Taiza no nitsimoka ny ratsy
81. ratsirano
(
11/11/2013 22:27)
Nehemia > Miharena >> Lany andro @ Miharena eo ianao, rehefa omenao hevitra voasaina izy dia miafina ambadiky ny hoe "tsy azo afangaro ny ara-pisainana sy ny ara-panahy" (izay mazava loatra fa diso) hatrany.
Valiny :
Raha jerenao Timoty voalohany 6:3,4 dia ho hitanao fa ny tanjon’ny fampianaran’i Jesosy Kristy, dia ny hananan’ny mpianany toe-panahy araka an’Andriamanitra. Ka ny fianarana na fampianarana dia tsy maintsy ao an-tsaina aloha no miditra voalohany. Ka rehefa voa-saina tsara na voatsakotsako tsara ilay fampianarana dia ho hainao hoe ahoana no tokony hatao mba hananana toe-panahy arakan’Andriamanitra. Tsy mifangaro ny saina sy ilay toe-panahy, fa tsy maintsy miara miasa.
Dia vakio tsara fa milaza io andinin-teny io hoe : “raha misy olona manao fampianarana hafa” nohon’ny an’i Jesosy Kristy dia eo amin’ny andininy faha-4 ny filazana momba azy : olona mieboebo foana, tsy mahalala na inona na inona, adala amin’ny fiadian-kevitra sy ny fiadian-teny, ets…. (mariho tsara fa tsy izaho no miteny)

82. Miharena
(
12/11/2013 15:14)
Mety tokoa ny fakàna ireo fanambaràna ireo entina manazava izay tianao ambara.
Fa ny tokony ho fantatra tsara anefa dia hoe : fantantsika tsara ve izany hoe manana fanahy araka an'Andriaanitra izany? Misy ohatra maro voalaza ao anaty Baioly, dia ireo Apostoly. Raha jerena dia iray ihany ny toe-panahin'izy rehetra ary io no hitarafana azy hoe iray ao amin'i Kristy. Izay no tsy hiadian-kevitr aamin'ny Teny izay ambarany fa fahamarinana izay ambarany. Dia tsy dia mamboly fisainana manazava lavtra izay ambarany loatra ny tenako.
Fa matoa aho miteny matetika eto dia satria mivoana ilay fandraisana ilay teny tsotra sy mazava indraindray rehefa ampifandraisin'ny olona amin'ny fisainany andavandro ohatra, na koa amin'ny fisainana tsy feno loatra manome izay tena mangarahara azo tsoahina amin'ilay Tenin'Andriamanitra.
Ny Baiboly amiko dia vaingana iray izay manome rohin-kevitra mifototra amin'ny IRAY dia Andriamanitra hatrany. Ka na iza na iza no nanoratra tao dia iray ihany no hafatra voambara ao. Dia ny tsy fahatsikaretana io hafatra tokana io no mahatonga ny olnna miady hevitra na manome ny heviny sy ny fandraisany ilay teny izay mivoana sy vao maiknka manalavitra ilay fototry ny teny voambara indraindray.

83. Nehemiah
(
13/11/2013 07:42)
Ary izay foana no anaovako hoe ny tian'ny mpanoratra ambara no hevitra tsy maintsy avoaka fa tsy mampiditra hevitra avy ivelany atao sivana, fa raha tsy izay dia tsy misy hermeneotika vanona
84. Miharena
(
14/11/2013 16:54)
Izay indrindra namana Nehemiah!
Fa ny olana amintsika ankehitriny dia hoe firy ny olona mahafehy sy mahay mitàna ilay Foto-kevitra tsy azo hozongozonina intsony na inona na inona firehan-kevitra aparitaka etsy sy eroa. Tsy amin'y fomba bontolo no tiana lazaina amin'izany fa mitombina tsara ary azo antoka hatrany ny fanambarany isaky ny mamosaka hevitra mikasika an'Andriamanitra izy na oba ny finoana.

85. Nehemiah
(
21/11/2013 15:07)
Ilay mpandray koa @'izany tsy tokony hanendrikendrika an'ilay fanazavàna ho mandringa nefa izy ihany no tsy mahavita manaiky azy
86. Miharena
(
21/11/2013 17:18)
Ilay hoe izy ihany no tsy mahavita manaiky azy mampiteraka fanendrikendrehana dia midika fa tsy feno ny fanazavàny fa laviny bontolo fotsiny izao izay rafi-kevitra mipoitra. izay milona ao anaty rafi-kevitra kosa indray dia voafefy tanteraka ny sainy dia tsy mahavita manaiky koa ilay manamarika fa hoe mandringa ny fomba fiheviny.
87. Nehemiah
(
22/11/2013 05:54)
Tsy izany ka. Manana fomba fijery 1 ny mpanoratra ary manana fomba fijery 1 ny mpamaky, kanefa tsy miezaka mamantatra ny fomba fijerin'ny mpanoratra ilay mpamaky fa ny azy ihany no mba fantany, ary rehefa mba miezaka manazava azy ny mpanoratra dia mivazizitra hatrany ilay mpamaky satria tsy manaraka ny fomba fijeriny, kanefa tsy mba mitondra porofo ilay mpamaky fa ny fomba fijeriny no mifanaraka kokoa @ zava-misy nohon'ny an'ny mpanoratra
88. Miharena
(
22/11/2013 08:57)
Mety ilay fanamarihana ary mitombina tsara. Fa ny olana dia ity, iray ihany matetika no loharano anaovan'ny roa tonta fanehoan-kevitra mifanipaka arakaraka ny fomba fijery. Dia raha tsy mivoaka ao mihitsy ny roa tonta dia tsy hazava mihitsy ny fomba fijeriny avy.
Anisan'ny tena mahavariana sy mampandihy ambony sahafa ny olona mijery avy ety ivelany mihitsy io toetra io matetika. Hany ka raha nisafidy ilay iray izy teo aloha dia mifindra eo amin'ilay faharoa, ary rehefa tafavoaka avy ao indray satria misy fahatelo manambara dia lasa any indray ary farany dia mivoaka tanteraka satria izay mipoitra rehetra manamarika fa misy tsy mety izay tazoniny. Ny fomba fitorian-teny mihitsy no mampiteraka io zavatra lazaiko io ankehitriny.
Ka mila mitandrina rehfa maneho hevitra sy fomba fijery mba tsy hisian'izany fahapotrahana isaky ny mandeha eo amin'ny mpino izay.

89. ratsirano
(
22/11/2013 12:15)
Raha mazava aminao tsara ny fototra iainganao ka mitombina tsara amin'izany ianao, dia tsy hifindrafindra izany.
Raha ho an'ny kristianina dia ny Baiboly ihany no fototra iaingana ary ampy tsara io boky io ka tsy mila fanampiny avy amin'ny boky hafa. Koa raha mifantoka tsara amin'ny Soratra Masina ianao dia tsy hiovaova hevitra izany.
Avy amin'Andriamanitra Mpamorona antsika irery ihany ny fahendrena ary raha vakinao Jakoba 1:5 dia ho hitanao fa azo atao ny mangataka aminy izany fahendrena izany satria voalaza fa Andriamanitra dia "manome malalaka ho an'ny olona rehetra sady tsy mandatsa".
Mariho anefa eo amin'ny Jakoba 1:6 fa raha tsy manao izany ianao dia hoe tahaky ny olona "miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin'ny rivotra ka atopatopany", dia izay no mahatongan'ny hoe mifindrafindra.