Réincarnation sy finoana kristiana

61. Nehemiah ( 10/08/2013 06:18)

Miharena:


Ianao dia hitako miainga avy @ petra-kevitra fa manana ny marina ianao mba hanaporofoana fa manana ny marina ianao


Sahala fa tsy mitovy isika sy ianao raha io filazanao io.

Izany ve ?

Izaho mantsy miainga avy @ Baiboly dia miezaka ny mamantatra ny tiany ho lazaina miainga avy @'izay voasoratra ihany.
Ianao kosa dia mampiditra hevitra avy ivelan'ny Baiboly anaty Baiboly, na ekenao na tsy ekenao : mba nieritreritra an'izany réincarnation izany ve ianao raha tsy nahita sy nanaiky an'izay tany ivelan'ny Baiboly tany ?

Farafaharatsiny, ary efa nilaza an'izay taminao aho, azo heverina fa tsy mitovy ny ankina iaingantsika.
Miharena:
Ny ahy manko tsy dia hoe izaho no manana ny marina hanamarinana fahamarinana iray fa milaza izay lojika azo tsoahina amin'ny alalan'ny fanambarana isan-karazany fotsiny ihany aho.

Ka eo indrindra isika. Isan-karazany. Izany hoe tsy mba ny Sola Scriptura niaingan'ny Fanitsiam-Pivavahana no ampiharinao.
Miharena:
Raha toa ka mametraka aho hoe manana ny marina dia hitovy tsy misy valaka aminao ny fomba fijeriko sy ny fandalinako Soratra Masina ary ny Soratra hafa manambara ny momba an'i Jesoa.

Fanitsiana kely : ny Soratra Masina no manana ny marina. Ary raha ny hevitra avoitry ny Soratra Masina no avoitry ny olona 1 dia manana ny marina izy. Fa raha ampandaloviny @ sivan'ny hevitra hafa ny hevitry ny Soratra Masina dia tsy voatery manana ny marina izy.
Miharena:
Izany hoe milaza fa tsy misy afa-tsy ny baiboly ihany no misy ny zava-drehetra nambaran'Andriamanitra ary tsy misy asa atao afa-tsy ny mampiely Baiboly sy mitory teny araka ny endrika ahazoan'ny olombelona rehetra azy ihany.

Ie, izay mihitsy ny Sola Scriptura, arahabaina ianao nahazo an'izay.
62. Miharena ( 10/08/2013 16:32)
Raha te-hahalala marina ilay réincarnation hoe misy sa tsy misy ary tehahafantatra ianao fa tsy nisy nidiran'y resaka Hindoue mihitsy ilay resaka lazaina eto dia tsara kokoa aha mamaky ilay boky 3è Testament ianao.

Raha toa ka misy hitanao fa mifanohitra amin'y Baiboly ny zavatra lazaina ao dia izay vao tokony hanambara ianao fa tsy marina ny resaka réincarnation.
63. Nehemiah ( 13/08/2013 08:02)
Raha mba mahita rohy ahy dia mba liana ny hanopy maso an'izao, kanefa moa tsy ho resy lahatra mihitsy aho ary tsy hisy kristiana mino ny Baiboly ho resy lahatra mihitsy, satria ny vontoatin'ny fampianaran'ny réincarnation mihitsy no mifanohitra @ Baiboly
64. Miharena ( 13/08/2013 12:41)
Tsara raha liana ianao. Ity misy rohy iray azo hijerena azy

http://www.das-dritte-testament.com/F/
65. Miharena ( 13/08/2013 12:46)
Mety tsy hisokatra io rohy io fa azonao atao koa ny mitendry ny hoe Troisième Testament livre de vie véritable aminy' google dia mahita io rohy io.
66. Nehemiah ( 13/08/2013 12:52)
Nataoko "kôpy kole" anaty barre d'adresse dia mety ihany fa misaotra
67. ravonjison ( 13/08/2013 15:56)
Miharena a,

Tsy mifanaraka amin´ny fampianarana kristianina ny réincarnation. Itý misy ohatra:

- Ny fampianarana réincarnation dia milaza fa voageja ao anaty tena ny fanahy , mila afahana amin´ny alalan´ny réincarnation, na koa manao réincarnation mba hanarenana ny dsio natao tany aloha tany. Dia miverimberina io mandra-paha.
- ny fampianarana kristianina indray dia milaza fa iray ny tena sy fanahy, tsy misy resaka voageja eto, ary rehefa maty dia miandry ny fitsarána ny fanahy. Indray mandeha ihany no maty.
Raha tsorina dia amin´ny alalan´ny Jesosy Kristy no hiovántsika, ny hahatsara, ny hahavonjy antsika, eto antany no tanterahina izany fiována izany, fa tsy amin´ny alalán´ny réincanration : mila maty aloha dia miditra amin´ny tena hafa ( olona, biby nsns...).

Ireo voalaza atsy ambony : Jaona, Elia sns...dia interptretation diso .

I Korintiana 15:44-45 " vatana manana aina fotsiny no afafy, fa vatana ara-panahy no atsangana. Fa misy vatana manana aina fotsiny, ary misy vatana ara-panahy; izany no voasoratra hoe Adama, lehilahy voalohany, natao aina mahavelona; fa Adama faharoa kosa natao fanahy mahavelona.

Hebreo 9: 27-28 : " Ary toy ny nandraiketana ny olona ho faty indray mandeha sy hotsaraina rahefa afaka izany no nanoloran'ny Kristy ny tenany indray mandeha koa mba hanala ny fahotan'ny maro, sy mbola hisehoany tsy amin'ota fanindroany mba hamonjy


Izay raha ny baoiboly no jerena. Fa hara ny hevitro manokana dia tsy misy ny réincarnation fa zavara noforonina fotsiny tan aloha tany, eritreritra, hypothése. Tsy misy mihitsy fomba mazava azo hilazana amin´izao fotoana izao fa misy ny réincarnation.
68. Miharena ( 14/08/2013 08:20)
Ravonjison,

Azo ny hevitrao izay interprétation ny Baiboly araka ny fiheveranao azy ary ataoko fa maro ny Kristianina no mihevitra izany koa.

Ny hany mba mahagaga ahy anefa dia tsy mbola novakianao ilay boky dia tonga dia milaza ianao fa tsy marina izany resaka izany ary diso fanaovana interprétation aho momba an'i Elia. Tsy izaho anefa no milaza izany fa izay nampanoratra ny Testamenta Fahatelo. MIsy fanazavana betsaka ao manambara fa IZY no nanoratra ny Boky I sy II ka nomena ny III ho toriana farany satria mameno azy roa.ka manazava betsaka sy antsipirihany ny momba ny fianana ara-panahy tokony hotanan'ny olombelona rehetra.

Tsy fanohanana ny réincarnation ihany no ao fa misy ny fanohanana indrindra indrindra izay fomba fijerintsika momba ny Baiboly izay indrindra, dia ny fiainana mandrakizay aorian'ny fandaozana ny nofo. Ny fanendrena ny fanahy no miteraka ny réincarnation raha toa ka fantatra fa tokony mbola hamita iraka ny Fanahy iray. Natao F lehibe satria io no Sombin'ny Ray izay irahiNY.

Ka vakio aloha ilay Boky vao milaza hevitra mifanohtra amin'izay isika.

Ny olana manko amin'izao fotoana izao dia manjavozavo ny fahafantaran'ny olona ny momba ny fiainana any ankoatra. Efa betsaka anefa no miteny sy manazava fa tsy misy fanahy maty fa mifindra toerana arak'izay hanendrena azy avy izy ireo. Maro ny resaka ao anaty Baiboly milaza izany, eny na dia ny fisarahan'ny fanahy tsy nihary harena afa-tsy teto an-tany aza (ohatra momba an'i Lazarosy sy ilay mpanankarena).

Ka asa aloha fa lasa lava be ilay resako fa anjarantsika no manadihady vao mandà fanambaràna avy any ambony iray.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0088