Taiza no nitsimoka ny ratsy

1. voromailala ( 24/09/2013 12:40)
Nataoko lohateny iray eto satria tsy mbola nahazo valiny mahafampo amin'ireo mpandalina baiboly aho.

Andriamanitra dia tsara, Andriamanitra nanamboatra Anjely Tsara, fa maninona no nisy Anjely lasa nisy ratsy tampoka tao anatiny? ilay hoe haka ny toeran'Andriamanitra?

Avy taiza io ratsy io, avy amin'Andriamanitra ve, sa misy faharatsiana mandehadeha niteraka niaraka tamin'izao tontolo izao?

Misaotra mialoha amin'ny valiteninareo.
novalian'i ratsirano ny 22/11/2013 12:15
2. mosheh ( 25/09/2013 07:06)
vakio genese 3:1...
ao no misy izany valiny ratsy izany. Raha mandinika anao aho dia kristianina ianao ka tsy ahalala ny fiandohan'ny ota. ny ota dia efa nisy tany andanitra: izany hoe misy lehiben'anjely nikomy satria nialona ny olombelona izy. Ny olombelona dia mitovy endrika amin'nilay nampisy azy noho izany tsy malemy na resiny Satana ny Olombelona raha mihazona ny Lalàn'ny Mosheh na (Mosesy) io no taovam-piadiana voaloany. Mila voahaja ny lalàmpanorenana izay avy any an-danitry ny lanitra (tsy mitovy ny amin'ny hoe an-danitra). Vakio ny baiboly "originale" raha misy zavatra tsy azonano. Ny olana dia tsy mahay ilay fiteny avy any an-danitry ny lanitra ianao ka voafetra ny fahalalanao. Mila atao vadiny Fanahy voatokana ianao, na atsofoka ao anatinao ilay fanahy voatokana vao misokatra ny masonao, ny masompanahinao, sns. Ao anatiny boky izay tsy ho lazaiko ny anarany dia ahitanao ny anaran'ireo Satana ireo ao amin' Apokalipsy ihany koa. asiana marika ny bibidia @ny andrin'ny olony; Apok 13:17
Jero koa apok5:5-1 tsy ny olona rehetra no atao ahalala ny tsiambaratelo ao amin'ny baiboly fa ny taranaky Avraham (Abrahama) vitsy vitsy ihany no ahalala izany, ary izany rehetra izany dia malagasy vitsivitsy taranak'i Avraham ihany no mahalala izany fa tsy ny Gentlish (jentilisy). Tsy misy fifidiana hafa firenena izany, raha te hivavaka @ fanahy ny fahamarinana ianao dia mahatakatra izany. Ny ankamaroany olona dia masosopotaka ny Jiosy ny Hebreo, ny zavatra tsy fantany raha natao ny fanisana ny vahoakan'ny Israel dia 72 no isany ary niampy vahoaka hafa izay voababo niaraka taminy ka nita ny Yam adom bamitsrayim (Ranomasina mena) taminy alalan'ny tanan'ny Mosheh veAaharon (Mosesy sy Aarona). Ka iro vahoaka naka nationalité Israelita ireo no maditra fa tsy ny Israelita, ireo no tena niodina.
Misaotra
3. voromailala ( 25/09/2013 07:21)
mosheh>salama namana.


ny ota dia efa nisy tany andanitra: izany hoe misy lehiben'anjely nikomy satria nialona ny olombelona izy.

Hoy ianao ny ota dia efa nisy tany andanitra, dia hoy aho hoe iza no namorona ny ota? Andriamanitra ve no namorona ny ota satria Andriamanitra no namorona an'izao tontolo izao?
Kanefa Andriamanitra dia tsara.

Raha ny resaka taranaky Abrahama indray dia anatin'ny fanenena tanteraka izy ireo ankehitriny satria novoin'izy ireo i Jesoa, ilay zanak'Andriamanitra.
Ka mandrampino an'izy ireo fa zanak'Andriamanitra tokoa i Jesoa dia ho feno fanenena hatrany izy ireo.


Azonao hatao ny mamaly fotsiny ilay fanontaniana fa tsy voatery manenjika ny mpametraka fanontaniana.
4. mosheh ( 25/09/2013 08:08)
Ny valiny dia Tsy ilay Nampisy no namorona ny ota fa ny zavatra namboariny no nikomy taminy raha nanao ny olona izy dia nataony mitovy hendrika aminy manana ny atao hoe ruach, nefesh (izay erkhal na tempoly hoy ianareo); Ka ny Satana dia tsy manana ireo zavatra nananan'ny Olombelona na hoe Ish ka nialona izy. Noho izany namorona ny olony koa ny Satana ka ny mampiavaka azy dia ny Tombokase na "tot" eo amin'ny handrina na ao andohany. Mora tezitra izy ary tsy mahazaka ny fahamarinana mihinankinampoana. Ka azo atao tsara ny miala amin'izany satria misy ny olon'ny Ray tsy toa ao anatin'izany.
ary ny anmono an'ny "Jesoa sy andriamanitra" azafady tsy fantako ireo anarana ireo roa tsy an'Israely io. ny nahafatesany Meshiah dia nisy olona karazan'olona roa no namono azy ny voaloany izahay Israelian ny Roman (miaramila io nandefona azy nandatsadra azy) ny antony dia ny sorona ankasitrah'i Elohym dia ny zanany lahy tokana io no liktoret rehirha nirhourah hoy ny hebreo. Ka tsy tokony hanenjika an'iza na iza satria "projet" ny Elohym io fa ny olona faly manosipotaka ny Israel izay mahalala ny "Torah" izay natokana ho azy aloha vao an'ny firenkafa satria izahay no tompon'ny Shalom na la "paix" na fandriampahalemana, fiadanana, sns. ny Jiosy sasany no tsy mino izany meshiah izany satria araka ny voalazako teo aloha fa fifangaroan'olona maro io jiosy sy hebreo io fa ny zafeHavraham no mahalala io secret io fa tsy ny olona rehetra. Indray andro ho avy ny Joda andeha iankohoka eo anatrehany Israel ralahiny eto Mahdagascar izahay benYaakov veYosheph (zanaky Jakob sy Joseph) satria izahay no zokibeny ary izy no zandrinay.
Torohevitra: angamba nandalo t@ kilasy famaranana ianao dia mba vakio na diniho ny "farimamy Malagasy p.67 raha tsy diso aho jeroa ny hoe Andriamanitra dia ho fantanao izay ivavahanao atry izay) dia mazotoa. Ary izay masika fiteny izay noa maha Moshes aho na Mosesy ilay nomana ny Lalàna Didy folo na Hadevarym sy ny Mitsvot
Ny Hebreo dia olotandalana fa ny hafa firena miditra ao anatiny no manondrana sy tsy mahazaka lalàna raha ny mpino hafa no milaza hoa an'i Hebreo ny Lalàna eh eny tena ny azy mihitsy io na ny baiboly aza ka raha te ho any paradisa ny olona iray dia tsy maintsy mino ny Meshiah re olonoh. Fa fampianaran-diso sy mitarika ny olona hivily ny fivavahana manao izany. Andeha anao ny sorona ny ainy no Diany meshiah teto antany ary tsy matahotra izany izy. Tsy ny mpitondra fivavahana rehetra ihany no mahalala io boky izay nolain'i Joany na Yorchanan ao amin'ny Apok5:1 io no tena olana. Raha tehalala ny secret-ny fanavotana ianao dia ny Israelita eto madagascar no mahay izany ary mbola ho avy ny andro fa Isika eto madagascar no ampianatra ny jiosy sy ny Hafa firenena izay tehi-convertis.
Misaotra ka aza mora tezitra fa io no fiandohany fahotana raha misy tsy mazava aza kivy.
misaotra
5. voromailala ( 25/09/2013 08:39)
mosheh>Lavitra amiko izany hatezerana izany namana satria mihezaka mameno fitiavana hatrany aho na aiza na aiza misy ahy.

Ary izaho manokana dia mizara hatrany izay zavatra nahasoa ahy, toa an'ilay "Herin'ny Ankehitriny".

Misaotra anao amin'ny valiteny fa mahaliana tokoa ny zavatra tantarainao azy zay vao azoazoko ny momba anareo jiosy Malagasy

raha azoko tsara izany dia nitsimoka ho azy tao anatin'ny zavatra namboarin'ilay Nampisy ny ota?






6. moustaraf ( 25/09/2013 09:33)
Raha anontaniantsika ny Torah momba ny hoe fahotana dia izao no amaritany azy:
"Izay rehetra mandika ny Torah (lalàna) dia manota"
ka ny mpandika lalàna izany dia mpanota, ary ny vokatr'ilay fandikana lalàna no fahotana!

7. voromailala ( 25/09/2013 11:47)
moustaraf> misaotra ny namana nandray anjara.

Inona moa izany ilay hoe Torah (lalàna), didy folo ve?

Tamin'ny andron'ny anjely namadika ve anefany efa nisy ny Torah?
8. Nehemiah ( 25/09/2013 12:53)
Inona foana kay ity fisainana hoe "Namorona voary afaka mitia azy an-kalalahana ka nohon'izay namorona ny ratsy Andriamanitra" ? Tsy azoko mihitsy izay mba fotony
9. Nehemiah ( 25/09/2013 12:54)
Inona foana kay ity fisainana hoe "Namorona voary afaka mitia azy an-kalalahana ka nohon'izay namorona ny ratsy Andriamanitra" ? Tsy azoko mihitsy izay mba fotony
10. Miharena ( 25/09/2013 13:01)
Ho an'ny namana Mosheh sy Moustaraf. Mahaliana ny famelabelarana.

Fa ny ahy indray dia te-hilza aloha hoe tsy azo lazaina fa diso ny Torah sy ny Baiboly fa ny ota dia teraka tokoa ary fifanandrinana avy any an-danitra no nahatonga azy ka izao fomba fiainantsika eto ambonin'ny tany izao no akony. Raha tena zohina dia tsy misy na dia iray aza tsy nolalovan'ota satria izay no fandaharana nisy noho ny olana teo amin'ny Mpamorona sy ny foronina.

Fa raha milaza indray ny namana Jiosy Malagasy ny momba ny maha-Jiosy antsika dia mba tiako hovalian-dry zareo sy hadihadiany ny momba ireto olona roa ireto dia i Tsaratsara sy Tatandraza. Misy ireo youtube izay misy ireo fomba fiteny hafa ampiasain'izy ireo izay voalaza fa teny avy any an-danitra. Ka mba manana ambara momba ireo ve ny namana Mosheh sy Moustaraf?
11. voromailala ( 25/09/2013 13:02)
Nehemiah> Afaka mamaly indray mandeha ihany ianao ka :-)
Mety niôla be zany Andriamanitra raha ohatra ka hoe nanamboatra olona ohatra an'i Nehemiah daholo?
12. Nehemiah ( 25/09/2013 13:15)
Sady amin'izay mi-troll...
13. voromailala ( 25/09/2013 13:22)
Matoa ny zavatra iray afaka ahozongozona dia tsy maripaka izany...
14. Nehemiah ( 25/09/2013 13:25)
Inona kay no voahozongozona eo e O_O ?
15. voromailala ( 25/09/2013 13:41)
Nehemiah> ianao no mpilaza matetika hoe manozogozona finoan'olona.
16. Nehemiah ( 25/09/2013 13:49)
Marina loatra fa marivo salosana ny finoan'ny olona maro aty Madagasikara satria tsy mahay apôlôjetika, izany hoe tsy mahay miaro azy, izy ireo.
Ahoana indray ary ny fanontaniako etsy ambony ?
17. voromailala ( 25/09/2013 13:54)
Nehemiah> ka izay anie no nahatonga ahy niteny hoe niôla be Andriamanitra raha ohatra anao daholo ny olona rehetra. :-)

Inona ilay fanontany etsy ambony zany fa tsy arako?
18. Nehemiah ( 25/09/2013 13:57)

Inona foana kay ity fisainana hoe "Namorona voary afaka mitia azy an-kalalahana ka nohon'izay namorona ny ratsy Andriamanitra" ?
19. voromailala ( 25/09/2013 14:00)
Nehemiah> Misaotra namerina ilay fanontaniana.
Amiko io tsy fanontiana fa fanakiana ka tsy misy valiny.



20. Nehemiah ( 25/09/2013 14:13)
Fanontaniana mitombina io ka, satria izay no fisainanao raha jerena ny voasoratrao, kanefa inona angaha no mba fototr'izao ?

Ka raha tsy mahavaly an'izay ianao dia nahoana no manadala vahoaka ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2105