Iza no tena kristianina ankoatra ny ao amin'ny baiboly?

1. sitlo ( 12/06/2013 23:01)
Fomban'ny kristianina mantsy ilay mankany amin'ny mangingina dia "mamelà ny helokay"... Dia hoe lasa olo-masina be izy ny ampitso. Fa rehefa hita ny vokatry ny nataony dia iny izy no manome tsiny anao ka lazainy fa aza mitsara mba tsy ho tsaraina.
Ary raha tsy izy kosa no nanao an'ilay fahadisoina dia lazainy fa tsy tena kristianina ireny.

Niresaka tamin'izay pasitera izay aho mantsy efa elaela izay. Dia notantaraiko tamin'ny zava-nitranga nataon'ny kristianina frantsay fahiny tany Rwanda ka nitarika hatramin'ireny ady an-trano nahafaty sy nampijaly olona aman'apitrisa ireny. Dia hoy fotsiny izy namaly, tsy tena kristianina ireny misionera nitory teny tany Afrika taloha ireny.

Kanefa rehefa mijery ny T5 mpanala CEPE aho dia atao laza ratsy mihitsy Ranavalona I fa namono kristianina tahaka ireny. Dia lasa ny saiko.

Sa re ndeha mody adinoiko ireny dia hitady dinozoro sy sambofiara aho e? Toa tsy haiko anefa ny hanakipy ny masoko fa vao tamin'ny herinandro izao tany Inde no nisy mopera tratra nivarotra olona.
novalian'i Nehemiah ny 25/06/2013 14:25
2. hery ( 13/06/2013 07:31)
Ny kristianina dia ireo izay milaza ho mpanara-dia an'i Kristy.

Ny TENA kristianina dia ireo TENA manara-dia an'i Kristy.
3. sitlo ( 13/06/2013 07:55)
Iza ohatra?
4. Nehemiah ( 13/06/2013 08:13)
Voalazanao @ lohateny : ireo manara-dia an'i Kristy araky ny amelabelaran'ny Baiboly azy.

Ho hitanareo @'ity rohy ity koa fa vokatry ny fotopisainan'ny evôlisiona ny vonomoka tany Rwanda, miaraka @ valiny manohitra ny ankamaroan'ny hevitra novelabelarina t@ lohahevitra :

http://forum.serasera.org/forum/message/m5191d57765a0e
5. sitlo ( 13/06/2013 08:17)
Tsy misy iraharahiko an'io fa efa fantatro ny limiten'ny fahalalanao. Aza avadika ny resaka.

Iza no fanontaniana? Fa tsy efa voasoratra moa ve fa aza matahotra ny hijoro amin'ny finoanareo?
6. voromailala ( 13/06/2013 09:56)
Amiko manoka ny tena Kristianina dia ireo Kristianina nanaraka ny fivavahana natoron'i Kristy talohan'ny Premier concile de Nicée. Fivavahana Kristianina taorinan'io dia efa niova.

7. hery ( 13/06/2013 10:04)
Tsy mpanaraka fivavahana ny kristianina ka... fa mpanaraka olona (i Kristy)

sitlo> ny hoe iza aloha samy milaza ny tenany satria tsy misy mahalala izay any am-pon'ny tsirairay. Izaho afaka miteny hoe kristianina aho satria manana an'i Kristy ho Tompo sy Mpamonjiko. Na eo aza ny fahalemeko dia miezaka ny hiaina araka izay maha kristianina ahy izay aho.
8. pisoonja ( 13/06/2013 10:30)
ny olana @ sitlo dia ny fahitana fa marobe ireo mpitondra fivavahana no mana hadalana be, mamono olona , mijangajanga sns, ka efa voasoratra ao @ baiboly anie izany ry sitlo fa any am-parany misy ny ilaza fa aty no izy, atsy no Kristy fa saingy ny Tompo no hiteny @ andro farany fa tsy mahalala azy, fa aza hadino anie ry sitlo fa ireo rehetra misora-tena fa kristianina ireo no hadinina betsaka rehefa ho tonga ny farany satria ny Tompo no nilaza fa na mangatsika na mafana fa ny matimaty aloan'ny Tompo
9. hery ( 13/06/2013 10:38)
Pretexte daholo izany resaka hoe mpitondra fivavahana manao an'zao sy izao izany:

1. Firy isan-jatony no manao an'izany
2. Maninona no tsy deraina sy asian-teny ireo tena tsara sy masina
3. Nahoana no ireo vitsy anisa manao ratsy no misarika anao kokoa tsy hivavaka noho ireo maro an'isa manao tsara... sa efa ny faharatsiana no manjaka?
4. Ary raha tena tsy nisy an'ireo vitsy an'isa ireo tokoa ve dia ho nivavaka tokoa ianao? sa pretexte fotsiny ilay izy?

Ka hoy aho hoe aza mba mifanadala :-)

Tsy ifanerena ny finoana... rehefa tsy te hino sy tsy te hivavaka dia mijanona fotsiny
10. pisoonja ( 13/06/2013 10:54)
ka ady hevitra anie ny eto ry hery e ! izy ary efa voalaza fa tsy mivavaka koa inona ndray moa no ilazana fa ifanerena ny finoana fa @ maha kristianina dia ny ahazoana an'i sitlo hiditra ao anaty vala no tokony ataontsika misora-tena kristianina, izay no maha kristianina antsika
11. mizara ( 13/06/2013 11:07)

sitlo:

Fomban'ny kristianina mantsy ilay mankany amin'ny mangingina dia "mamelà ny helokay"... Dia hoe lasa olo-masina be izy ny ampitso. Fa rehefa hita ny vokatry ny nataony dia iny izy no manome tsiny anao ka lazainy fa aza mitsara mba tsy ho tsaraina.
Ary raha tsy izy kosa no nanao an'ilay fahadisoina dia lazainy fa tsy tena kristianina ireny.

Niresaka tamin'izay pasitera izay aho mantsy efa elaela izay. Dia notantaraiko tamin'ny zava-nitranga nataon'ny kristianina frantsay fahiny tany Rwanda ka nitarika hatramin'ireny ady an-trano nahafaty sy nampijaly olona aman'apitrisa ireny. Dia hoy fotsiny izy namaly, tsy tena kristianina ireny misionera nitory teny tany Afrika taloha ireny.

Kanefa rehefa mijery ny T5 mpanala CEPE aho dia atao laza ratsy mihitsy Ranavalona I fa namono kristianina tahaka ireny. Dia lasa ny saiko.

Sa re ndeha mody adinoiko ireny dia hitady dinozoro sy sambofiara aho e? Toa tsy haiko anefa ny hanakipy ny masoko fa vao tamin'ny herinandro izao tany Inde no nisy mopera tratra nivarotra olona.

I jodasy ve no namadika dia i Jesosy no lazaina fa tsy nahay nampianantra?
i Ananiasy sy Safira (Asa 5) ve no nivadika dia lazaina fa tsy misy ny asan'ny Fanahy Masina?

Betsaka namana ny ohatra afaka hanaratsiana sy hanakiviana ny olona vonona te hanompo marina fa rehefa tsy mety aminao ilay mivavaka dia ajanony, sady io koa anie misy antso e! rehefa mbola tsy tonga ny antsonao dia mipetraha aloha tsara, ataovy izay fiainana fantatrao fa mety fa na inona na inona hanaratsianao ny fivavahana sy ny finoana an'Andriamanitra dia tsy mahasakana ny Tompo hiasa izany.
12. voromailala ( 13/06/2013 12:16)

mizara:

i Jodasy no mpianatra anisany tian'i Jesosy indrindra, ankoatran'i Maria izany.

Fifanarahana nataon'i Jesosy sy Jodasy no nahatonga an'i Jesosy teo amin'ny hazo fijaliana fa tsy Jodasy akozy no namadika an'i Jesosy.

13. sitlo ( 13/06/2013 12:35)
voromailala:
i Jodasy no mpianatra anisany tian'i Jesosy indrindra, ankoatran'i Maria izany.

Fifanarahana nataon'i Jesosy sy Jodasy no nahatonga an'i Jesosy teo amin'ny hazo fijaliana fa tsy Jodasy akozy no namadika an'i Jesosy.

Ny adihevitra tahaka izao ilay lazaiko hoe kipitsopotsony. Na ho firy arivo taona aza tsy ho tapitra. Ka izay no ilazako hoe ny foto-kevitra ampianariny iadiana hevitra ka tazony izay tsara ary ario izay hitanao fa tsy mety.
Raha Jodasy ohatra aloha dia tsy hitako loatra ny lesona azo raisina avy aminy. Mety maro ny antony, tsy haiko. Fa ny vokany dia 2013 aho aty tsy mahita na inona momba azy ankoatra ny kely notantaraina ahy. Noho izany amiko dia iray amin'ireo olona maro be tsy fantatro efa maty izy. Mety hitranga any aoriana any, mety misy olona mahita ny sangan'asany (izay mety ho fosika), dia amin'izay indray aho mandinika ny mety ho azo raisina ao sy ny tsy azo.
14. Nehemiah ( 13/06/2013 12:38)
Aiza ve koa any @ lahatsoratra gnôstika ny sasany no mandeha...
15. mizara ( 13/06/2013 12:42)

voromailala:

i Jodasy no mpianatra anisany tian'i Jesosy indrindra, ankoatran'i Maria izany.

Fifanarahana nataon'i Jesosy sy Jodasy no nahatonga an'i Jesosy teo amin'ny hazo fijaliana fa tsy Jodasy akozy no namadika an'i Jesosy.

Namadika i Jodasy ka!

Amin'ny anaran'ny fitiavan-tanidrazana no namarotany an'i Jesosy satria izy nihevitra fa Jesosy efa nahavory vahoaka betsaka ka hirohotra ny vahoaka raha samborina sy gadraina Izy, ianao va mbola tsy maharaka ny "jeu politique e! efa tamin'izany no nisy io resaka io".
16. voromailala ( 13/06/2013 12:45)
Mirespecter ny version anao za, fa tena marina tsy mitovy ny source ny information antsika.
17. sitlo ( 13/06/2013 12:50)
Fa raha hiverina amin'ny lohahevitra aho dia izao. Ialako tsiny (mody mindrana sady tena serieux) raha hitanareo fa fanaratsiana ilay izy. Ity fiheverana ho fanaratsiana ity koa ange ka manondro tena ihany indraindray e. Raha tena tsara ilay izy dia tokony tsy hampaninona mihitsy ny fahitan'ny hafa.

Fa na izany na tsy izany fitia te hahalala ny ahy. Ny fomba hanavahana ny vary amin'ny tsiparifary no tanjoko.
18. voromailala ( 13/06/2013 12:58)
Ilana tsiny raha hoe nivoana, fa mba tehiresadresaka sy te hanome fijery hafa.

sitlo:

Fa raha hiverina amin'ny lohahevitra aho dia izao. Ialako tsiny (mody mindrana sady tena serieux) raha hitanareo fa fanaratsiana ilay izy. Ity fiheverana ho fanaratsiana ity koa ange ka manondro tena ihany indraindray e. Raha tena tsara ilay izy dia tokony tsy hampaninona mihitsy ny fahitan'ny hafa.

Fa na izany na tsy izany fitia te hahalala ny ahy. Ny fomba hanavahana ny vary amin'ny tsiparifary no tanjoko.
19. sitlo ( 13/06/2013 13:02)
Tsy olana izany fa efa azoko ny valiteny notadiaviko. Efa azo atao hoe tapitra ity dinika ity ka izay resahana manaraka eo mety daholo. Na hiverina amin'ny resaka Darwin sy Rwanda aza.
20. sitlo ( 13/06/2013 13:07)
Entre pa, mizar ka maaraka an'ilay jeu politique ihany nefa miantso hoe manjaka eto ny athe ka tokony hibebaka...
Ny teneniko fotsiny dia sorena rehefa mahita ny marina ka ndeha hanao ratsy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2984