Inona marina ny atao hoe masaonika e?

61. Miharena ( 19/07/2013 14:07)
Raha izay indray aloha dia jereo ny fifandraisan'ny masaonika sy ny kristianina. Na wikipedia fotsiny aza dia mety miresaka izany.
62. Nehemiah ( 19/07/2013 14:12)
Efa novakiako izay. Fa ny kristiana koa dia tsy mihontsina rehefa ampianarina teôria mifanohitra tanteraka @ Bokiny ny zanany. Ka tsy manaporofo inona na inona izay fifandraisany.
63. Miharena ( 19/07/2013 14:45)
Izay indrindra, raha miha-masaka tsara dia hahita ny marina ny farany na iza na iza olombelona. Fa a iza na iza mitady dia hahita ka izany no tsy hanavahana hoe izato masaonila ary izatsy Kristianina fa samy hihaona amin'ny Ray Mpahary avokoa izy rehetra.

Raha tsy izay no izy dia tsy misy ny Mpahary mijery ny voariNY.
64. Nehemiah ( 19/07/2013 15:09)
Ka iny moa dia arakaraky ny fanomezana lanjan'ny ts11 ny fanambarana nampitain'Andriamanitra amintsika. Raha mandefa teny midina ny lehibenao @ alalan'ny hafatra, hankato ve ianao sa mbola hanao ny danin'ny kibonao ?
65. Miharena ( 20/07/2013 04:04)
Raha izay indray dia ilay teny midina no tsy zohinao tsara ny fehiny.Raha niteny i Jesoa hoe : ho iray ihany anie izy rehetr,dia heverinao ve fa tsy drafitra mandrakizay izany? Ka amin'ny fotoana rehetra amin'ny maha-mandrakizay azy dia miasa IZY hahtody ny rehetra ho amin'izny tanjona izany. Io dia avy amin'y alalan'ny faatanterahan'ny teny voalaza ihany. Tsy io Fehinteny voambara ao anaty Baiboly io ihany fa avy amin'ny fehin-teny amin'ny hafatra maro taloha na taorian'ny Baiboly koa.

Da izay no tsy mba hanaovana fanambarana manamavo ny hafa rehefa tena Kristianina fa mijery tsara hoe aiza no Fototra iaingan'ny tsirairay ary aiza no mahatonga ny fifanolanana.
66. Nehemiah ( 20/07/2013 06:56)

Miharena:

Raha izay indray dia ilay teny midina no tsy zohinao tsara ny fehiny.Raha niteny i Jesoa hoe : ho iray ihany anie izy rehetr,dia heverinao ve fa tsy drafitra mandrakizay izany?

Niteny an'izay momba ny ondriny izay any @ vala hafa izy, fa tsy ny mpomba ny fivavahana hafa
67. Miharena ( 20/07/2013 16:53)

Niteny an'izay momba ny ondriny izay any @ vala hafa izy, fa tsy ny mpomba ny fivavahana hafa


Dia efa fantany dieny mialoha izany fa maro no tsy ondriny koa inona moa no hitorian'ny namana Kristianina intsony?
68. Nehemiah ( 21/07/2013 06:50)
Satria baikony
69. Miharena ( 21/07/2013 17:37)
Koa raha baiko nefa fantatra fa tsy hahomby, inona moa no vokatsoa azo amin'izany?

Raha tsy hoe angaha ianao mitory izay nolazainy tao amin'ny 3è Testament izay manome bebe kokoa ny hafatra tokony hozaraina marina.
70. Nehemiah ( 22/07/2013 06:13)
Mino aho fa efa fantatrao fa ny anjaran'ny kristiana dia ny mitory ny Evanjely fa tsy ny mandresy lahatra. Ny Fanahy Masina no mandresy lahatra.

Fomban'i Miharena mihitsy ny fisainana mitamberina, nefa tsy nanome antony mitombina tokony inoan'olon-kafa ankoatra anao an'ilay izy mihitsy ianao.
71. Miharena ( 22/07/2013 13:07)
Ka ny olan'ny olona, ary ianao ao anatin"izany anie namana Nehemiah dia rehefa hampamakiana boky hafa ny Kristianina dia mihevitra fa tsy izy ny voalaza ao e! Tsy izaho no hoe resy lahatra tamin'izany resaka voalaza tami'ny boky lazaina fa hafa izany fa ny olona tsy mamaky azy nefa dia tonga dial milaza hoe tsy izy iny...

Toy ny milaza hoe tsy nitranga tamin'ny olona nanoratra ilay boky aroso mihitsy ilay hafatra na koa dia tonga dia mitsara avy hatrany hoe tsy araka ny Baiboly izany hafatra izany (fa tsy vakiany antsakany sy andavany aloha ilay izy dia jereny hoe inona no zava-baventy tian'ny tompon-kafatra na fampianarana lazaina).

Raha toy izany hatrany no ataon'ny Kristianina dia tsy ho tafavoaka ny adihevitra adaladala miainga amin'ny misitery tsy hitany hazavaina ao anaty Baiboly fotsiny aza izy.
72. Nehemiah ( 22/07/2013 14:42)
Tsy fantatro izay karazan'olona iresahinao fa izay rehetra mifanohitra @ Baiboly dia tsy izy, raha mbola kristiana ianao. Fa raha ekenao ilay izy kanefa efa hita fa mifanohitra @ Baiboly dia midika fa tsy mino tanteraka ny Baiboly ianao.

Izaho angaha mandà an'iza na iza hanao finoana vary amin'anana tahaky ny francs-maçons :-) ? Fa raha hanao an'izay kosa dia aza manonon-tena ho kristiana.
73. Miharena ( 23/07/2013 08:30)
Nehemiah:

Izaho angaha mandà an'iza na iza hanao finoana vary amin'anana tahaky ny francs-maçons ? Fa raha hanao an'izay kosa dia aza manonon-tena ho kristiana


tsy voavalinao antsakany sy andavany akory ny resaka nataoko teo ambony.

Fa tsy hitako taratra loatra aza hoe aiza ho aiza ny fijoron'ny finoana anananao eo anatrehan'ny Baiboly.
74. Nehemiah ( 23/07/2013 08:43)
Izaho mantsy manam-potoana hamaly ny fanendrikendrenao. Ianao no tsy mino ny Asa. 4:12 dia izaho indray no tsy maneho finoana ?
75. Miharena ( 23/07/2013 16:07)
Raha izay indray dia tokony tsy hilaza ianao hoe raha mampifandray ny masaonika sy ny kristianina aho dia tokony hokilasianao ho manao finoana vary amin'anana. Ny singa itambarany no nolazaiko hilazana fa IRAY ny finoana fa tsy misy hafa raha mbola olombelona noforonin'Andriamanitra. Izay tsy noforoniNY angamba no avahanao ka mampiteny ahy hoe sao dia tsy Kristianina mpandala ny Baiboly aza ianao io. Ny fahalalako izany Baiboly izany manko dia misy an'Andriamanitra mpahary izao rehetra izao tsy ankanavaka na izy milaza azy ho masaonika, na izy milaza azy ho kristianina, na izy milaza azy ho silamo sns...

Izany hoe zanabondrona daholo izay firehana entin"ny olombelona hitondrana ny finoana fa ny IRAY dia ny Mpamorona ihany.
76. Nehemiah ( 24/07/2013 06:34)
Ka miverina @ fanontanianao etsy ambony izany hoe "inona no ilàna ny mitory ny Evanjely" raha izay no izy ?

Ny zavatra tsy azoko aminao anie dia toa heverinao ho hateren-tsaina ny fitakiana ny exclusivité-n'ny finoana kristiana. Nandeha nivezivezy t@ vala hafa ny ondry dia tsy maintsy mankato ny antson'ny mpiandry azy ireo hiverina any am-bala. Marina fa ny fanarahana an'i Kristy no vala, fa rehefa manaraka olona 1 dia manaraka ny teniny, ary tsy latsa-danja @'izany i Jesoa Kristy, ka raha manao zavatra mifanohitra @ tenin'i Kristy ny olona 1 dia tsy maharaka azy @ fomba lavorary, kanefa mitaky ny mpanaraka Azy ho lavorary i Kristy (Mt. 5:48).

Fa ny franc-maçonnerie dia mampirona @ relativisme ara-pitondran-tena anie, ary izay no anoheran'ny kristiana, indrindrindrindra ny EKAR, azy. Ny voany no ahafantarana ny hazo, ka jereo anie ny vokatry ny relativisme moral any Lafrantsa : mihoampampana ny heloka bevava mahatsiravina isan-karazany.
77. Miharena ( 24/07/2013 09:42)
Miteny relativisme ihany ianao, fa io ihany koa anefa no azo hanakilasiana ny foto-pisainana Kristianina, izay manome conditions de survie (midika relativisma koa izany satria misy hoe raha tsy dia .... raha eny dia .....).

Koa raha tsy mivoaka tanteraka amin'izany isika dia tsy ho avotra mihitsy. Izany hoe tokony hisy tsara lalana mazava soritana tsy misy hihodivirana. Ary io Lalana io no tokony iraisan'ny finoana eran-tany fa tsy misy afa-bela amin'izany na dia iray aza.

Ka io resaka firehana io dia zanabondrona mivoaka amin'ny fototra tokana ihany fa mila mahay mamaky azy ny olona. Eto dia ny toe-pon'ny olona izay nomena azy avy amin'ny Mpahary no tokony ho maridrefy tsimiova. Io toe-po io no iraisana amin'i Jesoa ka nanomezaNY ny ohatra velona mba tsy ho lavon'ny relativisme isika.

Ny ahy moa dia miteny ihany hoe sao heverintsika fa tsy mifandray mihitsy ny firehana sy Andriamanitra ka manjary mitsara ny hafa ho ivelan'ny vala. Satria raha zohina anie dia asa mitohy ny famonjena fa tsy indray mandeha dia avela e! Ka izay miroso no mahita fa marina ny lalana izorany ary azony atao tsara ny milaza amin'y namany manana firehana fa Iray ihany ny Loharano. Izany ohatra no mahatonga ireny fitoriana ilazan'ny Tompo hoe any amparany dia hosoratako ao am-pony ny lalàKO. Tsy azo ampifandraisina amin'ny didy folo anefa io lalàna io fa io no mahalavo ny mpitory ankehitriny. Satria tsy misy lalànan'ny nofo ao amin'ny Lalan'Andriamanitra fa Lalam-panahy izay namehezan'i Jesoa azy hoe : Tiava an'Andriamanitra sy ny rahalahy.
78. Nehemiah ( 24/07/2013 12:44)

Miharena:

Miteny relativisme ihany ianao, fa io ihany koa anefa no azo hanakilasiana ny foto-pisainana Kristianina, izay manome conditions de survie (midika relativisma koa izany satria misy hoe raha tsy dia .... raha eny dia .....).
Koa raha tsy mivoaka tanteraka amin'izany isika dia tsy ho avotra mihitsy.

Ampy izay ny équivocations an, tsy mba relativisme ny branchements conditionnels !Raha tsy hainao ny dikan'ny relativisme moral, maninona no tsy mijery Wikipedia ?
Aty koa misy famaritan'ny relativisme moral tomombana
Miharena:
Izany hoe tokony hisy tsara lalana mazava soritana tsy misy hihodivirana. Ary io Lalana io no tokony iraisan'ny finoana eran-tany fa tsy misy afa-bela amin'izany na dia iray aza.

Ie, izay ny tokony ho izy, na dia tsy ho tanteraka mihitsy raha tsy Andriamanitra mihitsy no midina ety ambony tany.
Miharena:
Ka io resaka firehana io dia zanabondrona mivoaka amin'ny fototra tokana ihany fa mila mahay mamaky azy ny olona.

Porofo ?
Miharena:
Eto dia ny toe-pon'ny olona izay nomena azy avy amin'ny Mpahary no tokony ho maridrefy tsimiova.

Adinonao ve ny Fahalavoana ?
Jer. 17:9 : Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina; Iza moa no mahafantatra ny aminy?
Miharena:
Io toe-po io no iraisana amin'i Jesoa ka nanomezaNY ny ohatra velona mba tsy ho lavon'ny relativisme isika.

Ianao ihany no niteny etsy ambony hoe azo sokajiana ho relativisme ny finoana kristiana, sa nanome ohatra antsika mba tsy ho lavon'ny fampianarany ny Tompo ?
Miharena:
INy ahy moa dia miteny ihany hoe sao heverintsika fa tsy mifandray mihitsy ny firehana sy Andriamanitra ka manjary mitsara ny hafa ho ivelan'ny vala. Satria raha zohina anie dia asa mitohy ny famonjena fa tsy indray mandeha dia avela e! Ka izay miroso no mahita fa marina ny lalana izorany ary azony atao tsara ny milaza amin'y namany manana firehana fa Iray ihany ny Loharano. Izany ohatra no mahatonga ireny fitoriana ilazan'ny Tompo hoe any amparany dia hosoratako ao am-pony ny lalàKO. Tsy azo ampifandraisina amin'ny didy folo anefa io lalàna io fa io no mahalavo ny mpitory ankehitriny. Satria tsy misy lalànan'ny nofo ao amin'ny Lalan'Andriamanitra fa Lalam-panahy izay namehezan'i Jesoa azy hoe : Tiava an'Andriamanitra sy ny rahalahy.

Hatr@'izao anie mbola tsy hitako nanome porofo na variraiventy fa "Iray ihany ny Loharano" e
79. Miharena ( 24/07/2013 18:59)
Nehemiah:

Hatr@'izao anie mbola tsy hitako nanome porofo na variraiventy fa "Iray ihany ny Loharano" e


Raha zahanao amin'ny anarana IZY fa tsy amin'ny Fanahy dia tsy hahita azy mihitsy ianao hiasa ho anao ka hampahafantatra anao fa IRAY ihany IZY.

Misy fomba fijery miova tanteraka anie namana Nehemiah rehefa tena tarahin'ny Fanahy Masina ary io no atao hoe fifohazam-panahy.

Inona moa no mahatonga izany fiteny izany? Tsy noloarana lavitra ny fanahintsika fa nofohazina. Ka izay olona mifoha no afaka amin'ny relativisma na koa afaka mamaky hoe relativisma ny fironan'ny kristianina sasany.
80. Nehemiah ( 25/07/2013 05:49)
Efa fanin-100ny izay no averiko, fa ny Fanahy Masina dia tsy hifanipaka mihitsy. Sa tsy avy @ Fanahy Masina ny Asa. 4:12 ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3353