Inona marina ny atao hoe masaonika e?

41. endriny ( 09/07/2013 13:07)

Nehemiah:

Ie, izay koa no lazain'ny francs-maçons


Aleo fa andeha hividy boky mihintsy aho aza eh... Eto koa ve tsy misy masonika mba afaka mamelabelatra o.... .? Sa dia marina tokoa ny tsahotsahonay rehetra ... O ?
42. Nehemiah ( 09/07/2013 14:51)
Google is your friend
43. Miharena ( 09/07/2013 16:30)
Franc Maçon izany anie mazava be fa mpandrafitra mitovy amin'i Jesoa ihany e!

Raha misy ny masaonika voaohany dia i Jehovah.

Ka asa tokoa hoe iza no tokony henjehan'ny Kristianina? MIlaza azy ho inona tokoa moa ny Kristianina ?
44. Nehemiah ( 10/07/2013 14:16)
Hitady hanao équivocation (fanovàna famaritan'ny teny 1 eo am-pandehanana) indray i Miharena ary ny équivocation no hadisoana lôjika ratsy indrindra
45. Miharena ( 11/07/2013 04:05)

équivocation no hadisoana lôjika ratsy indrindra


Hafa indray izay lojika izay,

Raha manao fanoharana i Jesoa dia tsy fahadisoana izany fa rehefa izaho ve no manao fanoharana dia lojika ratsy??

Anisan'ny hita taratra eo amin'ny olona tsy matoky ny filazan'ny hafa mihitsy ny fomba fijery omen'ny namana Nehemiah eto.

Raha misy mteny hoe mena ny rà ohatra ka tsy mbola hitany hatrizay niainany izany lokon'ny rà izany dia milaza izy fa tsy marina izany. Toy izany koa, zavatra marina ao aminy ny fanorenana eo amin'i Jehovah dia raha misy milaza fa toy ny mpanamboatra masao izy dia lazaina fa tsy marina izany!!!

Dia mipetraka ihany ny fanotaniana hoe fa inona marina ny Kristianina? Ara-kevitra va sa ara-panorenana sa inona???

Mba mila valiny amin'ny namana Nehemiah sy ny hafa koa izay an!
46. Nehemiah ( 11/07/2013 07:06)
Nalaina avy t@ http://fr.wikipedia.org/wiki/Franc-ma%C3%A7on :

"Il semble presque impossible de donner une définition unique de la franc-maçonnerie. Certains spécialistes du sujet estiment même qu'il y aurait « autant de définitions que de francs-maçons ». Les obédiences maçonniques elles-mêmes défendent chacune, par des définitions différentes, leur conception particulière de la franc-maçonnerie. Ainsi, pour ne prendre à titre d'exemple que quelques-unes des plus importantes d'entre elles:

« La Franc-Maçonnerie, institution essentiellement philanthropique, philosophique et progressive, a pour objet la recherche de la vérité, l'étude de la morale et la pratique de la solidarité [...] » (Constitution du Grand Orient de France)
« La Franc-maçonnerie est un ordre initiatique traditionnel et universel fondé sur la Fraternité. » (Constitution de la Grande Loge de France)
« La Franc-maçonnerie est d'abord une alliance d'hommes libres de toutes confessions et de tous horizons sociaux. » (Grande Loge suisse Alpina)
« Freemasonry is one of the world’s oldest and largest non-religious, non-political, fraternal and charitable organisation. » (Grande Loge unie d'Angleterre)
« La Franc-maçonnerie, ou plus précisément, l'Ordre des Maçons Anciens, Francs et Acceptés, est une société initiatique et philosophique dont les origines se perdent dans la nuit des temps. » (Grande Loge du Québec)."

@'izay tsy mifanasoketa.

Mariho tsara kosa ny tsindrim-peo @'ireo famaritana ireo @ maha-tsi-ara-pivavahana sady initiatique an'ilay izy, kanefa ny resaka occulte no tena mila initiation miaraka @ fombafomba ésotérique isan-karazany.
47. Miharena ( 11/07/2013 17:04)
Dia hita hoe tsy misy famaritana misy tsininy anie izany ireo voalaza ireo namana e!

Ilay tonga dia manaratsy ny atao hoe ocultisme mihitsy no toa misy zavatra mahavariana eo amin'ny namana sasany milaza tena fa Kristianina.

Izaho Kristianina fa araka ny maha-Kristianina ahy mihitsy no tsy hitsarako foana na iza na iza eo amin'ny fomba fiheverany satria mandray izay lazain'i Jesoa hoe aza mitsara mba tsy ho tsaraina sy ny heo tiava ny fahavalonao. Izany hoe raha nandray fahavalo karazan'olona tsy mitovy hevitra amin'ny tena dia tsy tokony hanenjika azy be fahatany no sady ihany koa tsy mitsara satria lasa mety miteniteny foana miampanga ny hafa. Sady na iza na iza dia manana fanahin'Andriamanitra ao anatiny fa ny lanjan'ny fisokafany no mety tsy mitovy eo amin'ny tsirairay. Ny Mifoha ihany no afaka amin'ny fiheverana fa firehan-kevitra no andrafitra ny olona iray, fa ny fantany dia hoe iray ao amin'ny Ray izy rehetra.
48. Nehemiah ( 12/07/2013 07:12)
Ahoana indray ny Jn. 7:24 ?

Raha hanao christianisme guimauve ianao ka avelanao hikiky ny fiorenan'ny finoana kristiana ny finoana avy t@ tsindrimandrin'i Satana dia zoanao izany. Kanefa jereo tsara fa tena nokianin'i Kristy izay tsy mitovy hevitra @.
49. Miharena ( 12/07/2013 14:38)
Tsy miresaka kristianisma grimauve izany isika eto namana fa misy teny tokana ihany mandrafitra ny tian'i Jesoa ambara ao amin'ny Jn 17: 3 izay ampy be dia be tsy msiy fangrony betsaka mba hialàna amin'ny adihevitra adaladala ary rehefa mijoro amin'izay dia mahita hoe izay tsy mifanaraka amin'izay dia tsy principe Kristy izay. Mety ho hita taratra io ao amin'y fotokevitra masaonika, mety ho hita taratra io ao amin'ny fotokevitra Hindoue, Boudha, Silamo fa ny mitonona ho Kristianina no tsy mahatsapa azy dia milaza fa hafa ireo karazam-pinoana ireo.

Ny olana anie namana dia maro loatra ny kristianina izay tonga dia milaza fa avy amin'i Satana izay tsy ao anaty Babioly nefa tsy nahavaky io Baiboly io manontolo akory izy mba tsy hanaovany izany toetra mana-devoly ny hafa izany e! Ny tiana hahatongavana dia hoe ilay fananana toetra mazava arak'i Jesoa mihitsy no mibirioka be ka izay hafatra bitika indrindra lazaiNY aza tsy araka raha vao mandeha eny ny fiainana ka voarebirebin'ny fitsaran'olona sy fanaovana ny tena ho miavaka noho ny hafa ary ny loza dia ny fampidirana ireny olon-afa ireny ho isan'ny very fa ny tena irery no voavonjy.

Dia tiana ho fantarina mihitsy hoe inona no tena tokony hijoroana sy tsy azo akifika raha tena te-hanana ani' Jesoa ao anaty marina rehefa mamaky Baiboly na hafatra hafa na endri-pinoana hafa nefa ny mahasamihafa azy dia ny endrika itondrana azy ihany.
50. Nehemiah ( 12/07/2013 15:14)
Raha mba mino ny fitantaran'ny Genesisy ianao dia ho azonao an-tsaina fa ireny fivavahana maro samihafa @'izao tontolo izao ireny dia finoanoam-poana vokatry ny fahaverezan'ny fahalalàna an'Andriamanitra taorian'ny fiparitahana tany Babela, ka soloina ho hosoka ve ny ôrijinaly ? Ny Jn. 14:6 sy ny Jod. 3 ary ny Ap. 22:18-19 dia milaza mazava tsara fa i Jesoa Kristy no hany làlana ary tsy misy azo anampiana ny Baiboly.

Sady na izany na tsy izany anie dia mbola tsy afaka velively ny olanao : mifanohitra @ fampianaran'ny réincarnation ny Baiboly, ka ny aiza no safidianao
51. Miharena ( 13/07/2013 06:17)
Tsy dia olana anie ilay izy namana Nehemiah satria tsy hoe ny Baiboly no diso no teneniko eto fa tsy afaka mandà koa aho raha misy fahamarinana navoitra taorian'ny Baiboly.

Azonao havoitra avy amin'ny Gen ve ohatra fa ny réincarnation dia isan'ny finoana tsy mifanaraka amin'ny nampanarahana ny Israely? Izany hoe misy teny mazava ao milaza fa izany no foto-pinoan'ny hafa?

Ohatra iray : ny momie tao Egypta izay foto-pinonana iray dia noho ny fiheverana fa hitsangana ireo olona ireo any amparany, dia tsy réincarnation izay. Ny sampy dia tsy midika resaka réincarnation. Dia mba mila porofo avy aminao aloha hoe misy endrika réincarnation ve ny finona hafa izay nandidian'i Jehovah tsy harahin'ny vahoakany?
52. Nehemiah ( 13/07/2013 07:09)
Tsy nisy finoan'ny fitsanganan'ny maty izao @ mitôlôjia ejipsiana fa ny azy dia na mandeha @ champs d'Ialou anjakan'i Osiris na voasazy mandrakizay any @ Amanti.

Ankoatran'izay, iza kay no manapaka ny marina sy ny tsy marina aminao ? Ny tenanao ihany ? Tsy mety izany raha kristiana.

Jn. 14:6 : "Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ ny Ray, afa-tsy amin’ ny alalako."

Jn. 3:16-18 : Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’ izao tontolo izao hanameloka [Gr. hitsara] izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao. Izay mino Azy dia tsy helohina [Gr. tsaraina] ; fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka [Gr. voatsara] rahateo, satria tsy nino ny anaran’ ny Zanaka-lahy Tokan’ Andriamanitra izy.

Jn. 10:7-13 : "Dia hoy indray Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izaho no vavahadin’ ondry. Mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako; fa tsy nihaino azy ny ondry. Izaho no vavahady; raha Izaho no hidiran’ ny olona, dia hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina. Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be. Izaho no Mpiandry Tsara; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry. Ary ny mpikarama, satria tsy mpiandry na tompon’ ny ondry izy, koa raha mahita ny amboadia [lopa] avy, dia mandao ny ondry ka mandositra, ary ny amboadia [lopa] misambotra ny ondry ka mampihahaka azy ; mandositra izy, satria mpikarama ka tsy mitandrina ny ondry."

Asa. 4:12 : "Ary tsy misy famonjena amin’ ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin’ ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena"

Mbola ampiako ve ?
Sa inona indray no olakolan-teny atorakao ? Tsy ny Baiboly no manam-pahefàna fa Jesoa izay miteny ao anatiny ? Ny finoana rehetra dia endrika isehoan'ireny fahamarinana ireny ?

Izao re no mba ataovy : aza manonon-tena ho FJKM ianao fa mba matahora mena-maso.
53. Miharena ( 13/07/2013 16:40)
Mamaly resaka tys mifampitohy anie ny namana izany e!

Efa fantatra daholo anie ireo tanisa ireo namana ary marina fa ilay fanontaniako tsy valianao fa lasa amin'ny resaka hoe aza manonon-tena ho FJKM avy hatrany no havoitranao.

Anisan'ny tsy maharesy lahatra olona ianao raha izao no ataonao avy hatrany rehefa misy manan-kevitra hafa noho izay efa notovozinao tao anaty Baiboly.

Ary tokony hanaraka lojika tsara ianao rehefa mamaly resaka fa tsy ato mifanipaka atsimo sy avaratra na tsy misy ifandraisan'ny amin'ilay fanontaniana.
54. endriny ( 15/07/2013 05:43)
Fa ahoana koa no idiran'ny baiboly amin'ity resaka ity?
55. Nehemiah ( 15/07/2013 07:30)

Miharena:

Efa fantatra daholo anie ireo tanisa ireo namana ary marina fa ilay fanontaniako tsy valianao fa lasa amin'ny resaka hoe aza manonon-tena ho FJKM avy hatrany no havoitranao.

Hmmmmmm...
Miharena:
Anisan'ny tsy maharesy lahatra olona ianao raha izao no ataonao avy hatrany rehefa misy manan-kevitra hafa noho izay efa notovozinao tao anaty Baiboly.

F'angaha ny "maharesy lahatra" no tanjoko ? Ny miaro ny fahamarinan'ny Baiboly no tanjoko.

Sady tsy azoko mihitsy ianao : efa nataonao mazava fa tsy ho resy lahatra mihitsy koa dia mbola inona indray :-) ?
Miharena:
Ary tokony hanaraka lojika tsara ianao rehefa mamaly resaka fa tsy ato mifanipaka atsimo sy avaratra na tsy misy ifandraisan'ny amin'ilay fanontaniana.

Dia lazao ahy ary aiza ny hadisoana lôjika nataoko e :) ! Izay foana no ataoko aminao.
56. Miharena ( 15/07/2013 15:19)

Dia lazao ahy ary aiza ny hadisoana lôjika nataoko e ! Izay foana no ataoko aminao.


Lava ny resaka namana Nehemiah.

Asa hoe inona no tianao hahatongavana amin'ny fanipahana petra-kevitra amin'ny alalan'ny Baiboly raha fantatra fa tsy tokony hatao fitaovana ho amin'izany ilay Tenin'Andriamanitra tanisainao.

Ohatra :


hoy ny tanisanao:

« La Franc-Maçonnerie, institution essentiellement philanthropique, philosophique et progressive, a pour objet la recherche de la vérité, l'étude de la morale et la pratique de la solidarité [...] » (Constitution du Grand Orient de France)
« La Franc-maçonnerie est un ordre initiatique traditionnel et universel fondé sur la Fraternité. » (Constitution de la Grande Loge de France)
« La Franc-maçonnerie est d'abord une alliance d'hommes libres de toutes confessions et de tous horizons sociaux. » (Grande Loge suisse Alpina)
« Freemasonry is one of the world’s oldest and largest non-religious, non-political, fraternal and charitable organisation. » (Grande Loge unie d'Angleterre)
« La Franc-maçonnerie, ou plus précisément, l'Ordre des Maçons Anciens, Francs et Acceptés, est une société initiatique et philosophique dont les origines se perdent dans la nuit des temps. » (Grande Loge du Québec)."



Dia inona no mampifanipaka io amin'ny atao hoe Fahamarinana? inona no mampifanipaka ireo voatanisa ireo amin'ny atao hoe Fitiavana? ary inona no mampifanipaka ireo amin'ny atao hoe Fiombonana na Firaisana?

Izany hoe ny tiana lazaina dia ny fampiasana ny Tenin'Andriamanitra amin'ny zavatra tsy tiaNY hotenenina na tsy tiaNY hotenenin'ny Kristianina mpomba AZY.

Ary koa zavatra mifandrindra sa manipaka amin'ny tanisaina teo ambony ve ny tanisa manaraka ireto?


hoy ny tanisanao:

Jn. 14:6 : "Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ ny Ray, afa-tsy amin’ ny alalako."

Jn. 3:16-18 : Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’ izao tontolo izao hanameloka [Gr. hitsara] izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao. Izay mino Azy dia tsy helohina [Gr. tsaraina] ; fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka [Gr. voatsara] rahateo, satria tsy nino ny anaran’ ny Zanaka-lahy Tokan’ Andriamanitra izy.

Jn. 10:7-13 : "Dia hoy indray Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izaho no vavahadin’ ondry. Mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako; fa tsy nihaino azy ny ondry. Izaho no vavahady; raha Izaho no hidiran’ ny olona, dia hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina. Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be. Izaho no Mpiandry Tsara; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry. Ary ny mpikarama, satria tsy mpiandry na tompon’ ny ondry izy, koa raha mahita ny amboadia [lopa] avy, dia mandao ny ondry ka mandositra, ary ny amboadia [lopa] misambotra ny ondry ka mampihahaka azy ; mandositra izy, satria mpikarama ka tsy mitandrina ny ondry."

Asa. 4:12 : "Ary tsy misy famonjena amin’ ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin’ ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena"

Mbola ampiako ve ?


Efa nilaza moa aho tatsy ambadika tatsy hoe misy hoy aho olona mitory teny dia mitory teny fa tsy misy mihitsy idiran'ilay Tenin'Andriamanitra mihitsy ny zavatra lazainy. Ka sao dia lasa tafiditra amin'izany sehatra izany koa ianao namana.

Ary ny raharaha aza dia manao fara-teny rehefa tsy maharesy dohika. Nefa dohika tsotra dia tsotra no tokony handraisana azy fa tsy lavitra akory.
57. endriny ( 17/07/2013 13:42)
Ilay fihavanana sy firaisan-kina izany no tena vohizina ao amin'ilay masaonika e.. Miafampitantana, mifanampy ary mifanohana . Toa mitovy ny fatidra sy ny fifampizivana Malagasy....
58. Nehemiah ( 17/07/2013 14:21)
Miharena >> Tsy novoizinao na variraiventy aza ny hadisoana lôjika nataoko, ary tsy noporofoinao mihitsy fa tsy mivoitra ny exclusivité takian'ny finoana kristiana ny andininy notanisaiko.
59. Miharena ( 19/07/2013 13:38)
Namana Nehemiah,

Zavatra roa tsy mifanohitra ilay tanisa momba ny Masaonika sy ny finoana kristianina voatanisanao.

Satria raha jerena tsara dia samy mitady ny fahamarinana sy fomba fiaina mampahomby ny fiainan'ny olombelona.
60. Nehemiah ( 19/07/2013 13:54)
Ametrahako fanamby ianao hahita an'izany hoe "Ary tsy misy famonjena amin’ ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin’ ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena" @ fampianarana masônika
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5109