Ny Fampianarana Katolika sy ny Fianakaviana Ankehitrio
61. rhaj0
(
15/10/2014 13:17)
Azoko tsara io fijerin'i Hery io... Fa ny (mpandinika) hafa aloha dia mahita, asa ianao mpamaky raha mahita, fa dia misy rian-drano (courant) anankiroa ao Vatican ao. Ny rian-drano Fransoa, sy ny rian-drano Curie. Izaho no nametraka anarana Curie ampamora ny resaka, fa ireo beantitra mamikitra ny fijeri(ny) taloha no tiako lazaina.
Ary ny fahatakarana izany aloha izao, raha ny fahitako azy, no zava-dehibe == misy hevitra tsy mitovy ao.
Dia ny tohiny anefa dia jereo tsara. Efa izay foana no nisy teo @ Tantara.
Dia hanapa-kevitra izany ny olombe (toa r@ herintaona izany, fa ity kaon-doha ity aloha dia toa savaranon'ando fotsiny), ny @ "Fampianarana Katolika" vaovao na nohavaozina na nohamafisina.
Dia avy eo anefa io "Fampianarana Katolika" io, dia lazain'ny mpino azy (a l'extreme) fa "Didin'A.tra"... nefa dia io hita io fa "didy tohanan'ny olombe tao, izay toherin'ny olombe hafa"
Ka dia ahoana izany ?

62. gasy1zay
(
15/10/2014 13:30)
fa maninona kosa moa ry rhaj0 no dia tsy maintsy ho ekena ny fangatahin'ny L+L sy V+V mitady hanery ankolaka ny fiangonana hanamasina ny fanambadiany raha ohatra ka mifanohatra @ principe sy fomba fijerin'ny fiangonana kristianina izany? Tsy zay ve no tena fitiavantena araka ny nambaranao, izy anie tsy misy manakana azy hanambady raha izay no safidiny e, fa aza atao any @ tranon'Andriamanitra kosa raha voalaza @ baiboly mazava hoe tsy sitrak'Andriamanitra e!
63. rhaj0
(
15/10/2014 16:33)
gasy1zay:
fa maninona kosa moa ry rhaj0 no dia tsy maintsy ho ekena ny fangatahin'ny L+L sy V+V mitady hanery ankolaka ny fiangonana hanamasina ny fanambadiany raha ohatra ka mifanohatra @ principe sy fomba fijerin'ny fiangonana kristianina izany?
Ny fahitako azy aloha dia (tokony) misy koa "principe sy fomba fijery", izay mbola "kristiana" tokoany, izay (tokony) manaiky ny fangatahin'ny L&L sy V&V ny mba hanamasinana ny fiarahany.
Ianareo no mahay azy (noho izaho), fa inona azany ny "principe sy fomba fijery kristiana" nanetsika an'ny Papa Fransoa, ka dia latsa-bava izy, ka hoe :
(jereo ohatra BBC)
"If a person is gay and seeks God and has good will, who am I to judge?"
Adikako globaloba hoe, "raha homosekisoaly ilay olona, ary mitady an'A.tra, ary manana fikasana sy/sa finiavana tsara, zovy aho no hitsara azy?"
Io dia valin-dresaky ny Papa Fransoa momba ireo pretra (na ireo be galona ambony kokoa ao Vatican ao akoriny azany) izay homosekisoaly. Jereo tsara fa ireo olona ireo izao dia "mpanamasina" fa tsy hoe mangataka fanamasinana toa ny olon-tsotra L&L na V&V.
"zovy aho no hitsara azy?"
== ka TSY "principe sy fomba fijery kristiana" ve izany ??? Eny? sa Tsia?
Ary io dia, hozy ny mpandinika, dia mifototra @ hoe :
(jereo ohatra New York TImes)
"... toward understanding, openness and mercy."
Adikako globaloba : "fahazoana sy/sa firaisan-tsaina, fisokafan'ny saina, fitserana sy/sa fisokafan'ny fo"
== ka TSY "principe sy fomba fijery kristiana" ve izany ??? Eny sa Tsia ??
64. gasy1zay
(
15/10/2014 17:19)
rhaj0:
gasy1zay:
fa maninona kosa moa ry rhaj0 no dia tsy maintsy ho ekena ny fangatahin'ny L+L sy V+V mitady hanery ankolaka ny fiangonana hanamasina ny fanambadiany raha ohatra ka mifanohatra @ principe sy fomba fijerin'ny fiangonana kristianina izany?
Ny fahitako azy aloha dia (tokony) misy koa "principe sy fomba fijery", izay mbola "kristiana" tokoany, izay (tokony) manaiky ny fangatahin'ny L&L sy V&V ny mba hanamasinana ny fiarahany.
Ianareo no mahay azy (noho izaho), fa inona azany ny "principe sy fomba fijery kristiana" nanetsika an'ny Papa Fransoa, ka dia latsa-bava izy, ka hoe :
(jereo ohatra BBC)
"If a person is gay and seeks God and has good will, who am I to judge?"
Adikako globaloba hoe, "raha homosekisoaly ilay olona, ary mitady an'A.tra, ary manana fikasana sy/sa finiavana tsara, zovy aho no hitsara azy?"
Io dia valin-dresaky ny Papa Fransoa momba ireo pretra (na ireo be galona ambony kokoa ao Vatican ao akoriny azany) izay homosekisoaly. Jereo tsara fa ireo olona ireo izao dia "mpanamasina" fa tsy hoe mangataka fanamasinana toa ny olon-tsotra L&L na V&V.
"zovy aho no hitsara azy?"
== ka TSY "principe sy fomba fijery kristiana" ve izany ??? Eny? sa Tsia?
Ary io dia, hozy ny mpandinika, dia mifototra @ hoe :
(jereo ohatra New York TImes)
"... toward understanding, openness and mercy."
Adikako globaloba : "fahazoana sy/sa firaisan-tsaina , fisokafan'ny saina, fitserana sy/sa fisokafan'ny fo"
== ka TSY "principe sy fomba fijery kristiana" ve izany ??? Eny sa Tsia ??
rhaj0 > "If a person is gay and seeks God and has good will, who am I to judge" raha ny fahazoako an'io aloha dia ilay resaka kominio sy ny fanantonana an'Andriamanitra no eritreretiny fa tsy fanamasinana mariazy akory, satria araka ny nambaran''ny namana hafa dia misy olona tsy tokony handray kominio raha mbola tsy nibebaka
Tsara daoly ireo principe notanisainao ireo, fa ny tiko ambara sy hamafisiko dia fahotana eo anatrehan'ny Baiboly na anaty testamenta taloha na testamenta vaovao ny pratique homosexuel, ka raha olona manantona an'Andriamanitra nefa tsy vonona ny hiala @ fahotany dia tsy azo atao hoe mibebaka, raha hoy ianao hoe vonona ny hiala ny fanaony izy dia tena resaka hafa indray, azo eritreretina ve hoy aho raha olona efa fantatrao fa efa manambady any @ toerankafa, tena fantatr'i Pasitera na Mompera hoe efa manambady io olona io nefa mangataka azy hanamasina ny fanambadiany @ olona hafa indray satria hoe tena tiany io olona io?
Ny fisokafantsaina akory tsy midika fanovana ny tenin'Andriamanitra hifanaraka @ zavamisy hiainana ankehitriny, ny baiboly tsy toy lalan'ny olombelona ka ho asiana amendement, tsy isika olombelona no manendry ny sitrapon'Andriamanitra fa Andriamanitra no mampahafantatra antsika ny teniny sy ny sitrampony @ alalan'ny Baiboly.
65. rhaj0
(
15/10/2014 19:26)
gasy1zay:
"If a person is gay and seeks God and has good will, who am I to judge" raha ny fahazoako an'io aloha dia ilay resaka kominio sy ny fanantonana an'Andriamanitra no eritreretiny fa tsy fanamasinana mariazy akory
Fa ilay "kominio" angaha tsy "fanamasinana" na hoe "misy hasiny" koa ?
(Izao izao ohatra rahefa mandeha mba manatrika lamesa ireny dia tsy mandray an'io satria "tsy mendrika" angaha na hotrhotr'izany)
66. rhaj0
(
16/10/2014 12:58)
gasy1zay:
...fahotana eo anatrehan'ny Baiboly na anaty testamenta taloha na testamenta vaovao ny pratique homosexuel...
Ianao izao mahay azy (noho izaho) fa misy dia misy koa anie ao @ Baiboly ao, na TT na TV, misy "pratique" ka voafaritra ho "fahotana", izay @ dikany hoe, voarara na hoe recommandE e... Maromaro ny "didy" na "fitsipika" sns.. ao izay mbola arahin'ny (Kristiana) sasany, fa kosa toa tsy rahirahina(o) hafa... Ohatra fotsiny ilay "sabata" hiadian-dry Maranatha mafy amina(re)o eto io... Na koa ny lavoaly indrahindrain'i RBNIR...
Ito izany no tonga @ ilay hoe "kristiana cafetaria", ka tsindrotsindrohana ary akipilipily izay tsy tiatiana, ary eto azany izao, izany dia tena atao amina fahasiahana be, ka andrarana ny olona tsy hanatona ny Tompo, fa ny resaka hafa hodiana fanina..
67. gasy1zay
(
16/10/2014 13:41)

Amiko tsy ny fiangonana no manilika azy fa izy no tsy manaiky ilay condition hahatongavana ho tena zanak'Andriamanitra, tsotra be anie ny safidy e, raha te ho zanak'Andriamanitra ianao dia ialao ny fahotanao, minoa an'i Jesoa Kristy Tompo dia atao Batisa raha tsy mbola vita, izay ianao no hahazo famonjena ary voasasa ny fahotanao vitanao taloha, olombaovao départ à zéro, fa tsy hoe voadio ianao dia lasa indray handoto tena @ fahotana.
Tena miantso ny mpanota rehetra mba hibebaka ny fiangonana na mpisotro toaka io, na mpijangajanga, na mpamono olona , na homosexuel, na mpandainga... izay anie ny vontoatin'ny toriteny renao rehetra ireny e, fiantsoana ny mpanota hibebaka, fampaherezana ny efa nibebaka mba tsy hiova na hiverindalana. Misy tokoa ny manantona fa ny olona na manantona aza misy ireo tsy mety miala @ fahotany.
Raha ny marina dia ny fahotana no tsy tiana fa tsy ilay olona nanao azy ka tsy tokony afangaro, satria ny olona rehetra efa nanota avokoa fa ny fialana @ izany no zavadehibe .
68. rhaj0
(
16/10/2014 14:17)
Inty izao nampitain'i Toriteny indray mandrha:
1 Kor6:9-10:"Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra ? Aza mety hofitahina ianareo : fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin'olona sy ny sodomita sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao ankeriny dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra
Ka ahoana?? maninona ireo olona ireo mbola "hamasinina" ny fanambadiany? Sa tsy "fahotana mahafaty" ireo fa ny homosekisoalitia ihany no "mahafaty" (na mampavoan'ny fanilikilihana)? Sa tsy niteny zareo iretsy hoe misy t*y ny kilaotiny, dia ny mpanamasina tsy nanadihady, dia nohamasinina ny fanambadiany?
Raha tsy miteniteny koa izany ny homosekisoaly (fa mila miankanjo fosika kosany aloha e) dia voamasina koa izany ny azy, ary afaka "miray latabatra" @ Tompo ihany koa zareo ?

69. gasy1zay
(
16/10/2014 15:09)

Ny fanamasinana ny fanambadiana anie dia fangatahana fahasoavana sy tsondrano avy @ Andriamanitra e, izany hoe apetraka eo ampelantanan'Andriamanitra ny tokantrano, ho ambininy sy ho harovany @ fakampanahy sns... Ka inona moa zany objectif an'ireo olona hamitaka ohatrizany ohatra lazainao izany? sa fisehosehoana fotsiny hoe natao mariazy tany ampiangonana ?
Izay tsy nibebaka dia tsy hisy handova ny fanjakan'ny lanitra fa tsy misy hoe fahotana azo leferina fa rehefa ota dia manasaraka antsika @ Andriamanitra,rehefa diso @ iray ianao dia diso @ izy rehetra, na izany aza na inona na inona ratsy vitanao, na inona na inona fahotana vitanao dia afaka mamela ny helokao Jesoa raha tena vonona ny hiala @ izany ianao, ny ran'i Jesoa Kristy no hanadio antsika t@ fahotana vita hatrizay, ny vatan'i Kristy no hanampy antsika hanohitra ny fakampanahy satria izy no Andriamanitra tonga nofo naharesy ny ota sy ny fakampanahy.
fa maninona no tsy tokony handray kominio ireo olona mbola minia manota? satria vao miverina manota izy dia tafasaraka indray @ Andriamanitra dia toy ny cercle vicieux, na voadio aza izy dia mbola haloto ary raha maloto tsy handova ny fiainana mandrakizay. ny olona tokony handray an'io zany dia ireo tena resy lahatra fa tsy hiverina @ fahotany intsony fa hanaraka ny sitrampon'Andriamanitra.
70. rhaj0
(
16/10/2014 15:30)
Dia tena misy tsy rariny e...
Maninnona ny "mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin'olona sy ny (xxx) sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao ankeriny" rahefa mi-confesse, dia hotry ny tonga dia (atokisana) fa "mety", na hoe atokisana fa nanarina ny tsy mety, tsy no-cross-check-er-na akoriny, fa ny "sodomita" ihany no tena tonga dia enjehina na akipily @ fomba henjana (na fangolika)...

71. rhaj0
(
16/10/2014 15:33)
gasy1zay:
..tsy tokony handray kominio ireo olona mbola minia manota..
Ka dia mila manao enquetes be sy be dia be izany nareo raha tena te-hanaja io zava-masina io...
72. gasy1zay
(
16/10/2014 16:14)
rhaj0:
gasy1zay:
..tsy tokony handray kominio ireo olona mbola minia manota..
Ka dia mila manao enquetes be sy be dia be izany nareo raha tena te-hanaja io zava-masina io...
Misy fampianarana atao alohan'ny hirosoana ho lasa mpandray ny fanasan'ny Tompo mba ho fantatry ny tsirairay hoe inona no hevitry ny fandraisana kominio na ny fanasan'ny Tompo, tokony ho azony hoe inona no toempanahy tokony hanana raha handray izany, any @ protestant moa dia misy mintsy ny ankatoky ny mpandray izay herinandro mialoha ny fandraisana ny fanasan'ny Tompo, izany hoe tena fotoana manandaja io ary olona efa tokony mahafantatra izany ny olona notokanana ho mpandray. Ny objectif ny fandraisana an'io dia ny hoe ho voavela ny heloka sy ho voadio ary hiray @ Tompo handresy ny fakampanahy, koa raha tsy vonona ny handresy ny fakampanahy moa ny olona 1 dia ohatrany ny manao tsinotsinona ilay fanadiovana noraisiny izy satria haloto ihany izy avy eo.
Tsy dia mila fanadihadiana be io fa fahatsapantena ny tsirairay, Andriamanitra dia mahalala ny ao amponao na tsy fantatry ny mpitondra fivavahana aza izany, Andriamanitra anefa dia namela safidy hoan'ny tsirairay fa voalaza fotsiny ao @ baiboly hoe mety ho lasa ozona ho anao ny fandraisanao an'io raha tsy madio fo ianao, tsy vonona ny hiala @ fahotanao izany.
73. rhaj0
(
16/10/2014 16:35)
gasy1zay:
Tsy dia mila fanadihadiana be io fa fahatsapantena ny tsirairay, Andriamanitra dia mahalala ny ao amponao na tsy fantatry ny mpitondra fivavahana aza izany
Maninona tsy ampiharina @ "sodomita" io? hoe avelao ho azy sy A.tra ny @ homosekisoalitiany, fa nareo izay eto an-tany, sy ao am-piangonana, dia TSY manakasakana azy tsy "hiray latabatra @ Tompo"
Io ho'a dia araka ny nolazaiko in-1 mandeha hoe : D'efa 'nareo 'zany no manao ilay jugement dernier alohan'ny jugement dernier. D'efa manomboka ho (ataonareo) HELO izany ny fiainan'ilay olona eto an-tany...
74. gasy1zay
(
16/10/2014 17:24)

Ka ny tian'i rhaj0 ve izany ny hilazana aminy hoe mandraisa kominio fa hoany an-danitra ianareo na dia mbola hijanona @ fanaonareo aza nefa dia mazava be hoe tsy afaka miditra any ny "sodomita" raha ireo teny voalazan'ny baiboly no jerena, tsy famitahana azy ireo ve izany? Raha ny fijerinao dia ny hoe izay mahafalifaly ny fiainany eto an-tany no tokony ho ataony sy tokony ho ekena.
Ny tanjona @ kristianina anefa dia ny handova ny fiainana mandrakizay fa tsy hoe sanatria ampifalifaliana ety an-tany na hanao izay rehetra tiana na tsy minaraka @ sitrampon'Andriamanitra aza, ka raha misy zavatra mety hanakana izany fahazoana ny lanitra izany dia anjaran'ireo "mpiandry ondry" ny manitsy ny dian'ireo ondry entiny.
75. rhaj0
(
16/10/2014 17:54)
gasy1zay:
.. mazava be hoe tsy afaka miditra any ny "sodomita" ..
Iana(re)o mahalala tsara (noho izaho) ho'a, fa rahefa nisy olona (viavy angamba izy izay) ka "nanota", kanefa navelan'i Jesosy nandeha... (tena mba ampitao eto hoe ilay toko sy andininy raha mety)
[size=8](fa dia miverina eo foana ihany isika e : "cafetaria christian"... izay resaka tiatiana ihany no ampitomboana tarehy), ary dia masiakabe manilika ny tsy tiatiana[/size]
76. rhaj0
(
16/10/2014 17:58)
gasy1zay:
.. anjaran'ireo "mpiandry ondry" ny manitsy ny dian'ireo ondry entiny.
ndriiiii.... ilay resaky ny Papa Fransoa "who am I to judge" dia nivantana t@ ireo pretra (sy Vaticaniste) homosekisoaly.
77. gasy1zay
(
16/10/2014 18:15)
rhaj0:
gasy1zay:
.. mazava be hoe tsy afaka miditra any ny "sodomita" ..
Iana(re)o mahalala tsara (noho izaho) ho'a, fa rahefa nisy olona (viavy angamba izy izay) ka "nanota", kanefa navelan'i Jesosy nandeha... (tena mba ampitao eto hoe ilay toko sy andininy raha mety)
Jaona 8 :3-11 mba vakio kely azafady fa @ farany hoy i Jesoa hoe :" Izaho koa dia tsy manameloka anao ary @ izao sisa izao dia aza manota intsony"
rhaj0 > io vehivavy io no azo atao hoe nibebaka, nanenina izy t@ zavatra vintany ary tsy hiverina hanao izany intsony, efa nambarako anie hoe Jesoa Kristy manadio antsika ho afaka @ ota e, fa midika izany hoe tsy tokony hiverina @ ilay fahotana intsony
[size=8](fa dia miverina eo foana ihany isika e : "cafetaria christian"... izay resaka tiatiana ihany no ampitomboana tarehy), ary dia masiakabe manilika ny tsy tiatiana[/size]
lasa subjectif be ny vision an'ilay fitiavana eo amintsika, ny anao tiana = avela hanao zay tiana , ny anay tiana= hanarina , ny anao ny objectif fiainana dia fomba fijery épicurien = ataovy izay mahafinaritra , ny anay fomba fijery mibanjina ny fiainana any ankoatra, dia ny handovana ny fiainana mandrakizay
ka io samy manana ny fomba fijeriny raha hozy ianao hoe tsy fitiavana izany dia averiko aminao ny teninao hoe tsy fitsarana ivelany koa ve zany fa tsy mandinika ny motivation profonden'ilay acte?
78. rhaj0
(
16/10/2014 19:18)
gasy1zay:
Jaona 8 :3-11.
Ka iana(re)o ve izany anisan'ireo "nivoaka tsirairay", sa mbola nanitrikitrika ny @ hoe "nandidy antsika fa hotoraham-bato izay vehivavy manao toy izany", ary dia (mbola) nanangana rindrim-bato tsy ahafahan'ilay olona "miray latabatra @ Tompo"...
gasy1zay:
samy manana ny fomba fijeriny... tsy mandinika ny motivation profonden'ilay acte
Izaho aloha dia efa niteny fa mahatsapa ihany aho fa misy "bonnes intentions" amina(re)o... Fa ny vokany no navoitrako (na inona na inona ilay bonnes intentions...)
79. gasy1zay
(
17/10/2014 13:43)
rhaj0:
gasy1zay:
Jaona 8 :3-11.
Ka iana(re)o ve izany anisan'ireo "nivoaka tsirairay", sa mbola nanitrikitrika ny @ hoe "nandidy antsika fa hotoraham-bato izay vehivavy manao toy izany", ary dia (mbola) nanangana rindrim-bato tsy ahafahan'ilay olona "miray latabatra @ Tompo"...
Amiko matoa ny olona iray manantona an'Andriamanitra ary manana "bonne intention" dia ny tanjony voalohany dia hahita famonjena sy handova ny fiainana mandrakizay, ka raha manampy azy hahatratra izany tanjona izany ny fananarana atao azy dia tsy torabato hitondra fahafatesana velively fa fananarana hamerina @ lalana mahitsy, raha fahadisoana eo anatrehan'Andriamanitra izany dia hifonako tokoa fa saingy mino aho fa tsy fahadisoana izany satria ny baiboly no milaza ao @ I Tesaloniana 5: 15 "Ary mananatra anareo izahay, ry rahalahy; anaro izay tsy mitoetra tsara" ary izy dia manamafy ao @ 1 Koritiana 4:14 hoe :"Tsy ny hahamenatra anareo anefa no anoratako izany zavatra izany, fa mananatra anareo toy ny zanako malalako aho" Izany hoe tsy fanilikilihana velively ny fananarana fa fitiavana, hoy ny gasy hoe ny zanaka tiana no anarina, iza anefa no tia zanaka noho ny gasy?
mba te hitantara parabole hoan'i rhaj0 aho mba hahazoanao ilay fomba fijeriko, nisy tovolahy iray nahazo invitation ho any @ palais présidentiel, tena faly aok'izany ny anao lahy satria efa ela izy no naniry mba hiditra @ zany palais présidentiel izany, nojerena ilay invitation tena misy sonian'ny président, dia nasehony ny namany ilay izy hoe zao dia zao aho dia handeha hoany fa raha tsy zany dia taraiky, dia hoy ny namany iray hoe tandremo fa nisy note officielle nivoaka fa rehefa miditra ao @ ilay palais présidentiel dia tsy tafiditra ao raha tsy "tenue correct" fa esory ny "Jeans" nao, raha tsy izany tsy ho tafiditra ao mintsy ingahy na manana invitation aza fa efa izay ny procédure napetraka, ilay ranamana io nefa tena tsy dia tia irony velondrirana sy palitao irony dia niady hevitra teo izy hoe fa aona moa izay no tsy hiditra miaraka @ "Jeans" nefa nahazo invitation signée par le président, dia nisy namany 1 faharoa nilaza hoe aza mihaino izany mila manao velondrirana izany fa makanesa any fa rehefa any ve tsy ho hita eo, efa manana invitation dia ampy.
Dia raha ampiana précision kely @ ilay tantara dia hoe ny président ihany no namoaka ilay note hoe rehefa miditra palais présidentiel dia tokony hanao "tenue correct" ary nopréciseny hoe izay manao "Jeans " dia tsy tafiditra ao mintsy fa tsy navela ho vague ilay hoe inona moa no atao hoe tenue correcte.
Diso ve izany ilay namany 1 nilaza hoe esory ny Jeans nao fa andana hanaovy ny velondrirana raha te ho tafiditra any?
Azo atao hoe fanilikilihana sa tsy fitiavana ny olona manao "jeans" ve izany hoy ianao?
Raha ny hevitrao ry rhaj0, raha raisina io exemple io (misy hitovizany @ ilay sodomita te handova ny lanitra) mety ho tafiditra ao @ palais présidentiel ve ilay ranamana raha tsy nesoriny ny "Jeans"-ny?
80. rhaj0
(
17/10/2014 14:59)
gasy1zay:
Diso ve izany ilay namany 1 nilaza hoe esory ny Jeans nao fa andana hanaovy ny velondrirana raha te ho tafiditra any?
Azo atao hoe fanilikilihana sa tsy fitiavana ny olona manao "jeans" ve izany hoy ianao?
Amiko aloha, raha izaho no @ toeran'ilay nanao Jeans, dia raha miteny ahy ianao, dia mihaino aho. Fa avy eo dia anjarako sy raprezi ny tohiny. Mety rahefa miresaka izaho sy raprezi dia hozy aho hoe, izaho mahantra fa tsy manana velon-drirana. Dia mety OK hozy raprezy (who knows). Tsara parabole-nao, fa ity azany, raha Izy no resahina, "mino aho" fa
- "Lehibe Ny Famindra-Pony", ary
- avelao hanantona ahy ny olona, hozy Izy izay...
Fa kosa, TSY ianao no hanakana ahy tsy hiditra @ lapan-draprezi...
Asa raha azonao ny fijeri(ko) io...