Ny Fampianarana Katolika sy ny Fianakaviana Ankehitrio

41. rhaj0 ( 08/10/2014 14:50)
misaotra e... wow... tena mifanao atsimo sy avaratra izany isika mirahalahy..
Fa dia 50/50 izany h@ izao e... ampio zareo a... :)
42. hery ( 09/10/2014 22:51)
Tsy dia haiko ny teny frantsay kanefa angamba azo ihany ny zavatra tiako lazaina:

Ny tena ambony amiko (ankoatry ny resabe hoe L-L sy V-V) dia ny hisian'ny fifanajàna sy ny firaisana ao anatin'ny fiainakaviana
- Ny fanajàna ny ray amandreny
- Ny fanajàna ny vady
- Ny firaisana sy fiombonana ao anaty fianakaviana.

Manomboka eo amin'ny minitra faha: 2:00

[soundcloud]https://api.soundcloud.com/tracks/171415675?secret_token=s-Aphwv[/soundcloud]
novalian'i hery ny 09/10/2014 22:40
43. hery ( 09/10/2014 23:06)
Iverenako kely koa ilay resaka hoe inona marina no notenenin'ny Papa tamin'ilay resaka "Human respect"

Toa izao ilay izy manontolo amin'ny teny Italiana

"Dopo l’ulti-
mo Concistoro (febbraio 2014),
nel quale si è parlato della fami-
glia, un Cardinale mi ha scritto
dicendo: peccato che alcuni Car-
dinali non hanno avuto il corag-
gio di dire alcune cose per rispet-
to del Papa, ritenendo forse che
il Papa pensasse qualcosa di di-
verso. Questo non va bene, que-
sto non è
sinodalità
, perché biso-
gna dire tutto quello che nel Si-
gnore si sente di dover dire: sen-
za rispetto umano, senza pavidi-
tà. E, al tempo stesso, si deve
ascoltare con umiltà e accogliere
con cuore aperto quello che dico-
no i fratelli. Con questi due atteggiamenti
si esercita la
sinodalità.

Io no teny notenenin'ny Papa satria hoy aho tamin'ny teny Italiana izy no niteny. Rehefa raisina manontolo io dia manao référence amin'ny zava-nitranga teo aloha (febroary 2014) nataon'ny Kardinaly sasany izay vokatry fanajàna olona (fanajana ny Papa) dia tsy nahasahy niteny zavatra. Satria hoy izy natahotra ireo kardinaly ireo hoe sao dia tsy mitovy hevitra aminy ny Papa.
Koa izay no namerenany an'io teny ambany io avy eo hoe tsy tokony hisy izany. Hoy ny Papa ara-bakiteny "Tokony lazaina izay heverina hoe tokony holazaina ao amin'ny Tompo, tsy asiana resaka hoe fanajàna olona". Izany hoe tsy tokony hisy fisalasalana tahaka izay niseho tamin'ny febroary 2014. Tsy tokony hisy hoe sao dia mahasosotra...

Maniry izany ny Papa mba tena hiseho izay ao am-po ka ho hitantsika eo.
44. hery ( 10/10/2014 08:23)
Nohamafisina tamin'ny fivoriana omaly fa tsy mety mihitsy (impossible) ny hanaiky (reconnaissance) ny mariazy ho an'izay mitovy ehy (sexe). Na izany aza anefa dia tokony hipetraka ny fifanajana sy ny tsy fisian'ny fifanavakavahana.

novalian'i hery ny 10/10/2014 08:22
45. rhaj0 ( 10/10/2014 10:30)
Raha ny fahazoako ilay hoe "without concerns of human respect" izany dia ... "diso fandika" ilay raolona tao. Iizaho tsy mahay italiana fa raha adikan'i Hery teny gasy avy @ italiana, sy mandalo anglisy na frantsay, dia favy.

Koa raha ny fahitako azy izany, dia ilay nampiasana ny vokabolary hoe "human" no nampivoana ny resaka : TSY "respect"-na resaka "human" kay hozy I Hery (na ny italiana) ilay izy, fa resaka "personal".


Fa raha ny nandraisako (interpretation) ilay dikany anglisy, dia hoe, ilay soatoavina/lojika-n'ny olon'ny taona 2000 dia hadinoy, ary tokony tsy atao hanakana ny filazana ny ... bitsiky ny Fanahy Masina. Satria ny soatoavina/lojikan'ny ... Fanahy Masina no ambony ary tokony lazaina tsy amin-tahotra.

46. hery ( 10/10/2014 11:15)
Ilay "lojika" mety ekeko ihany fa ilay "soatoavina"-n'ny 2000 kosa tsy mety amin'ny saiko. Raha hoe fanambadian'ny L-L na V-V no lasa soatoavina toa hafahafa :-)
Angamba hoe fironan'ny 2000 fa tsy soatoavin'ny 2000

Fa ny hoe lojika dia mety lojika tokoa satria ao anatin'ny lojikan'ny fitotonganana isika. Jereo ny tany mihasimba (physiquement, sns).
Ka ny Fiangonana dia mandeha manohitra izay fironana sy fitotonganana izay ka mitazona ilay soatoavin'ny equilibre nisy.

47. rhaj0 ( 10/10/2014 11:59)
Ka ilay firaisan'ny L-L na V-V angaha moa vao t@ taonjato XX na XXIeme ? efa hatrany anaty Baiboly no nisy izany, h@ Romana sy Grika ka h@ Ejiptiana. Ary na ny gasy (Ntaolo) koa azany nanao an'io.

Fa izao izany ilay izy, ireo izay manao an'io (satria mifampisarika/mifankatia ny olona) dia mahatsapa fa tokony anatin'ny institution (ny mariazy) koa ny fiarahan-drizareo.

Ny firaisana sivily dia azahoany ny zo aman'andraikitra toa ny mpivady rehetra ao @ fiarahany ao. Efa OK iny izao (ao @ sain'ny olona, fa mbola betsaka ny tany sy politisiana tsy mety)

Ny mariazy reliziosy dia ... raha ny fahazoako azy, dia ny mba ... tsy haiko fa izaho tsy izy, fa ny tsapako dia mbola tia ary manaja ny relizionany zareo, ka mbola te-ho inclus ao. Raha ny fahitako azy, dia FItIAVANA no manetsika ireo olona ireo @ fangatahany. FITIAVANA.

Fa amiko dia ilay fantsin'ny Papa Fransoa no ... zava-dehibe izao. Hanaraka azy daholo mantsy ny Katolika (fa izy no mpiandry ny ondry izao?). Hozy ny Papa Fransoa (dikany globaloba araka ny fahazoako azy). Raha tia ny Ray ny (pretra) homozexoaly, ka tia ny hanantona Azy, "zovy moa aho no hitsaratsara izany" ? "Who Am I To Judge ?"

Ka tia hanatona ny Ray izany ny homosexoaly (ny mariaziny tiany ho hohamasinina). Ka dia "zovy moa ianao no hitsaratsara" izany fikasany sy fitiavany izany, ka HANAKANA azy (sy ny mariaziny) mba TSY hohamasinina ?

Fa izay ho'a e.... rahefa atositosikareo ny olona, dia aza gaga raha lasa tokoany ilay olona...

(ny fahitako azy, soa dia soa fa tonga saina @ io ny Papa Fransoa... izany no tena ankasitrahako sy anajako ambony azy koa)
48. hery ( 10/10/2014 12:15)
[ Manaraka tsara an'ilay lojika ihany aho. Nisy sy misy koa ny olona miray amin'ny biby. Hatramin'izao aloha izy ireny dia heverina hoe adala. Fa mino aho fa raha izao lojika izao no arahina dia hangataka hivady amin'ny biby koa ireny sns... ]

Momba ny resak'i Papa dia ny olona rehetra tokoa no tokony hisaina toa iny. An'Andriamanitra irery ny fitsaràna. Hatraiza nefa no fetra hijerena izany fitsaran'Andriamanitra izany? Inoako fa izany indrindra no nanaovana ny sinaoda tahaka izao. Hijerevana hoe ahoana ny sitrapon'Andriamanitra amin'ny situation tahaka izao.

Ny mampalahelo dia tsy maintsy hisy foana hiteny hoe tsy hevitr'Andriamanitra ilay hevitra mivoaka avy ao.
49. rhaj0 ( 10/10/2014 13:22)

hery:
[ Manaraka tsara an'ilay lojika ihany aho. Nisy sy misy koa ny olona miray amin'ny biby... ]

Izaho kosa tsy d'accord @ io lozikan'i Hery io. Samy OLONA no resaka eto. Firaisan'ny SAMY OLONA. Fa maninona no itarina @ Biby ??

Ohatry ny hoe, raha miresaka hoe, tia milela-tanana ny olona. Dia hoy koa ve i Hery hoe, maninona tsy milela-b*dy sahala @ saka koa rahefa izany ihany????


50. hery ( 10/10/2014 13:36)
Ilay olona miaraka amin'ny biby no lazaiko fa tsy ilay biby miaraka amin'ny olona. Ilay biby tsinona tsy afaka hangataka na inona na inona amin'ny statut-ny.

Fa ilay olona, indrindra indrindra ireo olona rehefa hanomboka ho maromaro izy, dia hitaky fa normal be ho azy ny zavatra ataony satria....(miaraka amin'ny arguments isan-karazany momba ny animalisme sy ny discrimination). Ka maniry koa izy "HAHAZO HISAFIDY" izay ho vadiany na olona na biby.

Dia eo isika vao tonga saina hoe hatraiza tokoa no fahazoana misafidy izay hovadiana?

Izaho tsy manana olana amin'izay fisian'ny L-L na V-V miaraka, tahaka izay tsy hametrahako olana amin'ny olona-biby. Fa ilay fidirana ao anatin'ilay statut apetraka ho an'ny L-V (izany hoe fanambadiana) no hafahafa amiko. Afaka mametraka statut vaovao fa tsy hoe satria efa misy ny statut fianakaviana dia mba ataovy tahaka izany koa, nefa tsy mitovy ny base.
51. rhaj0 ( 10/10/2014 13:43)
An an... dia mbola tsy d'accord aho.

Olona manambady/miray Olona no resaka. Nahoana no itarina @ Olona manambady/miray Biby ?

Sasanangy roa samy hafa tanteraka ireo amiko.

Raha olona miray @ Biby dia "cruaute envers les animaux" no azo ijerevana azy, satria ilay Biby angaha nanana SAFIDY.

Ilay Olona miray aman'Olona dia mifanaiky ary NISAFIDY ho @ izany fa tsisy an-tery.
52. gasy1zay ( 10/10/2014 13:47)

rhaj0 > amiko manokana dia tsy azo lazaina hoe manaja ny fiangonana izy ireo raha mbola manohatra ny voasoratra anaty baiboly sy ny lalan'ny fiangonana, azo heverina ve hoe silamo milaza ho manaja coran nefa mihinana kisoa? Mety tia ny fiangonana izy fa tsy vonona ny hanaja ny fototra ijoroan'ny fiangonana.
"manantona ny Ray" hoy ianao sady "tia ny Ray", ny fanantonana ny Andriamanitra Ray dia fanekena ny sitrampony, ary tena vonona ny hiala t@ fanao fahiny izay nampalahelo azy,

hoy ny baiboly hoe : "Raha Ray aho aiza zay hajako, raha Andriamanitra aho aiza izay tahotra ahy", tsy mety izany ilay hoe hanantona anao aho ry Andriamanitra Ray fa ny tiko atao ihany anefa no ataoko. Ny fanantonana ny ray andrasana @ zareo izany dia ny hialany @ pratique homosexuel izay voalaza fa fahotana fa tsy hoe hanantona ny ray ho hamasinina fanambadiana L-L na V-V.

Tsy misy manositosika ny homosexuel fa au contraire antsoina ary zareo hiala @ ny fanaony mba hahazo famonjena, ry zareo te hahazo famonjena nefa tsy mety mahafoy ny fanaony, izay haveriko fa tsy mifanaraka velively @ sitrampon'Andriamanitra araky ny voalazan'ny Baiboly fa tsy hoe selon Pape na selon gasy1zay, raha vonona ny hiala anie izy hain'Andriamanitra ny hanamboatra ny fony hitia olonkafa tsy même sexe aminy e, moa misy zavamahagaga izay tsy hain'i Jehovah va?



53. rhaj0 ( 10/10/2014 14:00)

gasy1zay:
"manantona ny Ray" hoy ianao sady "tia ny Ray", ny fanantonana ny Andriamanitra Ray dia fanekena ny sitrampony...

Izaho aloha dia tsy haiko izay mety ho resak'ilay olona manokana ao @ A.tra ao. Zovy aho no hilaza avy eo fa, taorian'izany resakany izany, dia tena mbola "tsy @ sitrapoNY" izao misy ao izao ?

Amiko dia io sahala @ any am-pianarana e... samia manao ny devoir-ny.. zovy aho no hilaza fa tsy araka ny lesona ny ataon'ny hafa ao (fa izaho no tena mahay lesona) ?? Tsy haiko akoriny raha efa niresaka t@ mpampianatra ilay ranamana fa tonga dia mitompo-tena aho fa izaho no tena mahay lesona ??
54. gasy1zay ( 10/10/2014 14:59)

rhaj0 > sanatria amiko ny hirehareha ho tena kristianina tena marina, fa haveriko hoe raha mamaky baiboly ianao na kristianina na tsia dia mazava fa voasoratra ao hoe fahavetaveta eo imason'Andriamanitra ny sodomita izany hoe ny L-L sy V-V, tsy mila fianarana teolojia zany, tsy mila hoe tena tampompahaizana, tsy mila hoe ampolo taona maro nanarahana an'Andriamanitra.

Tsy hoe miova daoly ny fomba fijerin'izao tontolo izao dia miova ny sitrampon'Andriamanitra, tsy ny olombelona no mibaiko ny sitrampon'Andriamanitra araka ny filany sy ny eritreriny, fa araka ny nolazaiko tany aloha dia efa voasoratra izao tranga izao ka tsy tokony hahagaga, anjaran'ny kristianina sy ny fiangonana no mijoro sy mitoetra @ finoana sy fanarahana ny sitrampon'Andriamanitra.

55. rhaj0 ( 10/10/2014 15:10)
Ka raha (efa) "niresaka t@ A.tra" manokana izy ny @ izany, dia ahoana ?

Amiko io "resaka manokana" io, izay tsy fantatro marina aloha ny fisiany saingy tsy afaka tonga dia mamotsifotsy an'izany aho, dia izay "resaka manokana" izay no ambony noho izay voasoratra tanaty Baiboly. Ary efa mahatsapa tsara ny olona izao fa ny Baiboly dia ... olona no nanoratra azy.


Mahavariana anie ny egocentrisme-ny olona, fa rahefa "izy" ohatra no "mahare resaka manokana" dia manja ka manja, fa rahefa ny hafa, dia hotry ny tonga dia tsaratsaraina fa tsy mba ho tonga @ izany mihitnsy e...
56. gasy1zay ( 10/10/2014 15:34)
rhaj0 > mikasika ny resaka manokana voalazanao dia ny voasoratra ao @ baiboly no hamaliko azy 1 Jaona 4:1 "Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin'Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin'izao tontolo izao."

Io dia mazava be hoe izay rehetra milaza fa nahazo teny avy @ Andriamanitra na Jesoa na Fanahy Masina, dia tsy tokony tonga dia hinoana anjambany fa tokony hadihadiana hoe tena mifanaraka @ sitrampon'Andriamanitra tokoa ve, izany hoe mifanaraka @ voalazan'ny baiboly tokoa ve. Izaho tsy milaza hoe mandainga daoly izay milaza fa noresahin'Andriamanitra na nahita fahitana, tsy midika anefa fa marina daoly koa ny voalazan' izy ireny satria misy mpaminany sandoka ary voalaza ao anaty baiboly koa fa tena mahay manao fahagagana izy ireny ka betsaka no ho voafitaka.
57. rhaj0 ( 10/10/2014 16:10)
An an.. dia manahirana mihintsy izy izany kah...


Rahefa ilay olona milaza fa "niresaka manokana" dia "tsy tokony tonga dia hinoana anjambany"

Dia ny Baiboly koa, mino marimarina aho, fa betsaka no hilaza aminao fa "tsy tokony tonga dia hinoana anjambany" (ohatra hozy ry Hery hoe, jereo aloha ny vala famaritana ets...)


Fa tsara daholo izany kah... Ny zava-dehibe dia io izany : "tsy tokony tonga dia hinoana anjambany"
58. hery ( 15/10/2014 08:20)
Itony aloha ny petra-kevitra taorian'ny fikaonandoha ankapobeny

http://www.zenit.org/fr/articles/synode-sur-la-famille-rapport-apres-le-debat-general

Ireo izany no zavatra nivoaka ofisialy.
59. rhaj0 ( 15/10/2014 12:28)
Tonga aho dia nitsiky tsiravina sa nihomehy tsikaiky hoe, hozy i Hery, hoe "tsy demokrasia ny eto", ary dia io tokoany izy fa namoaka ny La Pravda, fa kay ilay rakitra ofisialy ilay izy io, ka dia misaotra e...

Fa dia ito izany no hitako (asa inona no hitanao) ny @ divorsehy sy ny sakramanta

47. Quant à la possibilité d’accéder aux sacrements de la Pénitence et de l’Eucharistie, certains ont argumenté en faveur de la discipline actuelle en vertu de son fondement théologique, d’autres se sont exprimés en faveur d’une plus grande ouverture à des conditions bien précises, quand il s’agit de situations qui ne peuvent pas être dissoutes sans entraîner de nouvelles injustices et souffrances. Pour certains, il faudrait que l’éventuel accès aux sacrements soit précédé d’un chemin pénitentiel – sous la responsabilité de l’évêque diocésain –, et avec un engagement évident en faveur des enfants. Il s’agirait d’une situation non généralisée, fruit d’un discernement réalisé au cas pas cas, suivant une règle de gradualité, qui tienne compte de la distinction entre état de péché, état de grâce et circonstances atténuantes.


Ary ito ny @ homosexoaly

2. Sans nier les problématiques morales liées aux unions homosexuelles, on prend acte qu’il existe des cas où le soutien réciproque jusqu’au sacrifice constitue une aide précieuse pour la vie des partenaires...

Fa dia ito izany no hitako, efa napetrako tatsy, fa averiko eto ny fehin-kevitra hitan'ny olona
[size=6](ankoatry ny an'i La Pravda...)[/size]

rhaj0:
Eto izany ohatra ny valin'ny kaon-doha tao Vatican tao.
jereo ohatra New York TImes
But it is the first signal that the institutional church may follow the direction Francis has set in the first 18 months of his papacy, away from condemnation of unconventional family situations and toward understanding, openness and mercy.


Raha ny fahitako azy maimaika aloha, dia "nisokatra ny sainy" (inderstanding and openness), "nisokatra ny fony" (mercy), resaka homosexoaly sy divorsa/kominio io, f'izany hoe, mihisatra miadana be ny fisokafana, satria mbola betsaka no mihidy..

rhaj0:
Dia mitranga mihemotra toa lelon-jaza ve izy izany sa ahoana e... na dia "antitra" azany zareo dia mbola matanjaka ny ... "mpanoha-riana" ? (@ heviny madio hoe manohaTRa ny rian-drano Fransoa)

Jereo ohatra CNN :
"Under conservative assault, Vatican backtracks on gay comments.
(..) "The message has gone out that this is what the synod is saying, this is what the Catholic Church is saying," said Cardinal Wilfrid Fox Napier"
60. hery ( 15/10/2014 13:01)
Efa noteneniko ihany hatramin'ny voalohany hoe tsy hisy ilay fiovana andrasan'ny tsy katolika na ny katolika tsy pratiquant ao. Fanamafisana ny finoana sy ny toeran'ny Fiangonana manoloana ny firehana mivoana amin'ny maha olona no tsy maintsy hivoaka ao. Nolazaiko fa tsy maintsy mitsangana ny Fiangonana mba ho tohitra (manoha riana tokoa ve?) mampiverin-dalana amin'ny tena soatoavin'ny fianakaviana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1806