Réincarnation sy finoana kristiana
41. Nehemiah
(
11/07/2013 06:53)
Miharena:
Namana Nehemiah,
Izaho anie tsy mandà ilay lojikanao miaro ny Baiboly izay Fototry ny finoana ara-panahy fa tsy manao koa hoe tsy maintsy lavina izay ivelan'ny Baiboly.
Tsy niteny mihitsy aho hoe lavina izay rehetra ivelan'ny Baiboly. Niteny aho hoe ampy tsara ny Baiboly ary tsy azo atao ny maka fehin-kevitra hafa ho tenin'Andriamanitra raha mbola Kristiana.
Izahao ny Jod. 3 sy ny Ap. 22:18-19.
Miharena:
[quote=Miharena]Ny olana lazainao fa ahy fa hoe mifanohitra amin'ny Heb 9:27 ny resaka réincarnation, dia tsy ahy loatra no mamaly izany fa an'i Jesoa Izy tenany ihany.
Mba hananana lojika mitombina kokoa dia tsara raha jerena hoe notenenin'i Jesoa ve io Heb 9:7 io sa hevitr'i Petera? ary koa hoe izay rehetra tokony hambara ve no notenenin'i Petera?
Saika hamaly aho hoe izahao ny 2 Tim. 3:16-17, kanefa moa efa miseho mibaribary eto ny tsi-fanajanao ny fahefan'ny Soratra Masina...
Miharena:
sa ilay famaritana nolazainao amin'ny hoe anthropos ve azo antoka fa famaritana avy any an-danitra sa fahalalan'ny olombelona azy?
Izany hoe ny tiana hambara amin'izany dia ny fanavahana ny famaritana sy ny fahazoana azy sy ny zavamisy mba tsy hifangaro ny finoana sy ny famaritana izay tafiditra ao amin'ny antontam-piheverana.
Eto dia alaim-panahy hamaly hoe lol aho. Mba avy any an-danitra ve io teninao io sa fahalalan'ny olombelona :) ?
Hita fa mitady hiala pa
Miharena:
Ary raha milaza moa ianao hoe tsy mety ny maka izay ivelan'ny Baiboly ho fahamarinana dia maro ireo boky avoakan'ny Kristianina manao famoaboasana ny ao anaty Baiboly ary tsy mitovy avokoa izany famoaboasana izany. Sa ireny ve no atao hoe mitondra fahamarinana kokoa ohatra eo aminao?
Ny an-dry zareo ary hevitra avy @ Baiboly no voaboasany fa tsy mampiditra zavatra avy ivelan'ny Baiboly.
42. Miharena
(
11/07/2013 14:28)
Nytiana ambara amin'ny famelabelarana teo anie namana dia hoe izay manome fanazavana mitombina na tsy ao anaty Baiboly aza no manana ny fahamarinana fa tsy hoe rehefa misy manazava izay voasoratra nefa mibirioka dia marina.
Ny olana manko dia matoa misy ireo tsy resy lahatra mihitsy eo amin'ny fiangonana izay nampiteraa n zana-piangonana marobe dia ilay faharoa no misy. Milaza fa n yBaiboly ihany nefa avy eo samihafa ny hevitra avoakan'ny tsirairay. Dia eo no mila arbitra mazava tsara izay matetika azo avy amin'ireny fisehoana ireny.

43. Nehemiah
(
11/07/2013 14:41)
Izay aloha dia ekeko fa zava-misy. Fa ny ahy dia izay lazain'ny Baiboly ihany no voiziko fa tsy manolakolaka ny filazan'ny Baiboly.
44. Miharena
(
12/07/2013 14:41)
Fa ny Baiboly tsy misy porofo mivaingana fa lasa lahatsoratra fotsiny ihany dia tsy miasa amin'ny fiainan'ny olona. Ny fahatsapana no mandresy lahatra ny olona izay hitantsika matetika rehefa tena tratran'ny tsidrimandry izy na koa fisehoana.
45. Nehemiah
(
12/07/2013 15:21)
Miharena:
Fa ny Baiboly tsy misy porofo mivaingana fa lasa lahatsoratra fotsiny ihany dia tsy miasa amin'ny fiainan'ny olona.
Asio maso ity rohy ity izay ianao voa miteny an'izay :-).
46. Miharena
(
13/07/2013 06:43)
Raha toa ka milaza avy hatrany aho hoe tsy marina ny Baiboly dia marina ny teninao fa tsy izany no lazaiko fa hoe raha soratra fotsiny izy fa tsy miasa dia tsy misy fiantraikany eo amin'ny olona. Toy ny olona manao pli-vava fa tsy mahalala ny vontoatiny no tiana tenenina eto.
Ary koa tsy misy asa soratra na iray aza amiko ka tsy nanana ny fotony nanoratana azy. Fa rehefa mamaky azy isika dia milaza hoe misy antokony ny mpanoratra na voafetran'ny zavatra nasaina noteneniny na nasaina mamafy zavatra noforomporonina, na milaza tsotra izay nasaina nambarany tsy misy fitaka.
Ny fanamarinana ny Baiboly dia fahatahorna sao diso izy. Ary arakaraka ny hanamarinana azy no mampiteraka adin-tsaina eo amin'ny olona satria ny mpanamarina dia samy manana ny heviny entiny hanamarinana azy.
Ohatra tena azo antoka, rehefa misy mitory teny dia mba henoy tsara fa misy ireo izay miteniteny foana mihitsy ary mampiteraka tsy fahatombenantsaina amam-panahy. Azotsika atao ohatra ny maka toriteny iray dia jerena eo hoe inona no tena tian'ny mpitory lazaina fa tena tsy misy idiran'Izay Jehovah na Jesoa mihitsy ny zavatra lazainy na dia kely aza.

47. Nehemiah
(
13/07/2013 07:16)
Ie, izay indray dia zava-misy izay. Fa averiko indray mandeha fa rehefa mamaky lahatsoratra iray ianao dia tsy izay hevitra tianao avoaka no azonao avoaka avy @ fa tsy maintsy miezaka mahazo izay tian'ny mpanoratra avoitra. Izay no maha-zava-dehibe ny tsy mampiditra zavatra avy ivelan'ilay lahatsoratra anatin'ny lahatsoratra, fa ny contexte ara-tantara sy ara-kolon-tsaina no jerena.
Izay koa no atao rehefa mamaky Baiboly. Masiaka dia masiaka ilay izy momba ny olona izay manolakolana ny fampianarany :
Gal. 1:7-8 : "izay tsy filazantsara akory [Gr. anankiray koa] , fa saingy misy ny sasany mampitabataba anareo ka ta-hamadika ny filazantsaran’ i Kristy. Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy [Na: manohitra] izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona [Gr. anatema] izy."
Tafiditra ao anatin'izay ny fampianaran'ny réincarnation, izay mifanohitra @ fampianaran'ny Baiboly, na tianao na tsy tianao.

48. ravonjison
(
13/07/2013 08:45)
Nehemiah:

Salut Daholo a,
Mba mahaliana ahy koa itý resaka incarnation itý dia mba niditra amin´ny resadrsaka aho.
Izaho aloha dia manana ny bomba fijeriko koa aho mikasika ny finoana kristianina, izay misy zavatra azo kianina betsaka ao, ary koa misy fampianarana tsara azo raisina .
Fa ny tiako ho lazaina eto dia ny voalazan´ny Miharena.
Miharena , manolakonana ny fampianarana kristinina ianao. Ny fampianarana kristianina dia mivoaka avy ao amin´ny baiboly avokoa , mifanaraka tsara amin´ny voalazan´ny Jesosy, mifameno tsara ny testamenta taloha sy vaovao. Tsy misy ampiana , tsy misy anesorana, na arap-panahy , na ara-dahatsoratra.
Raha misy hevitra hafa , fampianarana hafa, izay mahafinaritra anao na lazainao fa marina, dia na izy mifanaraka amin´ny fampianaran´ny baiboly na tsia. Raha tsy mifanaraka amin´ny fampianara kristianina izy dia tsy azonao atao mihitsy ny hoe : fahamarinana tsapako izany, izay tsy voasoratra ao amin´ny baiboly , noho izany andeha hampidiriko aho, satria tsy ampy ny fampianarana kristianina.
Feno sy ampy tsara ny fampianarana kristianina, fa raha manaitaitra ano ny reincarnation dia tazony ho anao , fa tsy azonaoa atao mihitsy ny mamoromorona hoe be lahatsoratra be fotsiny ny baiboly nefa tsy ampy, ka tokony izay tsapa ao anaty ihany no ampianarina.
Raha tsy voarakitra antsoratra tsara ilay fampianarana, fa izay tsapa ao anaty ihany no andeha hovoizina sy hampianaina dia matetika betsaka ny mpamonany sandoka sy mpisoloky satria tsy misy afaka hanamarina izay tsapanao any anaty any.
Marina fa rehefa misy mitoriteny dia misy ny toriteny ratsy ( tsotsoriko fotsiny a). Izany anefa tsy midika mihitsy fa ratsy ny fampianarana kristianina. Mety midika fotsiny izany fa tsy ampy fiofanana ilay mpitoriteny. Ny hevitra ao anatin´ny toriteny izay nalaina tamin´ny " version" iray dia mitovy daholo ny votoatiny n´aiza n´aiza eto antany , araka ny fampianarana kristianina... possible fotsiny ny hoe misy ny mpitoriteny efa goaika antitra ary mahay tsara ny mampita azy, misy kosa ny mbola zazavao.
Ny fampianaran´ny baiboly sy ny ny incarnation dia zavatra mifanohitra be e, fa aza forcer-na na hitadiavana izao argument rehetra izao fa tsy possible mihitsy e.
49. Nehemiah
(
13/07/2013 08:54)
Misaotra anao ho an'ny hafatra.
H.S. kely : azonao velabelarina kely ve ny zavatra heverinao fa azo kianina ? Tiako ho fantatra fotsiny ilay izy fa tsy hoe hizizozizo aho na inona.
ravonjison:
Izaho aloha dia manana ny bomba fijeriko koa aho mikasika ny finoana kristianina, izay misy zavatra azo kianina betsaka ao, ary koa misy fampianarana tsara azo raisina.
H.S. kely : azonao velabelarina kely ve ny zavatra heverinao fa azo kianina ? Tiako ho fantatra fotsiny ilay izy fa tsy hoe hizizozizo aho na inona.
50. Miharena
(
13/07/2013 16:52)
Ravonjison,
Misy zavatra tiako hotenenina mazava fotsiny aminao sy ny namana Nehemiah, tsy izaho no mamorona hoe misy izany réincarnation izany fa ny mpanoratra izay hafatr"i Jesoa taminy dia ilay kristianina tany Meksika izay nampanoratina ny Troisième Testament. Azonao tsindriana google fotsiny io dia mahita fichier pdf azonao vakiana ianao.
Ny olana eto aminay sy Nehemiah dia heveriny fa izaho no namorona manko ka sao dia tafiditra amin'ny fandriky ny fiampangana toa azy koa ianao.
Ny namana Neheliah moa dia milaza foana hoe manana olana aho fa tsy mahavaha ilay resaka réincarnation. Tsy izaho no manana olana ny amin'izany fa olana foronina ny an'ny namana Nehemiah.
Anisan'ny fomba fiadian-kevitra mivilana ihany indraindray ireny mametraka olana foronina ireny fa tsy manaaka ilay lojikan'ny fanehoan-kevitra eto.

51. Miharena
(
13/07/2013 16:53)

Anisan'ny fomba fiadian-kevitra mivilana ihany indraindray ireny mametraka olana foronina ireny fa tsy manaraka ilay lojikan'ny fanehoan-kevitra eto.

52. Nehemiah
(
15/07/2013 08:16)
Tsy niteny mihitsy aho na oviana na oviana hoe namorona ny fampianaran'ny réincarnation ianao, fa nilaza aho hoe fampianarana avy ivelan'ny Baiboly no ezahinao atao tery vay manta anaty Baiboly. Dia mbola averiko hatrany fa tsy hahomby mihitsy ianao nohon'ny lôjika tsotra, dia ny Loi de Non-Contradiction.
53. Miharena
(
15/07/2013 15:01)
Averina indray, tsy mampiditra na dia teny iray aza avy amin'ny fampianarana fantatra avy aty aoriana ho ao anaty Baiboly. Ny boky ihany no miteny hoe fanampiny no nosoratany ary manampy amin'ny fahazoana ny voalaza ao anaty Baiboly fa tsy misy mihitsy miteny hoe ampidiro ao anatin'ny Testamenta taloha sy vaovao io. Famenony io hoy ny voalaza.
Ny olanareo dia izay mampihevitra izay tsy heverin'y hafa izay, ary io dia fomba mandringa mihitsy eo amin'ny Kristianina matetika. Raha tsy manaraka ilay standard izay heverina ny olona iray na ny hafatra iray dia lazaina avy hatrany fa diso, na dia misy zavatra azo tsapaina aza eo.

54. Nehemiah
(
15/07/2013 15:14)
Ianao no tsy nahazo ny tiako tenenina : milaza ny Baiboly @ Heb. 9:27 fa tsy possible ny réincarnation, nefa ianao milaza fa possible satria misy fanahy misandoka ho Jesoa namitaka olona tany Meksika tany nilaza fa zava-misy io, ka mifanohitra ireo filazàna 2 ireo. Kanefa tenin'ilay Andriamanitra tsy mifanipaka ny Baiboly ka ianao no diso.
55. Miharena
(
15/07/2013 15:23)
Tsy izaho no diso ka!
Anontanio ilay nampanoratra ny boky fa mifanaraka amin'ny Hebreo 9:27 mihitsy ny fiainany. Fa ny teny fanampiny hahafahan'ny maro mahafantatra ny sitrapony no nisy io réincarnation io.
Dia izay fotsiny ihany.

56. Miharena
(
07/08/2013 21:05)
Tohizana kely ny momba ity resaka ity izay ilazan'ny namana Nehemiah moa hoe tsy ao anaty Baiboly izany réincarnation izany.
Asa ny fandraisana ity teny ao amin'ny Matio ity
Izany hoe Elia dia tonga nofo tao amin'i Jaona Mpanao Batisa araka io fanambarani' Jesoa io.

Matio 11: 12-15:
12 Ary hatramin'ny andron'i Jaona Mpanao-batisa ka mandraka ankehitriny ny fanjakan'ny lanitra dia rombahina, ary ny mpandrombaka maka azy an-keriny.
13 Fa ny mpaminany rehetra sy ny lalàna dia naminany hatramin'i Jaona.
14 Ary raha mety mandray ianareo, dia izy no ilay Elia izay ho avy.
15 Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.
Izany hoe Elia dia tonga nofo tao amin'i Jaona Mpanao Batisa araka io fanambarani' Jesoa io.
57. Nehemiah
(
08/08/2013 06:03)
Kanefa @ 2 Mpa. 2:11 dia miakatra any an-danitra mbola velona i Elia. Tsy maintsy maty ny olona 1 izay voa réincarné.
I Jaona koa rehefa nanotanian'ny mpanora-dalàna @ Jn. 1:21 dia namaly mazava tsara fa tsy Elia izy.
Torak'izay koa, @ Mt. 17:3-4, i Elia tena Elia mihitsy no hitan'ny mpianatra fa tsy Jaona Mpanao Batisa. Raha réincarné t@ Jaona i Elia dia tsy tokony i Jaona no hitan'izy ireo ? Fa mitombina kokoa ny fiheverana fa tany an-danitra i Elia satria tsy nahita ny fahafatesana ary avy tany izy no niverina t@ transfiguration.
Ka inona izany no nahatonga an'i Jesoa hiteny an'izay ? Rehefa dinihina ny andinin'ny Soratra Masina 1 dia zava-dehibe indrindra ny mandinika azy @ fomba tsy mifanohitra @ andininy hafan'ny Soratra Masina. Hita @ Lk. 1:17 ny valiny : Ary izy handeha eo alohany amin’ ny fanahy sy ny herin’ i Elia mba hampody ny fon’ ny ray ho amin’ ny zanaka, ary ny tsy manoa ho amin’ ny fahendren’ ny marina, hamboatra firenena voaomana ho an’ ny Tompo .
Ny tenin'i Jesoa izany dia mitovy @ tenin-dRanavalona I t@'izy nanendry an'i Rakotondradama ho mpanjaka aorianany. Nilaza izy fa "réincarnation"-n'i Ralambo sy Andrianampoinimerina ary "réincarnation"-ny koa, kanefa mbola velona izy (:-)). Midika izany fa tsy mba réincarnation @ fiheverana hindoue azy, fa mitandindona ny mpanjaka talohany izy. Torak'izay koa dia nitandindona an'i Elia i Jaona.

58. Miharena
(
09/08/2013 04:06)
Mety ho tsara ilay fanohanan-kevitra ataonao amin'ny alalan'ny fitanisana ireo andininy sasany fa ilay milaza fa foto-kevitra Hindoue ny réincarnation no tsy dia azo hanoherana ilay principe voalaza momba an'i Jaona Mpanao Batisa sy Elia.
Raha transfiguration no iheverana an'i Jesoa sy Mosesy ary Elia, dia diso ianao satia tsy nisy afa-tsy Jesoa no nanao trandfiguration teo fa i Mosesy sy Elia efa miseho amin'y voninahitry ny fanahiny avy.
Ny antony nahatongavan'i Jesoa ho nofo dia hanamporofo fa ny nofo ny azon'ny fanahin'ny Ray hianteherana amin'ny fivoaraNY satria ny Fanahin'Aina dia tsy misy mahavita izany afa-tsy ny RAY. Ny sisa izay milaza fa mahavita Fanahy dia mpisandoka satria izy aza efa avy amin'ny RAY niandohany.
Raha hiverina amin'i Jaona isika dia ny fanahin'i Elia ihany no i Jaona nialoha ani' Jesoa hilaza ny fanadiovana amin'ny alalan'ny Batisa amin'ny rano ary hilaza koa hoe ho avy Ilay Lehibe noho izy satria hanao Batisa amin'ny afo sy ny Fanahy dia i Jesoa.
Raha fioarana no jerena eto dia izay mbola mitoky amin' ny Batisa amin'y rano dia mbola i Jaona no arahiny fa izay mitoky tanteraka amin'i Jesoa izay miorimpaka ao am-pony no vita batisan'ny Fanahy Masina.
Toy izany koa, izay mitoky amin'ny Torah dia Mosesy no arahiny fa tsy i Jesoa. Na izany aza dia IRAY ihany ny loharano na i Mosesy, na i Elia, na i Jesoa fa ny vanimpotoana arakaraka ny fivoaran'ny Fanahin'ny olona no samihafa ka nanaovana ireo fitaizana telo tonta nisesy.

59. Nehemiah
(
09/08/2013 05:41)
Ianao dia hitako miainga avy @ petra-kevitra fa manana ny marina ianao mba hanaporofoana fa manana ny marina ianao.
Kanefa na izany na tsy izany tsy azo heverina ho réincarnation-n'i Elia i Jaona raha ny Baiboly no jerena satria tsy azo ialàna ny Heb. 9:27, sady mbola eo koa ny antony efa notanisaiko etsy ambony.

60. Miharena
(
09/08/2013 17:50)
Ianao dia hitako miainga avy @ petra-kevitra fa manana ny marina ianao mba hanaporofoana fa manana ny marina ianao
Sahala fa tsy mitovy isika sy ianao raha io filazanao io.
Ny ahy manko tsy dia hoe izaho no manana ny marina hanamarinana fahamarinana iray fa milaza izay lojika azo tsoahina amin'ny alalan'ny fanambarana isan-karazany fotsiny ihany aho.
Raha toa ka mametraka aho hoe manana ny marina dia hitovy tsy misy valaka aminao ny fomba fijeriko sy ny fandalinako Soratra Masina ary ny Soratra hafa manambara ny momba an'i Jesoa. Izany hoe milaza fa tsy misy afa-tsy ny baiboly ihany no misy ny zava-drehetra nambaran'Andriamanitra ary tsy misy asa atao afa-tsy ny mampiely Baiboly sy mitory teny araka ny endrika ahazoan'ny olombelona rehetra azy ihany.