Inona marina ny atao hoe masaonika e?
81. Miharena
(
25/07/2013 07:08)
Tsy manipaka ny hafatra avy amin'ny Fanahy Masina mihitsy namana Nehemiah ny fanazavana tsotsotra napetraka raha mamaky tsara ianao fa fanehoana ny fomba fandraisan'ny olona azy izay manao relativisme rehefa mitory avy eo.
Ny olana anie dia misy ny Kristianina no tsy mahatsapa fa anisan'ny asan'i Jesoa ny mampiely ny filazantsara ho an'ny olombelona rehetra ary isan'izany izay manana firehana. Ny mifoha dia matetika efa lasa lavitra satria zavatra iainany tanteraka izany hoe Kristy velona ao anatiny izany ary tsy misy fitoriana afa-tsy asa sisa no ataony hampifoha ny olona. Ka tsy hoe ny teny no nasiana fanamarihana hoe mifanipaka eto, fa ny asan'i Jesoa ho an'ny olombelona rehetra no omen-danja, izay tsy mijanona amin'ny voasoratry ny Baiboly fa mitombina amin'ny zava-mahagaga taonjato maro aty aoriana. Mitohy io asa io mandrak'ankehitriny ary manomboka mivoaka tanteraka ny tantara fa asam-pamohazana no mitranga.
Ny olana fotsiny ho an'ny olona efa nianatra be loatra ny Baiboly ohatra dia heveriny fa hafa mihitsy ireo asa ankehitriny ireo fa tsy mifanaraka amin'ny tsongon-teny ao anaty Baiboly hono. Ny karazana asa anefa dia fantatra hatrany ho an'ny olona mifoha hoe Jesoa marina no misera na miasa amin'ny vanim-pototana rehetra tiaNY hanehoana ny Voninahiny.

82. Nehemiah
(
25/07/2013 08:27)
Ka eo moa dia raikitra tanteraka ny resaky ny moana sy marenina : filazana mazavan'ny Baiboly dia ahodikodinao ny dikany.
Eto izany ianao dia milaza fa miteraka olana ny fianarana ny Baiboly.
Ny olana fotsiny ho an'ny olona efa nianatra be loatra ny Baiboly ohatra
Eto izany ianao dia milaza fa miteraka olana ny fianarana ny Baiboly.
83. RBNIR
(
10/09/2013 02:59)
Araho ny fandaharana,
http://forum.serasera.org/forum/message/m522e87861761e
Samia ho tahin'ny Tompo