Inona marina ny atao hoe masaonika e?

21. endriny ( 25/06/2013 16:53)
Inona koka no idiran'ny saranga amin'ity aloha eh?
22. Nehemiah ( 01/07/2013 14:35)

Miharena:

Fanontaniana izay mety mitonbina amin'ny fijerinao io fanontaniana io.

Ny atao hoe mitovy saranga mihitsy no misy tsy mety ny fomba fametrahana azy satria tsy misy saranga azo tenenina akory eo.

Ny zavatra dinihina eo amin'izy ireo no mitovy dia ny fiasan'ny zava-miafina amin'ny mahanofo avokoa.

Izaho moa dia milaza hatrany hoe ny superlatif na fitsaràna fa misy ny ratsy sy ny tsara no voalohan'otan'ny olombelona ka tsy nahafahany niaina milamina fa lasa ady ny fiainana satria hono hitady ny tsara ary hanohitra ny ratsy. Kanefa raha zohina dia arakaraka ny hanoherana ilay ratsy no mampisy sy manamafy azy hatrany. Misy fanazavana momba io moa ataon'i Paoly izay milaza hoe tsy ny tsara no lasa ataony fa ny ratsy izay tsy sitrany.

Bonjour le relativisme
23. Miharena ( 01/07/2013 14:46)
Inona no idiran'ny relativisme amin'izany namana?

Tsy hoe miala amin'ny relativisme ve no fijery io fomba fiheverana io?
24. Nehemiah ( 01/07/2013 15:01)
rel·a·tiv·ism
[ réll?ti vìzz?m ]

belief in changeable standards: the belief that concepts such as right and wrong, goodness and badness, or truth and falsehood are not absolute but change from culture to culture and situation to situation

Hany ka tsy azo atao ny mitsara ny zavatra 1 ho ratsy na tsara @'io fomba fiheverana io
25. Miharena ( 01/07/2013 15:18)
Ilay famaritana mihitsy no tsy mitombina eto satria raha milaza izy hoe belief ilay izy dia tsia, tsy finoana io lazainy io fa evidence na zavamisy izay iainan'ny olombelona rehetra.

Ka asa hoe misy resaka relativisme tsy mitombina ve tiana havoitra satria manalavitra ny olombelona amin'ny finoana izany?
26. Nehemiah ( 01/07/2013 15:20)

Miharena:

Ilay famaritana mihitsy no tsy mitombina eto satria raha milaza izy hoe belief ilay izy dia tsia, tsy finoana io lazainy io fa evidence na zavamisy izay iainan'ny olombelona rehetra.

Ohatra ?
27. Miharena ( 01/07/2013 16:15)
Ohatra; madio ny lamba ary rehefa mihosom-potaka na anaovana ela dia maloto izy avy eo = evidence fa tsy finoana.

Misy izany ny famaritana izay heverina fa tokony heken'ny olon-drehetra nefa diso. Ary toa io daholo no ankamaroan'ny fampianarana omena ny olona mha tsy hahitany ny fahamarinana mba hifehezana ny sainy ho eo ambany vahoan'ny milaza azy ho mpandala ny fizarana ny resaka tsy azo dohifina na toherina.
Ny olana be amin'io toetra io dia misy ireo izay famaritana ara-pilozofika mamefy tanteraka ny fahamarinana tsy hipoitra ary misy ireo famaritana ataon'ny Kristianina momaba ny fahazoany ny Baiboly ary mamefy ny fahamarinana tsy hipoitra mihitsy.
28. Nehemiah ( 02/07/2013 14:34)
Ka nahoana no tokony ny famoahan-kevitrao ianjadian'ny finoana hindoue no tokony ataoko ambony nohon'ny famoahan-kevitra avy @ famakiana am-pahatsoran'ny Baiboly ? Tsy misy antony tokony anaovako na anaovan'olon-kafa an'izay.

Kanefa moa efa fantatro fa tsy misy antony intsony ny miresaka aminao rehefa manomboka mirona @ izay tournure izay ny resaka.
29. Miharena ( 03/07/2013 09:37)
Tsy manana finoana hindoue izany aho namana Nehemiah fa fiheveranao ihany izany angamba.

Efa nolazaiko teto angamba hoe tsy manana fironana aho fa mitana ny fijery mahitsy eo anatrehan'ny fironana rehetra misy.

Ary raha toa ka milaza ianao hoe ny famoahan-kevitro no tokony hatao ambony, TSIA, tsy misy resaka ambony na amboniana amin'izany rehetra izany. Izany no nilazana teo aloha hoe inona moa no idiran'ny saranga amin'ity fifanehoan-kevitra ity? Sehon-kevitra fotsiny ireo fa tsy misy ambony na ambany.
30. Nehemiah ( 03/07/2013 13:21)
Marina aloha fa sady tsy finoana kristiana no tsy finoana hindoue fa karazana fangaron'ny finoana maro ny anao...

Mariho tsara koa fa izay koa no ataon'ny francs-maçons, tahaky ny mpandala occulte rehetra.

Kanefa moa miely fatratra ny filazàna fa ny tena tanjon'ny fran-maçonnerine dia ny hanao ankasomparana ny finoana kristiana... Ka aoka isika ho malina
31. endriny ( 04/07/2013 05:19)

Nehemiah:

Marina aloha fa sady tsy finoana kristiana no tsy finoana hindoue fa karazana fangaron'ny finoana maro ny anao...

Mariho tsara koa fa izay koa no ataon'ny francs-maçons, tahaky ny mpandala occulte rehetra.

Kanefa moa miely fatratra ny filazàna fa ny tena tanjon'ny fran-maçonnerine dia ny hanao ankasomparana ny finoana kristiana... Ka aoka isika ho malina


Ahoana no ilazanao izany? Fa amiko mantsy toa fanasoketana no betsaka, nefa tsy nisy nahita marina akory ilay izy... Lazaina fa manompo bibiolona... Nefa ny bibiolona amiko zavatra tsy misy akory... Dia lazaina fa mangala-jaza, maka ra... Hany ka matahotra daholo ny olona... Fa tena izay tokoa ve no zava-misy, sao mantsy isika dia manao alako bika tsy tiako tarehy fotsiny...
32. Nehemiah ( 04/07/2013 06:22)
Tsotra ny valiny : diniho izay zavatra efa nolazaiko
33. endriny ( 04/07/2013 13:02)

Nehemiah:

Tsotra ny valiny : diniho izay zavatra efa nolazaiko


Ny mahagaga ahy anie dia ny ankamoran'ny fiangonana mijoalajoala rehetra dia saika ny masonika no nanorina sy nampamorina azy tany amboalohany, nefa rehefa avy eo ilay masonika lazaina hoe tsy tia kristianina? Dia lazaina fa ratsy anefa tsy misy mitondra porofo ny maharatsy azy. Ny haiko kely fotsiny dia ny Zezoita no tena mifandrafy amin'ny Masonika.
34. Miharena ( 04/07/2013 19:11)
Nehemiah:

Marina aloha fa sady tsy finoana kristiana no tsy finoana hindoue fa karazana fangaron'ny finoana maro ny anao...



Tsia, tsy fangarom-pinoana ny ahy fa tokana ny finoako dia ny hoe IRAY ao amin'ny Ray.

Ary rehefa mijery ireny lazaina fa karazam-pinoana ireny dia misy vovonana iraisany hatrany dia izay IRAY izay ihany. Esorina daholo ny fombafomba amin'izay fotoana izay vao maita io lalan-tokana io izay midika hoe vavahady ety na fahaterahana indray.
35. Nehemiah ( 05/07/2013 07:19)
Ie, fomba hafa ilazàna fa ataonao tsimpon'akotry ny finoana maro dia ireny no ataonao "vary @'anana".
36. endriny ( 05/07/2013 12:38)

Nehemiah:

Ie, fomba hafa ilazàna fa ataonao tsimpon'akotry ny finoana maro dia ireny no ataonao "vary @'anana".


Tsy toa izany ihany ve no nandrafetanareo ny testamenta vaovao sy ny fombafombam-pivavahana kristianina e?
37. Nehemiah ( 05/07/2013 14:00)
Vary @ anana angahany finoana izay tsy mifototra afa-tsy @ fampianaran'ny Testamenta Taloha sy ny fanambaràna izay nomen'ny olona 1, izay neverina ho fitohizan'ny finoana Jiosy ihany ?
38. Miharena ( 05/07/2013 17:03)
Ilay tsimpon'akotry aloha dia diso fijery sahady ny namana Nehemiah satria misy resaka Vatolampy iankinana na ijoroana ny finoana tsirairay ary io IRAY io ihany no atao hoe iombonan'izy rehetra.
39. Miharena ( 05/07/2013 17:03)
Ilay tsimpon'akotry aloha dia diso fijery sahady ny namana Nehemiah satria misy resaka Vatolampy iankinana na ijoroana ny finoana tsirairay ary io IRAY io ihany no atao hoe iombonan'izy rehetra.
40. Nehemiah ( 08/07/2013 13:29)
Ie, izay koa no lazain'ny francs-maçons
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6492