Réincarnation sy finoana kristiana
21. Miharena
(
26/06/2013 13:32)
Ka eo indrindra no ilazana amin'ny namana hoe jerena ilay fahamarinana satria na io nambara tamin'ny boky ivelan'ny Baiboly lazain'ny namana Voromailala io aza dia mifanandrify mihitsy amin'ny voalazan'i Paoly ao anaty Baiboly momba ny lalàna.
Matetika tokoa rehefa miresaka lalàna dia i Mosesy no ataon'ny Jiosy ambentin-dresaka fa tsy Jehovah niresaka tamin'i Mosesy. Eto ohatra dia hita taratra hoe ny olon-tsotra izay tsy sahy hijery ny Voninahitr'Andriamanitra dia nitady mpanelanelana dia i Mosesy fa tsy niezaka ny hitovy amin'i Mosesy nefa olona mitovy aminy ihany io Mosesy io fa saingy nahay nifandray nivantana tamin'Andriamanitra.
Fa sao lasa lavitra aloha ilay size fa resaka réincarnation aloha izao e!

22. voromailala
(
27/06/2013 09:50)
Zay indrindra.
Jereo anie i Jesoa e, tsy nila mpanelanelana fa ny zavatra niainany no tena noresahany.
Vitsy mihintsy izy niteny hoe hoy i anona na i anona. Zavatra avy ao anatiny avy amin'ny fanahiny no nolazaina. I Jesoa anie tsy nianatra firy e, fa nandrafitra niaraka tamin'ny dadany izy.
Noho izany raha te ohatra an'i Jesoa isika (za anisany) dia tsy tokony mamperiberina izay voalazan'ny Baiboly, na Boky hafa rehefa tena miresaka fa izay traikefa nihainantsika no zaraintsika.

23. Nehemiah
(
01/07/2013 14:39)
Miharena:
CQFD
Ny fanontaniana mipetraka anie dia hoe mihevitra ve isika fa izay novoizina avy amin'ny Baiboly dia manome ny fahamarinana mivantana avy amin'I Jesoa raa miseho IZY mampianatra aty aoriana noho ny fahitany fa mandringa ny finoan'ny olona novoiziny izy avy teo efa ho roa arivo taona ?
Izay no "recette miracle" raha te-ho voafitak'i Satana : odio fanina ny 2 Tim. 3:16-17 : Izay soratra rehetra nomen’ ny tsindrimandrin’ Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon’ Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ ny asa tsara rehetra.
Kanefa moa efa nataonao mazava fa tsy omenao an'izay toerana izay ny tenin'Andriamanitra...
24. Miharena
(
01/07/2013 14:55)
Kanefa moa efa nataonao mazava fa tsy omenao an'izay toerana izay ny tenin'Andriamanitra...
Fiheveran-diso ny anao.
Hafa tanteraka ny fijery ny Tenin'Andriamanitra rehefa mihaona na mamaky ny hafatra azon'ny olona avy amin'i Jesoa na ny Anjely.
Fantatra hatrany hoe iza no sandoka amin'ireny hafatra ireny.
Ny zava-misy dia ny vondron'olona miarala mandinika Baiboly dia mamaritra izay tiany hitiavana ny hamakiana io Baiboly io dia manjary tsy tonga ny hafatra fototra tian'ny Tompo lazaina. Ary kinga matetika ry zareo maneho hoe avy amin'ny Devoly izany hafatra izany fa tsy avy amin'Andriamanitra ary ny loza dia misy izay entin-tahotra sao hono rava ny fiangonany raha mitory amin'ny olona izay hafatra azo tamin'i Jesoa izay izy.
Ary manaraka izay dia las manana fitsaram-poana ihany ny Kristianina toy izany ary io no tsy mahatafita ny filazantsara matetilka satria fanomezan-tsiny no entina mitory fa fampianarana mazaba.
25. Nehemiah
(
01/07/2013 15:12)
Ny anao dia izay foana kanefa ianao ihany no mampiditra hevitra avy ivelan'ny Baiboly anaty Baiboly, izany hoe ampandalovinao @ sivanao manokana ilay izy, mipetraka ho mpitsara ny Tenin'Andriamanitra ianao. Ao anatin'izay ny réincarnation, efa noporofoiko teo fa hevitra avy @ finoana hindoue izay mifanohitra @ Baiboly ilay izy.
Ka mba tiako ianao raha miaiky fa tsy mitovy @ axiomes-n'ny finoana kristiana ny axiomes-n'ny finoanao.

26. Miharena
(
01/07/2013 15:29)
Tsy mampiditra hevitra aho fa ny fanazavana omena ahy no aposako hoe tena io no tena azoko antoka fa marina izay voalazany ary tsy mampiditra hevitra IZY fa manazava tsara ny toe-po sy toe-tsaina maha-kristianina na ny marina kokoa ny fitondran-tena ara-panahy mahitsy sy mivantana.
Ka tsy marina ny fampanekenao ahy fa tsy mitovy ny axiome. Ny tsy mampitovy ny axiome resahanao eto dia ny iray lazainao fa marina dia araka ny fandraisan'ny olombelona azy ka nozarainy tamin'ny taranaka afara mandimby no raisinao fa finoana Krsitianina, ny ahy kosa tsy izay fa izay fanamarinana sy fanitsiana fomba fijery ny ara-panahy avy amin'ny Mpitarika ara-panahy ivelan'ny olombelona ka manamarina ny Teniny ao anaty Baiiboly ka azoko tsara sy manome fahazavana amiko tsara ny zavatra teneniny hahafantarako bebe kokoa ny tian'ny Baiboly rehetra ambara.
Io moa dia resahana hatrany hoe ny Fanahy Masina no manoro fa tsy ny tena no te-hiresaka sy hampiresaka namana.

27. Nehemiah
(
02/07/2013 06:01)
Mampiditra hevitra avy ivelan'ny Baiboly re ianao fa aza manodikodin-dresaka. Tsy misy famoahan-kevitra be dia be ny Heb. 9:27. Ny réincarnation dia nipoitra avy t@ finoana hindoue, fa raha tsy nahalala an'izay ianao dia tsy nahita an'izany réincarnation anaty Baiboly ianao. Izay no anaovako anao foana hoe mba mampihara lôjika. Ary aza miafina ambadiky ny hoe "ny Fanahy Masina no niteny ahy an'izay" satria ny Fanahy Masina tsy afaka mifanipaka.
28. Miharena
(
03/07/2013 09:31)
Tsy izany loatra namana no tokony handraisanao azy satria tsy mampiditra hevitra ao anaty Baiboly mihitsy no ataoko raha dinihinao tsara fa milaz hoe misy ireo hafatra izay avy amin'i Jesoa ankehitriny izay miresaka manazava izay fahazoan'ny olombelona ny anton-diaNY tety an-tany ary io resaka réincarnation io ohatra dia tao amin'ny 3è Testament, izay Izy Jesoa no nanambara fa io no boky fanampiny tokony ho fantatry ny olombelona fa raha mijanona amin'ny roa teo aloha dia tsy tonga lafatra izay zavamiafina tian'i Jesoa ambara ny rehetra.
Dia izay ilay izy fa asa ho antsika manana toe-tsaina Kristianina milaza miankina amin'ny Baiboly tia mitsara izay heveriny fa hafa fiheverana tsy toa azy. Ary io no nilazani' Jesoa hoe : aza mitsara mba tsy hotsaraina, nefa toa mitranga matetika ny fandikàna io didin'i Jesoa io rehefa tena mandeha eny ilay fiainana ara-Kristianina izay noheveriny fa azony. Indraindray zava-madinika toy ireny no mahalavo ny maro mateitka.

29. Nehemiah
(
03/07/2013 13:16)
Miharena:
Dia izay ilay izy fa asa ho antsika manana toe-tsaina Kristianina milaza miankina amin'ny Baiboly tia mitsara izay heveriny fa hafa fiheverana tsy toa azy. Ary io no nilazani' Jesoa hoe : aza mitsara mba tsy hotsaraina, nefa toa mitranga matetika ny fandikàna io didin'i Jesoa io rehefa tena mandeha eny ilay fiainana ara-Kristianina izay noheveriny fa azony.
Ahoana indray ny Jn. 7:24 : Aza mitsara araka ny miseho, fa mba mitsarà marina ?
Ianao ihany no tsy mitsahatra mitsaratsara ahy isaky ny mandiso anao @ alalan'ny Baiboly aho :), kanefa io ihany no arahako.
30. Miharena
(
03/07/2013 16:38)
Tsy ianao no tsaraina fa ilay fomba fihevitrao izay momba ny tenako mety ho diso. Dia mihatra tsara io resaka ao amin'ny Jn 7:24 io ka! tsy mitsara araka ny miseho fa mitsara marina.
Fa ny olana dia rehefa mamefy tena amin'ny finoana mety ho sarintsariny ihany ny olona iray dia tsy mihevitra fa marina ny itsaràna azy hoe manao izany izy. Indrindra moa fa rehefa manoomboka miha-antitra iny ilay olona.
Aza heverinao fa ianao no lazaina eto fa ankapobem-panamarihana ihany an!

31. Nehemiah
(
04/07/2013 06:43)
Dia miverina @ Heb. 9:27 isika. Na ekenao izay, ka ara-Baiboly ny fisiananao, na tsy ekenao ka tsy ara-Baiboly ny fisainanao. Lôjika mitombina tsy misy fialàna pa izay.
32. Miharena
(
04/07/2013 19:04)
Tsy azonao ilay resaka namana Nehemiah ary tsy mifanadrify loatra amin'io teny io akory anie ilay hoe fisiana na tsy fisiana réincarnation ho an'ny olombelona. I Jesoa dia fantatra fa tsy manao izany réincarnation izany raha mamaky ilay 3è Testament ianao fa ny olona tsy voavonjy no lasa mianatra indray aloha amin'ny alalan'ny réincarnation.
Ka isika Kristianina dia tsy hiditra amin'izany satia mino fa miditra amin'ny sehatra hafa rehefa mandao ny nofontsika.
Ary aoka tsy atao hoe hevitro ilay resaka satria izaho tsy manan-kevitra fa mijery fotsiny izay ambaran'ny boky sy ny Baiboly rehefa mandalim-pinoana.

33. Nehemiah
(
05/07/2013 07:17)
A-a-a, mbola mitady hiala pa indray ianao. Raha ny lôjika no arahina dia mampianatra mazava tsara fa mandà ny réincarnation mazava ny Heb. 9:27. Na marina izay na diso izay, mazava loatra. Ka tsy maintsy misafidy ianao : na mino ny réincarnation ka misintaka @ finoana kristiana, na tsy mino satria manaraka an'izay voalazan'ny tenin'Andriamanitra ianao.
34. Miharena
(
05/07/2013 16:59)
Ny réincarnation anie namana tsy inoana e!
Fantatra fotsiny io fa nolazain'i Jesoa nampitondra teny tany Meksika izay nanome ny boky 3è Testament.

35. Nehemiah
(
08/07/2013 13:27)
1°) @ fomba ahoana no ahafahanao mitompo teny fantatra fa Jesoa tokoa io fanahy niteny zavatra mifanohitra @ Tenin'Andriamanitra io e ?
2°) Nahoana no zavatra avy ivelan'ny Baiboly no torahanao @ tavako mba handisoana ny Heb. 9:27 nefa efa fantatrao fa tsy ho ekeko mihitsy ?
3°) Mbola sahinao ihany ve ny miteny fa finoana kristiana madio ny finoanao ?

36. Miharena
(
09/07/2013 11:39)
Araka ny resako taminao moa dia tokony havahana tsara ny hoe teny voambara sy ny hoe vontoatin-teny isaky ny mijery fanambarana iray, ary koa ny hoe finoana sy ny fahalalana na koa ny zavamisy mifandraika amin'ilay fanambarana izay tafiditra ao amin'y fahalalàna, izay tsy midika fa finoana.
Ka aoka tsy hafangaro ilay atao hoe finoana madio, satria izany madio izany dia ivelan'ny fahalalàna. Ny finoako izany raha tianao ho fantatra dia tsy mifangaro fa ivelan'ny fahalalàna satria izay IRAY Iombonana izay manome aina ny daholobe no fantatro hoe hinoana ary tsy ao anatiny velively ny tantara satria lasa ao anatin'ny fahalalàna izay ampiasana ny saina.
Ny fanahy dia tsy hita fa tsapa ary io no inoana satria io no iombonana amin'ny RAY Mpamorona.
Ilay resaka fampidirankevitra ivelan'ny Baiboly indray dia averina ihany hoe tsy izaho anie no mampiditra fa ny zavamisy nitranga manodidina ny karazam-panazavana izay mifandraika amin'ny zavamisy ao anaty Baiboly sy ny tantarany no asehoko eto.

37. Nehemiah
(
09/07/2013 13:11)
Ka izay mihitsy anie : tsy mifandraika @ Baiboly izay zavatra tantarainao izay.
Lôjika mitovy @ novelabelariko tany ambadika tany izay : milaza ny Heb. 9:27 fa maty indray mandeha monja isika. Nefa milaza io fanahy resahinao io fa misy ny réincarnation, izany hoe maty imbetsaka ny olombelona 1. Ka tsy maintsy diso izany ny 1@'izy 2 satria mifanohitra ny zavatra lazainy.
Ankoatran'izay efa novelabelariko eto ny tsy mampifanohitra ny fampiasàna ny saina sy ny finoana, tsy ho averiko in100 izay.

38. Miharena
(
09/07/2013 16:10)
Raha mamaky io Heb 9:27 io aho dia i Jesoa no nolazainy ao fa tsy ny olombelona rehetra tsy ankanavaka izay tsy manaraka AZY.
Raha mamaky ilay 3è Testament dia mahita hoe marina io teny io ho an'ny mino fa ho an'ny olona tsy mino dia ny réincarnation no voalaza ao hanavotana azy indray.
Ka asa hoe iza no milaza ny diso eto fa raha miresaka tokoa ny oloan tsy mino an'i Jesoa ho Mpamonjy toa ny Hindoue ohatra dia hita hoe manana ny fahalalàna izy hoe réincarnation no misy. Izay no ataoko anao hoe aza afangaro ny fahalalàna sy ny finoana. Ny Bodhiste izao ohatra dia mitovy endrika amin'ny an'i Jesoa n otanjona dia ny hahazoana ny fiainana mandrakizay amin'ny toetra Nirvana. Raha mamaky ny boky La Vie des Maitres dia hahita ianao hoe tsy miady amin'ny oudhiste i Jesoa fa miaraka soa amantsara.
Fihaonan'ny fomba fijery Kristianina sy Bouddhiste ohatra no ao amin'io boky iray io ary ny fihaonan'ny hindouiste sy ny Kristianina indray koa ny boky farany resahana eto.
Ary aoka hatrany ho fantatra fa fanampim-panazavana izay maneho fa mbola tsy voasoratra avokoa ny zava-drehetra tian'i Jesoa ampitaina ny olombelona no ao amin'ny boky sy fisehoana isan-karazany hitantsika.
Rehefa mahay mamaky ireny ary mahita hoe izao avy ny lojika entin"ireny hafatra ireny dia mahita fahafahana tanteraka fa tsy voafatotra ho tsy ampy fahalalàna rehefa hamaly ireo karazam-panontaniana saro-baliana ao anaty Baiboly noho ny tsy fahampian'ny antontan-kevitra voarakitra ao araka ny tenin'ny mpanoratra ireo evanjely hoe betsaka ny zavatra nataon'i Jesoa fa raha soratana izany dia na izao tontolo izao aza tsy ho omby ny boky ilazana izany.

39. Nehemiah
(
10/07/2013 14:28)
Ny teny izay nadika hoe "olombelona" @ Heb. 9:27 dia "anthrôpôs" izay midika hoe :
un être humain, homme ou femme
1a) d’une façon générique, tous les individus
1b) distinction de l’homme par rapport à d’autres éléments
1b1) animaux ou plantes
1b2) ce qui vient de Dieu ou Christ
(nalaina avy t@ konkôrdansan'i Strong).
Efa nataonao mazava fa loharano avy ivelan'ny Baiboly no angalanao hevitra momba ny réincarnation, efa dingana 1 izay, fa kosa tsy azo anaovana an'izay ny Baiboly.
Sady mbola tsy afaka mihitsy ny olanao : mifanohitra @ réincarnation ny lazain'ny Heb. 9:27.

40. Miharena
(
11/07/2013 03:39)
Namana Nehemiah,
Izaho anie tsy mandà ilay lojikanao miaro ny Baiboly izay Fototry ny finoana ara-panahy fa tsy manao koa hoe tsy maintsy lavina izay ivelan'ny Baiboly.
Ny olana lazainao fa ahy fa hoe mifanohitra amin'ny Heb 9:27 ny resaka réincarnation, dia tsy ahy loatra no mamaly izany fa an'i Jesoa Izy tenany ihany.
Mba hananana lojika mitombina kokoa dia tsara raha jerena hoe notenenin'i Jesoa ve io Heb 9:7 io sa hevitr'i Petera? ary koa hoe izay rehetra tokony hambara ve no notenenin'i Petera?
sa ilay famaritana nolazainao amin'ny hoe anthropos ve azo antoka fa famaritana avy any an-danitra sa fahalalan'ny olombelona azy?
Izany hoe ny tiana hambara amin'izany dia ny fanavahana ny famaritana sy ny fahazoana azy sy ny zavamisy mba tsy hifangaro ny finoana sy ny famaritana izay tafiditra ao amin'ny antontam-piheverana.
Ary raha milaza moa ianao hoe tsy mety ny maka izay ivelan'ny Baiboly ho fahamarinana dia maro ireo boky avoakan'ny Kristianina manao famoaboasana ny ao anaty Baiboly ary tsy mitovy avokoa izany famoaboasana izany. Sia ireny ve no atao hoe mitondra fahamarinana kokoa ohatra eo aminao?