-monina ( manambady hafa fihaviana globalement izany ).
15. rhaj0 ( 19/05/2015 10:22)
NIsy ilay filma izay (tena tsy tadidiko ny titra), fa mitantara fiainan'ny ramatoa anankiroa lesbienne. Efa zokinjokiny zareo vao nifankahita. Izy roa samy nanana ilay attirance @ mitovy aminy efa hatrizay nefa k'lou. Miara-mipetraka izy roa, mizara ny manta sy ny masaka, mizara ny hafaliana sy fahoriana, miara-mihary sy mikolokolo, sahala @ "mpivady" rehetra ihany.

Dia in-1 andro nisy aksida, ary dia maty ilay iray. Fa t@ izany moa tsy mbola noekena ara-panjakana ny firaisan'ny lesbienne. Ary dia tsy vitan'ny very namana ilay ramatoa tavela, fa ilay niarahana nihary koa, dia nokaofin'ny ilay mpandova andaniny tsisy antra.


ka io no ametrahako fanontaniana ireo mpanohitra ny fiarahan'ny lesbienne sy gay: mba fantatrareo ve nefa aloha ireo olona ireo ? mba fantatrareo ve ny fi(s)ainany sy izay ataony ao ?? Raha te-hiaraka na hiray zareo, na miray ara-panjakana na miray any ampiangonana, dia tsy mba, 1- takatrareo (comprendre) ve, dia, 2- ekenareo (accepter hozy vahiny 2004 io ambony io) ???


Ny hitako prejugE, na koa azany dia tsoriko fa dia tena ignorance crasse, ny an'ny sasany @ ireo mpanohitra ny mariazy gay/lesbo, dia hoe, hotry ny mandray an'ireo olon ireo ho obsEdE sexuel ary tsy mieritreritra afa-tsy anal sex (ny gay)... Nefa anie, rahefa izy no manambady aho, angaha misy miteny hoe, izy dia obsedE(e) sexuel, tsy mieritreritra afa-tsy crac-crac sahala @ (mpandeha) makorelina ??

Dia tsy hay akoriny azany izy manohitra virulent ny mariazy homosexuel io, raha ao an-tranony ao, na fotsiny any an-tsainy any, izy indrindra no mpankafia anal sex, na manana attirance @ mitovy aminy, fa fihatsarambelatsihy, na koa sentiment de culpabilitE (@ finoany ao) no betsaka, dia aty ivelany masiaka tsy mahay (miara)-miaina io ...
16. RBNIR ( 19/05/2015 10:38)
Ny fitiavana ny olona tsy voatery ankasitraka izay rehetra ataony....haka ohatra iray aho, tiako rakoto....mpamono olona rakoto sady mangalatra (atao hoe dahalo mihitsy rakoto)....tiako izy fa izaho tsy ankasitraka mihitsy ny ataony,
Tsy hitsara azy aho satria tsy izaho no tompony fa any ambony any, saingy adidiko ny mananatra azy satria nampahafantarina aho fa na iza na iza mizotra amin'io lalana nataon-drakoto io dia ho very ihany koa ny fanahiny.....
Tsy fitiavana v izany? Anjaran'ny tsi11 no mandinika.....
Hitahy antsika anie Andriamanitra namana isany...
17. Strong3 ( 19/05/2015 11:23)
toa maso mijery ny zaza iray mitana pouleta na sabatra , ny mahita ireo gay eken'ny fiarahamonina...
tsy maintsy handratra io aoriana kely na hoela na ho aingana!

18. vahiny2004 ( 19/05/2015 11:36)

Fiffi:

hamaranako ny hevitro dé tsotra..."mamelà azy fa tsy fantany ny ataony"


Tsy izao ve no atao hoe mitsara ?
19. rhaj0 ( 19/05/2015 11:41)
amiko aloha dia, eny, "mitsara", efa mamoaka ny jugement, hoe coupable, tokoany ilay miteny hoe "tsy fantany ny ataony": hoe "coupable" izy fa "tsy fantany".

Fa iretsy tonga dia manakana ilay olona TSY hiray ao ampiangonana koa no mbola pire. Koa ny mpangalatra mpamono olona, na ilay (pretra) mpanolana zaza anefany mety hanaovan'ireo fihatsaram-belatsihy kokoa..
20. Strong3 ( 19/05/2015 11:50)
hihihi ... mifampitsara tokoa ianareo , satria tsy misy manana ny marina dia maika hanamari-tena.

ka nga kosa moa firaisana any ampiangonana ry rhaj0??? fivavahana any kou
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3477